SARDONIKSA
(sardôniksa).
Vato fanao ravaka ary karazana agata, izay kalsedoanina ihany. Antsoina hoe sardoniksa ny oniksa rehefa misy sosona roa na mihoatra, ka anisan’ireny sosona ireny ny kalsedoanina fotsy toy ny ronono sy ny sardoanina mena mangarahara. Mivolombolamena na mivolontsôkôlà indraindray ilay sosona eny anelanelany. Lasa toy ny lokon’ny hohon-tanana ny sosona mena rehefa voatsindrin’ny sosona fotsy, ka izany angamba no nahatonga ny Grika nampiditra an’ilay teny hoe ônyks (midika hoe “hohon-tanana”) tao amin’ny anaran’ilay vato. Ahitana sardoniksa any amin’ny toerana maro, anisan’izany i Palestina sy Arabia.
Voatonona indray mandeha ao amin’ny Baiboly io vato io. Lazain’ny Apokalypsy 21:2, 19, 20 mantsy fa sardoniksa ny vato fototra fahadimy tamin’ilay “tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao.”