FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Selemia”
  • Selemia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Selemia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanania
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jiria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Abdela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jehokala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Selemia”

SELEMIA

(Selemìa) [Valisoa i Jehovah; na Sorona Iombonan’i Jehovah].

1. Levita mpiandry vavahady. Izy no voatendry tamin’ny antsapaka mba hiandraikitra ny vavahady tany atsinanan’ny toerana masina, tamin’ny andro nanjakan’i Davida.​—1Ta 26:14; jereo MESELEMIA.

2. Raiben’i Jehody manamboninahitr’i Joiakima. Zanak’i Kosy izy.​—Je 36:14.

3. Rain’i Jehokala (Jokala) mpitondra hafatr’i Zedekia.​—Je 37:3; 38:1.

4. Rain’i Jiria manamboninahitra niandraikitra ny Vavahadin’i Benjamina tao Jerosalema. Zanak’i Hanania izy.​—Je 37:13.

5. Iraka nalefan’i Joiakima Mpanjaka mba hisambotra an’i Jeremia sy Baroka ka hitondra azy eo anatrehany. Zanak’i Abdela izy.​—Je 36:26.

6, 7. Lehilahy roa anisan’ny zanak’i Binoy na taranany, izay nandroaka an’ireo vadiny hafa firenena, rehefa niverina tany Jerosalema i Ezra tamin’ny 468 T.K.​—Ezr 10:38, 39, 41, 44.

8. Rain’i Hanania. Anisan’ireo nanampy io Hanania io, rehefa namboarina ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 3:30.

9. Mpisorona anisan’ireo notendren’i Nehemia hiandraikitra ny trano fitehirizana entana, sy hizara ny ampahafolon-karena tamin’ireo tokony hahazo izany. Nanendry azy ireo i Nehemia tamin’izy niverina fanindroany tany Jerosalema.​—Ne 13:6, 7, 12, 13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara