SOHAMA
(Sohàma), Sohamita (Sohamìta) [An’i Sohama].
1. Zanakalahin’i Dana hany voaresaka ao amin’ny Baiboly. I Sohama no razamben’ny Sohamita, ilay hany fianakaviambe voasoratra anarana tao amin’ny fokon’i Dana. Niisa 64 400 izy ireo tamin’ny faran’ireo 40 taona nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra. (No 26:42, 43) Antsoina hoe Hosima i Sohama ao amin’ny Genesisy 46:23.
2. [Oniksa]. Levita taranak’i Merary, anisan’ireo voaresaka rehefa nalamin’i Davida indray ny fanompoan’ny Levita. Zanakalahin’i Jazia izy.—1Ta 24:27, 31.