SIDIMA, LEMAKA IVAN’I
(Sidìma).
Lohasaha iray resahin’ny Soratra Masina hoe teo amin’ny toerana misy ny Ranomasin-tsira (Ranomasina Maty). (Ge 14:3) Tamin’ny andron’i Abrahama, dia teo amin’io toerana io i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama sy ireo mpanjaka telo mpiray dina taminy no niady tamin’ny mpanjakan’i Sodoma, Gomora, Adma, Zeboima ary Zoara. Nikomy taminy mantsy ireo mpanjaka dimy ireo. Nandositra ireo mpanjakan’i Sodoma sy Gomora rehefa resy, kanjo nisy tamin’ny miaramilany latsaka tao anaty lavaka. “Be lavaka godorao” mantsy io toerana io.—Ge 14:4, 8-10.
Misy mihevitra fa ilay ampahany amin’ny Ranomasina Maty, any atsimon’ny Saikinosin’i Lisan, no Lemaka Ivan’i Sidima. Mihevitra izy ireo fa lohasaha lonaka izy io taloha, ary difotry ny rano tatỳ aoriana, angamba noho ny horohoron-tany na ny fiovan’ny vohon-tany vokatry ny nandringanan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora ary ilay faritra manontolo. (Ge 19:24, 25) Mbola misy godorao miakatra avy any anatin’ny rano marivo eo amin’io toerana io indraindray, hatramin’izao.—Jereo RANOMASIN-TSIRA.