FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Zeboima”
  • Zeboima

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zeboima
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Adma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Semebera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sidima, Lemaka Ivan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sodoma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Zeboima”

ZEBOIMA

(Zebôìma).

1. Tanàna voatonona ao amin’ny andininy miresaka momba ny sisin-tanin’ny Kananita. (Ge 10:19) Sady tanàna i Zeboima no fanjakana, ary tanàna dimy no toy izany tao amin’ny Faritr’i Jordana. Niandany tamin’ny mpanjakan’i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Bela (Zoara) i Semebera mpanjakan’i Zeboima. Nikomy tamin’i Kedorlaomera izy rehetra ireo taorian’ny 12 taona nifehezany azy ireo. Toa resin’i Kedorlaomera sy ny mpanjaka telo nanao fifanekena taminy anefa i Semebera sy ireo mpanjaka namany, teo amin’ny Lemaka Ivan’i Sidima. Izany no nahatonga an’i Lota ho lasa babo. Resin’i Abrahama anefa ireo mpanafika ireo avy eo. (Ge 14:1-16) Tatỳ aoriana, dia naringan’i Jehovah niaraka tamin’i Sodoma sy Gomora ny mponina ratsy fanahy tao amin’ireo tanàna teo amin’ny Faritr’i Jordana ireo, anisan’izany ireo tao amin’ny tanànan’i Zeboima. (Ge 19:24, 25; De 29:22, 23; Ho 11:8) Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’i Zeboima. Manam-pahaizana maro no mihevitra fa any ambanin’ny Ranomasina Maty no nisy azy io. Tatỳ aoriana anefa, dia nisy nilaza fa any amin’ireo lohasaha any atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty ny sisa tavela tamin’ilay tanàna.

[2, 3: Hyena (ny hyena dia biby mitovitovy amin’ny alikadia)]

2. Lohasaha tao amin’ny faritanin’i Benjamina, tany akaikin’i Mikmasy. Tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka, dia nisy Filistinina mpandroba niainga avy tao Mikmasy “nihazo ny lalana mankany amin’ny sisin-tany manatrika ny lohasahan’i Zeboima, tandrifin’ny tany efitra.” (1Sa 13:16-18) Tsy fantatra hoe taiza no tena nisy ny lohasahan’i Zeboima. Misy anefa milaza azy io ho ny Lohasaha Falehan-driaka Abou Dabaʽ (midika hoe, “Lohasahan’ny Rain’ny Hyena”), tokotokony ho 10 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Mikmasy ary 13 km eo ho eo any atsinanana avaratratsinanan’i Jerosalema.

3. Tanàna nonenan’ireo Benjamita sasany nody avy tany an-tsesitany tany Babylona. Voatonona eo anelanelan’i Hadida sy Nebala ary Loda (Lyda) izy io. (Ne 11:31, 34, 35) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara