FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Volafotsy”
  • Volafotsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Volafotsy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Vola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sekely
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Volamena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tena Hahafa-po ny Fiainana ao Amin’ny Tontolo Vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Volafotsy”

VOLAFOTSY

Metaly sarobidy, izay fotsy mamirapiratra be. Tsy maintsy misy fangarony foana matetika ny volafotsy mbola akora. Mila arendrika sy diovina àry izy ireny, mba hahazoana ny volafotsy sy hanesorana ny loto sy ny tain-drendrika ary ny metaly tsy ilaina, anisan’izany ny firamainty. (Sl 12:6; Oh 27:21; Ezk 22:20-22; Ml 3:3) Adika hoe ‘vola’ indraindray ilay teny hebreo ilazana ny volafotsy (kesef), ary ilay teny grika (argyriôn) kosa adika hoe “farantsa volafotsy.”​—Ge 17:12; Mt 25:18; 26:15; jereo VOLA.

Ahoana no tena nampiasana ny volafotsy voadio? 1) Ny volafotsy nananan’ny olona no anisan’ny namaritana hoe nanan-karena izy na tsia, ary izy io koa no nanaovana takalo. Volafotsy, ohatra, no nividianan’i Abrahama tany natao toeram-pandevenana ho an’ny fianakaviany. (Ge 13:2; 23:15-18) Nolanjaina ilay izy rehefa naloa ny vidin’ilay tany, satria taonjato maro tatỳ aoriana vao nisy ny vola madinika volafotsy. 2) Nanamboarana haingo sy ravaka koa ny volafotsy, efa hatramin’ny andron’i Abrahama. (Ge 24:53; 44:2; Ek 11:2; 12:35) Volafotsy ny trompetra roa nampiasain’ny firenen’Israely (No 10:2), ary ny fitaovana sasany nanaovana ny tranolay masina (Ek 26:19, 21, 25, 32; 27:10, 11, 17) sy ny tempolin’i Solomona. (1Ta 28:15-17) Nanamboarana sampy koa izy io.​—Ek 20:23; Ho 13:2; Ha 2:19; As 19:24.

Sarobidy tamin’ny firenena rehetra fahiny ny volafotsy. (2Sa 8:10, 11; 2Ta 9:14) Be dia be ny volafotsy tany Jerosalema tamin’ny andro nanjakan’i Solomona. Betsaka koa anefa ny volamena, hany ka noheverina ho “tsinontsinona” “toy ny vato” ny volafotsy. (1Mp 10:21, 27; 2Ta 9:20; ampit. Da 2:32.) Isaky ny telo taona, dia nitondra zavatra vita tamin’ny volafotsy koa ny sambo avy any Tarsisy (azo inoana fa i Espaina, izay mbola mamokatra volafotsy hatramin’izao).​—1Mp 10:22; 2Ta 9:21; Je 10:9; Ezk 27:12.

Sarobidy kokoa noho ny volafotsy ny fahendrena sy ny anatra ary ny fahiratan-tsaina avy amin’i Jehovah. Mihelina ihany mantsy ny hasarobidin’ny volafotsy. (Oh 3:13, 14; 8:10, 19; 16:16) Manana heviny an’ohatra maromaro koa ny volafotsy, ao amin’ny Soratra Masina.​—Mpto 12:6; Is 60:17; Da 2:32; 1Ko 3:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara