FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sivana”
  • Sivana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sivana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kalandrie
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nisana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Pentekosta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fijinjana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sivana”

SIVANA

(Sivàna).

Volana jiosy fahatelo tamin’ny kalandrie ara-pivavahana, taorian’ny sesitany, fa fahasivy kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana (Es 8:9; 1Ta 27:5; 2Ta 31:7), ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Mey sy voalohandohan’ny Jona. Tsy fantatra ny tena dikan’ny hoe Sivana.

Efa hifarana ny lohataona tamin’ny Sivana, ary hanomboka ny vanin-taona mafana. Fijinjana varimbazaha tamin’izay, ary nanomboka ny main-tany izay hitohy hatrany antenatenan’ny Oktobra na volana Bola. (Ek 34:22; Oh 26:1) Tamin’ny Sivana no nisy oram-baratra tsy nampoizina rehefa nivavaka tamin’i Jehovah i Samoela mpaminany, ka natahotra be ny olona. (1Sa 12:16-19) Efa masaka koa ny “aviavy vokatra voalohany”, izay nitsimoka tamin’ny faramparan’ny ririnina (Is 28:4; Je 24:2), ary efa vokatra ny paoma tany amoron-tsirak’i Mediterane.​—To 2:3; ampit. Jl 1:10-12.

Fetin’ireo Herinandro na Pentekosta ny 6 Sivana, izay andro faha-50 taorian’ny nanolorana ny voaloham-bokatry ny vary orza. Tamin’izay ny voaloham-bokatry ny varimbazaha no natolotra. (Ek 34:22; Le 23:15-21) Ny 6 Sivana taona 33 koa no nilatsahan’ny fanahy masina ny mpianatra 120 teo ho eo, izay nivory tao amin’ny efitra ambony rihana tany Jerosalema. Natao batisa ny androtr’iny ny 3000 tamin’ireo tonga nankalaza an’ilay fety tany.​—As 1:15; 2:1-42.

Tamin’ny Sivana i Asa Mpanjaka no nanao fety be taorian’ny namongorany ny fivavahan-diso tany Joda sy Jerosalema ary ny faritra hafa. (2Ta 15:8-10) Efa ho sivy volana mialoha, izany hoe ny 23 Sivana, i Ahasoerosy Mpanjaka no nandefa iraka haingam-pandeha ho any amin’ny faritany 127 nanerana ny Fanjakana Persianina (hatrany Inde ka hatrany Etiopia). Nampitondra hafatra azy ireny izy hoe mahazo miaro ny ainy ny Jiosy ny 13 Adara.​—Es 8:9-14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara