FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lanezy”
  • Lanezy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lanezy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mafana Nefa ao Anaty Lanezy
    Mifohaza!—2008
  • Diniho Ireo Asa Mahatalanjon’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Teraka Tamin’ny Andro Ririnina ve i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lanezy”

LANEZY

Any amin’ny tany sasany dia misy potika gilasy fotsy miforona avy amin’ny eton-drano eny amin’ny rivotra, ka milatsaka toy ny orana rehefa mangatsiaka be. Izany no atao hoe lanezy. Rehefa milatsaka izy io, dia entiny miaraka aminy ny zavatra simika eny amin’ny rivotra, toy ny solifara sy azota, ka mahatonga ny tany hahavokatra sady manome hamandoana. (Is 55:10, 11) Mety hahazoana rano madio isasana ny lanezy. (Jb 9:30) Tsy misy lanezy firy na tsy misy mihitsy any amin’ny faritra sasany any Palestina. Misy lanezy kosa indraindray, eny amin’ny faritra an-tampon-kavoana toa an’i Jerosalema, amin’ny Janoary sy Febroary. (Ampit. 2Sa 23:20; 1Ta 11:22.) Saika mandavantaona no misy lanezy eny amin’ny toerana avo sy ny hantsana any amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona, ary sarona lanezy ny Tendrombohitra Hermona mijoalajoala. (Je 18:14) Nisy lanezy tany Zalmona, angamba tendron’ny Tendrombohitra Haorana (Jebel ed Droz), any atsinanan’i Jordana.​—Sl 68:14.

I Jehovah no Mpahary ny lanezy ka vitany koa ny mibaiko azy io. (Jb 37:6; Sl 147:16) Mitahiry lanezy sy havandra “ho amin’ny andro anafihana sy anaovana ady” izy, mba hanatanterahany ny fikasany.​—Jb 38:22, 23.

Heviny an’ohatra. Atao ohatra mba hilazana zavatra tena fotsy be ny lanezy. (Ek 4:6, f.a.p.; No 12:10, f.a.p.; 2Mp 5:27, f.a.p.; Da 7:9, f.a.p.; Mt 28:3, f.a.p.; Ap 1:14, f.a.p.) Ilazana zavatra madio tsy misy pentina koa izy io indraindray. (Is 1:18, f.a.p.; Ft 4:7, f.a.p.) Niangavy an’Andriamanitra mba hanadio azy, ohatra, i Davida mba ho afaka ny fahotany ka ho voasasa izy ary ho “fotsy kokoa noho ny lanezy.”​—Sl 51:7, f.a.p.

Tsy nampahery an’i Joba mihitsy ireo namany telo lahy, ka nampitovina tamin’ny riaka amin’ny andro ririnina, izay mitombo be rehefa mitsonika ny ranomandry sy lanezy avy eny an-tendrombohitra, nefa maina be rehefa mafana ny andro. (Jb 6:15-17) Voalaza fa toy ny andevonan’ny hain-tany sy ny hafanana ny rano avy amin’ny lanezy, no andevonan’ny Fasana ny mpanota. (Jb 24:19) Manimba vokatra sady hafahafa raha milatsaka amin’ny fahavaratra ny lanezy, ary “hafahafa koa raha ny adala no omem-boninahitra.” (Oh 26:1) Mitovy amin’inona ny iraka mendri-pitokisana, rehefa manao izay hahafa-po ny mpaniraka azy? Mitovy amin’ny zava-pisotro nampangatsiahina tamin’ny lanezy teny an-tendrombohitra, izay mamelombelona amin’ny andro fijinjana mahamay be.​—Oh 25:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara