Teraka Tamin’ny Andro Ririnina ve i Jesosy?
“MISY Oram-panala Be Mampikatso an’i Jerosalema” ary “Mahavery Hevitra ny Avaratra ny Firotsahan’ny Oram-panala Maharitra”. Nanjary nahazatra ny mpamaky gazety isiraeliana ny matoam-baovao toy izany tao amin’ny The Jerusalem Post tamin’ny 1992, tao anatin’ny ririnina anisan’ny namirifiry indrindra tamin’ny taonjato, tany Isiraely.
Tamin’ny Janoary, ny tendron’ny Tendrombohitra Hermona dia rakotry ny oram-panala 7 ka hatramin’ny 12 metatra, ary mbola tsy tapitra velively ny ririnina. Hatrany amin’ny Havoanan’i Golana sy i Galilia Ambony nidina nandalo an’i Jerosalema sy akaikin’i Betlehema (hita eo amin’ny fonony), hatrany atsimo any Negeba mihitsy aza, dia nikatso imbetsaka ny fiainana sy ny fahazarana andavanandron’ireo Isiraeliana noho ilay mpitsidika tsara tarehy sy mora simba, saingy manan-kery. Nilaza toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny Jerusalem Post: “Omaly ny firotsahan’ny oram-panala be dia nahavita izay tsy vitan’ny firotsahan’orana balafomanga Katyusha tamin’ny herinandro lasa, nanakatona ireo fonenana sy nitana ny mponina hihidy aman-trano mafy.”
Nitondra fanimbana, tsy teo amin’ireo mponina tao an-tanàn-dehibe ihany ilay ririnina namirifiry. Tonga ireo tatitra ny amin’ny omby sy zanak’omby an-jatony maro, ary koa akoho an’arivony maro izay jihitry ny hatsiaka mandra-pahafatiny satria ny maripana tamin’ny alina dia nilatsaka ambanin’ny zero degre. Toy ny hoe tsy ampy ny oram-panala fa naka ny anjarany koa ny oram-be namanala. Indray andro, dia nopaohin’ny riaka ka maty an-drano ny mpiandry ondry tanora roa lahy, izay toa nanandrana tamim-pahataitairana mafy hamonjy ny maromaro tamin’ireo ondriny lasan’ny ranotrambo.
Na dia tsy ririnina mampiavaka ny Moyen-Orient aza izy io, dia nanao izao tatitra izao ilay gazetiboky isiraeliana atao hoe Eretz: “Ny filazana ny toetr’andro izay nangonina sy noraisina an-tsoratra tao amin’ny tanin’i Isiraely nandritra ireo 130 taona lasa, dia mampiseho fa fisehoan-javatra mahazatra kokoa tsy araka ny anampoizana azy ny oram-panala ao Jerosalema (...) Teo anelanelan’ny 1949 sy 1980, ny tanànan’i Jerosalema dia nahita ririnina nisy oram-panala efatra amby roapolo.” Moa ve anefa izany tsy misy vidiny afa-tsy ho an’ny filazana ny toetr’andro sy ny tombontsoan’olombelona fotsiny, sa manana heviny manokana izy io ho an’ireo mpianatra ny Baiboly?
Milaza inona ho an’ireo mpianatra ny Baiboly izany?
Rehefa mieritreritra ny amin’ny nahaterahan’i Jesosy ny olona maro dia mahazo sary an-tsaina ilay endriky ny fihinanam-bilona mampihetsi-po, matetika aseho amin’ny fotoanan’ny Krismasy. Mandry eo i Jesosy zaza, voarakotra mafana tsara sady andrasan-dreniny, misy oram-panala mandrakotra moramora ny faritra manodidina taza-maso. Moa ve io fiheveran’ny besinimaro io mifanaraka amin’ny filazalazan’ny Baiboly ny amin’io zava-nitranga ara-tantara io?
Nilaza fitantarana nanaovana fikarohana tamim-pitandremana momba ny nahaterahan’i Jesosy i Lioka mpanoratra ny Baiboly: “Ary nisy mpiandry ondry tamin’izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina. Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida [Betlehema], dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: hianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” — Lioka 2:8-14.
Raha mamaky io fitantarana io amin’ny Isiraeliana antonintoniny iray amin’izao andro izao ianao ary manontany azy ny amin’ny fotoana amin’ny taona nety ho nitrangan’izany, dia azo inoana fa hamaly izy hoe: “Tany anelanelan’ny Aprily sy Oktobra tany ho any.” Nahoana? Tsotra ny valiny. Manomboka amin’ny Novambra ka hatramin’ny Martsa no vanin-taona mangatsiaka sy manorana any Isiraely, ary ny 25 Desambra dia azo antoka fa ao anatin’ny andro ririnina. Ireo mpiandry ondry dia tsy ho nipetraka tany ivelany, nanohy niandry ny andian’ondriny tany an-tsaha tamin’ny alina. Raha mandinika ireo tatitra teo am-piandohan’itỳ lahatsoratra itỳ ianao dia afaka mahatakatra tsara ny antony. I Betlehema izay nahaterahan’i Jesosy dia avo toerana kokoa, ary any amin’ny kilaometatra vitsivitsy monja avy eo Jerosalema. Na dia amin’ireo taona tsy isian’ny toetr’andro faran’izay ratsy aza, dia mangatsiaka ihany any amin’io toerana io amin’ny alina, mandritra ny ririnina. — Mika 5:1; Lioka 2:15.
Ny topy maso amin’ny tantara tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy dia manome fanazavana ny amin’ny tsy nahaterahany nandritra ny ririnin’ny volana Desambra. I Maria renin’i Jesosy dia voatery nanao dia lavitra avy tany an-tranony tany Nazareta nankany Betlehema, na dia efa nadiva hiteraka aza izy. Nanao izany izy sy i Josefa mba hanatanterahana izay notakin’ny fanisam-bahoaka nandidian’i Aogosto Kaisara, mpanapaka romana. (Lioka 2:1-7). Kely sisa dia nikomy ny vahoaka jiosy noho izy tsy faly tamin’ny fanapahana romana sy ny hetra mavesatra notakiny. Nahoana i Roma no hila vaniny amin’izy ireo tsy amin’antony, amin’ny fitakiana amin’ny maro hanao dia lavitra mba hisoratra anarana tao anatin’ny toetr’andron’ny ririnina faran’izay sarotra indrindra sy mamitaka mihitsy aza? Moa ve tsy azon’ny saina ekena kokoa ny hoe navoaka izany didy izany nandritra ny vanin-taona izay nanamora ny fanaovana dia lavitra, toy ny lohataona na ny fararano?
Fanaovana asa marika miorina amin’ny Baiboly
Ny porofo ara-tantara sy ara-batana dia manilika ny Desambra na izay mety ho volana hafa rehetra mandritra ny ririnina, ho mifanentana amin’ny fitantarana momba ny nahaterahan’i Jesosy. Ambonin’izany dia ampahafantarin’ny Baiboly amin’ny alalan’ny faminaniana ny fotoana amin’ny taona izay nahaterahan’i Jesosy. Aiza izy no manao izany?
Ao amin’ny bokin’i Daniela toko faha-9 isika dia mahita ny iray amin’ireo faminaniana manaitra ny saina indrindra mikasika ny Mesia. Izy io dia milazalaza ny amin’ny fahatongavany sy ny famonoana azy ho faty, izay nanome sorom-panavotana manonitra ny ota ary manorina fototra iray mba hahazoan’ny taranak’olombelona mpankato “fahamarinana mandrakizay”. (Daniela 9:24-27; ampitahao amin’ny Matio 20:28.) Araka io faminaniana io, izany rehetra izany dia ho tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana misy 70 herinandron-taona, nanomboka tamin’ny taona 455 al.f.i., rehefa nivoaka ny didy hanorenana indray an’i Jerosalema.a (Nehemia 2:1-11). Avy amin’ilay fizaram-potoana ao amin’io faminaniana io, dia azo fantarina fa ny Mesia dia hiseho amin’ny fiandohan’ireo 70 herinandron-taona. Nitranga izany rehefa niseho mba hatao batisa tamin’ny taona 29 am.f.i. i Jesosy ka nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny anjara asany tamin’ny naha-Mesia azy. “Hatramin’ny antsasaky ny herinandro”, na taorian’ny telo taona sy tapany, dia hovonoina ho faty ny Mesia, ka noho izany dia hamarana ny vidin’ireo sorona rehetra teo ambanin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. — Hebreo 9:11-15; 10:1-10.
Ampahafantarin’io faminaniana io fa ny faharetan’ny fanompoana nataon’i Jesosy dia telo taona sy tapany. Maty i Jesosy tamin’ny Paska 14 Nisana (araka ny fanisanandro jiosy), tamin’ny lohataonan’ny taona 33 am.f.i. Ny daty mifanitsy amin’izany tamin’io taona io dia ny 1 Aprily. (Matio 26:2). Raha manisa miverina telo taona sy tapany isika, izany dia mametraka ny batisany tamin’ny taona 29 am.f.i. ho amin’ny fiandohan’ny Oktobra. Milaza amintsika i Lioka fa tokony ho efa 30 taona i Jesosy tamin’ny batisany. (Lioka 3:21-23). Izany dia ho nidika fa ny nahaterahan’i Jesosy koa dia tokony ho tany akaikin’ny fiandohan’ny Oktobra tany ho any. Mifanaraka amin’ny fitantaran’i Lioka, tamin’izany fotoana amin’ny taona izany ireo mpiandry ondry dia mbola “nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina”. — Lioka 2:8.
Avy tamin’ny loharano inona?
Koa satria ny porofo dia manondro ny fiandohan’ny Oktobra ho fotoana nahaterahan’i Jesosy, nahoana izy io no ankalazaina ny 25 Desambra? Asehon’ny The New Encyclopædia Britannica fa io fankalazana io dia noraisina taonjato maro taorian’ny nahaterahan’i Jesosy: “Nandritra ny taonjato faha-4 dia noraisin’ny ankamaroan’ny fiangonana tatsinanana tsikelikely ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy tamin’ny 25 Desambra. Tany Jerosalema, dia naharitra ela kokoa ny fanoherana ny Krismasy, kanefa nekena izy io tatỳ aoriana.”
Nahoana no nekena mora foana aoka izany ilay fanao teo amin’ireo izay nilaza ny tenany fa Kristiana taonjato maro taorian’i Kristy? Nanome fanazavana fanampiny mikasika io foto-kevitra io ny The New Encyclopædia Britannica: “Ireo fanao nentim-paharazana nifandray tamin’ny Krismasy dia nitombo avy tamin’ny loharano maromaro vokatry ny fifanandrifian-javatra teo amin’ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy sy ireo fankalazan’ny mpanompo sampy momba ny fambolena sy ny masoandro teo antenatenan’ny ririnina. Teo amin’ny tontolo romana, ny Satiornaly (17 Desambra) dia fotoam-pifaliana sy fifanakalozana fanomezana. Ny 25 Desambra koa dia noheverina fa daty nahaterahan’ilay andriamanitra iraniana mifono zava-miafina atao hoe Mithra, ilay Masoandron’ny Fahamarinana.”
Tena “fifanandrifian-javatra” marina tokoa ve izany rehetra izany? Tsy izany velively! Zava-nisy teo amin’ny tantara ny hoe tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i., teo ambany fanapahan’ny Emperora Constantin, dia nandalo fiovana lehibe ny Empira Romana, niala tamin’ny naha-mpanenjika ny Kristianisma azy izy mba ho mpanohana ny “Kristianisma” toy ny fivavahana nekena. Koa satria ny maro tamin’ny ankapoben’olona izay nanaiky io finoana vaovao io dia tsy nanana ilay fahalalana tena ilaina mba hahatakarana ny tena hevitry ny Kristianisma marina, dia nanomboka nankalaza ireo andro firavoravoan’ny mpanompo sampy nahazatra azy izy ireo, nasiana ireo lohateny hita vao haingana hoe “kristiana”. Daty inona moa no nety ho nifanentana kokoa tamin’ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy noho ilay 25 Desambra izay efa voamarika ho andro nahaterahan’ny “Masoandron’ny Fahamarinana”?
Tsy maninona ve izany?
Tsy isalasalana fa ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesosy, izay nanam-piaviana jiosy, dia tsy nankalaza ny andro nahaterahany. Araka ny Encyclopaedia Judaica, “dia tsy fantatra teo amin’ireo fombafomba nentim-paharazana jiosy ny fankalazana andro nahaterahana”. Azo antoka fa tsy ho nandray izany fankalazana izany ireo Kristiana voalohany. Tsy nankalaza ny nahaterahan’i Jesosy izy ireo fa nanaja kosa ilay baikony mba hahatsiarovana ny nahafatesany, izay nananan’izy ireo daty tsy azo lavina, dia ny 14 Nisana. — Lioka 22:7, 15, 19, 20; 1 Korintiana 11:23-26.
Taonjato maro talohan’i Kristy, dia nampitandremana tamin’ny alalan’ny faminaniana ny amin’ny tsy maintsy handaozany an’i Babylona nanaovana sesitany azy ny vahoaka jiosy, izay firenena voafidin’Andriamanitra tamin’izay: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.” (Isaia 52:11). Tsy maintsy niverina tany amin’ny taniny izy ireo mba hanorina indray ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah. Tsy azo nosaintsainina ny nandraisan’izy ireo ny fomba amam-panao sy endri-panompoam-pivavahana maloton’ny mpanompo sampy izay hitany tany Babylona.
Tsy mahagaga raha naverina ho an’ny Kristiana io baiko io ao amin’ny 2 Korintiana 6:14-18. Ho solon’ny firenena jiosy izay nanda an’i Kristy, dia nanjary solontenan’ny fanompoam-pivavahana madio ireo mpanara-dia azy. Nanana andraikitra hanampy ny hafa hiala tamin’ny haizina ara-panahy ho ao amin’ny fahazavan’ny fahamarinana izy ireo. (1 Petera 2:9, 10). Ahoana no nety ho nanaovan’izy ireo izany raha nampifangaro ny fampianaran’i Kristy tamin’ireo fomba amam-panao sy andro fankalazana avy tany amin’ny mpanompo sampy izy ireo?
Na dia mety hanintona ny fitiavan’ny besinimaro zavatra aza izy io, ny fankalazana “Krismasy Misy Oram-panala” dia mitovy amin’ny ‘fanendrena izay zavatra tsy madio’. (2 Korintiana 6:17). Tsy maintsy manalavitra izany ny olona iray izay tena tia tokoa an’Andriamanitra sy i Kristy.
Ankoatra ny fananan’izy io fiaviana avy amin’ny fankalazana fanaon’ny mpanompo sampy, dia hitantsika koa fa tsy mampiseho ny fahamarinana ny Krismasy satria teraka tamin’ny Oktobra i Jesosy. Eny, tsy maninona na inona na inona sary mety ho tonga ao an-tsain’ny tena, fa i Jesosy dia tsy teraka fotsiny tamin’ny andro ririnina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hanaovana dinidinika feno kokoa ny amin’io faminaniana io, dia jereo ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any? pejy faha-26, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 4, 5]
Jerosalema rakotry ny oram-panala araka ny ahitana azy avy any atsinanana
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian
[Sary, pejy 6]
Oram-panala manaraka ny mandan’i Jerosalema
[Sary, pejy 7]
Amin’ny vanin-taona mafana ihany ny mpiandry ondry vao afaka mijanona miaraka amin’ny andian’ondriny amin’ny alina eny amin’ny ilan-kavoana feno vato toy ny hita eto ambany
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian