FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mololo”
  • Mololo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mololo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Biriky
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Asa eny Am-pamoloana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Vodivary
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Orza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mololo”

MOLOLO

Tahona varimbazaha na vary orza efa maina, saingy ireo sisa tavela teo am-pamoloana no tena resahin’ny Baiboly. Mololo fotsiny na mololo nafangaro sakafo hafa no nomena hohanin’ny biby fiompy taloha. (Ge 24:25, 32; Mpts 19:19; 1Mp 4:28; Is 11:7; 65:25) Anisan’ny nanaovana biriky koa ny mololo. (Ek 5:7-18; jereo BIRIKY.) Oharina amin’ny mololo ireo ratsy fanahy horinganina (Jb 21:18) sy ny firenen’i Moaba izay resy sy naetry (Is 25:10-12). Toy ny mololo ny vy amin’ny voaibe, izay biby matanjaka be.​—Jb 41:1, 27.

Noresahina tao amin’ny fanoharana matetika ny mololo. Maivana sy marefo ny mololo (Jb 13:25; 41:1, 28, 29), ka mora paohin’ny rivotra (Sl 83:13; Is 40:24; 41:2; Je 13:24). Ny mololo no fitaovana tsy misy vidiny indrindra satria mora main’ny afo, hoy ny apostoly Paoly, tamin’izy niresaka momba ny fanorenana ataon’ny Kristianina.​—1Ko 3:12, 13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara