VODIVARY
Toa ireo tahom-bary sisa tavela teny an-tanimbary taorian’ny fijinjana no atao hoe vodivary ao amin’ny Baiboly. Io no tsy maintsy nangonin’ny Israelita rehefa tsy nety nanome mololo hanaovana biriky intsony i Faraon’i Ejipta.—Ek 5:10-12.
Noresahina tao amin’ny fanoharana matetika ny vodivary. Voalaza fa mora mirehitra sy mirefodrefotra izy io rehefa dorana. (Is 5:24; Jl 2:5; Ob 18; Na 1:10) Toy ny vodivary ny ratsy fanahy sy ny fahavalon’i Jehovah ary ireo teti-dratsy fantatra fa tsy hahomby.—Ek 15:7; Ml 4:1; Is 33:11.