FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Gisa Mpanidina”
  • Gisa Mpanidina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Gisa Mpanidina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Tanalahy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vorona Mpifindra Monina Tsy Avela Mandeha Lavitra
    Mifohaza!—2010
  • Lalàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Gisa Mpanidina”

GISA MPANIDINA

[Heb.: tinshemet].

Vorondrano lehibe tsara tarehy. Lava manify mifaingoka ny tendany. Mety hahatratra 18 kg ny lanjan’ny gisa sasany, ary 2,5 m eo ho eo ny elany raha mivelatra.

Avy amin’ny fototeny midika hoe ‘misefosefo’ (Is 42:14) ny hoe tinshemet (heb.), izay ao anaty lisitry ny biby manidina maloto. (Le 11:13, 18; De 14:12, 16) Azo ilazana ny sioka mafy ataon’ny gisa mpanidina rehefa faly na tezitra ny hoe tinshemet, ka nadikan’ny Baiboly sasany hoe gisa mpanidina. (Sg, Da, TV) Ny Vulgate latinina nadikan’i Jérôme no efa nanomboka nandika azy io hoe “gisa mpanidina” (lat.: cycnus) (ao amin’ny Le 11:18). Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo natao talohan’io kosa nanao hoe “akohorano volomparasy” (gr.: pôrfyriôn), na talevanabe (Porphyrio porphyrio). Nadikan’ireo Baiboly tranainy ireo hoe “ibisy” anefa ny tinshemet ao amin’ny Deoteronomia 14:16. Tsy tena azony antoka àry ny dikan’ilay teny.

Tsy fahita firy any Palestina izao ny gisa mpanidina, ary zavamaniry ny tena sakafony. “Gisabe” (DIEM), “ibisa” (Prot.), na “tararaka” (Kat., 2011) na vorona hafa mpihinana nofom-biby na fatim-biby àry no nandikan’ny Baiboly maoderina ny hoe tinshemet. Ny tsy fahitana firy ny gisa mpanidina any Palestina anefa tsy midika hoe tsy betsaka azy ireny tany fahiny. Tombantombana fotsiny koa, fa tsy resahin’ny Baiboly mivantana ny hoe izay vorona mpiremby na mpihinana fatim-biby no vorona maloto.

Mihinana biby misy akorany ny gisa mpanidina, ankoatra ny voa sy ny fakan’ny zavamaniry mivelona anaty rano ary ny kankana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara