FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tanalahy”
  • Tanalahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tanalahy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Gisa Mpanidina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Androngo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Androngom-pasika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Antrendry
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tanalahy”

TANALAHY

[Heb.: tinshemet].

Biby mandady anisan’ny “biby mifanaretsaka” sy “maloto”, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Le 11:29, 30) Heverina fa avy amin’ny fototeny hoe nasham (“misefosefo”) ilay hoe tinshemet. (Ampit. Is 42:14.) “Miefonefona” kosa no dikany, hoy i Koehler sy Baumgartner, izay nampitaha azy io tamin’ny teny arabo. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 1035) Mety ho azo ilazana ny tanalahy ilay anarana, na dia tsy tena fantatra aza ny dikany. Fahita any Ejipta sy Palestina ny tanalahy Chamaeleo chamaeleon.

Karazana androngo miadam-pamindra sy monina eny ambony hazo ny tanalahy. Mampiavaka azy ny fahaizany miova loko arakaraka ny mari-pana, hazavana, ary ny fihetseham-pony.

Nadika hoe gisa mpanidina (anisan’ny vorona “maloto”) ny hoe tinshemet ao amin’ny Levitikosy 11:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara