VASTY
(Vastỳ).
Vadin’i Ahasoerosy (Ksersesy I), mpanjakan’i Persa. Nampanantsoin’i Ahasoerosy ny olona ambony sy ny andriana ary ny mpanompo rehetra tany amin’ny faritany, tamin’ny taona fahatelo nanjakany. Nanao fanasambe naharitra fito andro izy avy eo. I Vasty koa nanao fanasambe ho an’ny vehivavy, tao an-dapa. Tamin’ny andro fahafito, dia nasain’i Ahasoerosy nentin’ireo tandapany ho eo anatrehany i Vasty misatroka diadema, mba ho hitan’ny rehetra ny hatsaran-tarehiny. (Toa niara-nisakafo isan’andro tamin’ny mpanjaka teo an-databany ny vadiny. Tsy resahin’ny tantara anefa raha mbola toy izany ihany no fanao rehefa nisy fanasambe. Efa nanao fanasambe ho an’ny vehivavy rahateo i Vasty tamin’izay.) Tsy hay ny antony, fa tsy nety mihitsy i Vasty. Nanontanian’i Ahasoerosy an’ireo olon-kendriny nahalala ny lalàna àry izay tokony hatao. Nilaza taminy ny andriana iray atao hoe Memokana fa tsy tamin’ny mpanjaka ihany i Vasty no diso, fa tamin’ny andriana rehetra sy ny olona rehetra tany amin’ny faritany koa. Hanao tsinontsinona ny vadiny koa, hoy izy, ireo andriambavy, rehefa handre ny nataon’i Vasty vadin’ny mpanjaka (vetivety mantsy dia ho fantatry ny rehetra ao an-dapa ny nataony). (Es 1:1-22) Nesorina tsy ho eo amin’ny toerany intsony àry i Vasty. I Estera, tovovavy jiosy, indray no voafidy hisolo azy efa-taona teo ho eo tatỳ aoriana, ka lasa vadin’i Ahasoerosy.—Es 2:1-17.