MEMOKANA
(Memokàna).
Mpitondra tenin’ireo andriana fito tao amin’ny Fanjakana Medianina-Persianina, rehefa tsy nety nankatò an’i Ahasoerosy Mpanjaka i Vasty vadiny. (Es 1:13-15) Nilaza i Memokana fa tsy tamin’ny mpanjaka ihany i Vasty no diso, fa tamin’ny andriana sy ny vahoaka koa. Tokony hesorina amin’ny toerany àry i Vasty, hoy izy, mba hankatò ny vadiny daholo ny vehivavy rehetra manerana an’ilay fanjakana. Niombon-kevitra tamin’i Memokana ny mpanjaka sy ny andriana hafa. Namoaka didy momba izany àry ny mpanjaka, ary nampidirina tao amin’ny lalàn’ny Medianina sy Persianina tsy azo ovana ilay izy.—Es 1:16-22.
“Nahalala tsara ny lalàna sy ny fitsarana” ireo “andriana fiton’i Persa sy Media” ireo. Izy ireo no mpanolo-tsaina akaiky indrindran’ny mpanjaka, ka “nitana toerana ambony tao amin’ny fanjakana.” (Es 1:13, 14) Fito foana ny mpanolo-tsain’ny mpanjakan’i Persa, araka ny hita ao amin’ny Ezra 7:14.