FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Zebadia”
  • Zebadia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zebadia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Asahela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Sefatia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jerohama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jeiela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Zebadia”

ZEBADIA

(Zebadìa) [Hanome Anie i Jehovah].

1. Benjamita iray zanakalahin’i Beria, na taranany.​—1Ta 8:1, 15, 16.

2. Benjamita iray zanakalahin’i Elpala, na taranany.​—1Ta 8:1, 17, 18.

3. Miaramila benjamita iray niandany tamin’ny tafik’i Davida tany Ziklaga. Zanakalahin’i Jerohama avy any Gedora i Zebadia.​—1Ta 12:1, 2, 7.

4. Zana-drahalahin’i Joaba ary lehiben’ny fahefatra tamin’ireo antoko-miaramila nifandimby isam-bolana. Voalaza fa ‘nandimby an’i Asahela rainy’ i Zebadia. (2Sa 2:23) Angamba izy no lasa mpitari-tafik’ilay antoko-miaramila, rehefa maty i Asahela. Raha taorian’ny nahafatesan’i Asahela kosa vao nisy antoko-miaramila nifandimby isam-bolana, dia mety hidika izany fa i Zebadia no notendrena ho lehiben’ny fizarana iray nitondra ny anaran’i Asahela.​—1Ta 27:1, 7; jereo ASAHELA No. 1.

5. Mpiandry vavahady nomen’i Davida andraikitra, tamin’izy nandamina ny fanompoan’ireo Levita. Zanakalahin’i Meselemia korahita i Zebadia.​—1Ta 26:1, 2.

6. Levita nirahin’i Josafata hampianatra ny lalàn’i Jehovah tao amin’ireo tanànan’i Joda, tamin’ny taona fahatelo nanjakany, izany hoe tamin’ny 934 T.K.​—2Ta 17:7-9.

7. Filohan’ny taranak’i Joda ary zanakalahin’i Ismaela. Anisan’ireo notendren’i Josafata Mpanjaka hitsara ny adin’ny mponina i Zebadia.​—2Ta 19:8-11.

8. Lohan’ireo fianakaviamben’i Sefatia. I Zebadia, zanak’i Mikaela, no nitarika an’ireo 80 lahy anisan’ny fianakaviambeny, mba hiverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Ezra tamin’ny 468 T.K.​—Ezr 8:1, 8.

9. Mpisorona taranak’i Imera ary anisan’ireo nampirisihan’i Ezra hisaraka tamin’ny vadiny hafa firenena.​—Ezr 10:19, 20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara