ZIBONA
(Zibôna) [Hyena; mety hidika hoe Zanaka Hyena (Ny hyena dia biby mitovitovy amin’ny alikadia.)].
Lehibem-poko tao Seira. (Ge 36:20, 29, 30; 1Ta 1:38, 40b) Zafikeliny i Oholibama vadin’i Esao. (Ge 36:2, 14, 24, 25) Mba hahitana ny antony ilazana an’i Zibona ho Hivita sady Horita dia jereo ny HORITA.