OHOLIBAMA
(Ôhôlibamà) [Tranolain’ny Toerana Avo].
1. Vehivavy kananita vadin’i Esao. Niteraka telo lahy tamin’i Esao izy, dia i Jeosy sy Jalama ary Kora, izay samy lehibem-pokon’i Edoma. Zanakavavin’i Ana sady zafikelin’i Zibona Hivita i Oholibama.—Ge 36:2, 5-8, 14, 18, 25; jereo ANA No. 1.
2. Lehibem-poko edomita. Misy manam-pahaizana milaza hoe anaran-toerana io sy ireo anarana hafa ao amin’ireto andinin-teny manaraka ireto, ka tokony hovakina hoe: “Lehibem-poko any Oholibama.”—Ge 36:40, 41; 1Ta 1:51, 52.