FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/10 p. 267-269
  • Ny fitsipi-bolamena - porofon’ny fahendrena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fitsipi-bolamena - porofon’ny fahendrena
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Amin’ilay hoe ‘Izay Tianareo Hataon’ny Olona Aminareo dia mba Ataovy Aminy Koa’?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Azo Atao ny ho Tia Namana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ny Fitsipika Volamena — Nahoana izy io no mbola manan-kery?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ampianarina ho Tia Namana ny Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/10 p. 267-269

Ny fitsipi-bolamena - porofon’ny fahendrena

TAMIN’NY fiandohan’ny ririnina tamin’ny taona 1962, tao amin’ny fari-tanànan’i Columbia Heights, ao Brooklyn, New York, dia nahitana olona iray, efa zokinjokiny ihany amin’ny taona, nihazakazaka nanatona ny fiarakodiany teo amin’ny fotoana indrindra nametrahan’ilay polisy mpiambina ny filaminana taratasy kely maitso teo amin’ny fiarakodiany izay nijanona teo amin’ny toerana tsy azo ijanonana. Nisafoaka izaitsizy noho izany ilay lehilahv, ka tsy nahatsindry fo intsony ary nanao teny mahery sy tsy voalanja intsony tamin’ilay polisy, izay nanalavitra azy sady nody tsy nahare izay lazainy. Inona ary no tombon-tsoan’ilay lehilahy tompon’ny fiarakodia tamin’ny nanaovany teny fanevatevana toy izany? Tsy misy na kely akory aza; vao mainka aza nitombo ny saina mpanaratsy tao aminy tamin’ny naniratsirany an’ilay pôlisy.

Fa manao ahoana kosa amin’izany ny fahasamihafan’ny toetran’ilay misionera anglisy tao Lagos, any Nizeria! Indray andro, raha nandeha nanatona ny fiarakodiany izay nijanona izy, dia nisy polisy, mainty hoditra tera-tany Nizeriana, nanome tsiny azy noho izy nampijanona ny fiarakodiany teo amin’ny toerana izay misy takelaka misy soratra hoe: tsy azo ijanona, ary takelaka izay vao napetraka ny omalin’io. Dia nasain’ilay pôlisy nomena azy daholo ny taratasy momba ny fiarakodia tany amin’ilay misionera, ka nony efa vita izay famotopotorana rehetra nilainy, dia nanomboka tamin’izay izy nandatsalatsa an’ilay misionera sady nilaza taminy ny fahalehibeazan’ny fandikan-dalana nataony. Tampotampoka foana teo anefa, dia nojeren’ilay pôlisy tamin’ny endrika sanganehana ilay misionera, ary nanontaniany hoe: “Nahoana hianao no tsy miteny ratsy aho?” “Inona no antony tokony hanaovako izany?” hoy ilay misionera. “Manao ny raharahanao hianao”. Te-hahalala zavatra ilay pôlisy ka nanontany an’ilay misionera hoe: “Ary hianao, mba inona no raharahanao ?” “Misionera aho ary vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny navaliny. Tsy niandriandry intsony ilay pôlisy nony nandre io valin-teny io fa avy hatrany dia nanova resaka. Dia tafaresaka teo izy roa- lahy ary niantefa hatramin’ny firesahana ny Baiboly aza izany: rehefa izany dia nisaraka tamim-pisakaizana izy roalahy, kanefa tsy tamin’ny fifanarahana fa hianatra ny Baiboly akory. Miharihary loatra arak’izany, fa nahazo tombon-tsoa ilay misionera tamin’io firaharahana nifanaovany tamin’ilay polisy io, sahala amin’izay notadiaviny mba hataon’ny olona aminy.

Aoka tsy hadinoina mora foana fa ny pôlisy, ny mpiandry na vadin-tany dia afaka hamantatra tsara tokoa ny hevitra mahatonga anao ho hendratrendratra sy mahatonga azy tsy hahita fahafinaretana na kely aza hanao izay zavatra tadiavin’ny asany, toy ny manombotomboka amin’ny zavatra tsy atao, mandidy na manasazy noho ny fandikan-dalana momba ny fifamoi-voizana na fijanona eo amin’ny toerana voarara! Tsy mora akory ny asany. Aoka tsy hiteny ratsy azy satria manala ny adidiny izy ary aoka koa tsy hanery azy ndrao dia mahatonga azy tsy haefa ny andraikiny izany. Nahoana moa no tsy hatao izay hahamora ny asany amin’ny fampisehoana aminy fankatoavana sy fanajana ary fitiavana? Moa tsy sahala amin’izany ihany koa no mba ho tadiavinao raha tahiny hianao no eo amin’ny toerana misy azy? Amin’ny fanaovana toy izany, dia tsy vitan’ny hoe hahamora ny raharahany fotsiny hianao, fa hiteraka fahafinaretana ho anao koa izany asany izany.

Eny, ny fitandremana ilay fitsipika antsoina hoe: Fitsipi-bolamena manao hoe: “Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa”, dia tsy vitan’ny hoe manao izay tsara sy marina, fa manao izay lazain’ny fitiavana sy ny fahendrena amintsika koa. Tena izany tokoa, fa Jesosy Kristy izay nanome ho an’ny olombelona io Fitsipi-bolamena io amin’ny endrika tsy misy isalasalana, dia nanoritra ity hevitra manaraka ity izay nolazainy, manao hoe: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” — Lioka 6:31, 38.

Ny Fitsipi-bolamena dia mankamin’ny fototry ny fifandraisan’ny olona; ary ny zava-manahirana momba ny fifandraisan’ ny olombelona, sahala amin’ny nampandinihan’ireo mpamantatra ny toetr’olombelona izany, toa an’i Pitirim A. Sorokin ao amin’ny oniversitin’i Harvard, no zava-dehibe indrindra amin’ireo zava-manahirana ny olombelona. Nampiseho fiheverana mitovy amin’izany koa ny fanakianana iray momba ny fitokonana tsy hiasa nataon’ ireo gazety tao amin’ny tananan’i New York, toy izao: “Inona ary no antony mahatonga ny fandrosoana hanao dingan-dava toy izao, ka afaka hametraka olona eny amin’ny habakabaka kanefa tsy mahay akory mampajaka ny fahamarinana sy ny fahatokiana amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa?” — Wall Street Journal, tamin’ny14 Febroary1963.

Inona no mahatonga izany? Tsotra ny mahatonga izany, satria ny olona amin’izao fotoana izao dia tsy tia ny hanao amin’ny hafa izay tian’izy ireo hataon’ny hafa aminy. Ny tsy fananany finoana an’Andriamanitra sy ny fitiavan-tenany jamba, dia misakana azy tsy hahita ny fahendren’ny Fitsipi-bolamena.

Na aiza na aiza jerentsika dia ho hitantsika fa ny fitandremana ny Fitsipi-bolamena, dia porofon’ny fahendrena. Ny mpandroso sakafo eny amin’ny trano fisakafoana, ny mpiasam-barotra sy ny mpivarotra izay mampiseho fanajana amin’ny mpividy tonga matetika ary tia ny mba hanaovan’izy ireo izany aminy, dia hahavanona tsara kokoa ny asany noho izay tsy miraharaha izany. Sahala izany ihany koa fa ny mpisakafo ao amin’ny trano fisakafoana mampiseho fanajana amin’ny mpandroso sakafo, ny mpiasam-barotra na ny mpivarotra hampisehoan’ireny mpividy ireny fanajana, dia, toa voakarakara tsaratsara kokoa noho izay tsy miraharaha ireny mpiasa ireny afa-tsy ny maha-mpiasa tsotra fotsiny azy.

Izany fitsipika izany dia mihatra indrindra amin’ny olona manam-bady noho ny fifampikasoan’izy ireo matetika, tsy misy farany. Arakaraka ny ampisehoanao firaharahana sy fiheverana ary fitiavana ny vadinao, no hanaovan’ny vadinao izany aminao koa. Koa rehefa hita fa tsy manam- piheverana na fitiavana ny iray amin’ny mpivady, dia tsara ny manontany tena hoe: “Hatraiza moa no mba amerenany amiko amim-pahatsorana izay omeko azy?” Raha tahiny ny mpivady mitandrina ny Fitsipi-bolamena, dia tsy hamela mihitsy na oviana na oviana ny fanambadiany hikorofahana izy amin’ny fisarahan-toerana na fanapahana ny fatoran’ny fanambadiana, tsy tenenina intsony ny fijangajangana. Zavatra marina loatra fa ireo endriky ny fisarahana ireo, dia tsy ahitana fahasambarana mihitsy.

Ny ray aman-dreny koa dia tsy tokony hanakimpy ny masony tsy hahita io fitsipika io noho ny antony tsotra, fa ny Tenin’Andriamanitra dia mandidy ny zanaka hankato ny ray aman-dreny. Moa va ny Baiboly tsy milaza koa hoe: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo.” (Efesiana 6:4)? Ny fampahatezerana tsy amin’antony ny zanaka dia fanim ban’ny ray ny soa ho an-janany sy ho azy. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1963, dia

nampahafantarin’ny fampielezam-peo tamintsika fa nisy tovolahy namono ho faty ny rainy niteraka azy noho io rainy io nanome tsiny azy. Koa io fanomezan-tsiny io noho izany, no tsy isalasalana fa rano indray mitete nampitobaka ny siny. Tsy ny fahatezerana akory no manamarina ny famonoana ray, na famonoana ray sy reny. Saingy tsy isalasalana fa raha nieritreritra kely foana ilay ray, ka tsy nanao izay hahatezitra tsy amin’antony ilay zanany, dia tsy ho faty akory. Nefa dia azo atao koa ny milaza marina fa io fitsipika io dia mihatra amin’ireo olona rehetra izay tokony hanome tsiny. Ataovy ny fanomezan-tsiny, saingy ataovy amin’ny fomba izay tianao mba handraisana azy kosa, fa angamba hianao hanao soa izay maharay izany ka hihazona ny fitiavany.

Ary amin’izany zavatra rehetra izany, dia mariho tsara fa ny Fitsipi-bolamena dia manasa anao handray ny toetra rehetra ilaina momba izany. Tsy milaza izy akory hoe: ataovy amin’ny hafa izay ataony aminao; tsia, fa hoy izy: Ataovy amin’ ny hafa izay tianao hataon’ny hafa aminao, ary izany dia tsy amim-panahiana izay tian’ny hafa atao. Izany no fahendrena, fahendren’Andriamanitra. Koa tandremo izy mba hahasoa sy hahasambatra anao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara