FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/1 p. 3-9
  • Vavolombelon’ny andriamanitra iza moa hianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vavolombelon’ny andriamanitra iza moa hianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • HANTSIANA IREO “ANDRIAMANITRA
  • MISY FANANGONANA TENA ILAINA
  • ANTSOINA HITSANGANA NY VAVOLOMBELONA
  • Mahakasika anao ny fitsarana eo amin’izao rehetra izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Hanao fanambarana ho an’ilay Andriamanitra marina ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fizarana faharoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • “Hianareo no Vavolombeloko”!
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/1 p. 3-9

Vavolombelon’ny andriamanitra iza moa hianao?

“Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah; Izaho no Andriamanitra!” — Isaia 43:12, AC.

1. a) Inona no tokony ho azon’ny andriamanitra marina iray atao? b) Inona no hevitry ny mpanao an’Andriamanitra tsy misy, momba an’Andriamanitra, araka ny nasehon’ny taratasin’ny filazam-baovao iray?

IZAY andriamanitra dia tokony ho afaka hanaporofo ny mahamarina azy, amin’ny fananany vavolombelona roa na telo vonona hanohana fa andriamanitra izy, ary raha azo atao aza, dia hilaza ny maha-tena Andriamanitra tokana sady marina azy. Ny mpanao an’Andriamanitra tsy misy, dia mitsipaka fotsiny izao ny hevitra rehetra momba ny fisian’Andriamanitra, ary milaza amim-pireharehana hoe: “Izaho dia vavolombelon’ny tsy fisian’Andriamanitra!” Inty misy teny hita tao amin’ny taratasy navoakan’ny Associated Press, tamin’ny 6 May 1962: “Ny manam- boninahitra Gherman S. Titov, mpamily fiaran-danitra rosiana iray, dia nanao antso avo ny tsy finoany, androany. Nolazainy fa nandritra ny fiodidinana fito ambin’ny folo nataony nanodidina ny tany, dia tsy nahita mihitsy an’Andriamanitra na ny anjely izy, ary hoy ny teny nanampiny: tsy nisy na dia Andriamanitra iray aza nanampy anay namorona ny zana-bolana, izay nentin’i Youri Gagarin nanao ny fitsidinana voalohany hanodidina ny tany. Ny firenenay no namorona io zana-bolana io. Tsy mino an’Andriamanitra aho. Mino ny olombelona aho, ny heriny sy ny zavatra mety ho vitany ary ny fiheverany. Rehefa avy nitsidika, tokony ho adiny roa teo, niaraka tamin’ny vadiny, ny fampisehoana ara- tsiansa Amerikana tao amin’ilay Fampisehoana iraisam-pirenena tao Seattle, ny manam- boninahitra Titov, dia nanambara am-pahibemaso izany finoany ny hita maso izany.” — New York Times tamin’ny 7 May 1962.

2, 3. a) Inona no azo ambara momba ny finoana an’Andriamanitra tany amin’ny andro tany aloha? b) Manao ahoana ny amin’ireo andriamanitry ny filozofia karana?

2 Heverin’ny mpanao an’Andriamanitra tsy misy mantsy ankehitriny, na mpanaraka ny kaomonisma izy na mpanohana finoana politika hafa, fa finoana lany andro ny finoana ny andriamanitra tsy hitan’ny maso. Tamin’ ny fotoana tany aloha anefa, dia zavatra tsy saraka teo amin’ny fiainan’ny tsirairay isan’andro ny finoana an’andriamanitra na tokana izy, na maro. Indraindray aza, dia hoatry ny zavatra azony nifanakalozana ireny andriamaniny ireny. Izany no antony nametrahan’ny mpanoratra lalin-tsaina iray ireto fanontaniana ireto, efa tany amin’ny fiton-jato taona talohan’izao fanisan-taona arahintsika izao: “Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy andriamanitra akory!” “Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao. Fa araka ny isan’ny tanananao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao.” (Jeremia 2:11, 28, AC) Taty aoriana, tamin’ny taon-jato voalohany amin’izao fanisan-taona arahintsika izao kosa, Petrone (na Petronius Arbiter) olo-malaza romana iray, izay nahita fitia tamin’i Neron, sady nanan-katao teo amin’ny fiainana be renty sy miaingitra, dia nanoratra ny amin’ny fivavahan’ny Fanjakana romana, tao amin’ny Satiricon (toko faha-17) toy izao: “Feno andriamanitra loatra ny tanintsika ka mora kokoa ny ahitana andriamanitra, noho ny ahitana olona.” Fantatra fa ny emperora romana, dia noheverina ho andriamanitra iray.

3 Rariny sady hitsiny ary ny nanoratan’ny mpanoratra iray hafa velona tamin’ny taon- jato voalohany, izay fanta-daza ankehitriny ny boky nosoratany, hoe: “Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na ety an-tany, toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro.” (I Korintiana 8: 5) Efa hatramin’ny andron’io mpanoratra io no nitombo isa ny andriamanitra. Ny Encyclopedia Americana (natonta tamin’ny taona 1929, ka ny boky faha-14, pejy faha-1966), dia milaza izao manaraka izao momba ny filozofia karana any India:

Misy andriamanitra mahafeno tempoly Iray no niafarany. Navela hanaram-po loatra ny fisainan’ny olombelona. Niahoaho ny andriamanitra, lahy sy vavy, eny amin’ny habakabaka, fa ny vitsivitsy tamin’ireny ihany no nasandratra ka tonga ivavahana. Dia namorona antoko vaovao tamin’izany ny olona ka “Indra” no natsangana ho filohan’ny andriamanitra 330 tapitrisa (330.000.000). Amin’ny endrika toy izao no nahaterahan’ ny “trinite” eo amin’ny fivavahana karana: Brahma ilay mpamorona, Vishnou ilay mpitahiry ary Çiva ny mpandringana.

Araka ny Americana Annual tamin’ny taona 1963 (pejy faha-321), dia mi-isa ho 439.235.082 ny mponina any India, ka ny 84,99 amin’ny zato, dia karana tera-tany. Koa raha atao ny ara-keviny, dia manana andriamanitra iray ny tera-tany iray sy tapany.

4. Lazalazao izay mampifandraika ny andriamanitry ny Japana, ny Rosia sy ny Fitambaramben’ny kristiana anarana.

4 Hatramin’ny taona 1946, dia nivavahana toy ny andriamanitra ny emperoran’i Japana, noho ny fampianarana ara-pivavahana naorina tany fa: ny taranam-panjaka avy amin’i Jimmu, zafiafin’i Amaterasu, andriamani-bavin’ny masoandro izay nasandratra teo amin’ny seza fiandrianana japoney tamin’ny taona 660 talohan’i J. K, dia mbola mitohy. Tamin’ny 31 Desambra 1945, ny emperora Hiro-Hito, dia nanao antso avo fa tsy andriamanitra izy, rehefa nihaino ny feon’ny fahamarinana sy ny fahatsiarovan-tena. Ary tany amin’ny fanjakana kaominista dia vao tamin’ny taona 1953, taona nahafatesan’i Staline, no nitsahatra nankalaza ny mpitondra tsy refesi-mandidy rosiana ho toy ny andriamanitra ny olona. Ary inona no hambara ny amin’ny fivavahana noheverina fa kristiana? Manaraka ny fivavahana amin’ny

Trinite masina noforonin’ny tenany izy, izay misy ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Moa tsy manana andriamanitra hafa va izy?

5, 6. a) Inona ny papan’ny Eglizy romana araka ny diksionarin’ny fiangonana? b) Milazà fanambarana hafa momba io lohan’ny Eglizy io.

5 Ity misy filazana tao amin’ny boky katolika iray, ny Ecclesiastical Dictionarya nataon’i Lucius Ferraris, olona mahay tsara ny didim-piagonana “franciscain” tamin’ny taon-jato faha-18, izay nanoratra toy izao eo ambanin’ny lohateny hoe papa:

“Mendri-kaja sady ambony loatra ny papa ka tsy azo heverina ho olona fotsiny Izy, fa azo atao hoe Andriamanitra na ny solon-tenan’Andriamanitra (...) Izany no ilolohavany ny satro- piandrianana atao hoe: “mitre” misy fehiloha telo sosona amin’ny maha- mpanjakan’ny lanitra sy ny tany ary ny helo na afobe azy. (...) Azo lazaina fa Andriamanitra ety an-tany ny papa, ny andriana tokana eo amin’ny olo-mahatoky an’i Kristy, ny mpanjaka lehibe indrindra amin’ ny mpanjaka rehetra, notafiana ny fahafenoam-pahefana ka nametrahana ny fiadidiana sy ny fanapahana amin’ny fanjakana eto an-tany sy any an-danitra. (...) Noho ny haben’ny fahefany sy ny heriny, dia azony atao ny manova, manambara na mivaofy ny lalàn’Andriamanitra. (...) Araka ny fotoana, dia azony atao koa ny manalefaka ny didin’Andriamanitra ka hanisy fepetra na hanazava azy”, ets.

6 Ny papa Nicolas voalohany (858-867) dia nantsoina hoe: “ny Lehibe” noho ny “asa malaza notanterahiny mba hanorenana ny voninahitry ny papa ao Roma ho toy ny herim- panjakana ambony indrindra noho ny hery hafa rehetrab”. Ary izao no nolazain’io papa io: “Ny emperora Constatin dia nanolotra ny anaram-piandrianana hoe: Andriamanitra ho an’ny papa; koa raha Andriamanitra ny papa, dia tsy azon’olombelona tsaraina izy.” Taty aoriana, dia nanambara toy izao ny papa Innocent faha-III (1198-1216): “Ny papa no mipetraka eo amin’ny toeran’Andriamanitra marina.” Ny fivoasan-teny momba ny didim- piangonana eo amin’ny Eglizy katolika, dia manondro ny papa amin’ny anarana hoe: “Tompo Andriamanitray”. Ary izany no hafantarana ny anton’ny anaovana ny hira hoe: Te Deum laudamus, teny latina milaza hoe: “Andriamanitra ô! midera anao izahay!c” amin’ny fombam-pivavahana anokanana papa vaovao, ary indrindra amin’ilay fizarana atao hoe: ny Fankalazana.

HANTSIANA IREO “ANDRIAMANITRA

7. Inona no fihaikana atao amintsika ary inona avy no fanontaniana miseho ny amin’izany?

7 Ankehitrio, dia hantsina hiseho ho vavolombelon’ny andriamaniny avy izay sahy milaza fa manompo andriamanitra iray. Noho izany, ny andriamanitra rehetra, izany hoe izay rehetra atao hoe “andriamanitra” ary tompoina amin’ny maha-izany azy, dia antsoina hamoaka izay vavolombelony hanamarina ny maha andriamanitra azy, na hanaporofo fa ireny aza no ilay Andriamanitra tokana, velona sady marina. Koa aparasaka eo anoloan’ny mpivavaka tsirairay ny fanontaniana toy izao: Vavolombelon’ny andriamanitra iza moa hianao? Amin’ny maha-vavolombelona anao, inona no porofo azonao aseho hanohananao fa ny andriamanitrao, ilay ivavahanao, dia tena misy tokoa, ary azo antoka fa velona, marina, fantatry ny taranaka nifandimby teo amin’ny tantaran’ny olombelona, mahery ary mendrika iankohofana? Inona no fantatrao momba ny andriamanitrao? Afaka mba handresy lahatra ny hafa ve hianao, na handresy lahatra ny tenanao ihany aza, fa izy no Andriamanitra na andriamanitra iray, fara faharatsiny? Sa, menatra hianao hijoro ho vavolombelon’ny andriamanitrao?

8. a) Nahoana no maha-tsinontsinona ny mivavaka sy manompo andriamanitra tsy marina iray? b) Inona no fomba anankiroa azon’ny olona amantarana ny tena Andriamanitra?

8 Ny olona manan-tsaina handanjalanja, dia manaiky fa tsy misy antony ny ivavahana sy anompoana ny andriamanitra tsy izy. Tsy hiteraka fahasoavana maharitra mihitsy, na kely akory aza, ny fanompoana ny andriamanitra tsy misy. Mamita-tena na mety ho fitahin’ny mpanaraka izany fivavahana izany fotsiny, izay mivavaka amin’ny andriamanitra toy izany, ka fahadisoam-panantenana no miandry azy. Tsy tokony ho voasarika noho ny hafanam-po na ny fangorakorahana ara- pivavahana fotsiny mantsy isika. Toy ny eo amin’ny lafiny ara-nofo, dia tsara ny manao zavatra amim-pahendrena sy fandanjalanjana eo amin’ny lafin’ny finoana. Tsy misy tombon- tsoa akory tokony handavana ny porofon’ny fisian’ny Andriamanitra iray azo antoka, velona sady mahery. Raha tsy marina ny andriamanitsika na ny an’ny hafa, dia tokony hikaroka ny antony isika. Ary raha, amin’ireo andriamanitra tsy tambo isiana ivavahana amin’izao androntsika izao ireo, no misy anankiray izay lazaina fa ny Andriamantra tokana, velona sady marina, dia tokony hanontanintany izay porofo rehetra ihany isika, ary handinika lalina izany. Tokony ho afaka hanome porofo maro ny amin’izany io Andriamanitra io, ary hanana vavolombelona maro eto an-tany hahay mampiseho, eo anoloan’ny tribonalin’izao rehetra izao, ireo fanamarinana fa izy tokoa no tena Andriamanitra, mendrika iankohofan’ny olona rehetra.

9. Nahoana no tonga ny fotoana mahamety ny hanehoan’ílay Andriamanitra marina ny maha-Izy Azy?

9 Faran’izay mahamety indrindra ny hampihariharian’ilay Andriamanitra marina ny maha-Izy Azy, izao fotoana ankehitriny izao tafahitsoka ao amin’ny sarotra loatra ny zanak’olombelona, na dia eo aza ny fandrosoana maro ara-tsiansa. Ianjadian’ny karazan’ aretina maro izy, na ara-batana na ara-tsaina ary mangirifirin’ny mosary noho ny fitomboan’ isan’ny mponina miakatra foana izy, mijaly lozan-tany amin’ny korontana ateraky ny fitondrana politika sy ny fanavaham-bolo-koditra ary ny fivavahana. Ny fahatahorana ny hipoahan’ny ady lehibe fahatelo izay toa mananontanona fatratra amin’izao fotoanan’ny ataoma sy ny habakabaka izao, dia tsy ho lazaina intsony. Tsy fahaizana na herin’olombelona na oviana na oviana anefa, no antenaina hanarina izao tontolo izao amin’ny fahavoazany. Tsy misy afa-tsy ny fiasan’ny Hery iray manan-tsaina ambonin’ny herin’olombelona no andrandraina. Noho izany, dia fotoana iantsoana ny mpivavaka rehetra hitady vonjy eo amin’ireny andriamaniny ireny izao, noho ny tanin’ny lasa rehetra. Raha nanatrika izao mantsy ny mpaminany Jeremia, izay velona taon-jato enina amby roa-polo tany aloha, dia ho nihantsy ny vahoaka toy izao indray izy: “Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao. Fa araka ny isan’ny tanànanao (...) no isan’ny andriamanitrao.” — Jeremia 2:28, AC.

10. Inona avy ny fanontaniana tsara apetraka amin’izay heverina ho andriamanitra?

10 Marina tokoa fa raha isaina ireo ivavahana toy ny andriamanitra eo amin’ireo fivavahana arahim-bahoaka, dia hazava fa tsy izany no tsy hisy. Inona anefa no mba azon’ ireny andriamanitra rehetra ireny (na manokana na miaraka) atao hitsaboana izao fahavoazan’ny tany, izay mitatra hatrany izao? Inona no mba fanazavana azony omena ny amin’izany? Aiza no lalan-kivoahana azony ambara mialoha? Inona no mba lazainy momba ny ho avin’ny zanak’olombelona, eo amin’ny faminaniana tokony ataony? Inona no zava- bitany tamin’ny lasa mba hinoantsika, fa tsy maintsy tanterahiny koa izay voalazany mialoha momba ny ho avy, ary izy no marina azo antoka sady mendrika itokiana? Aoka hanambara mialoha izay hiseho ireny andriamanitra ireny, ary aoka hokendreny ny hahatanteraka ny faminaniany; fa raha tsy izany, aoka hiaiky izy fa andriamanitra tsy marina ihany ary tsinontsinona ny ivavahana aminy.

11. a) Misy Andriamanitra iray manana fahefana hiaika ireo andriamanitra hafa rehetra ve? Raha ekenao, inona no antony? b) Maro ve ny mpivavaka Aminy eto an-tany?

11 Amin’izao fotoana izao, dia misy Andriamanitra iray mihaika ireo rehetra antsoina sy ivavahana toy ny andriamanitra. Fahefana inona no hiaikan’io Andriamanitra io, iretsy sasany? Manana fahefana amin’izany tokoa izy, satria tany amin’ny taon-jato voalohany amin’izao fanisantsika taona izao, talohan’ izany aza, no efa voalazany izao toe-piainana miseho ankehitriny eto an-tany izao. Ary ny fatratra indrindra aza, dia efa nohazavainy hatramin’ny heviny, ny antony ary ny farany sy ny fiainana mahafinaritra miandry ny olombelona ao ambadik’izany. Izy no hany afaka nanao izany zava-mahagaga rehetra izany, tamin’ireo rehetra iankohofana toy ny andriamanitra. Ary raha mihaika ireo andriamanitra sandoka hafa ireo Izy, dia niantso fankahalana sy fandrafiana ho an’ny tenany, avy amin’ireo manompo azy avy. Koa amin’ izao androntsika izao, dia Andriamanitry ny olom-bitsy ankahalaina ihany Izy, tena kely eran-tanan’ila tokoa raha oharina amin’ny mpivavaka marobe amin’ny andriamanitra samihafa, toy ny tamin’ny lasa ihany. Tsy ry zareo Jiosy

ara-nofo anefa akory ireo vitsivitsy ireo, satria ireny dia misy 12.792.800 no mipariaka eran’ny tany amin’izao ora izao. Vitsy noho izany ireo mikambana hitondra ny anaran’ny Andriamaniny. Nandova ny finoan’ny firenena marina nofidin’Andriamanitra sivin- jato sy arivo taona tany aloha, ny tsirairay ao anatiny, izany hoe, tamin’ny taon-jato voalohany amin’izao fanisan-taona arahintsika izao. Koa mitondra ny anarana mitovy amin’ ireny zokiny nialoha lalana azy ireny koa izy.

12, 13. Inona no teny ataon’io Andriamanitra io ho fampiononana ny mpivavaka Aminy? Ary Iza no anarany?

12 Mampionona ireo vitsy enjehina Andriamanitra, sady mampahafantatra ny Anarany, alohan’ny ihantsiany ireo andriamanitry ny fivavahana samihafa, ary niteny toy izao amin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny: Isaia 43:1-4 (AC):

13 “Fa ankehitriny, ry Jakoba ô! izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao, sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao. Raha mita ny rano hianao, homba anao Aho; ary raha mandeha mamaky ny afo hianao, dia tsy ho may, ary tsy hirehitra aminao ny lela-fo. Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ny Isiraely, Mpamonjy anao; omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. Satria sarobidy eo imasoko hianao, eny, be voninahitra hianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon’ny ainao.”

14. Tamin’iza aloha ary fotoana inona no nahatanteraka ny faminanian’i Isaia 43:1-4?

14 Marina fa ny mponina avy amin’ilay faritra atao hoe Tany masina, dia taranaka ara- nofo avy amin’i Jakoba, razam-ben’ny Hebreo izay velona efa taon-jato fito amby telo-polo tany aloha. Kanefa aoka tsy ho diso hevitra isika, fa tsy ny repoblikan’Isiraely vao niorina tamin’ny taona 1948, no fahatanterahan’ izany fanambarana izany. Tamin’ny andron’i Isaia no nahatanteraka ireo tenin’i Jehovah Andriamanitra ireo ara-bakiteny tamin’ny taranak’i Jakoba, ara-nofo. Tamin’ny taon-jato faha-6 talohan’ny fanisantsika taona izao, no nisehoan’izany. Ahoana izany, hoy hianao angaha? Satria nisy ireo sisa tavela tamin’ny taranak’i Jakoba ara-nofo na ny Isiraelita, votsotra tamin’ilay fahababoana lavabe niaretany tany Babylona. Jehovah Andriamaniny no nanavotra azy, ary ny fomba nampiasainy tamin’izany, dia nanakoako tokoa teo amin’ny fiainan’i Egypta, Etiopia sy Seba ara- politika, izay nitondra faisana tamin’ny herin’ny Fanjakana persiana izay vao naorin’i Kyrosy Lehibe. Ary Jehovah, amin’ny maha Mpanavotra ireo sisa mahatoky tavela ireo, no nitondra azy hiverina any Palestina, any amin’ny taniny. Nanatanteraka ny teniny Andriamanitra ka niaro azy raha namaky ny ony sy ny efitra mandoro, toy ny rano sy ny afo, izy.

15. a) Inona no fanovàna nitranga tamin’ny andron’i Jesosy, ary inona no zava-niseho nanamarina tamin- kery izany fandavana izany? b) Amin’iza no ampiharana ireo teny faminanian’i Isaia hatramin’izay, ary inona no antony?

15 Kanefa, tamin’ny taon-jato voalohany amin’izao fanisantsika taona izao, Jesosy Kristy, ilay mpaminanin’i Jehovah lehibe indrindra, dia nampiharihary fa ny taranak’i Jakoba ara-nofo, ireo Isiraelita izay nanana an’i Jehovah ho Andriamaniny hatramin’izay, dia voatosi -boho-tanana noho ny ditrany sy ny tsy fihainoany ireo mpaminany. Nasehon’i Jehovah tamin-kery izany fandavany ny Isiraelita ara-nofo izany, ka navelany ho rava ny tanàna masina, dia Jerosalema, tamin’ny taona faha-70 ary ny olona sisa velona, dia nihahaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Tamin’izay koa no nampahafantaran’i Jesosy Kristy fa, ny teny faminaniana nampilazaina an’i Isaia, dia nafindra sy hampiharina amin’ ireo mpianany mahatoky azy; izy ireo no hanatanteraka izany amin’ny fomba ambony kokoa, sady feno no ara-panahy. Raha niteny izany famindrana alalana izany Jesosy Kristy, dia nilaza tamin’ny Isiraelita na ny Jiosy mpiodina sady tsy manam-pinoana hoe: “Hesorina aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” (Matio 21: 43, MN). Ireo mpianatra vita voady, mahatoky an’i Jesosy Kristy no ho enti- manangana io firenena vaovao io ary natolotra azy ny Fanjakan’Andriamanitra. Hahavokatra tokoa ny voan’ny Fanjakana izy ireny, amin’ny fiaimpiaina ara-panahy arahiny sy ny fitoriany eran’izao tontolo izao, ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hitahy ny ankohonana rehetra eto an-tany.

16. Iza no mpamorona, Andriamanitra sa ny olony ary inona no amarinin’ny valin-teny?

16 Izay marina sy niseho teo amin’ny firenen’i Jakoba na ny Isiraely taloha raha tsy mbola nolavin’i Jehovah Andriamanitra izy, dia marina sy ho tanteraka koa eo amin’ny firenena vaovao izay notoloran’Andriamanitra ny Fanjakana ka hahazo hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra, sy hitahy ny olona rehetra sisa ety an-tany. Tsy ireny mpianatra ireny no namorona tao an’eritreriny an’i Jehovah ho Andriamaniny fa Izy kosa no namorona azy ireny ho ny firenena ara- panahy, ny Isiraely na Jakoba ara-panahy. Tsy ny mpianatra no nanefitefy an’Andriamanitra , tahaka ny tsy nanaovany sariny iankohofany ihany koa, fa Jehovah Andriamantra no nanangana azy ho ny firenena ara-panahy miaraka amin’i Jesosy Kristy, amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka azy. Hita amin’ izany fa tsy Andriamanitra sandoka Jehovah, satria namolavola olona Izy amin’ny maha- Andriamanitra sy Mpamorona Azy.

MISY FANANGONANA TENA ILAINA

17. Nahoana no nanangonana izay nino ny Andriamanitra marina, kanjo nahoana no sampona izany famoriana izany nandritra ny fotoana kelikely?

17 Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ireo apostoliny roa ambin’ny folo, dia nihahaka ireo mpianany mahatoky noho ny mpanenjika sy ny mpampahory ara-pivavahana. Teo amin’ny tapaky ny taon-jato faha-19, ka ny aoriana, dia niezaka mba hifanatona hivory ireo sisa mahatoky tavela amin’ny mpianatr’i Kristy, vita voady fanoloran-tena sy batisa, na avy taiza na avy taiza nisy azy eran-tany. Kanjo nipoaka ny Ady lehibe Voalohany tamin’ny taona 1914! Nohararaotin’ny filohan’ny fitambaramben’ny kristiana anarana ny fitiavan-tanindrazana niredareda sy ny fanirian-daza safomorona teo amin’ny firenen’izao tontolo izao, ary ny fepetra nampiharina maimaika noho ny ady, mba hamelezany ireny kristiana nivavaka tamin’i Jehovah toy ny Andriamanitra tokana, velona sady marina, ireny. Nokatsahiny mihitsy aza izay fomba hamongorana azy ireny tanteraka. Arivo taona maro tany aloha anefa, Jehovah dia nampanantena ireo mpivavaka aminy, ny hanangonany azy sy ny ampiasàny azy amin’ny fomba manokana ho voninahitry ny Anarany. Koa nampilazainy mialoha izao teny manaraka izao, ao amin’io tokon’ny bokin’Isaia io ihany:

18. Moa tsy nanao fanambarana mikasika io famoriana ny mpanompony nihahaka io va, ilay Andriamanitra marina?

18 “Aza matahotra fa momba anao Aho; hitondra ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary avy any Andrefana no hanangonako anao. Ny Avaratra hilazako hoe: ‘Avoahy’. Ary ny Atsimo hoe: ‘Aza hazonina!’ Alao ny zanako lahy avy lavitra sy ny zanako vavy avy any amin’ny faran’ny tany, dia izay rehetra antsoina amin’ny Anarako, sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko!” — Isaia 43:5-7, AC.

19. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa izy, dia nahalala ny isian’izany fanangonana izany?

19 Nilazalaza mialoha ny amin’io fanangonana io koa Jesosy Kristy tamin’ny faminaniana nomeny momba ny faran’izao tontolo izao, na ny faran’ny fandehan’ny toe-javatra ankehitriny.Tsy mikasika velively ny fiverenan’ireo Jiosy sionista any Palestina, izay nanorina ny repoblikan’ny Isiraely ao, no nanambarany izany fa ireo sisa mahatoky tavela amin’ny mpianany vita voady no nolazainy. Izao no teny nanamafisany izany: “Ny herin’ny lanitra hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany, dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’Olona, ka dia hidradradradra sy hifamely ny fokom- pirenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’Olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. Ary haniraka ny anjeliny hampaneno mafy ny trompetra izy, ka hanangona ny olom- boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faravodilanitra rehetra ireny.” — Matio 24:3,29-31, MN.

20. Ahoana sy ahoana no fomba nitanan’i Jehovah ny fampanantenana nataony ny amin’ny fanangonana ireo tsirairay eo amin’ny fireneny?

20 Koa Jehovah dia nampilaza mialoha an’ Isaia mpaminaniny io fanangonana ny mpivavaka aminy sady kristiana io, raha vao tany amin’ny valon-jato taona talohan’i Jesosy Kristy. Ary nohamafisiny izany tamin’ny faminaniana nataon’i Jesosy Kristy Zanany, sivin-jato sy arivo taona lasa izay. Notanterahin’i Jehovah Andriamanitra ve izany faminaniana izany? Noporofoiny ve fa Izy no Andriamanitry ny faminaniana marina? Niseho ho ny Andriamanitra mahatoky sy Tsitoha, izay mitana ny teny nomeny va Izy? Izany tokoa! Hagagana sy alahelo lalina no nahitan’ny filohan’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, ny nanafahan’i Jehovah ny “sisa mahatoky tavela” amin’ireo mpivavaka Aminy, tamin’ny fahababoana babyloniana, ka nanangonany sy nanomezany hery hampiray hina azy kokoa eran’ ny tany manontolo noho ny tamin’ny lasa. Ireo lohan’io kilasin’ny sisa tavela io aza, izay nogadràna tsy an-drariny nandritry ny Ady lehibe Voalohany, dia nohamarinina tamin’ny fiampangana tsy marina natao taminy hampidirana azy fotsiny an-tranomaizina.

21. Inona no takatry ny sisa tavela mikasika an’i Jehovah. ary inona no tsapany kokoa hatrany?

21 Raha nohazavain’i Jehovah amin’ny taratry ny faminaniana eo an-dalam-pahatanterahana ny Teniny voasoratra, dia nanampy ireo tavela Izy hahatsapa kokoa ny halehiben’ny Anarany sy ny hasaro-bidiny. Koa takatry ny antokon’ireo “sisa tavela” fa firenena hitondra ny Anaran’i Jehovah izy fa tsy ny anaran’i Jesosy akory, arak’izay nomarihin’i Jakoba, mpianatra kristiana fahiny raha nampihariny tamin’ny lahateniny ny faminanian’i Jehovah voarakitra ao amin’ny bokin’i Amosa 9:11, 12 (Asan’ny Apostoly 15:13-19)d. Arakaraka ny fandrosoany tamin’ny fahalalana ny Soratra Masina no nahatsapany kokoa fa tokony ho vavolombelona kristiana mitondra ny anaran’i Jehovah izy. Nahary azy ho amin’ny voninahiny Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahiny masina, satria naterany ho zanany ara-panahy izy sady nohosorany ny fanahiny hanao ny fitoriana, ary ho tonga mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy ny Fanjakan’ny lanitra. Namboarin’i Jehovah ho tonga firenena iray ara-panahy izy ireny, ka noraisiny hanana anjara amin’ny fanekeny vaovao tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpanelanelana. Jehovah no nanendry azy ho ny fandaminany hita maso ety an-tany, dia fandaminana entin’Andriamanitra. Koa ankehitriny, rehefa nanavotra azy ireo tamin’ny taona 1919 Izy, ka nanangana azy indray ho fandaminam-baovao hanatanteraka ny asany amin’ny ho avy, dia naharihariny taminy fa Andriamanitra velona ho azy ireny Izy.

22, 23. a) Inona no banga nitarihan’i Jehovah ny sain’ ireo sisa tavela? b) Inona no zava-mampalahelo niampangana azy ireo ary ny vokatra tokony ho nolanjainy?

22 Hatreo, dia tsy mbola azon’ireo mpikambana amin’ny sisa tavela tsara sady tsy mbola nazava taminy fa Jehovah no Andriamaniny. Jamba sady narenina ara-panahy izy rehetra, raha ny amin’io antony io, tahaka ny fitambaramben’ny kristiana anarana ihany, izay mivavaka amin’ny “Andriamanitra telo sosona”, ny trinite misy olona telo mitovy, niara-niandoha ary samy maharitra mandrakizay, kanefa heverina fa Andriamanitra tokana ihany. Notandindomin’ny herin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana no nahatonga ny masony ho jamba sy ny sofiny harenina, dia ny fivavahana nihevi-tena ho kristiana nisy azy taloha, kanefa nampahory sy nangadra azy taty aoriana! Tsy nahajoro tamin’ny naha-“mpanompon’i Jehovah” azy izy tamin’izany. Eo amin’ny toko alohan’io, ao amin’ny bokin’i Isaia ihany, dia nitarika ny sainy amin’izany Jehovah ary namelabelatra ny vokatra mampalahelo mety hitranga. Hoy Izy taminy:

23 “Mihainoa hianareo, ry marenina; ary mijere, ry jamba, mba hahita. Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay nirahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan’i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony? Mahita zavatra maro hianao, kanefa tsy mitandrina; manongilana ny sofiny izy, kanefa tsy mihaino. Sitrak’i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy. Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina! Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra, ary voafina ao an-tranomaizina;voababo izy, ka tsy misy mamonjy; voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: ‘Ampodio’. Iza aminareo no hihaino izany, iza no handre, dia hitandrina izany amin’ny andro ho avy? Iza no nanolotra an’i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an’ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ny lalàny ireo. Sady tsy nety nihaino ny lalàny? Koa dia nalatsak’ [i Jehovah] taminy [Jakoba] ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ny ady; dia nampirehitra azy [Jakoba] manodidina izany, kanefa tsy fantany; ary nandoro azy kanefa tsy noheverin’ny fony.” — Isaia 42:18-25, AC.

ANTSOINA HITSANGANA NY VAVOLOMBELONA

24. a) Ahoana no fihevitry ny sasany ny fahababoan’ ny olon’i Jehovah? b) Inona no tokony atao?

24 Raha namela ny fahavalony hambabo sy handroba ny fireneny Jehovah, satria ninia tsy hahita na handre Azy izy, dia navelan’Andriamanitra hihevitra izy fa tsy misy ny Andriamaniny; na misy, fa Andriamanitra kely hery, tsy maharesy akory ny andriamanitr’ireo manenjika, mamabo sy mandroba io firenena io. Tokony ho faranana izao ankehitriny izao izany hevi-diso, efa latsa-paka izany. Nipaika ny ora tokony hanandratana izay tena Andriamanitra ary handresen-dahatra ireo andriamanitra sandoka rehetra. Aoka hisy fitsarana handray ny raharaha! Aoka antsoina hitsangana ireo vavolombelona, ary izao rehetra izao hanara-maso ny fifandaharana, indrindra ny firenen’ny tany! Jehovah mihaika ireo rehetra nivavahan’ny jentilisa, hanamarina ny maha-andriamanitra azy fa tsy hankasitraka velively ny hanakambanana azy rehetra Izy, ka hampiray volo ny fanompoana azy ireo ho fivavahan-tokana fantatra amin’ny hoe: “eokomenika”.

25, 26. Inona no nataon’i Jehovah hamelombelona ny olony, ary ahoana no teny nilazany izany tamin’ny faminaniana?

25 “Raha oharina amin’ny ara-nofo, dia nosokafan’i Jehovah ny mason’io firenena vita voady io, ary nataony malady ny sofiny, amin’ ny ara-panahy, mba hahafahany mijoro ho solon-tenany eo amin’io fitsarana iraisan’izao rehetra àry izao io. Tamin’ny taona 1919, dia navoakany tamin’ilay fahababoana ara- pivavahana namatoran’ny fandaminana babyloniana azy, ny olony. Tamin’io taona io, dia nanao ny fivoriambe nitambarany voalohany ho zaikabe, ireo mpianatry ny Baiboly kristiana, taorian’ny ady. Koa rehefa tonga olon’afaka izao ny solon-tenany, Jehovah dia miantso ny firenena rehetra ambonin’ny tany, hivory eo anoloan’ny fitsarana. Hifandafatra amin’ireo firenena rehetra eto amin’izao tontolo izao, ny olony izay jamba sy marenina taloha, hamaranana ilay fanontaniana nihantona ela hoe: Iza no Andriamanitra marina?

26 Raha nanambara mialoha ny handraisan’ ny fitsarana io raharaha mafonja io, amin’izao taon-jato faha-20 amin’ny fanisan-taona arahintsika izao, Jehovah dia nilaza tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny, efa fiton-jato sy roa arivo taona lasa, hoe: “Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso, sy ny marenina manan-tsofina. Aoka hiangona ny firenena rehetra ary aoka hivory ny olombelona! Iza aminareo no mahalaza izany? Iza no nanambara amintsika ny fahiny taloha? Aoka havoakany ny vavolombelony hahamarina azy amin’ny teny nataony; ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: ’Marina izany!”’ — Isaia 43:8, 9, AC.

[Fanamariana ambany pejy]

a Lucius ferraris dia nanoratra llay karazam-bokim- pivavahana nomeny ny anarana hoe: “Prompta Bibliotheca canonica, Jurdica, moralis, theological, necon ascetica, polemica, rubricistica, historica”.

b Jereo ny Cyclopédie nosoratan’i M’Clintock sy Strong (amin’ny teny anglisy), ny boky faha-7, pejy faha-63b.

c Jereo ny hoe: “Akaiky ny fotoana” (Le temps est proche) nosoratan’i C. T. Russell, edisiona frantsay fahatelo (ny edisiona voalohany amin’ny teny anglisy, dia niseho tamin’ny taona 1889), pejy faha-332, 333, 339.

d Jereo ny “Tilikambo Fiambenana” amin’ny teny frantsay tamin’ny volana Avrily 1928, pejy faha-51 ka hatramin’ny faha-56.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara