Iza ilay anarana?
Miantso an’Andriamanitra amin’ny anarana ve hianao? Raha eny, ahoana no anononanao io anarana io?
“ NAHOANA izy ireo no tsy nametraka intsony ny anaran’Andriamanitra hoe ‘Jehovah’, ao amin’ny Baiboly?” Nivoaka tao amin’ny lahatsoratra momba ny fivavahana, tao amin’ny Evening Star any Washington, tamin’ny 30 Septambra 1961, izany fanontanian’ny mpamaky izany. Namaly io fanontaniana io ny mpanao raharaham-pivavahana iray. “Nanala io anarana io ny ankamaroan’ny Baiboly anglisy, hoy izy, satria tsy hita ao amin’ny sora-tanana tany am-piandohana, amin’ny Soratra hebreo io anarana io.”
Ny mpandika ny Revised Standard Version, nivoaka tamin’ny taona 1952 koa, dia nanaisotra ny anarana hoe “Jehovah”, ka nilaza hoe: “Ny teny hoe ‘Jehovah’ dia tsy mifanaraka amin’ny tena endrik’ilay Anarana ampiasaina miverimberina ao amin’ny Baiboly amin’ny teny hebreo.”
Toy izany koa, tao amin’ny fanontàny tamin’ny 1 Oktobra 1961, dia namoaka izao famoaboasana momba ny anarana hoe “Jehovah” izao, ny Our Sunday Visitor, boky katolika romana: “Ny hoe Jehovah dia fanoratana diso avy amin’ny kristiana. Tsy toy izany no nanoratana na nanononan’ny Jiosy ilay anarana.”
Mitovy amin’ireo ohatra voalaza eo aloha ireo koa ny hevitry ny mpitondra fivavahana ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, amin’ny akapobeny. Milaza marina izy ireo fa tsy mety ny hampiasana ny anarana hoe “Jehovah” iantsoana ilay Andriamanitra Tsitoha. Izany no antony nanesoran’izy ireo io anarana io tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly nataony sy ny lahateniny mbamin’ny lahatsoratra ataony sy ny fombam-pivavahany. Ny antokom-pivavahana lehibe ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, dia namela tokoa ny fampiasana io anarana io iantsoana ny Mpahary, ka lazainy fa ampy ny hoe “Tompo” na “Andriamanitra.”
MANANA ANARANA VE ANDRIAMANITRA?
Ny olona antonontonony tsy manana fahalalana momba ny Baiboly mihitsy, dia mety hilaza avy amin’izany fa tsy manana anarana Andriamanitra ka ny teny hoe “Jehovah” dia teny noforonina tsy manam-pototra marina. Misy fanontaniana tena lehibe mipetraka ary hoe: “Manana anarana ve Andriamanitra?”
Aiza no hitadiavantsika ny valin’io fanontaniana io ? Raha misy olona misalasala ny amin’ny fanananao anarana, moa tsy mety ve ny anontaniany anao? Moa tsy hianao ve no afaka hanome fanazavana tsara azy mihoatra noho ny hafa? Ho hafahafa aminao anefa ny fanontaniany, satria hatramin’izay dia mampiasa foana ny anaranao hianao.
Toy izany koa, dia mety ny anontaniantsika an’Andriamanitra mba hahalalana raha manana anarana izy. Aiza no hahitantsika izany? Hojerentsika ny tantara nomeny tamin’ny tolotsain’ny fanahiny masina, izany hoe: ny Baiboly masina. Araka ny fandikan-teny katolikan’i Crampon, fanontàna tamin’ny taona 1905, dia izao no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra: “Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.’’ (Matio 6:9). Ny fandikan-teny iray vao haingana kokoa, ny Baibolin’ny kardinaly Liénart, dia milaza toy izao ao amin’ny Salamo 22:23: “Hilaza indray ny anaranao amin’ny rahalahiko aho.” Ny fandikan-tenin’i Segond, izay miely fatratra, dia nandika toy izao ny Isaia 12:4: “Ary hiteny hianao amin’izany andro izany ka hanao hoe: Miderà ny Mandrakizay, miantsoa ny anarany. Ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany, ampahatsiarovy ny halehiben’ny anarany!” Ny Baibolin’i Jerosalema, fandikan-teny katolika, dia nandika toy izao ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Jaona 17:6: “Nasehoko tamin’ny olona ny anaranao.’’
Arak’ireo teny ireo, moa ve tsy voatery hilaza isika fa manana anarana Andriamanitra. Ary mba hanamarihana izany zavatra izany, dia mbola afaka haka andininy maro avy amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa koa isika. Ny olona manan-tsaina rehetra dia tokony hahafantatra fa manana anarana Andriamanitra. Nefa moa ve “Andriamanitra” na “Tompo” izany anarana izany? Tsia, satria ireo teny ireo dia tsy anarana fa anaram-boninahitra (titra) toy ny hoe “Andriamatoa” izay mety hampiharina aminao.
Ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no mampahafantatra mazava, ao amin’ny Romana 10:13 nalaina avy tao amin’ny Joela 2:32, ny maha-zava-dehibe ny fahalalana ilay anarana masina, sy ny fampiasana azy. Izao no lazainy: “Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.”— Baibolin’i Jerosalema, fandikan-teny katolika.
Manome porofo antsika ary ny Tenin’Andriamanitra fa manana anarana tokoa Andriamanitra ka zava-dehibe ho an’izay mitady ny fiainana ny mahafantatra sy ampiasa io anarana io. Mbola hadalana noho ny misalasala ny amin’ny anananao anarana, ny misalasala ny amin’ny hoe manana anarana Andriamanitra.
NAHOANA NO TSY MISY ZAVA-TSAROTRA NA DIA KELY AKORY AZA?
Na dia tsy isalasalana aza fa manana anarana Andriamanitra, dia mbola mipetraka ihany ity fanontaniana ity: Iza moa io anarana io?
Ao amin’ny tapaky ny Baiboly voasoratra tamin’ny teny hebreo, dia hitantsika amin’ny endriky ny fitambaran’ny litera efatra atao hoe “Tetragramme”, io anarana io. Ireo litera efatra amin’ny abidy hebreo ireo, dia mifanaraka amin’ireto litera amin’ny abidy frantsay ireto: YHWH [na JHVH]. Ny lahatsoratra tao amin’ny Evening Star voalaza erỳ aloha, dia nilaza, momba izany, fa ny anaran’Andriamanitra dia “litera amin’ny abidy hebreo, mifanaraka amin’ny JHVH.” Izao no novakina tao amin’ny Our Sunday Visitor: “Tsy nisy afa-tsy renin-tsoratra tao: YHWH.” Ny sasin-tenin’ny Revised Standard Version dia nilaza ny amin’ny “renin-tsoratra efatra ao amin’ilay Anarana: YHWH.”
Koa satria fantatra tsara toy izany ireo litera hebreo ao amin’ilay Anaran’Andriamanitra ireo, nahoana no ho sahirana hianao amin’ny fitadiavana io anarana io? Avy amin’ny fandikana ny fiteny hebreo tranainy, no nahatonga ny fahasahiranana. Io fiteny an-tsoratra io dia tsy nahitana afa-tsy renin-tsoratra fa tsy mba nisy zanan-tsoratra. Ireo izay niteny azy dia tsy maintsy nanampy an-eritreritra ny zanan-tsoratra amin’ny fiteny am-bava.
Ny nampisy fahasahiranana, dia noho ilay Anaran’Andriamanitra niseho tamin’ny renin-tsoratra efatra amin’ny abidy hebreo fa tsy nisy zanan-tsoratra. Izay nampiasa io fiteny io, toa an’i Jesosy sy ny Hebreo taloha, dia nahafantatra io anarana io ka nanonona azy tsara, satria miverina in-6962 ao amin’ny Soratra hebreo izany. Nefa taorian’ny nandravana an’i Jerosalema, tamin’ny taona 70 amin’izao fanisantsika taona izao, no tena nahavery tsikelikely ny fanononana marina. Azontsika lazaina koa, ho fanampin’izany fa ireo Jiosy tsy nanaraka ny fivavahana marina sy mpinompino foana, dia nihevitra fa fahotana ny manonona ny anaran’Andriamanitra; Jesosy sy ireo kristiana voalohany anefa, dia tsy nanana izany tahotra noho ny finoanoam-poana izany. Very tsikelikely ary ilay tena fanononana ny YHWH, arakaraky ny fandehan’ny taona.
Nandritry ny taon-jato fahafito taorian’i Jesosy Kristy no nampiasana ny famantarana natao hoe “solon-janan-tsoratra”, tao amin’ny kopia sora-tanan’ny Soratra hebreo. Ireny famantarana ireny dia nampahatsiaro ny tena feon’ny zanan-tsoratra izay tokony hampiasaina rehefa mamaky ny teny hebreo voasoratra amin’ny renin-tsoratra avokoa. Nefa noho ny tahotahom-poana nasehon’ny Jiosy izay nandrara tsy hanononana ilay Anaran’Andriamanitra, dia ny “solon-janan-tsoratra” mikasika ny teny hoe Elohim. (Andriamanitra) sy Adonaï (Tompo) no nampidirin’ireo mpanao kopia mba hampiomana ny mpamaky fa tokony hosoloany ireo anaram-boninahitra voalaza eo aloha ireo, ny Anaran’Andriamanitra. Ny fitambaran’ireo “ solon-janan- tsoratra” fampiomanana ireo, sy ny renin-tsoratra amin’ny “Tetragramme”, dia nahatonga ny fanononana hoe Yehowih sy Yehowah, nihavian’ny hoe “Jehovah’’ amin’ny teny frantsay sy anglisy. Arak’izany dia nampidirina ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly io anarana io, anisan’izany ny fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques (anglisy), izay nisy efa hatramin’ny 350 taona eo ho eo izao.
Na dia very aza amin’izao fotoana izao ny fanononana ny Anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo, ahoana no fanononana mifanakaiky indrindra amin’izany? Mba hanazavana ny Eksodosy 3:14, dia izao no nolazain’ny fandikan-teny katolika romana vao haingana nataon’ny Monseigneur T. O’Connell: “Izaho izay izy: toa avy amin’io fitenenana io no nihavian’ny teny hoe Iaveh, anarana manokan’ny Andriamanitry ny Isiraely.’’ Ny Revised Standard Version dia nanambara hoe: “Mila ho azo antoka, raha tsy tena azo antoka aza, fa hoe “Iaveh” no nanononana ilay Anarana, tany am-piandohana.” Tao amin’ny lahatsoratra tao amin’ny Evening Star, dia izao no azo novakina: “ Raha hanoratra ilay anarana, dia mety kokoa ny hanoratana azy arak’izao: ‘Iaveh.’
Marihina fa manam-pahaizana maro momba ny Baiboly no miaiky fa ny hoe “Iaveh” no manakaiky kokoa ny tena fanononana ny Anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo. Nefa mampiseho koa izany fa tsy azo alàn-tsiny ny fitambaramben’ny kristiana anarana amin’ny nanesorany ny Anaran’Andriamanitra ao amin’ny ankamaroan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly nataony, sy ny fanompoam-pivavahany isan’andro! Raha tsara kokoa ny fanononana hoe “Iaveh”, na ny hafa, nahoana ary no tsy ampiasaina izany? Ahoana moa no fandraisanao izany hoe: manaiky ny mahamarina ny fanononana iray, etsy andaniny, nefa mandà tsy hampiasa izany, etsy ankilany? Raha ny marina, moa tsy fampisehoana fihatsarambelatsihy ve ny milaza fa ity fanononana ity dia tsara noho iroa hafa sady mandà tsy ampiasa na ity na iroa!
MITENENA AMIN’NY FITENINAO
Ahoana no fanononana heverin’ny vavolombelon’i Jehovah fa mety? Ao amin’ny Sasin-tenin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao amin’ny teny anglisy, fandikan-teny navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, tamin’ny taona 1950, dia nilaza ny mpandika teny fa heveriny fa ny fanononana hoe ‘Iaveh’ no mety indrindra.
Raha mahafantatra ny fikambanana mpanonta boky ampiasain’ny vavolombelon’i Jehovah, fa ny hoe “Iaveh” no mety indrindra, nahoana izy no mampiasa ny hoe “Jehovah” ao amin’ny fandikan-teniny sy ny zavatra soratany mbamin’ny fombam-pivavahany? Satria ny hoe “Jehovah” dia efa nampiasaina hatramin’ny taon-jato maro ary io endrik’ilay Anarana io koa dia mitahiry tsara ny feon’ireo renin-tsoratra efatra ao amin’ny “Tetragramme”, toy ireo hafa. Ambonin’izany dia tsy miteny amin’ny fiteny hebreo isika, amin’izao fotoana izao; fiteny hafa no ampiasaintsika. Rehefa miteny amin’ny fiteny malagasy isika, dia mampiasa ny endrik’ilay Anarana amin’ny teny malagasy, izany hoe “Jehovah.” Amin’ny fiteny hafa, dia tsy toy izany no fanononana ilay Anaran’Andriamanitra, na dia mifanakaiky amin’izany aza mandrakariva.
Ireo izay mandà ny endriky ny anarana hoe “Jehovah” ka mikiry fa ny fanononana ilay anarana amin’ny teny hebreo no tokony ampiasaina, dia tokony hanontany tena ny amin’ny antony itenenany hoe “Jesosy Kristy”, satria tsy toy izany no fanonona io anarana io amin’ny teny hebreo. Ny hoe Jesosy Kristy, dia endrik’ilay anarana amin’ny teny malagasy, avy amin’ny teny grika. Raha amin’ny teny hebreo, dia ny hoe “Yehôchoua” no fanononana mifanakaiky ny hoe Jesosy, ary ‘’Mâchiakh”, no fanononana ny hoe Kristy. Toy ny itenenantsika hoe: Jesosy Kristy amin’ny teny malagasy, dia toy izany koa no itenenantsika hoe: “Jehovah”, satria ireo no fanononana mety amin’ny fitenintsika.
The Catholic Encyclopedia, fanontàna tamin’ny taona 1910, boky faha-VIII, pejy faha-329, dia nampahafantatra fa mety ny ampiasana ny anarana hoe “Jehovah” raha nilaza toy izao: “Jehovah, anarana manokan’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.” Tsara ny manamarika fa izao koa no nanampiny: “Ny manam-pahaizana sasantsasany dia milaza fa vao hatramin’ny taona 1520, ny anarana hoe Jehovah (...). Nefa ny mpanoratra tamin’ny taon-jato faha-enina ambin’ny folo, na katolika na protestanta, dia mahafantatra azy tsara. (...) Ankoatr’izany, dia hitan’i Drusius io anarana io, tao amin’ny lahatsoratra nataon’i Porchetus, teolojiana tamin’ny taon-jato faha-efatra ambin’ny folo. Ary farany, dia hita io teny io na dia tao amin’ny ‘Pugio Fidei’, boky nosoratan’i Raymond Martin tamin’ny taona 1270 aza. Azo heverina fa nampiasaina ny anarana hoe Jehovah, na dia talohan’i R. Martin aza.”
Noho izany, ny fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques dia mifanaraka amin’ny fomba mahazatra, raha nandika ny Salamo 83:18 toy izao izy: “Aoka ho fantatry ny olona fa hianao, izay hany manana anarana hoe JEHOVAH, no ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Ny fandikan-teny hafa, toy ny American Standard Version, ny Modern Reader’s Bible nataon’i Moulton, ny fandikan-tenin’i Robert Young amin’ny teny anglisy, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ary ny Baibolin’i Crampon (1905) amin’ny teny frantsay, sy ny hafa koa, dia mifanaraka amin’ny fomba mahazatra koa, satria mampiasa ny anarana hoe “Jehovah.” Ny fandikan-teny sasantsasany amin’ny fiteny hafa, dia mampiasa ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fiteniny avy.
Ao amin’ny fandikan-tenin’ny Testamenta Taloha nataony tamin’ny teny alemaina, tamin’ny taon-jato fahavalo ambin’ny folo, dia nasehon’i Johann David Michaelis mazava, fa tokony hampiasaina ny Anaran’ Andriamanitra. Izao, ohatra no nolazainy ao amin’ny famoaboasana momba ny Genesisy: “Afa-tsy izany, ny anarana hoe Jehovah [Jehova amin’ny teny alemaina] dia ampiasaina ao amin’ny tapany [amin’ny Baiboly] lava toy io koa ary Ilay ambony indrindra dia mbola antsoina hatrany amin’ny anarana hoe Jehovah Andriamanitra, angamba mba hampahafantarana amin’ny mpamaky, fa ny Andriamanitra lazain’i Mosesy dia Ilay niseho taminy tamin’ny anarana hoe Jehovah ary niavaka tamin’ny andriamanitra hafa rehetra, noho io anarana manokana io. (...) Noheveriko ary fa fanehoana fahamarinana eo amin’ny fandikan-teny, ny manao toy izany, na dia tsy hahafinaritra ny sofin’ny Alemaina aza izany.”
Tamin’ny fandinihana nataony momba ny bokin’i Joba, dia izao no nolazain’i Michaelis: “Tamin’ny fandikan-teny, dia tsy mbola nisy fotoana nampisalasala ahy toy ny rehefa handika ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izay hita im-betsaka ao amin’ny teny hebreo [Soratra hebreo]. Maro tamin’ny namako no nikiry fa tsy tokony hampiasa io teny vahiny io mihitsy aho (...) Ny hoe Jehovah dia Nomen Proprium, ary sahala amin’ny nitanako ny nomina propria hafa hoe [toy ny hoe] Abrahama, Isaka sy Jakoba na, raha maka ohatra ny anaran’ny andriamani-kafa aho, dia ny hoe Bala, Astarita, Dagona— na manao ahoana na manao ahoana fifanaraham-peo vahiny aminy— dia toy izany koa no nitahirizako ny anarana hoe Jehovah. Rehefa mandika ny lahatsoratry ny mpanoratra taloha, dia tsy misalasala na dia kely akory aza mampiasa ny anarana hoe Jupiter, Apollon [ary] Diane; koa nahoana kosa no hahadikidiky ny sofina ny anaran’ilay hany Andriamanitra marina? Tsy hitako ary izay antony tsy tokony hampiasako ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny Baiboly alemaina.”
Toy ny ampahafantarin’io mpandika teny io tsara, dia miverina im-betsaka ao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, noho izany, mba hampahadio ny fieritreretany, ireo olona marina izay matahotra an’Andriamanitra, dia voatery nandika ilay Anaran’Andriamanitra, ao amin’ny fandikan-teniny sy ny fombam-pivavahany, na inona na inona fiteny itenenany. Tsy tokony hahagaga antsika ny mahamety ny ampiasana ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fiteny itenenantsika. Fanao izany amin’io anarana io, toy ny amin’ny anarana hafa koa. “Jaona” ve no anaranao amin’ny teny malagasy na “Jean” min’ny teny frantsay? “Juan”, no ho filaza izany amin’ny teny espaniola, “John” amin’ny teny anglisy, “Johannes” amin’ny teny alemaina, ary “Jokhanan” amin’ny teny hebreo. Tsy ho toy izany no fanonona azy amin’ny fiteny hafa. Koa satria tsy mitovy ny fanononana azy amin’ny teny hafa, moa ve havelanao fa tsy hampiasainao ny anaranao? Tsia dia tsia! Tsy tokony havela koa ny anaran’Andriamanitra noho ny tsy fitovian’ny fanononana azy amin’ny fiteny hafa!
NY ZAVA-DEHIBE INDRINDRA
Ny zava-dehibe indrindra, dia tsy ny ahalalana raha ny hoe “Iaveh” na ny endrik’ilay Anarana hafa no mety amin’ny teny hebreo, fa ny mahalala raha manonona io anarana io toy ny fanonon’ny ankamaroan’olona amin’ny fiteninao azy hianao. Ny antokom-pivavahana tsy mampiasa ilay Anarana, dia tsy azo heverina ho fivavahana marina, satria izao no nolazain’ Andriamanitra: “Koa ny oloko dia hahalala ny anarako.” Ny olon’Andriamanitra dia tsy hoe mahalala ny hevitr’ilay Anarana fotsiny, fa aminy koa, dia anarana tokony hasandratra sy hohajaina io anarana io.— Isaia 52:6, AC.
Izay te-hanompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana sy te-handray ny fitahiany, dia mampiasa ny anarany. Mampiasa ilay Anaran’Andriamanitra amin’ny fiteniny izy, ary miezaha hankalaza azy arak’izay azony atao. Fantany fa efa “nitsinjo ny firenena, Andriamanitra, mba hanalany olona aminy, hankalazana ny anarany”, ary maniry ny hiaraka amin’izany olona izany izy.— Asan’ny Apostoly 15:14. MN.
Iza ary no anaran’Andriamanitra? Amin’ny teny malagasy, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Soratra hebreo, azo itokiana, dia izao no valiny omen’ny Baiboly: “Izaho no Jehovah, izany no anarako.”— Isaia 42:8, AC.