FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/11 p. 297-302
  • Moa va aorian’ny Fahafatesana no Anoneranao ny Helokao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa va aorian’ny Fahafatesana no Anoneranao ny Helokao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY FEON’​NY LOVAN-TSOFINA?
  • ARA-TSORATRA MASINA
  • NY VALIN-TENY OMEN’​NY BAIBOLY
  • Miresaka Momba ny Afofandiovana ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Afofandiovana
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Ny fahamarinana momba ny afobe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Inona no Mitranga Amin’ny Fanahy eo Amin’ny Fahafatesana?
    Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/11 p. 297-302

Moa va aorian’​ny Fahafatesana no Anoneranao ny Helokao?

Saika ny Ankamaroan’​ny Antokom-pivavahana Eto Amin’​izao Tontolo Izao no Mamaly Anao Hoe: “Eny’​.’ Fa Ahoana Kosa ary no Lazain’​ny Baiboly?

MOA VA aorian’​ny fahafatesana no anoneranao ny helokao, indrindra rehefa ao amin’​ny afo fandiovana? Eny, no valin-teny ho azo avy amin’​ny antokom-pivavahana marobe eto amin’​izao tontolo izao. Ny Sinoa mpivavaka dia mino fa “misy fanahy mandehandeha ao anaty afo fandiovana mandritra ny roa taona aorian’​ny fahafatesana ary tokony omena fanampiana alohan’​ny hahazoany miditra ny lanitra.” Mba ho fanampiana ireny fanahy ao anaty afo fandiovana ireny dia fanaon’​ny Sinoa, taloha, ny manatitra sorona, fa ankehitriny kosa dia trano vita amin’​ny taratasy no dorany mba ho fanampiana ny fanahy ao anaty afo fandiovana (The Worlds Great Religions, 1957, Time, Inc., p. 90). Ny soratra masina bodisma dia mirakitra fanazavana amin’​ny antsipiriany ny amin’​ny fijaliana ao anaty afo fandiovana (Harvard Classics, 1910, Tome 45, p. 701-704).

Eny, misy aza olona milaza aminay fa “ahitana fifanahafana amin’​ny afo fandiovana ao amin’​ny ankamaroan’​ny antokom- pivavahana. Sahala amin’​izany no ahitana ny foto-kevitra milaza ny fahavelomana mpanelanelana aorian’​ny fahafatesana sy ny fiomanana amin’​ny fanadiovana ho amin’​ny fahasambarana, ao amin’​ny Zoroastre izay mampandeha ny fanahy hamakivaky fitsinjarana roa ambin’​ny folo mba hahadio azy tsara alohan’​ny hidirany ao an-danitra; ary ny “stoïciens” kosa dia mampiseho toerana iray misy fahazavana ampanelanelana izay antsoin’​izy ireo hoe empurosis, izany hoe toerana misy afo (The Encyclopedia Britannica, 11è éd. boky 22,p. 660).

Raha ny amin’​ny fitambaramben’​ny kristiana anarana kosa indray, izay saika hita etsy sy eroa, dia misy pastora protestanta anankiray manaiky ny fampianarana ny amin’​ny afo fandiovana, kanefa io afo fandiovana io dia iaraha-mahalala fa fampianaran’​ny Eglizy katolika romana (Jereo ny Our Sunday Visitor tamin’​ny 26 Oktobra 1952). Toy izao no fanambaran’​ny konsiliny tany Trente: “Ny Eglizy katolika, izay ampianarin’​ny fanahy masina, dia mampianatra araka ny Soratra Masina sy ny lovan-tsofina tranainin’​ireo Maompera .⁠.⁠. fa misy afo fandiovana iray ka ny fanahy tafiditra ao, dia ampian’​ny fankasitrahan’​ny mpiangona, indrindra avy amin’ ny sorona fankasitrahana atao eo amin’​ny otely izay andidian’​ny synoda masina ny eveka mba ataony, ka hahatonga ilay fampianarana masina.⁠.⁠. mikasika ny afo fandiovana, hampianarina sy hotorina ary karakaraina sy hampiroboroboin’​ny mpiangona eran-tany.” (Jereo ny America tamin’​ny 1 Novambra 1958, pejy faha-135 sy ny faha-136). Koa ny fampianaran’​ny Eglizy katolika arak’​izany, no milaza sy manamafy aminao fa aorian’​ny fahafatesana no anoneranao ny helokao.

Na dia iaraha-mahita arak’​izany aza anefa, ny hevitry ny Eglizy katolika romana, dia feno tsy fahamarinam-pototra kosa ny antsipiriany ao amin’​io fampianarana io. Aiza marina moa no misy ny toeran’​ny afo fandiovana? Maharitra ohatrinona ny faharetan’​ny fijaliana ary ahoana no ahafantarana raha tena tafiditra any an-danitra tokoa ireo havana efa maty, amin’​ny farany? Tsy vitan’​izany ihany fa mbola misy tsy fahamarinam-pototra lehibe sy tsy fitovian-kevitra voamarika koa ny amin’​izay tena maha-fijaliana azy.

Ilay zezoita mpanoratra, atao hoe R.W. Gleason dia nanambara izao: “Ilaina ny manamarika fa ny afo fandiovana dia naseho matetika ho toy ny lalan-tsara fidirana mankao amin’​ny afobe; ary izany dia nasehon’​ireo teolojiana manam-pahaizana. Ny fanahy tafiditra ao, hono, dia ampijalian’​ny demony; ary ny fijalian’​izy ireo ao dia mafy lavitra noho izay fijaliana nosaintsainina tetỳ ambonin’​ny tany.” Ny teolojiana rehetra anefa dia misy misalasala amin’​izany fanambarana ataony izany. Gleason dia mampiharihary izany amin’​ny hoe: “Nony injay Bellarmine milaza aminay ny amin’​ny tena fahamarinan’​ny fampijaliana ataon’​ny afo ao amin’​ny afo fandiovana, dia milaza aminay koa, fa ny teny hoe afo dia azo raisina ho fanoharana na amin’​ny heviny tsotra, izany hoe fijaliana ara-tsaina na fahaverezana, izany hoe raha ny marina dia fanamarinana kely dia kely no avelany ho ao amin’​ny tsy fahafantarany.” (Jereo ny “The Encyclopedia Britannica”, fanontàna faha-9, boky faha-20, pejy faha-120).

Eny, misy aza katolika marobe izay milaza ary manohana fa ny olona ao amin’​ny afo fandiovana, dia sambatra lavitra noho ny olona hafa etỳ ambonin’​ny tany. Tena izany tokoa fa “Catherine de Gênes dia milaza marina aminay amin-kafanam- po fa tsy misy amin’​ny fifaliana etỳ an-tany mba mitovy amin’​ny fifaliana ao amin’​ny afo fandiovana, tsy misy fifaliana toy izany marina mihitsy, hoy izy, afa-tsy any an-danitra angaha.” (Jereo ny Americana tamin’​ny 1 Novambra 1958, pejy faha-135 sy faha-136). Nefa raha toa tena izany tokoa, dia mety ny manontany tena hoe: inona no fiarovana mba hain’​ny afo fandiovana ampiasaina, ary nahoana no anononana vavaka ho an’​ireo izay tafiditra ao raha toa ny ao tsara noho ny ety ambonin’​ny tany? Tena marina mihitsy fa fahamaizinan-kevitra no manjaka amin’​io toe-javatra io.

Koa tsy mahagaga akory arak’​izany ny mahita io Konsilin’​ny Trente io, izay namorona ny afo fandiovana, mampahafantatra ny klerjy katolika koa mba “tsy hamela ny fisalasalana na ny zavatra izay miendrika fahadisoana tsy hatranga na ho karakaraina, ary handrara, satria manafintohina sy manala baraka, ny zavatra toy izany mamporisika ny fitiavana te-hahalala sy mampiharihary ny fivavahan-diso ary ny fitiavan-karena. Aoka ny eveka hitandrina tsara ny fivavahana .. . mba tsy ho tononina ara-pomba fotsiny, fa atao kosa amim-pahazotoana sy ara-potoana tsara.” (Jereo ny The Encyclopedia Britannica, fanontàna faha-9, boky faha-20, pejy faha-120).

NY FEON’​NY LOVAN-TSOFINA?

“Ny katolika dia misaotra an’​Andriamanitra noho ny fisian’​ny afo fandiovana.’​’ Izany teny izany dia fanambarana marina nataon’​ny “Chevaliers de Colomb.” Amin’ ireo teny fanamafisana toy izany izay azo vakina ao amin’​ireny fanambarana momba ny afo fandiovana ireny, dia hita fa “ny maompera sy ny dokoteran’​ny Eglizy dia miteny miverimberina fa ireo kristiana voalohany indrindra, dia nanandratra vavaka ho an’​ny maty.” Toy izany koa fa dia namporisika ny vehivavy maty vady “Tertullien, tamin’​ny taon-jato faharoa, mba hivavaka ho an’​ny fanahin’​ilay lehilahy vadiny maty. Ny mpitantara atao hoe Eusèbe, tamin’​ny taon-jato fahefatra. sy masin-dahy Cyrille tao Jerosalema, sy masin-dahy Ephrem, sy masin-dahy Ambroise ary masin-dahy Jean de Chryso-stome, dia samy miteny daholo ny vavaka ho an’​ny fanahin’​ny maty’​.’

Fa na dia halavaina aza ireo fanambarana ireo, izay tsy eken’​ny fisehoan-javatra, dia hita fa tsy eken’​ny fanambarana nataon’​ny fahefana iray izay manao hoe: “Tsy mety mihitsy ny milaza fa ao amin’​ny anankiray amin’​ireo soratra tamin’​ny taon-jato efatra voalohany, dia nisy andalan-teny milaza ny toetry ny olona maty fa ao anatin’​ny fijaliana mivaivay.⁠.⁠. Mbola tsy mety noho izany aza ny hampisehoana fa ny fahavelomana manelanelana dia noheverin’​izy ireo ho toetra izay hanonerana ny heloka” (Jereo ny The Encyclopedia Britannica, fanontàna faha-9, boky faha-20, pejy faha-121). Izany koa dia mbola amafisin’​ny fisalasalana ao amin’​ny fampianaran’​ny Eglizy ortodoksa Tatsinana momba ny afo fandiovana. Koa ny feon’​ny lovan-tsofina arak’​izany, dia tsy manana fehin-teny mihitsy ny amin’​io afo fandiovana io.

Tsy vitan’​izany ihany fa na dia mazava arak’​izany aza ny feon’​ny lovan-tsofina, dia tsy mbola porofoiny koa ny fisian’​ny afo fandiovana. Inona no antony? Satria ireo mpandahatra an-tsoratra ny Soratra grika kristiana, dia efa nanambara mialoha fa aorian’​ny fandehanan’​izy ireo dia hisy fivadihana amin’​ny finoana marina, ary na dia tamin’​ny andron’​izy ireo ihany aza, dia efa nisy io fivadihana ny finoana marina io. Afa-tsy izany, dia efa iaraha-mahalala fa ny ankamaroan’​ireo fanambarana tamin’​ny voalohany ireo, izay nentina nanamafy ny fampianarana ny fisian’​ny afo fandiovana, dia iray kilasy amin’​ireo “fomba fanao mbola velona ary efa natao taloha elan’​ny kristianisma’​’​(Jereo ny America tamin’​ny 1 Novambra 1958, pejy faha-135 sy faha-136).— Asan’​ny Apostoly 20:​29, 30; I Jaona 2:⁠18.

ARA-TSORATRA MASINA

Misy olona sahy milaza koa fa ny fampianarana momba ny afo fandiovana, dia tohanan’​ny Soratra Masina. Ny anankiray amin’​ireny andinin-teny tondroina ho fanohanana izany hevitra izany dia ny I Korintiana 3:​11-15, dia ilay manao hoe: “Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’​ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan’​ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’​ny afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’​ny afo ny asan’​ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’​ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’​ny afo ny asan’​ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’​ny afo ihany izy.”

Moa va dia azo atao ny maka io andinin-teny io mba hanaporofoana ny fisian’​ny afo fandiovana? Tsia. Satria, voalohany, ny asan’​ny kristiana dia tsy volamena na volafotsy, na bozaka na mololo ara-bakiteny, noho izany, ny afo koa dia tsy ara-bakiteny. Faharoa manaraka izany, dia voalaza fa ny afo dia handoro ny asan’​ny tsirairay raha tahiny asa tsy tsara. Hita tsotra izao fa tsy ny asa akory no mankany amin’​ny afo fandiovana. Fahatelo manaraka izany, dia voalazan’​io andinin-teny io fa ny olona dia hovonjena “toy ny avy ao amin’​ny afo ihany”, fa tsy ny afo ara-bakiteny akory no hamonjy azy. Mgr Knox dia niezaka mafy mba hilaza io andinin-teny io mihoatra amin’​izay tena izy, ka nanao io andininy io toy izao: “Izy nefa dia hovonjena, sahala amin’​ny olona voavonjy ihany tamin’​ny fandalovany tao amin’​ny afo.’​’

Inona ary no tian’​i Paoly holazaina ny amin’​io andinin-teny ao amin’​ny I Korintiana 3:​11-15 io? Ny volamena, ny volafotsy, ny vato soa dia tsy mba main’​ny afo, fa ny hazo sy ny bozaka ary ny mololo kosa dia lanin’​ny afo. Dia sahala amin’​izany fa ny asan’​izay olona ankasitrahan’ Andriamanitra dia tsy ho levona amin’​ny fitsaran’​Andriamanitra, fa ny fampianaran-diso sy ny fampianarana tsy marim-pototra rehetra kosa dia ho potipotika amin’​ny fizahan-toetra mivaivay hataon’​i Jehovah. Raha tahiny olona iray manao ireo asa voalaza farany ireo, vonona ny hihafy amin’​ny fahaverezan’​ireo asa ireo rehefa injay izy eo anatrehan’​ny fananarana na ny fitsaran’​ny Teny fahamarinan’​Andriamanitra, dia hovonjena izy amin’​izany fanadiovana izany, toy ny nandalo tao amin’​ny afo. Rehefa manao ny raharahany ny minisitra kristiana, dia tsy maintsy mitandrina tsara ny fomba fanaovany ny asany, izany hoe mitandrina tsara mba hanorina amin’​ny fototra azo antoka, manao ny zavatra rehetra hifanaraka amin’​ny fahamarinana sy hifanaraka amin’​ny ohatra navelan’​i Jesosy Kristy.— I Korintiana 3:​5-10.

Ny Matio 5:25 sy 26 koa dia andinin-teny iray ao amin’​ny Baiboly izay tondroina fa manohana ny fisian’​ny afo fandiovana; toy izao izy io: “Mihavàna faingana amin’​izay manana ady aminao, fandrao atolotr’​izay manana ady aminao amin’​ny mpitsara hianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’​ny mpamatotra, ka hatao an-tranomaizina hianao. Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.” Nefa ny tian’​i Jesosy holazaina amin’​izany dia izao: tsy ny fanonerana ny heloka aorian’​ny fahafatesana fa ny fahendrena aseho amin’​ny hafa amin’​ny fandaminana ny raharaha amim- pisakaizana. Na dia tsy miasa akory aza ny saina amin’​ny famakiana io andinin-teny io, dia fantatra avy hatrany fa andinin-teny tsy tokony alaina akory izy mba hanaporofoana ny fisian’​ny afo fandiovana. Afa-tsy raha tahiny angaha ka voaporofo tokoa io fampianarana io, dia izay vao azo amafisina fa manohana azy io andinin-tenin’​ny Baiboly io. Ambonin’​izany indray, io tenin’​i Jesosy io dia milaza fa tsy misy na iray aza olona afaka hitsoaka ny famaizana, izay zavatra lavin’​ireo olona mampianatra ny finoana ny fisian’​ny afo fandiovana.

Ity koa mbola misy andinin-teny hafa iray tondroina fa manohana ny fampianarana ny fisian’​ny afo fandiovana, dia ilay tenin’​i Jesosy manao hoe: “Ary na iza na iza hanao teny manohitra (.⁠.⁠.⁠) ny fanahy masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’​ity fiainana ity na amin’​ny ho avy.” (Matio 12:​32, Je). Misy olona milaza fa io andinin-teny io dia milaza fa hisy famelan-keloka amin’​ny fiainana ho avy, koa tsy maintsy ilaina arak’​izany ny fisian’​ny afo fandiovana. Nefa tsy izany velively akory no izy. Voalohany, dia izao no foto-kevitra ao amin’​io andinin-teny io: ny fitenenana ratsy ny fanahy masina dia tsy hahazoana famelan-keloka mihitsy na ho ela na ho haingana, eny, na dia ao “amin’​ny filaminan-javatra vaovao ho avy’​’ aza dia tsy hisy fandaharana momba ny famelan-keloka hatao momba izany (Ampitahao amin’​ny Marka 3:29). Ny Baiboly dia miteny ny amin’​ny fitsanganana ho fitsarana, ho an’​ireo olona nanao zavatra tsy manjary, kanefa tsy fanahy iniana.

Rehefa ho tonga tokoa izany fitsanganana amin’​ny maty izany, dia ho azon’​ireo olona ireo hatao ny hanao izay hahazoany ny fiainana mandrakizay amin’​ny fampisehoany fankatoavana, kanefa kosa raha tahiny izy ireo mivadika amin’​izany fankatoavana izany, dia ho hain’​izy ireo hatao koa ny hiteny ratsy ny fanahy masina. Ny heloka hasehon’​ny olona toy izany dia tsy hahazo famelana mihitsy ary hahatonga azy haringana ho faty mandrakizay.—Asan’​ny Apostoly 24:15; Jaona 5:​28, 29, MN; Apokalypsy 20:​11-15.

NY VALIN-TENY OMEN’​NY BAIBOLY

Moa va aorian’​ny fahafatesana no anoneranao ny helokao? Tsia, araka ny Baiboly, ny Tenin’​Andriamanitra. Voalohany, dia milaza izy fa ny olona dia tsy manana fanahy, fa ny olona ihany no atao hoe fanahy; toy izao no voasoratra: “Ny Tompo Andriamanitra dia namorona ny olona tamin’​ny vovoky ny tany, ary nofofoniny fofonaina ny vavorony ka tonga fanahy velona ny olona.” Faharoa, dia amafisin’​ny Baiboly fa mety maty ny fanahy, fa tsy hoe tsy mety maty; toy izao no voasoratra: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” Ary koa “natolony (Jesosy io) ho amin’​ny fahafatesana ny fanahiny.” Fahatelo, dia manome toky antsika izy fa tsy mahalala na inona na inona ny maty; toy izao indray no voasoatra momba izany: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy fa hadino ny fahatsiarovana azy. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela (.⁠.⁠.⁠) Izay rehetra azon’​ny tananao atao dia ataovy amin’​ny herinao, fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’​ny sheola (fasana, Knox) izay alehanao.”— Genesisy 2:⁠7, GV; Ezekiela 18:​20, Li; Isaia 53:​12, Li; Mpitoriteny 9:​5, 6, 10, Li.

Arak’​izany, raha tahiny ny olombelona tsy manana fanahy fa natao ho fanahy, ary raha toa mety maty io fanahy ka amin’​ny fahafatesany, dia maty koa ny ny fahalalany, ahoana ary no hananany saina indray hahalala izay tiany hatao ao amin’​ny afo fandiovana aorian’​ny fahafatesana ?

Zava-baovao amin’​ny Soratra Masina mihitsy ny fiheverana hoe: fanonerana ny heloka amin’​ny fijaliana aorian’​ny fahafatesana, ary na dia amin’​izao fiainana ankehitriny izao koa aza. Raha nositranin’​i Jesosy ilay lehilahy malemy nentina teo aminy, dia izao fotsiny no nolazainy taminy: “Matokia, anaka; voavela ny helokao.” Izay dia izay! Jesosy tsy nilaza tamin’​io lehilahy io fa tsy maintsy hijaly izy noho ny otany. Sahala amin’​izany ihany koa fa tamin’​i Jesosy nilaza tamin’​ny mpianany fa tsy maintsy torina ny “fibebahana ho famelana ny heloka”, dia tsy nilaza na inona na inona izy momba ny sazy na fijaliana ho azo amin’​ny ho avy noho ny ota. Ny apostoly Petera koa dia nananatra ny Jiosy tamin’​ny hoe: “Koa mibebaha hianareo ka miverena hamonoana ny fahotanareo.” Amin’​izany indray koa dia mbola tsy misy filazana sazy hihatra na fijaliana noho ny ota. Mbola hamarinin’​i Jaona apostoly indray koa izany, ka hoy izy: “Fa raha mandeha eo amin’​ny mazava isika, tahaka azy eo amin’​ny mazava, dia manana firaisana isika ary ny ran’​i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’​ny ota rehetra.” Raha tahiny ny ran’​i Jesosy Kristy manadio antsika amin’​ny ota rehetra, dia tsy misy ota na kely akory aza ilaina hodiovin’​ny afo fandiovana.— Matio 9:⁠2, MN; Lioka 24:​47, MN; Asan’​ny Apostoly 3:19; 1 Jaona 1:⁠7, Jé.

Ny Tenin’​Andriamanitra dia tsy mampisafidy ny fiainana feno fahasambarana sy ny fiainana feno fijaliana ao amin’​ny afo, fa ny fiainana mandrakizay sy ny fahafatesana. Jehovah Andriamanitra dia manam-pitiavana no sady marina. Ny fiainana mandrakizay no anankiray amin’​ireo fanomezana homeny. Raha tahiny tsy ankasitrahan’​ny olombelona izany fanomezana izany dia tsy hampijalian’​i Jehovah akory izy. Saingy tsy omeny azy fotsiny ny fiainana mandrakizay. Nony nasehon’​i Adama ny tsy fankasitrahany ny fiainana mandrakizay, dia tsy nilaza taminy akory Andriamanitra fa ho any amin’​ny afo fandiovana izy na ho any amin’​ny afobe, sahala amin’​ny tsy nanomezany azy fanantenana ihany fa horaisiny ho any an-danitra izy. Hoy izy tamin’​i Adama: “Ny hatsembohan’​ny tavanao no hihinananao hanina mandra-piverinao amin’​ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka hianao, ary hody vovoka indray.’​’ Ny apostoly Paoly koa dia nilaza mazava hoe: “Ny fahafatesana no tambin’​ny ota.”— Genesisy 3:​19, Li; Romana 6:​23, Jé.

Hisy angamba olona handà ary hilaza hoe: Inona ary no ho lazaina ny amin’​ny andinin-teny manao hoe “any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy vonoina”, “ary raha nijaly izy ka niandrandra”, ary “ao amin’​ny farihy mirehitra afo no anjarany”? Moa va ireo andinin-teny ireo tsy manohitra izay efa voambara rehetra mialoha? Tsia dia tsia tokoa. Ny Baiboly amin’​ny maha-Tenin’​Andriamanitra azy, dia tsy afaka hifanohitra mihitsy no tsy mifanohitra koa. Isika rehetra, indraindray, dia mampiasa fiteny ilazana endrika na fanoharana izay fiteny tsy tokony ho raisintsika ara-bakiteny; ireo olona nandahatra an-tsoratra ny Baiboly koa dia samy nanao izany fomba fanoharana ara-pitenenana izany. Koa ampy ho antsika ny mandinika tsara ny zavatra voalaza sy ny teny rehetra mialoha sy manaraka ireny teny ilazana endrika na fanoharana ireny mba ahitantsika azy, fa tsy tokony ho raisina ara-bakiteny izy.— Marka 9:​47, Jé; Lioka 16:​23, Jé; Apokalypsy 21:⁠8, Jé.

Mazava, ara-drariny ary marina ny fanambaran’​ny Baiboly. Ny hevitra hoe aorian’​ny fahafatesana no anoneranao, amin’​ny fijaliana, ny helokao, dia fampianaran’​ny mpanompo sampy ary tsy mifanaraka velively amin’​ny Soratra Masina. Fahafatesana no vidin’​ny olombelona, noho ny otany. Eny, “fahafatesana no tambin’​ny ota’​.’— Romana 6:​23, NC.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara