FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/11 p. 303-304
  • Aoka harisika isika amin’ny fanambarana ny vaovao tsara mandrakizay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka harisika isika amin’ny fanambarana ny vaovao tsara mandrakizay
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Vaovao Tsara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vaovao tsara ho an’ny olona rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • “Vaovao Tsara”!
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Ahoana no Anampian’ny Anjely Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/11 p. 303-304

Aoka harisika isika amin’ny fanambarana ny vaovao tsara mandrakizay

AMIN’IZAO fotoana izao dia maro ny olona mampiseho faharisihana. Mampiseho faharisihana ny mpanao politika amin’ny fikelezany aina mba ho voafidy na ho voafidy indray. Ny mpiasan’ny banky, ny mpanao raharaham-barotra, ny mpanao tao-zavatra, dia marisika amin’ny ady ataony mba hampitombo ny heriny na hampiakatra ny tombom-barony, na mba hahatonga ireo zava-droa loha ireo hiaraka. Ny mpanao fikarohana ara-tsiansa dia maneho faharisihana amin’ny fianarany, mba hahitany izay nahatonga ny aretina sy izay fanafodiny. Ray aman-dreny maro no marisika amin’ny fanaovana ny asany mba hamelomana ny ankohonany.

Raha manamarina ny ilàna faharisihana, amin’ny lafiny toy izany ny hevitr’olombelona sy ny fahendren’izao tontolo izao, ny kristiana nanolo-tena koa dia vao maika tokony haneho faharisihana mihoatra noho izany, eo amin’ny fanambarana ny vaovao tsara mandrakizay, izay nolazain’i Jaona an-tsoratra toy izao: “Ary hitako fa indro nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hambara toy ny vaovao tsara, amin’izay monina amin’ny tany, sy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena rehetra, sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin’ny feo mahery hoe: ‘Matahotra an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny ora fitsarany!”— Fanambarana 14:6, 7a.

Marina fa ny fanambarana fa “tonga ny ora fitsarany”, dia tsy vaovao tsara ho an’i Satana, Devoly na izay manana ny sainy, kanefa vaovao tsara kosa izany, ho an’ny sakaizan’ny fahamarinana rehetra. Izany dia milaza ny fiafaran’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, sy ny alahelo, ny fanaintainana, ny fitarainana, ny fahotana sy ny fahafatesana, ary milaza fahatongavan’ny fandaharan-javatra vaovao tsy hisian’ireo zavatra rehetra ireo intsony. Kanefa tsy ho azo izany fandaharan-javatra izany, raha tsy araka ny fepetra omen’Andrimanitra, ka tsy vaovao tsara tokoa izany, afa-tsy ho an’ireo izay mahatanteraka ny fepetra.— Apokalypsy 21:⁠4.

Ny nahitan’i Jaona anjely nanana io vaovao tsara hambara io, dia mampiseho fa hatao eo ambany fitarihan’ny anjely ny fanambarana izany ary tsy tokony hahagaga antsika izany rehefa fantatra ny anjara noraisin’ny anjely, sivin-jato sy arivo taona lasa izay, raha nitondra ny vaovao tsaran’ny nahaterahan’i Jesosy, ho an’ny olona, izy ireo (Lioka 2:9-14). Ankoatr’izany, moa ve tsy naminany Jesosy fa hiaraka aminy ny anjely, amin’ny fiverenany (Matio 24:30, 31; 25:31, 32) ? Afa-tsy izany, moa ve tsy nolazaina tamin-tsika fa ireny anjely ireny dia “fanahy manompo, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena”? Tena fampaherezana lehibe sy famporisihina tokoa ny ahalalana fa mitarika antsika ny anjelin’Andriamanitra ka manohana sy miaro izay manambara ny vaovao tsara!— Hebreo 1:14, MN.

Tombon-tsoa lehibe manao ahoana ny manambara ny vaovao tsara mandrakizay! Amin’ny fanaovana izany, dia mahazo voninahitra ny anaran’Andriamanitra ary omena fiainana izay manaiky izany, sy hianao koa. Noho izany, inona no hataontsika raha misy fahavalo mitady hanakana antsika, na hampihena ny fikelezantsika aina? Tsy antony tokony atahorana izany. Jehovah Andriamanitra no tokony ho ekena, fa tsy ny olona! Aoka ary isika hiteny amin-kafanampo sy harisika amin’ny fitoriana, satria fohy ny fotoana. Rehefa hilentika ao amin’ny fandevonana Babylona Lehibe, ny olona izay handre ny vaovao tsara, dia tsy ho afaka hiala mba hiandany amin’i Jehovah intsony, ka hahazo ny famonjena.

Ahoana ary no anehoantsika faharisihana amin’ny fanambarana amin-kerimpo ny vaovao tsara? Ny fomba iray anaovana izany, dia ny mivonona tsara mba ho afaka mamelabelatra ny vaovao tsara amim-pahakingan-tsaina sy fahaizana mampino. Tsy ‘hanisa fotoana’ fotsiny isika, fa hampanisa fotoana koa! Afa-tsy izany, dia tokony hanokana fotoana ho amin’ny asa fitoriana isika ambara-pananantsika fotoana malalaka, dia hanambara ny vaovao tsara mihitsy. Ny hevitr’izany dia hoe: tokony “hanohy handeha amim-pahendrena amin’izay any ivelany hianao, ka hanararaotra ny andro azonao anaovan-tsoa.” Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe: tokony hanombinantsika ny fotoana atokantsika anaovana asa na raharaha hafa, mba hanambarana ny vaovao tsara mandrakizay.— Kolosiana 4:⁠5, MN.

Ambonin’izany, mba hanehoana faharisihana amin’ny fanambarana ny vaovao tsara, dia tokony hatao izay handrenesan’ny olona rehetra isan-tokantrano, ao anatin’ny faritanintsika, ny vaovao tsara, ary izany dia hiverimberina. Tiantsika koa ny hiverina tsy diso any amin’ireo olona rehetra niseho ho nankafy ny hafatra, ary na aiza na aiza ahazoantsika manao izany, dia hanomboka fampianarana ny Baiboly any an-tokantranon’ireo sakaizan’ny fahamarinana mankafy izany isika, dia ireo izay mety ho tonga olon’ny fankasitrahana.

Tsy herim-po sy faharisihana fotsiny no hasehontsika amin’ny fanambarana ny vaovao tsara, fa fiaretana koa. Ny amin’ny ilàna fiaretana, dia voalaza amin’ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto: “Indro ny fiaretan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoan’i Jesosy.” Na dia fantatsika aza fa fohy ny fotoana, dia tsy fantatsika marina ny halavan’ny fotoana sisa. Noho izany no tokony hananantsika fiaretana sy hahavononantsika hiaritra, fa tsy hiahy ny amin’izay mety hihatra amintsika sy ny amin’ny fotoana asain’i Jehovah anambarantsika ny vaovao tsara.— Fanambarana 14:12, MN.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo “Ny Tilikambo Fiambenana’’ tamin’ny 1 Jolay 1964.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara