FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/10 p. 243-244
  • Maneho fankasitrahana ve hianao noho ny fampisehoana hatsaram-po aminao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maneho fankasitrahana ve hianao noho ny fampisehoana hatsaram-po aminao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Maintsy Tia Hatsaram-panahy ny Vahoakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Manaova izay sitrak’i Jehovah amin’ny fanehoana hatsaram-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Hatsaram-panahy: Amin’ny Teny sy Amin’ny Atao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Miezaha ho Tsara Fanahy eo Anivon’ny Tontolo Masiaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/10 p. 243-244

Maneho fankasitrahana ve hianao noho ny fampisehoana hatsaram-po aminao?

TOETRA tsara mampahafana ny fo ny hatsaram-po. Nomen’ny Mpahary faniriana ny hiseho ho tsara amin’ny hafa isika, ka tena endriky ny fitiavana tokoa izany. Fantatra mora foana fa izany tokoa ny tokony ho izy, rehefa raisina ireto tenin’i Jesosy ireto: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny Apostoly 20:35, MN.

Na dia ao aza izany, dia toetra tsara tsy miseho matetika amin’ny asa, ny hatsaram- po. Tsy isalasalana fa ny antony iray mahatonga izany, dia noho izy mahalana vao mba ahazoana fanehoam-pankasitrahana, araka ny voalazan’ny ohabolana alemaina tranainy iray: “Ny tsy fanehoam-pankasitrahana, no karama, eto amin’izao tontolo izao.” Ary izao no nolazain’ny mpanoratra anglisy iray, indray andro: “Avelan’ny biby ho an’ny olombelona ny tsy fanehoam-pankasitrahana.” Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy, dia tsy mankafy ny hatsaram-po ity izao tontolo izao konka, mangatsiam-po sy tsy mahay maneho fankasitrahana ity.

Ny marina dia tsy mitsahatra ny miharatsy ny toe-javatra mampalahelo momba ny tsy fanehoam-pankasitrahana. Tsy tokony ho gaga amin’izany anefa isika, noho ity fanambaran’ny faminaniana nome-tsindrimandry ity: “Fa any am-parany any dia hisy andro mahory sy sarotra. Fa ny olona (...) tsy hahay hankasitraka.” Amin’Andriamanitra Mpahary azy indrindra, ny olombelona, no tena tsy mahay maneho fankasitrahana. Tsy mieritreritra tsara ny amin’ny zava-tsoa maro omen’Andriamanitra azy isan-andro izy, satria Andriamanitra no Mpanome “ny zava-tsoa sy fanomezana tanteraka rehetra”. Tsy “misaotra mandrakariva, noho ny zavatra rehetra” mihitsy ny olombelona. Maro ny ray aman-dreny izay tsy maneho fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny hatsaram-pony taminy, ka tsy nampianatra ny zanany hahay haneho fankasitrahana noho ny fampisehoana hatsaram-po aminy. Noho izany dia maro amin’ny tanora amin’ny taranaka vaovao, no tonga olon-dehibe, kanefa mbola tsy mahalala akory fa manana andraikitra izy haneho fankasitrahana amin’ny ray aman-dreniny na ny olon-kafa, noho ny soa noraisiny taminy. — II Timoty 3:1, 2; Jakoba 1:17; Efesiana 5:20, MN.

Angamba nisy olona maro nanana hatsaram-po, no kivy satria tsy noraharahaina ny hatsaram-pony, na nararaotina tamin-pitiavan- tena ny hamoram-pony. Eo amin’ny fifandraisan’ny mpivady indrindra no ahitana izany. Hay tsy mora-fo, dia miandry tsy an-kijanona omen’ilay anankiray izay tsy mba anehoany fankasitrahana firy aza. Kanefa aoka ilay mora-fo hahatsiaro ilay toro-hevitra nomen’i Jesosy izay mamporisika antsika mba “tsy hitsahatra hanao soa, ka tsy hiandry valiny, dia ho zanaky ny Avo Indrindra hianareo, satria tsara fanahy amin’ireo izay tsy mahay maneho fankasitrahana izy”. Nefa ny fananaran’i Jesosy antsika hanao soa amin’ireo tsy mahay mankasitraka, akory, tsy mahafa-tsiny azy ireo. — Lioka 6:35, MN.

Amin’ny maha-sakaizan’ny fahamarinana mahitsy fo anao, dia tianao ny hanao izay mety, amin’ireo lafiny roa ireo. Amin’ny lafiny iray, dia haniry haneho hatsaram-po hianao isaky ny misy fotoana azonao hanaovana izany, ary amin’ny lafiny hafa kosa dia hampiseho fankasitrahana hianao, raha misy maneho hatsaram-po aminao. Azo ampiharina eto koa ilay Fitsipi-bolamena hoe: “Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.” — Lioka 6:31, MN.

Ny fomba tsara indrindra anehoana fankasitrahana noho ny soa noraisina, angamba. dia ny manao teny fisaorana kely, na manoratra izany, raha ilaina. Tsy sarotra akory ny manao teny fankasitrahana, kanefa fifaliana toy inona moa no an’ilay mandray izany! Satria nahoana ? Satria asehonao fa mankasitraka ny hatsaram-po naseho taminao hianao. Ilay naneho hatsaram-po taminao, dia mahalala fa mendrika izany izay nataony. Azo lazaina fa nihevitra toy izany ny Mpamorona, raha ny amin’ny soa be dia be nomeny ho an’i Adama sy Eva no jerena. Te-hahazo toky Izy fa nankasitraka ny soa nomeny izy ireo, ka ho valin’izany dia nitady ny fankatoavany Izy, tamin’ny zavatra tsotra dia tsotra, dia ny tsy hihinanana ny voan’ny hazo iray. Nahariharin’izy ireo tamin’ny tsi-fankatoavany, ny tsifiraharahany ny soa nomen’Andriamanitra, ka dia tsy navela hanana izany intsony izy. — Genesisy 2:17; 3:19.

Ny olona tsy maneho fankasitrahana, dia tena mampiseho fitiavan-tena ka mety hampieritreritra fa toa tsy mendrika ny soa noraisiny izy. Mitovy amin’ireo boka folo nositranin’i Jesosy Kristy izy, izay ny iray monja no nahatsiaro fankasitrahana, ka niverina niaraka tamin’izay, hisaotra azy, rehefa nahatsikaritra fa sitrana ny tenany. ‘‘Dia niankohoka tamin’ny tany izy, teo an-tongotr’i Jesosy, ka nisaotra azy”, izany no nahatonga ny Mpampianatra hanontany azy hoe: “Tsy efa voadio avokoa va izy folo? Fa aiza ary ny sivy?” Tsy nankasitraka ny soa nataon’i Jesosy taminy ireo. — Lioka 17:14-18, MN.

Miharihary fa tsy amin’ny teny fotsiny no anehoana ny fankasitrahana. Tsy izany velively! Ity misy toro-hevitra araka ny Baiboly tena mifanaraka amin’izany: “Aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.” Azonao atao ny maneho fankasitrahana noho ny soa noraisinao, amin’ny fomba fanaikinao sy fampiasanao izany. Hanampy anao betsaka ny fanetren-tena amin’izany. — I Jaona 3:18, MN.

Azonao atao koa ny maneho fankasitrahana noho ny nampisehoana hatsaram-po taminao, amin’ny fampisehoana io toetra io, ho valiny. Misy fanampiana madinidinika betsaka azo atao ho fisaorana ny olona ivahinianao, noho ny fandraisany anao. Indraindray dia mety ho amin’ny fandraisana anjara amin’ny lany izany, izay tokony hataonao amim-pahatsoram- po.

Mandrakariva, ny fanehoana hatsaram-po, dia amin’ny fampindramana boky, na fiasana ilaina ao an-jaridaina na fitaovana fampiasa ao an-dakozia. Amin’izany dia misy fomba maro azonao anehoana fankasitrahana: Aoka koa hianao ho vonona hampindrana zavatra amin’izay mety hila izany; tandremo ny zavatra nindramina ary avereno haingana izany.

Misy anefa indraindray fotoana mety hanehoana fankasitrahana ny soa omena, amin’ ny fandavana izany, ohatra, raha toa dia mila fahafoizan-tena be loatra ny namanao amin’ny fanaovana izany. Ny amin’izany, dia mitantara amintsika ny Baiboly, fa indray mandeha dia nilaza ny faniriany te-hisotro rano avy tamin’ny fantsakana iray Davida. Raha nandre ny telo tamin’ny namany, dia namaky ny laharan’ny fahavalony, nanao vy very ny ainy, mba haka ny rano nirin’ny mpanjaka. Nisotro io rano io ve Davida? Tsia, satria lafo loatra ny nahazoana azy. Raha nisotro io izy, dia toy ny nisotro ny ran’ireo olona ireo; izany no antony nanomezan’i Davida azy an’i Jehovah, ka nandrarahany izany toy ny fisotro, teo anatrehan’Andriamanitra. Ny fisotroana ilay rano dia ho toy ny fampisehoana tsy fanajana ny lalànan’Andriamanitra momba ny mahamasina ny ra sy tsy firaharahana tanteraka ny ain’ny namany, ka ho toy ny mendrika ny hanaovana vy very ny aina toy izany ilay rano indray migoka fotsiny. — I Tantara 11:17-19.

Ny sasantsasany amin’ny fomba azonao anehoana fankasitrahana noho ny soa nomena anao ihany, no hitantsika teo aloha. Raha manaraka izany hianao dia hitondra fifaliana ho an’izay maneho hatsaram-po aminao, sady hanao soa amin’ny tenanao koa, satria tsy ho tonga mafy fo na tia tena hianao, ary mikasika ny fampisehoana hatsaram-po rehetra aminao izany fomba izany, na avy amin’Andriamanitra izany, na avy amin’ny mpiara- belona aminao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara