FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 15/2 p. 119-120
  • Ry kristiana, aoka horesentsika amin’ny fanaovan-tsoa ny ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ry kristiana, aoka horesentsika amin’ny fanaovan-tsoa ny ratsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Mitovitovy Aminy
  • Handresy ny Ratsy ve ny Tsara Indray Andro Any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Inona no Mahatonga Antsika ho Tsara na ho Ratsy Toetra?
    Mifohaza!—2010
  • Handresy ny Ratsy ny Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ny Tsara Mifanandrina Amin’ny Ratsy — Ady Efa Hatramin’ny Ela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 15/2 p. 119-120

Ry kristiana, aoka horesentsika amin’ny fanaovan-tsoa ny ratsy

Moa ve misy ohatra araka ny Baiboly mikasika mpanompon’i Jehovah nandresy ny ratsy tamin’ny fanaovan-tsoa?

Nanome ohatra tsara ho antsika tamin’izany lafiny izany Josefa, zanak’i Jakoba patriarka. Niseho ho ratsy fanahy tokoa ta­miny ireo rahalahiny tamin’ny nivarotana azy ho andevo sy tamin’ny niheverana azy ho toy ny maty teo imason’ny rainy. Namela ny helony avy hatrany anefa Josefa ary nanome tamim-pahalalahan-tanana izay nilainy. Tetsy andaniny koa, ireo apostolin’i Jesosy Kristy dia nanome ohatra tsara tamin’izany lafiny izany, tamin’ny faharetany teo amin’ny fanompoana na dia tao aza ny fanaovana an-tranomaizina sy ny fitondrana ratsy nampiharin’ireo tsy tia ny asany tsara taminy. Miharihary fa Jesosy no nanome antsika ny ohatra tsara indrindra raha ny amin’ny fandresena ny ratsy amin’ny tsara. Tsy ketraka izy teo amin’ny fanompoana na dia tao aza ny fanoherana tamin-kalozana; nomeny mihitsy aza ny ainy mba hahatonga ny olombelona, anisan’izany ireo nanohitra azy noho ny tsy fahalalana, ho afaka hahazo ny fiainana. — Genesisy 45:1-13; Asan’ny Apostoly 5:41, 42; Matio 20:28.

Inona ary moa no vokatry ny fanahy ilaina ambolena raha tiantsika ny hanaraka ny torohevitry ny apostoly voasoratra ao amin’ny Romana 12:21* ka handresy ny ratsy amin’ny fanaovan-tsoa?

Ny fahari-po sy ny fifehezan-tena na fahononam-po (Galatiana 5:22, 23). Rehefa mi­sy manao ratsy amintsika, dia mirona ho amin’ny famaliana ny ratsy nataony isika. Tena zava-dehibe àry ny hahatsindriana fo, ka izany dia milaza fahari-po. Ankoatr’izany, rehefa mahita ny ratsy fanahy ambinina ny tena, dia voan’ny fakam-panahy hisafoaka na ho tezitra. Nefa manome antsika izao torohevitra manaraka izao ny Tenin’Andria­manitra: “Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy.” (Salamo 37:1). Ilaina ny hanehoana fahononam-po mba hahafahana hanaraka io torohevitra io sy hananana fahatoniana hatrany, amin’ny fahatokiana fa hanarina ny zavatra Je­hovah amin’ny fotoany. Izany no nataon’ny apostoly Paoly izay nanoratra toy izao: “ Aleksandro-mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo [Jehovah, MN] hamaly azy araka ny asany.’’ — II Timoty 4:14.

Ao anatin’ny kongregasiona, iza indrindra moa no tokony hanome ohatra sy hampiseho amin’ny hafa ny fomba tokony handresen’ny kristiana ny ratsy amin’ny fanaovan-tsoa ?

Ireo mpikarakara voatendry. Misy olona sasany, na noho ny tsy fahalalana na amin-kadalana, dia mandà ny fahamarinana na manohitra ny Baiboly, ka izany dia miteraka zava-manahirana tokoa eo anivon’ny kongre­gasiona. Tokony handamina izany karazan-draharaha izany amim-pahatoniana ny mpi­karakara voatendry, satria tsy hitondra soa na inona na inona mihitsy ny fifandirana. Indraindray koa dia mety tsy hahazo ny fanohanana antenaina avy amin’ny mpikambana hafa ao anatin’ny kongregasiona izy. Mety ho fisedrana ny fahononam-pony sy ny fahari-pony izany. Amin’ny maha-mpikarakara voatendry azy dia tokony hanaraka izao torohevitra izao izy ireny: “Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy.” Amin’ny fanarahana izany to­rohevitra izany dia ho azon’ny mpikarakara atao ny handresy ny ratsy amin’ny tsara. — II Timoty 2:23-25.

Inona avy moa no soa raisin’ny mpanompon’i Jehovah rehefa mandresy ny ratsy amin’ny fanaovan-tsoa izy?

Voalohany indrindra aloha dia misy soa ara-batana: ‘’Ny teny mahafinaritra (...) mahatsara ny taolana.” (Ohabolana 16:24). Tena ratsy dia ratsy amin’ny fahasalamana ny fahatezerana, na amin’ilay misafoaka na amin’ireo mpianakaviny izay voatery mizaka ny fahasosorany. Rehefa mandresy ny ratsy amin’ny fahamoram-panahy ny tena dia mampitony ny fahatezerana fa tsy mampitombo azy (Ohabolana 15:1). Marina izany amin’ny fihetsika eo anoloan’ny fanenjehana, na rehefa handamina zava-manahirana sasany ao anatin’ny fianakaviana. Noho izany fihetsika izany dia nisy fahavalo tonga vavolombelona kristian’i Jehovah. Araka izany dia betsaka ny soa raisina avy amin’ny fandresena ny ratsy amin’ny fanaovan-tsoa.

[Fanamarihana ambany pejy]

Mba hahita fanazavana amin’ny antsipiriany dia Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 may 1970, pejy faha-267-274.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara