Inona no antony inoana an’Andriamanitra?
MINO an’Andriamanitra ve ianao? Mirehareha ho “tsara kokoa” noho ny tsy mino ny olona mino sasany. Nefa aoka hatao hoe misy olona manontany anao, dia ianao izay manizingizina fa mino an’Andriamanitra, mba hanome ny anton’ny zavatra inoanao? Ho afaka hanazava tsara ny antony inoanao an’Andriamanitra ve ianao?
Mahagaga ny mahatsapa fa ny ankamaroan’ny olona milaza tena fa kristiana dia tsy afaka manao izany. Misy mino an’Andriamanitra satria fotsiny mino ireo ray aman-dreniny na satria be mpanaraka io finoana io ao amin’ny tany onenany. Nefa izany tsy hampiaiky olon-kafa na iza na iza ny amin’ny fisian’Andriamanitra. Raha ny marina, ny anankiray amin’ny antony mahatonga olona maro, na dia ny zanak’ireo milaza fa kristiana aza, hanjary hisalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra, dia ny tsy fahaizan’ny mpino indrindra, manazava ny zavatra inoany amin’ny fomba mampiaiky. Ambonin’izany dia tokony hekena tokoa fa raha tsy miaiky ny tena manokana ny amin’ny fisian’Andriamanitra, dia azo inoana fa tsy hifikitra amin’io zavatra inoana io ilay olona rehefa iharam-panerena.
Ny finoana ara-dalàna an’Andriamanitra dia tokony hiorina amin’ny zavatra misy ekena sy marina. Araka ny nambaran’ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly anefa, dia “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”. (Jaona 1:18.) Mba hampiaiky antsika ny amin’ny fisiany, ny zavatra inoantsika dia tokony hiorina amin-javatra hita maso sy amin’ny fandinihana manokana ataontsika. Araka izany, noho ny fahaizantsika mamakafaka, dia azontsika atao ny mampitombo finoana an’Andriamanitra tsy azo hozongozonina.
Ny niandohan’ny famoronana
Ohatra, inona no eritreretinao rehefa mandinika amim-pahafinaretana ny lanitra feno kintana sy tsy hita lany na ny endri-piainana eto an-tany marobe sy maro karazana aoka izany. Moa ve izany mitarika anao hieritreritra ny amin’ny fiandohan’ireny zavatra mahatalanjona ireny? Eto dia ilaina ny hamakafakana manomboka eo amin’ny “vokany” mba hahatongavana eo amin’ny “antony nahatonga azy”. Rehefa eritreretina ny “vokany”, dia ny famoronana, dia manjary miharihary fa tokony hisy “antony nahatonga azy” ao ambadik’izany rehetra izany. Nefa mety hanontany tena toy izao ny olona iray: “Nahoana moa io antony nahatonga azy io no tokony ho Andriamanitra? Tsy mety ho kisendrasendra jamba fotsiny ve izany?”
Hevero izay nasehon’ny zavatra misy taminao. Miharihary fa ny famantaranandro iray dia manana fiandohana na mpanao azy. Moa ve ny fanamarinam-potoana (chronomètre) voakaly tsara iray tsy mampiharihary na inona na inona ny amin’ny fiandohany? Moa ve tsy mampiseho izany fa izy io dia vokatry ny saina milamina iray afaka mitsinjo zavatra? Olona manan-tsaina no namorona azy.
Mampifanaraka ny famantaranandrony amin’ny zavatra eny amin’ny lanitra mahagaga ny olona. Ny fanarahan’izy ireny lalàna sy ny fipararetran’ny ataoma sasany amin’izao andro izao dia mahatonga ny olona ho afaka hampifanaraka ny famantaranandrony, ampahany amin’ny segondra monja no elanelany. Moa ve tsy taratry ny saina iray koa ny filaminana mahatalanjona eo amin’ny zavatra noforonina? Nefa moa ve ny saina misy any ivelan’ny olona iray? Araka ny hitanao, ny fifandraisan’ny vokany amin’ny antony mahatonga azy dia mitarika antsika hanao fanatsoahan-kevitra fa ny zavatra noforonina dia manaporofo ny fisian’ny Olona manan-tsaina iray izay Mpamorona azy, dia Andriamanitra.
Inona koa no holazaina ny amin’ny aina mihitsy? Moa ve izy io avy amin’ny loharano hafa iray ankoatry ny aina efa nisy? Ireo izay mandà ny fisian’Andriamanitra, amin’ny ankapobeny dia mitady izay hanarian-dia ny amin’io fanontaniana tsotra dia tsotra io. Nefa izy ireny dia tsy maintsy mamaly fanontaniana hafa tsotra toa an’io koa nefa mahasanganehana, sahala amin’ny fanontaniana napetrak’i Hal Borland tao amin’ny bokiny (The Enduring Pattern):
“Ireo izay manazava ny fiandohan’ny aina ho fitambaran-javatra araka ny ‘chimie’ vokatry ny kisendrasendra ka, araka ny fiaiken’izy ireny, dia tsy ho afaka hitranga ao anatin’ny toe-piainana ankehitriny, dia mampiasa, angamba amin’ny fomba tsy tsaroana, hery mahatonga izany fanakambanana vokatry ny kisendrasendra izany ho azo atao. Inona izany? Ireo izay mino fa ny aina dia nipoitra avy any amin’ny ranomasina tany am-boalohany, avy any amin’ny faritra lavitra ny habakabaka, dia manaiky fa nisy tany amin’ny fitoerana hafa ny aina tamin’izany fotoana izany. Taiza ary tamin’ny fomba ahoana no nipoiran’izany aina izany? Ireo izay mihevitra fa ny asidra “nucléique” no loharanon’ny aina ka manizingizina fa azo alaina tahaka ny zavatra irafetan’ny “gènes”, dia manaiky fa tsy fantany ny hoe avy aiza ny “gènes”, na ny asidra “nucléique”, no nandray ny fahafahany manome aina na ny toetra omeny. Aiza no misy an’io hery io, io modely io? Raha ao amin’ny fomba fifangaroan’ireny zavatra tsy azo tsapaina ireny, nahoana izy no mifangaro amin’izany fomba izany? Mbola ao ihany ireo fanontaniana ireo ary sarotra indrindra.” — (1959), pejy faha-244.
Araka ny fantatsika, ny porofo dia manery antsika hanatsoaka hevitra fa Mpamorona velona iray ihany no afaka mahatonga aina.
Avy aiza ny fieritreretana?
Ilaina ny hinoana an’Andriamanitra mba hanazavana ny fisian’ny fieritreretana ao amin’ny olombelona. Nahoana isika no milaza izany? Hanome antsika ny antony ny fandinihana fohy an’io fanontaniana io.
Na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona ary na taiza na taiza, ny olona dia manana fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy efa raikitra ao aminy, antsoina indraindray hoe lalàna ara-pitondrantena na araka ny natiora, izay mitarika ny ataony. Manamafy izany hevitra izany i P. R. Coleman-Norton, ao amin’ny oniversiten’i Princeton, amin’ny filazana toy izao:
“Tsapantsika fa misy toetra telo mampiavaka ny lalàn’ny natiora [ny fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy]: 1) Mahazo izao rehetra izao izy io satria tsy miova ny fitsipiny na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona ary tao amin’ny vahoaka rehetra; 2) ilaina izy io satria takin’ny toetoetry ny olona manan-tsaina; 3) tsy miova izy io satria tsy miankina amin’ny fahefan’olombelona rehetra.”
Nefa hanaporofo angamba ny olona sasany fa ny olona iray mampiasa ny feon’ny fieritreretany dia hilaza fa “marina” tanteraka ny fanao iray, nefa hilaza azy ho “ratsy” dia ratsy kosa ny anakiray hafa. Nefa ao amin’ny fitambaran’olona tsirairay avy, ny lalàna araka ny natiora raikitra ao amin’ny olombelona dia manameloka amin’ny fomba mitovy ny fanao tena ratsy an-kitsirano izao. Manao izao fanamarihana izao i M. F. Ashley Montagu, mpanoratra tantaran’ny toetra na fandrosoan’ny olombelona:
“Heverina hatraiza hatraiza ho heloka bevava ny famonoana olona ary rehefa azo ilay mpamono olona ka entina eo anatrehan’ny fitsarana, dia mandrakariva ny fahafatesana no saziny. (...) Ekena maneran-tany ny lalàna mikasika ny fandriana amin’ny havana akaiky. (...) Hajaina amin’ny tany rehetra ny fananana manokana. Ny zon’ny isam-batan’olona ho tompom-pananana dia misy ao amin’ny fitambaran’olona rehetra tamin’ny voalohany, na ny fananana tsy azo enti-mandeha na ny azo entina na tsy hita miharihary.” — Anthropology and Human Nature (1957), pejy faha-58, 63, 64.
Mazava ho azy fa ny fanavahana ny famonoana olona sy ny fiarovan-tena ara-dalàna dia somary miova kely arakaraka ny foko, toy izany koa ny amin’ny firaisana ara-nofo lazaina hoe “amin’ny havana akaiky”. Tsy hitovy ny lalàna hentitra mikasika ny halatra ao amin’ny fitambaran’olona mpamboly sy ao amin’ny mpanao taozavatra. Ireo fanao ireo anefa dia heverina foana ho ratsy amin’ny fotopotony (jereo Romana 2:14, 15). Tsy mahagaga àry raha toa nanambara toy izao i R. W. Firth, izay nampianatra tao amin’ny oniversiten’i Londres:
“Amin’ny lafiny maro, ireo fitsipi-pitondrantena tamin’ny voalohany dia manakaiky tokoa an’ireo arahina ao amin’ny fitambaran’olona mandroso sy efa mivoatra tokoa.”
Marina tokoa fa ny “fitambaran’olona mandroso sy efa mivoatra tokoa” amin’izao taonjato faharoapolo iainantsika izao dia nampiasa ny lalàn’ny fieritreretana mba handresena lahatra ara-dalàna ny mpanao heloka bevava amin’ny ady nazia sasany, tamin’ilay fitsarana tany Nuremberg, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Na dia nilaza aza izy ireo fa tsy nanao afa-tsy ny nanaraka ny lalàna nazia sy ny lehibeny, dia nolazaina fa tokony ho nanaraka ny “lalàna araka ny natiora sy ambony amin’ny rariny” izy ireo. Amin’izao fotoana izao, any Shina kaominista izay heverina ho tsy mino an’Andriamanitra, dia mbola misy fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy mahery dia mahery ihany, satria nanao zavatra ny firenena mba hanesorana ao amin’ny tany ny fanao toy ny fivarotan-tena hijangajanga.
Avy aiza io lalàna araka ny natiora ekena hatraiza hatraiza io, dia ny lalàna ara-pitondrantena na ny lalàn’ny fieritreretana? Moa ve ianao mahafantatra lalàna na dia iray monja aza ka tsy avy amin’ny mpanao lalàna iray? Moa ve tsy rariny ny hiheverana fa Olona iray mifikitra indrindra amin’ny fitsipi-pitondrantena no Mpanao lalàna araka ny natiora iray izay nandray anjara tamin’ny fanasoavana na ny fiarovana mihitsy aza ny fitambaran’olombelona? Andriamanitra io Olona manana fitsipika ara-pitondrantena io.
[Loharanon-kevitra]
Tsy feno itỳ lahatsoratra itỳ (Vita ka hatramin’ny lohatenikely ao amin’ny pejy 517 ihany)