FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w74 15/2 p. 105-108
  • Tany sambatra entin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tany sambatra entin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1974
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Sary iray
  • Solontena hita mason’ilay fitondram-panjakana any an-danitra
  • Ny maha-zava-dehibe ny anaran’ilay tanàna
  • Tena fanantenana hozaraina dieny izao
  • Fanomezana Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ilay ‘Ampahany Tokony Hatokana ho Fanomezana’
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • “Izao no ho Anaran’ilay Tanàna: ... I Jehovah no Ao”
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • Mpiadidy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1974
w74 15/2 p. 105-108

Tany sambatra entin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra

HAHAFINARITRA tokoa ny hiaina ao anatin’ny zavatra manodidina toy ny zaridaina ka hanana fahasalamana tsara dia tsara. Hahafinaritra ny fiainana misy ony sy farihy manga mangalahala, sakafo mahasalama sy rivotra madio. Raha toa, ambonin’izany, ka miara-miasa daholo ny olona rehetra amin’ny fikendrena zavatra iray ihany, mba hampiasana ny zavatra azo avy amin’ny tany hahasambatra ny olombelona, dia ho loharanom-pifaliana ny asa. Ho paradisa tokoa ny tany.

Mazava ho azy fa mba hahatonga an’izany toe-piainana irina tokoa izany ho tena misy, dia misy zavatra ilaina mihoatra noho ny manodidina mahafinaritra sy ny fiarahan’ny olona miasa. Tena ilaina ny fitondram-panjakana iray madio sy tsy manao ratsy. Tsy sarotra ny miaiky fa “raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy”. (Ohabolana 29:2). Tsy afaka namorona izany toe-piainana irina izany ireo fitondram-panjakana voasaratsaraka noho ny olombelona. Milaza ve izany fa tsy mety hisy ny fitondram-panjakana iray karazan’izany?

Ao amin’ny Baiboly dia ahariharin’ny Mpamorona antsika ny fikasany hanorina fitondram-panjakana marina iray ho an’ny tany. Izy dia “Andriamanitra sambatra”, ary noho ny maha-Mpamorona ny olombelona azy dia fantany ny karazam-pitondram-panjakana ilain’ny olona mba hahasambatra azy (I Timoty 1:11, MN ). Tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminaniny no nampiharihariany ny zava-kendren’io fitondram-panjakana io.

Noho izy Tompon’ny tany, Jehovah dia nanome azy ho an’ny olombelona mba ho fonenany. Amin’ny maha-Filoha tompom-piandrianana azy dia hanapa-kevitra ny amin’ny fizarazarana ny olona eo amin’ny tany izy, tsy hoe mba hahafinaritra ny tenany fotsiny, fa mba hahasambatra ny olona koa. — Eksodosy 19:5; Salamo 115:16.

Sary iray

Ho toy ny sary dia nomen’i Jehovah an’i Ezekiela mpaminany ny fahitana iray nanondroany ny toerana honenan’ny tsirairay avy amin’ny foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely sy ny faritry ny faritanin’izy ireo. Eo amin’ny sarin-tany miaraka amin’ity lahatsoratra ity dia ho voamarikao fa misy sila-tany natao ho an’ny filoha, faritany ho an’ny fiandraiketan-draharaha, miaraka amin’ny sila-tany fito hafa koa amin’ny faritany mifanitsy, eo avaratra. Teo atsimo dia nisy fizarana faritany ho an’ireo foko dimy hafa teo amin’ny Isiraely. Ireo sila-tany ireo dia nanomboka tao Mediterane, tany andrefana, ka hatrany Jordana sy ny ranomasina Be sira, any atsinanana. — Ezekiela 47:15-20.

Tsy nandova faritany mihitsy ny fokon’i Levy satria nanompo tao amin’ny fitoerana masin’i Jehovah izay tao anatin’ny faritanin’ny fiandraiketan-draharaha, tao anatin’ny efa-joro nahatratra 25 000 hakiho (tokony ho 13 000 metatra) ny lafiny iray. (Ny hakiho nampiasaina handrefesana dia “hakiho iray (...) mihoatra vodivoam-pelatànana” [tokony ho 52 santimetatra].) Io faritany efa-joro mitovy lafy io, nantsoina hoe ‘tany hatokana’, dia nanodidina ny tendrombohitra Moria. — Ezekiela 43:13; 48:8, 9.

Io sombin-tany io, ny ‘tany hatokana’, dia tokony hozaraina ho sila-tany telo, ka 25 000 hakiho ny lavan’ny tsirairay avy. Ilay tany avaratra sy ilay teo afovoany dia nahatratra 10 000 hakiho avy ny sakany; ny sila-tany tao atsimo indrindra dia 5 000 hakiho ny sakany. Ilay tany avaratra dia natao ho an’ireo anisan’ny fokon’i Levy tsy mpisorona (Ezekiela 48:13, 14). Ny silany afovoany tamin’ny ‘tany hatokana’ izay 10 000 hakiho ny sakany dia nisy ny fitoerana masin’i Jehovah ka nantsoina hoe ‘tany masina voatokana ho an’ny mpisorona’ sy “zavatra masina indrindra, mifanolotra amin’ny faritanin’ny Levita”. — Ezekiela 48:10-12.

Ny sila-tany tany atsimo indrindra, 5 000 hakiho (2 km. 500) ny sakany, dia nisy tao afovoany, “tanàna” efa-joro mitovy lafy, ka 5 000 hakiho avy ny lafiny. Ilay tanàna dia voahodidin’ny manda efa-joro mitovy lafy, ka 4 500 hakiho avy ny lafiny iray, ka izany dia namela toerana fiandrasam-biby nanodidina, 250 hakiho ny sakany (Ezekiela 48:15-17). Teo andaniny roa amin’ny tanàna (tany atsinanana sy tany andrefana), dia nisy sila-tany 10 000 hakiho ny lavany ary 5 000 hakiho ny sakany. Io faritany nivoha io dia tokony hovolena mba hamokarana ny sakafo ilain’izay rehetra niasa tao an-tanàna. Izy ireo dia ny mpiasa avy amin’ny foko roa ambin’ny folo ankoatry ny fokon’i Levy. — Ezekiela 48:18, 19.

Solontena hita mason’ilay fitondram-panjakana any an-danitra

Ny loha hita mason’io tanànan’ny fitondram-panjakana io hita tamin’ny fahitana dia ny “filoha”. Lehibe dia lehibe tokoa ny faritaniny, satria nitatra teo andaniny roa amin’ny ‘tany hatokana’, efa-joro mitovy lafy izay 25 000 hakiho avy ny lafiny. Io sila-tany io izay 25 000 hakiho ny sakany, dia nitatra tao Mediterane, tany andrefan’ny ‘tany hatokana’, ka hatrany Jordana sy ny ranomasina Be sira, tany atsinanana. — Ezekiela 47:18, 20.

Aoka homarihintsika fa tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, ny tanàna dia tsy nahitana ny tempoly, na dia tsy lavitra azy aza io tempoly io, tao amin’ny ‘tany hatokana’ manokana. Tsy nonina na niasa tao amin’io tanàna io ny mpisorona sy ny levita. Ao amin’ny fahatanterahan’ilay fahitana mandritra ny fanjakana arivo taonan’ny Mesia àry, ilay tanàna hita tamin’ny fahitana dia tsy mampiseho an’ilay tanàna any an-danitra atao hoe Jerosalema Vaovao, dia ny kongregasionan’i Kristy, ny Ampakariny, voaforon’ny Isiraelita ara-panahy (Apokalypsy 20:3, 4, 6; 21:1, 2, 9-21). Izy ireny tokoa dia mpisorona, “fanjakà-mpisorona”, ka ny anarany dia voasoratra any an-danitra (I Petera 2:9; Hebreo 12:23). Noho izany, ilay “tanàna” dia nampiseho, tsy ny fitondram-panjakana any an-danitra entin’i Jesosy Kristy sy ny 144 000, mpanjaka sady mpisorona miaraka aminy akory, fa ny foibe eto an-tany sy hita maso amin’ny fiandraiketan-draharaha hotendrena hitarika ny raharahan’ny olombelona navotana.

Ny “filoha” ao amin’ilay fahitana àry dia tsy sary ara-panoharana mampiseho an’i Jesosy Kristy akory. Niasa tao amin’ny sila-paritany “tsy ara-pivavahana” ilay filoha fa tsy tao amin’ny tempoly, nefa Jesosy Kristy no Mpisoronabe miasa ao amin’ny faritra any an-danitra amin’ny tempolin’i Jehovah ara-panahy (Hebreo 3:1; 8:1). Marina fa ao amin’ny toko iray eo aloha amin’ny faminanian’i Ezekiela Jehovah dia nilaza ny Mesia ho “filoha”. Tamin’izay anefa Andriamanitra dia niresaka ny amin’io filoha io hoe “Davida Mpanompoko”, nefa tsy misy fitenenana karazan’izany mikasika an’ilay filoha ao amin’io fahitana ny amin’ny “tanàna” io. Davida dia mpanjakan’ny Isiraely, ka tokony ho taranany ny Mesia, amin’ny ara-nofo (Ezekiela 34:24; 37:25; Asan’ny apostoly 2:29-36). Amin’ny maha-Mesia nampanantenaina azy, Jesosy Kristy dia sady Mpanjaka no Mpisoronabe any an-danitra.

Tao amin’ilay fahitana ny amin’ny tempoly, mampiseho an’iza àry ilay “filoha”? Toy ny teny hoe “mpanompo” izay matetika manana heviny milaza fitambarana, ohatra, fony Jehovah niantso ny firenen’Isiraely hoe ‘mpanompoko’, dia toy izany koa fa ny teny hoe “filoha” dia tokony horaisina amin’ny heviny milaza fitambarana. Io teny io dia manondro an’ireo hotendren’i Jesosy Mesia any an-danitra ho solontenany hita maso ao amin’ny “tany vaovao” eo ambany fitarihan’ny “lanitra vaovao”. — Isaia 43:10; Apokalypsy 21:1, 2.

Raha niteny tamin’i Jesosy Kristy Mpanjaka tamin’ny fanasiana fitenenana ny amin’ireo zanany eto an-tany ny mpanao salamo iray, dia nanoratra ara-paminaniana toy izao: “Ho solon-drainao [eto an-tany] ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ny tany rehetra izy.” (Salamo 45:16). Hataon’i Jesosy Kristy izay hahatonga an’ireny olona ireny sy ny hafa koa, tonga “zanany” amin’ny fahazoana ny fiainana noho ny aminy, ho toy ny “mpanapaka” marina eo amin’ny tany mba hitondra amim-pahitsiana ny raharahan’ny olombelona, ka hataony izay hampandry fahizay ny olombelona. Izany no toky omena antsika ao amin’Isaia, toko faha-32, amin’izao teny mahafinaritra izao:

“Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny. Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.

“Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, ary ny fahamarinana honina ao amin’ny saha mahavokatra. Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.” — Isaia 32:1, 2, 16-18.

Nanao toy izany tamin’ny ambaratonga kely ho an’ny vahoakany Jehovah rehefa nampody azy taorian’ny fahababoany tany Babylonia mba hanorenany indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny. Vao mainka hanao toy izany izy ho an’ny olona izay honina manerana ny tany manontolo mandritra ny fanjakan’i Kristy arivo taona! Dia hiharihary fa marina ny teny nataon’i Kristy ho an’ireo apostoliny, raha nilaza tamin’izy ireo izy fa hiara-hipetraka aminy ireo “hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo”, izany hoe ny olona navotana rehetra, amin’ny alalan’ny mpanapaka marina, dia ireo solontenany hita maso eto an-tany. — Matio 19:28; Lioka 22:29, 30.

Ny maha-zava-dehibe ny anaran’ilay tanàna

Olona milatsaka an-tsitrapo avy amin’ny faritra rehetra amin’ny tany sy avy amin’ny olona navotana rehetra no ho tonga mba hiara-miasa amin-jotom-po amin’ny kilasy naseho ara-panoharana tamin’ny “filoha”. Izany dia hitranga ao amin’ilay “tanàna”, izay mampiseho ny foibe hita maso ara-dalàn’ny kilasin’ny “filoha” izay avy ao no hitondrana ny raharahan’ny olona rehetra. Ny fahitan’i Ezekiela dia mampiseho vavahady telo avy eo amin’ny rindrin’ny tanàna efatra, mivoha ho an’ireo foko folon’ny Isiraely (Ezekiela 48:30-34). Io fitondrana azo ampitahaina amin’ny tanàna io dia hampiseho amin’ny fomba tonga lafatra an’ilay Jerosalema Vaovao any an-danitra, manana vavahady roa ambin’ny folo izay voasoratra eo aminy ny anaran’ireo “firenena roa ambin’ny folo amin’ny Zanak’Isiraely”. (Apokalypsy 21:12.) Ny fitondran’ireo ho “mpanapaka” amin’ny tany àry dia hahitana koa ny taratry ny fiheverana feno fitiavana sy ny toetran’i Kristy mbamin’ireo mpisorona lefiny azo hatonina. Izay rehetra haniry hahazo fanampiana mikasika ny raharaha lehibe iray dia ho afaka ho tonga ao amim-pahalalahana sy mora foana.

Mifarana amin’ny fanomezana ny anaran’io tanàna io ilay faminanian’i Ezekiela: “Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay andro izay dia Jehovah no ao.” (Ezekiela 48:35). Izany dia mifanitsy amin’ity fampanantenana voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 21:3 ity: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.” Ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy no hampiseho ny fanatrehany amin’ny maha-Andriamanitra amin’ny fampitodihana ny sainy feno fitiavana sy manasoa ho amin’ilay “tanàna”. Ho be dia be ao ny vokatry ny fanahiny mba ho voninahiny, tsy inona izany fa: “Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN], fahalemem-panahy, fahononam-po.” — Galatiana 5:22, 23.

Koa satria ny fanahin’i Jehovah miasa amin’ny alalan’ireny “mpanapaka” ireny, dia azontsika atao ny manana fanantenana azo antoka ny amin’ny fitondram-panjakana araka ny rariny iray izay hihevitra tokoa ny voninahitr’Andriamanitra, ny rariny, ny fahitsiana ary ny fahasambaran’ny olombelona. Jesosy Kristy, ilay Mpisoronabe, sy ireo mpisorona lefiny any an-danitra dia hampihatra ny vidin’ny sorom-panavotan’i Kristy sy ny soa rehetra avy amin’izany. Ho eo ambany fitarihan’ny “lanitra vaovao” tanteraka io fitondrana hita maso oharina amin’ny tanàna io, ka hanampy ny olona mankatò rehetra hahita indray ny fahatanterahan’ny fo sy ny saina ary ny tena ao amin’ilay paradisa tafaorina indray. Izao koa no voalaza ao amin’ny Apokalypsy 21:4: “Ary hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Tena fanantenana hozaraina dieny izao

Amin’izao fotoana izao, noho ny herin’ny fandehan-javatra ankehitriny sy ny fahotana nolovana tamin’i Adama razambentsika, na dia ny tena kristiana aza dia tokony hiady mandrakariva mba handresy ny fironan-dratsy sy mahafatin’ny nofo tsy tanteraka (Romana 7:19, 24, 25). Tsy manan-kery ny tenan’ny olombelona. Ambonin’izany, ny fitaoman’i Satana, “ilay andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, sy ny tsy fahampian’ny fiheveran’ireo fitondram-panjakana eto an-tany ny hahasambatra ny olona, dia nitarika ny olona ho ao anatin’ny tarehin-javatra mampahonena (II Korintiana 4:4, MN). Nefa, eo ambanin’ny ‘lanitra vaovao sy ny tany vaovao’ marina, noho ny fitondran’ny mpanapaka eto an-tany matahotra an’Andriamanitra, dia ho tanteraka izao faminaniana manaraka izao: “Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Habakoka 2:14; II Petera 3:13). Noho ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra, ny fahamoram-panahiny sy ny fitiavany tsy manan-tsahala, ny fahendreny, ny fahamarinany sy ny fandaharana nataony mba hahasambatra ny olombelona, dia hankalaza azy ny olombelona ka handeha amin’ny lalany. Dia ho tanteraka ireto teny ara-paminaniana nataon’ny mpanao salamo iray ireto: “Mihaona ny famindrampo sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. Ny fahamarinana mitsimoka amin’ny tany; ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. Eny, Jehovah hanome ny tsara; ary ny tanintsika hahavoka-javatra.” — Salamo 85:10-12.

Raha maniry fatratra izany zavatra mahatalanjona izany ianao, dia tsy isalasalana mihitsy fa tsy mampiavaka ny fandehan-javatra ankehitriny izany. Angamba ianao tafintohina sy very hevitra noho izay hitanao (Ezekiela 9:4, NW). Raha izany no izy dia asehoy dieny izao ny fitiavanao ny rariny. Omen’Andriamanitra anao ny fahafahana ho afaka, toy ny nataony tamin’i Lota marina teo afovoan’ny tanàna ratsin’i Sodoma (II Petera 2:7-9). Aza mijanona ao amin’ny toeram-piandrasana tsy misy firaikana, satria Jehovah handrava an’izao tontolo izao simba ankehitriny sy izay rehetra mbola mifikitra aminy ihany (II Petera 3:7-9; I Petera 4:17-19). Ataovy izay ilaina mba hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra ka ampiharo dieny izao eo amin’ny fiainanao izany.

[Kisary/Sarintany, pejy 106]

(Jereo ny gazety)

NY TANY HATOKANA MASINA SY NY FOKO ROA AMBIN’NY FOLO

Vavahadin’i Hamata

DANA

ASERA

NAFTALY

Ranomasin’i Galilia

MANASE

EFRAIMA

ROBENA

JODA

Jordana

NY FILOHA

Tany hatokana Masina

En-Eglaîma

BENJAMINA

Enjedy

SIMEONA

Ranomasina Besira

ISAKARA

ZEBOLONA

Tamara

GADA

Meriba-Kadesy

Reniranon’i Egypta

FANDREFESANA KILAOMETATRA

0——5——10——20——30

[Kisary]

ANTSIPIRIANY MIKASIKA NY ‘TANY HATOKANA MASINA’

A

B

C

a b c

l d

D k E e D

j f

m i h g

Mampiseho ny anjaran’ny Levita ny “A”; B, ny fitoerana masin’i Jehovah; C, ny anjaran’ny mpisorona; D, ny tany nahavokatra tao an-tanàna; E, ny tanàna: ny tenan’i Jehovah mihitsy no tao (Jehovah-shammah).

Vavahady: a, an’i Robena; b, an’i Joda; c, an’i Levy; d, an’i Josefa; e, an’i Benjamina; f, an’i Dana; g, an’i Simeona; h, an’Isakara; i, an’i Zebolona; j, an’i Gada; k, an’i Asera; l, an’i Naftaly.

Toerana fiandrasam-biby: m.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara