FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fanomezana Masina”
  • Fanomezana Masina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanomezana Masina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Tany sambatra entin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1974
  • Kijana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ilay ‘Ampahany Tokony Hatokana ho Fanomezana’
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • Jehovah Mihitsy no Ao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fanomezana Masina”

FANOMEZANA MASINA

Ampahana tany hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana momba ny fizarana ny Tany Nampanantenaina.

Samy nahazo anjara lova ireo foko 12, afa-tsy ny fokon’i Levy (12 ireo foko satria nosoloan’i Efraima sy Manase i Josefa). Nifanila ny sisin-tanin’ireo anjara lova, nanomboka tamin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana. Nisy faritra voatokana ho an’ny mpiadidy teo atsimon’ny lovan’ny Joda, izay fahafito avy any avaratra. (Ezk 48:1-8) Ny sisin-tanin’ny lovan’ny Joda no sisiny avaratra tamin’io faritra io, ary ny sisin-tanin’ny lovan’ny Benjamina, izay fahadimy avy any atsimo, no sisiny atsimo. (Ezk 48:23-28) Nirefy 25 000 hakiho (13 km) ny sakan’ilay faritra, avy any avaratra ka hatrany atsimo. Tokony homen’ny vahoaka ho an’ny mpitondra izy io mba hampiasainy.​—Ezk 48:8.

Efamira ilay “fanomezana manontolo” (25 000 hakiho ny lafiny iray), izay tao anatin’ilay faritra ho an’ny mpiadidy, ary teo afovoan’izy io ny toerana masin’i Jehovah. An’ny mpiadidy ny anjara roa ambiny tamin’ilay faritra, teo atsinanan’ilay “fanomezana” sy teo andrefany. (Ezk 48:20-22; jereo MPIADIDY.) An’ny Levita tsy mpisorona ny tapany avaratra tamin’ilay “fanomezana manontolo”, ary 10 000 hakiho (5,2 km) ny sakany. Tsy nisy tamin’izy io azo namidy na natakalo, satria ‘zava-masina teo anatrehan’i Jehovah’ izy io. (Ezk 48:13, 14) Teo atsimon’ilay anjaran’ny Levita ny “fanomezana masina ho an’ny mpisorona”, izay nirefy 10 000 hakiho. Tao ny toerana masin’i Jehovah na ny tempoly. (Ezk 48:9-12) Tany lavalava kely sisa tavela teo atsimo, ary 5000 hakiho (2,6 km) ny sakany. “Ho zavatra tsy masina ho an’ny tanàna” izy io, ary “hatao toeram-ponenana sy kijana.” (Ezk 48:15) Teo afovoan’izy io ilay tanàna natao hoe “Jehovah Mihitsy no Ao.” Samy nirefy 4500 hakiho (2,3 km) ny lafin’ilay tanàna, ary nisy vavahady 12 sy kijana 250 hakiho (130 m) teo amin’ny lafiny efatra. Tsy masina koa ny ambin’ilay tany efamira (25 000 hakiho ny lafiny), dia ireo 10 000 hakiho teo atsinanan’ilay tanàna sy ireo 10 000 hakiho teo andrefany (5000 hakiho ny sakany). Novolen’ny fokon’ny Israely io ambiny io mba hamatsiana sakafo an’ilay tanàna.​—Ezk 48:15-19, 30-35.

Nirefy 25 000 hakiho àry ilay “fanomezana masina” avy eo atsinanana ka hatrany andrefana, ary 20 000 hakiho avy eo avaratra ka hatrany atsimo. Nisy faritra lavalava roa samy nirefy 10 000 hakiho tao: Ny iray an’ny mpisorona ary ny iray an’ny Levita. “Zavatra tsy masina ho an’ny tanàna” kosa ny ambin’ilay fanomezana (25 000 hakiho ny lafiny), ka ‘natao toeram-ponenana sy kijana.’​—Ezk 48:10, 13-15, 18, 20, 21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara