Fanontanian’ny mpamaky
● Inona no dikan’ilay hoe “fitondran-tena mahamenatra”, resahin’ny Galatianina 5:19?
Mety hisy hilaza fa manondro fitondran-tena ratsy madinika io teny io (avy amin’ny teny grika hoe a·selʹgei·a izy io, ary fitondran-tena tsy voafehy no dikany ara-bakiteny). Tsy marina anefa izany, raha jerena ny porofo omen’ny Soratra Masina sy ireo boky amin’ny teny grika fahiny ahitana an’io teny io. Tsy voafetra ho fitondran-tena ratsy momba ny lahy sy ny vavy izy io. Tsy milaza fitondran-tena ratsy madinika koa izy io, fa mampiseho kosa fahasahisahiana, izay manasongadina tsy fanajana sy tsy firaharahana na tsy fankatoavana fitsipika, lalàna, fahefana. Antsoina hoe ‘mahamenatra’ àry ilay fitondran-tena, satria tsy tena vokatry ny fahalemena, fa vokatry ny tsy fanajana, na tsy fahalalana henatra, na fahasahisahiana kosa.
Manamarina izany ny voalazan’ireo diksionera grika momba ny a·selʹgei·a sy ny teny hafa mifandray aminy: “fihetsika tafahoatra”, “fiainana baranahiny, herisetra tsy voafehy”, “fahasahisahian-dratsy”, “fanararaotana tsotra izao”, “hetraketraka” (Liddell sy Scott); “fihetsika tafahoatra, tsy fifehezan-tena amin’ny zavatra rehetra, toy ny teny sy fitondran-tena”, “fahasahisahian-dratsy” (Robinson); “fanirian-dratsy tsy voafehy, . . . fanafintohinana, tsy fahalalana henatra” (Thayer); “fahasahisahiana tsy hanaraka lalàna” (Trench). Hoy ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao (anglisy), nataon’i Barclay: “Ny dikan’ny hoe [a·selʹgei·a] araka ny nampiasan’i Platon azy dia hoe ‘fahasahisahian-dratsy.’ . . . Faritana hoe ‘herisetra miaraka amin’ny ompa sy fahasahisahian-dratsy izy io.’ . . . Izy io koa dia lazaina hoe ‘toe-tsaina tsy mahalala fetrany, sady manaiky izay sitrapo sy fahasahisahian-dratsy rehetra.’ ”
Io teny hoe a·selʹgei·a io no nampiasain’i Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, mba hiresahana momba an’i Jezebela Mpanjakavavy, izay nanorina alitaran’i Bala tany Jerosalema. Tena nanafintohina izany, sady tena tsy niraharaha izay vavam-bahoaka sy ny fahamendrehana.
Mitovy ny fampiasan’ny boky grika sy ny Soratra Grika Kristianina ny teny hoe a·selʹgei·a. Niresaka momba ny olona eo amin’ireo firenena, ohatra, ny apostoly Paoly, ka nilaza fa noho ny ‘hamafin’ny fon[’ireny olona ireny]’, dia nanjary “tsy mahalala menatra intsony izy ireny, ka manaram-po amin’ny fitondran-tena mahamenatra [a·selʹgei·a] hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.” (Efes. 4:17-19) Ampifandraisin’ny apostoly Petera ny a·selʹgei·a sy ny zavatra hafa fanaon’ireo firenena, toy ny “filan-dratsin’ny nofo, sy ny fibobohana divay, sy ny lanonana feno filibana, sy ny fifaninanana misotro, ary ny fanompoan-tsampy, izay tsy araka ny lalàna.” Mitarika ho amin’ny “honahonan’ny filibana” izany. (1 Pet. 4:3, 4) Niresaka momba ny alahelon’i Lota, noho ny zavatra nataon’ireo mponin’i Sodoma, koa ilay apostoly. Nasongadiny fa tena ‘nandika lalàna’ ny mponin’i Sodoma, tamin’ny ‘fijejojejoany.’ Nolazain’i Petera koa fa mitovy amin’izany ny olona sasany tamin’ny androny, satria “sahisahy sy be di-doha”, “manamavo ny manana fahefana”, ary tsy matahotra ny ‘hanevateva ireo manana voninahitra’, ka milaza “teny fireharehana sy tsy mahasoa.” (2 Pet. 2:7-10, 18) Asehon’ireo teny rehetra ireo ny dikan’ilay teny grika hoe a·selʹgei·a, izay mifandray amin’ny fitondran-tenan’ny olona tsy mahalala henatra sy tsy voafehy.
Nanoratra momba ny olona tsy tia an’Andriamanitra koa i Joda mpianatra. Nolazainy fa ‘navadik’izy ireny ho fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena mahamenatra’ ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra. Nohamafisin’i Joda fa tsy manaja sy maneso ary manambany ny manam-pahefana ireny olona ireny. ‘Nandoto ny nofo’ izy ireny, izany hoe nanao firaisana naloto sy fitondran-tena ratsy hafa. ‘Tsy miraharaha ny manana fahefana, sy manevateva ny manana voninahitra’ koa anefa izy ireny, ka izany rehetra izany no midika hoe “fitondran-tena mahamenatra.” “Olona araka ny nofo [izy ireo], fa tsy araka ny fanahy.” — Joda 4-8, 19.
Fahita eo amin’ity tontolo ity ny toe-tsaina tondroin’ilay teny hoe a·selʹgei·a. Maro ny tanora tsy te hofehezina mihitsy. Tsy matahotra akory izy ireo rehefa tsy miraharaha izay lazain’ny besinimaro fa mendrika. Mamingavinga ny manam-pahefana izy, sady miteny ratsy ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa. Tsy ny tanora ihany anefa no manao izany. Hita amin’ny tantara an-tsehatra sy sarimihetsika ary gazetiboky ny olona miboridana sy manao firaisana, ary ny herisetra be sy teny ratsy. Izany no “fitondran-tena mahamenatra”, araka ny ilazan’ny Soratra Masina azy.
Voamaritsika angamba anefa fa matetika ny teny hoe “fitondran-tena mahamenatra” (a·selʹgei·a) no ampiarahina amin’ny “fijangajangana” (por·neiʹa) sy “fahalotoana” (a·ka·thar·siʹa). (2 Kor. 12:21; Gal. 5:19; ampitahao amin’ny Romanina 13:13.) Inona no maha samy hafa an’ireo teny ireo?
Ny hevitr’ilay hoe “fahalotoana” (a·ka·thar·siʹa) no malalaka indrindra. Tsy toy ny por·neiʹa, ohatra, izy io, satria tsy mahakasika fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy fotsiny, fa ny fahalotoana rehetra, na amin’ny teny, na amin’ny atao, na amin’ny fifandraisana ara-panahy. (Ampitahao amin’ny 1 Tesalonianina 2:3; 1 Korintianina 7:14; 2 Korintianina 6:17.) Tsy mitovy amin’ny a·selʹgei·a koa ny ampiasana azy io, satria tsy miankina amin’ny antony manosika, na ny toe-tsain’ilay olona nanao an’ilay fahalotoana. Mety ho samy hafa be koa ny halehiben’ny “fahalotoana.” Mety ho tasy kely na haloto be mihitsy, ohatra, ny fitafiana. Mety ho lehibe na kely toy izany koa ny ‘fahalotoan’ny’ olona iray. Hafa mihitsy io teny io, satria manasongadina indrindra hoe maharikoriko ilay fitondran-tena na toe-javatra ratsy.
Somary voafetra kosa ny dikan’ny hoe “fijangajangana” (por·neiʹa), satria fitondran-tena ratsy mifandray amin’ny lahy sy ny vavy ihany no voakasik’izy io. Mazava ho azy fa maloto daholo izay karazana por·neiʹa rehetra. Asongadin’io teny grika io anefa ny maha tsy ara-dalàna sy ratsy an’ilay fitondran-tena. Anisan’izany ny fanao mety ho hita any amin’ny trano fivarotan-tena, na dia tsy voatery ho any aza ilay izy no atao.
Mitovitovy amin’ny “fahalotoana” ny “fitondran-tena mahamenatra” (a·selʹgei·a), satria tsy voafetra ho amin’ny resaka fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy ihany. Ny tsy itovizany amin’ny fahalotoana kosa, dia noho izy io manasongadina hoe tsy voafehy sady feno fahasahisahian-dratsy sy tsy fahalalana henatra ilay fitondran-tena. Hitantsika àry, fa samy manana ny heviny ireo teny ireo, ary samy manana ny zavatra asongadiny, na dia samy mifandray amin’ny fanaovan-dratsy aza, ary mitovitovy hevitra indraindray.
Nanazava momba izany ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao nataon’i Barclay, ka namerina izao tenin’ilay manam-pahaizana momba ny teny grika atao hoe Lightfoot izao: “Mety ‘haloto’ (akathartos [mpamari-toetra avy amin’ny a·ka·thar·siʹa]) ny olona iray, ary hanafina ny fahotany. Ny olona aselgēs (mpamari-toetra [avy amin’ny a·selʹgei·a]) kosa dia tena manafintohina olona. Izay no tena mampiavaka ny aselgeia. Ny olona manana an’io toetra io . . . dia tsy miraharaha izay lazain’ny olona na eritreretiny, fa ny fanirian-dratsiny ihany no masaka ao an-dohany. . . . Miezaka hanafina ny fahotany ihany ny ankamaroan’ny olona, satria menatra. Efa lany henatra mihitsy kosa ny olona aselgēs.”
Izao no fomba azo anazavana izany: Misy rahalahy sy anabavy miaraka, satria mikasa hivady. Nifaneho fitiavana izy, ka nisy fotoana nahatonga azy ireo hihoatra tsy nahy ny fetran’ny atao hoe madio sy mendrika. Tsy nanao ilay antsoin’ny Baiboly hoe por·neiʹa (fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy) akory izy ireo. Mety ho azo lazaina hoe nanao “fahalotoana” anefa izy ireo, satria nifanoroka tamin’ny fomba tena manaitra ny filana, na namela ny tanany handehandeha tany amin’ireo faritra mitokana amin’ny vatana. Mety ho menatra izy ireo, ka tapa-kevitra ny tsy hamerina izany intsony. Nanao “fitondran-tena mahamenatra” (a·selʹgei·a) ve izy ireo?
Tsy tena izay loatra, raha jerena ny hevitr’ilay teny ao anaty Baiboly. Tsy nanao fanahy iniana, na hoe tsy niraharaha mihitsy ny fitsipika marina mantsy izy ireo. Raha nanjary fanaony anefa ilay fitondran-tena tsy madio teo, dia ho hita fa tsy miraharaha ny fahadiovana izy ireo. Izay tsy fanajana sy tsy fahamenarana izay no atao hoe a·selʹgei·a. Mety ho toy izany koa ny tovolahy iray, raha tsy tena mieritreritra ny hanambady, nefa tia tena, ka miaraka na maneho fitiavana amin’ankizivavy iray, na mifandimby miaraka amin’ankizivavy samy hafa. Hita amin’izany ilay faniriana tsy voafehy antsoin’ny Soratra Masina hoe “fitondran-tena mahamenatra.” Tsy miraharaha izay voka-dratsin’ny ataony eo amin’ny olon-kafa izy. Manao “fitondran-tena mahamenatra” koa ny tovovavy manao zavatra toy izany.
Tsara àry raha mahita ny fahasamihafan’ireo teny ao amin’ny Soratra Masina ireo ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana kristianina. Ny fahatakarana izany no hitarika ny fanapahan-keviny, eo am-pikarakarana raharaha momba ny fanaovan-dratsy. Manampy azy izany mba hahafantatra tsara kokoa ny halehiben’ireo faharatsiana. Tena zava-dehibe koa ny anehoany fahaiza-mitsara zavatra, sy handinihany tsara ny zava-misy rehetra.
[Loharanon-kevitra]
Nohavaozina