Fahendrena ve ny hanambadiana havana akaiky?
SAIKA ao amin’ny fitambaran’olona rehetra, dia mandrara ny fanambadian’ny mpihavana akaiky ny fanao na ny lalàna. Tsy fantatra anefa raha teraka io fady io noho ny fiheverana tamin’ny farany fa tsy araka ny natiora sy maharikoriko ny fanambadiana toy izany, na noho ny tahotra ny fitomboan’ny fahasamponana nolovana eo amin’ny mponina.
Tena mampidi-doza tokoa ve ny fanambadiana eo amin’ny mpihavana akaiky? Mihoatra noho ny antonontonony ve ny mety hisian’ny fahasamponana lovàna mampidi-doza afindra amin’ny zanaka? Fahendrena ve ny hitanana fifandraisana amin’ny havana akaiky iray, dia fifandraisana mety hitarika ho amin’ny fanambadiana?
Tsy ho fahendrena loatra izany amin’izao fotoana izao, ary ankoatr’izany dia tsy ho fanehoam-pitiavana amin’ny zanaka mety hateraka avy amin’ny lalana toy izany dia mety hahita fahasahiranana amin’ny lafiny mikasika ny fitsarana, araka ny ho hitantsika ery aoriana kokoa.
Loza mikasika ny fandovan-toetra
Mba hahafantarana tsara ny hoe inona no loza mikasika ny fandovan-toetra, dia tokony hodinihintsika fohy ireo fotopoto-toetra, dia tokony hodinihintsika fohy ireo fotopoto-pitsipika na “fiasan’ny” fandovan-toetra. Izany dia mitarika antsika hihevitra ny fitambaran’ny “chromosomes” sy ny “gènes’’ bitika dia bitika.
Ny teny hoe “chromosome” dia avy amin’ny teny grika ka ny dikany dia hoe “tena-loko”. Nomena an’io anarana io ireny zavatra bitika toy ny kofehy hita ao amin’ny votoatin’ny tsirairay avy amin’ny efitrefitra bitika amin’ny tenan’olombelona (na zavaboary velona) hafa ireny satria mitroka zavatra manome loko sasany izay mahatonga azy ireny ho hita maso. Misy “chromosomes” enina amby efapolo isaky ny tsirairay avy amin’ny efitrefitra bitika (cellule) amin’ny tenan’olombelona, afa-tsy ao amin’ny efitra bitika amin’ny maha-lahy na maha-vavy na momba ny fiterahana izay tsy misy afa-tsy telo amby roapolo. Araka izany, amin’ny fiterahana, ny “ovule” vokatra dia mandray ny an-tsasaky ny “chromosomes”ao aminy avy amin’ny ray ary ny antsasany avy amin’ny reny, ka ny tontaliny dia enina amby efapolo. Io “ovule’’ na “cellule” io no fiandohan’ny olona vaovao.
Misy “gènes” tsy tambo isaina ao amin’ny “chromosomes” toy ny kofehy. Izany dia zavatra “chimique’’ misy asany iankinan’ny toetoetry ny tena sasany. Amin’ny fotoana mahatorontoronina, ny “chromosomes” avy amin’ny ray mitondra “gènes” izay hanorina toe-batana sasany, dia eo anilan’ny “chromosomes’’ avy amin’ny reny mitondra “gènes” mifanitsy amin’izany. Ohatra, ny “gènes” mametra ny lokon’ny mason’ilay zanaka dia hifanila eo amin’ny “chromosomes’’ roa. Ny “gène” noraisina avy amin’ny ray dia hiara-miasa amin’ny “gène” mifanitsy amin’ny avy amin’ny reny. Amin’izany no hamerana ny lokon’ny mason’ilay zaza.
Amin’ny toe-javatra sasany, ny “gène’’ mitondra toetra sasany dia “mahery” raha oharina amin’ny “gène” mifanitsy aminy (mandresy azy izy). Ny “gènes” hafa izay “mihena hery” dia mila hotapahin’ny “gènes” “mahery” mifanitsy aminy. Noho izany no mahatonga toetra sasany ananan’ny ray (na ny reny) mety tsy hiseho ao amin’ilay zanaka. Ho hita ao amin’io zanaka io ny toetra mahery izay hiseho eo amin’ny vatany na amin’ny famantarana manokana sasany. Nefa ny efitrefitra bitika (cellules) amin’ny tenan’ilay zanaka sy ny sasany amin’ny efitrefitra bitika ao amin’ny fahafahany miteraka, dia hisy “gène” “mihena hery”, ilay zavatra miteraka toetoetra sasany. Ho “mpitondra’’ an’io toetoetra io izy, na dia tsy miseho eo aminy aza izany. Rehefa tonga olon-dehibe izy, raha manambady zazavavy iray manana na “mitondra’’ izany toetoetra “mihena hery” izany, rehefa torontoronina ny “cellule” na “ovule” hahatonga zaza dia mety handray ny “gène” “nihena hery” avy amin’ny tsirairay avy amin’ny ray aman-dreny roa. Ny zanany, zafikelin’ireo mpivady voalohany noresahina teo, dia hahitana an’io toetoetra io izay tsy hita teo amin’ny rainy na teo amin’ny reniny koa aza. Indraindray ny toetoetra “nihena hery” dia voafina nandritra ny taranaka maromaro, avy eo dia mipoitra tampoka indray.
Tsy ratsy daholo akory ny toetoetra “tsy nahery” rehetra, ary tsy tsara daholo akory ny toetoetra “mahery”. Matetika tokoa anefa ny toetoetra tsy faniry no “mihena hery”. Ny fomba fifangaroan’ny “gènes” ary dia antony iray voalohany tsy mahatsara ny fanambadian’ny mpihavana akaiky.
Ho ohatra ny amin’ny toetoetra “mihena hery” tsy faniry, dia aoka horaisintsika ny bobo. Izy io dia fahasamponana miavaka amin’ny tsy fisian’ny zavatra manome loko ao amin’ny hoditra, ny volo sy ny maso. Tsy afaka mijanona eo amin’ny fahazavana maherin’ny masoandro izay bobo. Nety ho bobo ny razamben’ny fianakaviana iray. Angamba tsy niseho teo amin’ireo taranany io toetra miavaka io raha mbola tsy nisy koa fikambanan’ny “gènes” “nihena hery” roa mitondra an’io toetra io, ny anankiray avy amin’ny ray, ary ny anankiray avy amin’ny reny. Azo inoana fa ny olona taranak’io razambe bobo io dia mpitondra an’io “gène” io, noho izany dia mpitondra ny toetoetra mifanitsy aminy na dia tsy hoe voatery tsy maintsy ahitana azy aza. Koa satria tsy fahita matetika io “gène” io, raha mbola manambady koa any ivelan’ny fianakaviana ny olona mitondra azy, dia tena mety ho azo antenaina fa tsy mitondra an’io “gène” io ny vadiny ary ho ara-dalàna ny zanany. Azo inoana fa ny asan’ny “gène’’ “tsy nahery” dia hofoanan’ny “gène” ara-dalàna entin’ny iray amin’ny mpivady.
Nefa kosa, amin’ny fanambadiana olon-tsy heny, izany hoe havana akaiky izay tena mety hitondra ao aminy ny “gène” “nihena hery”, dia hitombo be dia be ao amin’ny zanaka ny mety hahabobo. Arakaraka ny maha-akaiky ny fatoram-pianakaviana ara-nofo no maha-lehibe ny mety hahavoan’izany azy. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny ray bobo iray. Raha manana firaisana tsy heny amin’ny zanany vavy izy, ka misy zaza torontoronina, dia tena mety ho bobo koa io zaza io. Raha mivady ny mpianadahy, zanak’io ray io (na dia samy tsy bobo aza izy ireo), ny zaza haterany dia mety ho bobo koa.
Arakaraka ny maha-lavitra ny fihavanana ara-nofon’ny mpivady no maha-kely ny mety hisehoan’io toetoetra tsy faniry io. Izany no mampihena be dia be ny mety hahitana fisehoan’ny fahasamponana eo amin’ny fanambadian’ny zanak’olo-mirahalahy, na zanak’olo-mianadahy na zanak’olo-mirahavavy. Raha fanambadian’olon-droa tsy manana fifamatoram-pianakaviana mihitsy izany, dia manjary faran’izay kely ny mety hisian’izany.
Ny Lalàna sy ny fieritreretana
Manao ahoana ny toeran’ny kristiana eo anoloan’io raharaha io? Ankoatr’ireo antony voalaza eo ambony, inona moa no lazain’ny Baiboly mikasika izany?
Ny Lalàna nomena ny Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy dia nandrara ny fanambadian’ny mpihavana ara-nofo akaiky. (Levitikosy 18:6-17; 20:11, 12, 14, 17, 19-21; Deoteronomia 23:1; 27:20-23). Tsy eo ambanin’io Lalàna io anefa ny kristiana, noho izany dia tsy voatery manaraka azy (Kolosiana 2:14; Efesiana 2:15). Ambonin’izany, ny Soratra grika kristiana dia tsy mirakitra fitambaran-dalàna.
Nanome an’izao baiko izao anefa Jesosy: “Aloavy ho an’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’’ (Matio 22:21). Nanome an’izao torohevitra izao, sahala amin’izany ny apostoly Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra.’’ (Romana 13:1). Mankatò ny lalàn’ny tany misy azy ny kristiana marina, anisan’izany izay mifehy ny fanambadiana.
Izany no antony anajan’ny kongregasiona kristian’ny vavolombelon’i Jehovah ireo lalàn’ny tany. Tsy mitady izay hampiharana amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona ny lalàna nomena ao amin’ny bokin’ny Levitikosy mikasika ny fandrarana fanambadiana sasany izy, satria izany dia ho toy ny fametrahana azy ireny eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Nefa, any amin’ny tany maro ny lalàna dia mandrara fanambadiana toy ny raran’ny Lalàn’i Mosesy, rehefa tsy lasa lavitra kokoa amin’ny fandrarana ny fanambadian’ny zanak’olo-mirahalahy na zanak’olo-mianadahy, na zanak’olo-mirahavavy. Indraindray dia mavesatra aoka izany ny sazy ampiharina rehefa misy fanambadian’ny mpihavana akaiky. Ny kristiana iray izay hinia handika ny lalàn’ny tany mikasika ny fanambadiana havana akaiky, dia hiharan’ny famaizana avy amin’ny kongregasiona kristiana koa.
Nefa ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, ny kristiana dia tsy mankatò ny lalàn’ny tany, noho ny tahotra fotsiny, fa noho ny fieritreretany (Romana 13:5). Izany fieritreretana izany dia mitarika azy hanaiky fa tsy araka ny natiora ny zavatra sasany ary mandona ny fahatsiarovana fahamendrehana ananan’ny olona rehetra. Ao amin’ny olona dia misy fahatsiarovana voa-janahary izay mendrika, marina sy mety. Ankoatr’izany dia tsy tian’ny kristiana ny hanafintohina ny olona manodidina azy na hanala baraka ny anarana hoe kristiana na ny anaran’i Jehovah entiny.—I Petera 4:16; Isaia 43:10-12.
Ny ohatra iray ny amin’ny fiheveran’Andriamanitra sy ny kongregasiona kristiana mikasika izay tsy araka ny natiora dia omena antsika araka izay hita tamin’ny toe-javatra nahavoatery ny apostoly Paoly hanoratra ho an’ny kongregasiona tany Korinto. Tao amin’io kongregasiona io dia nisy lehilahy iray nijangajanga, zavatra nandrarana ny kristiana (I Korintiana 6:9, 10). Izany anefa dia endri-pijangajangana mahamenatra indrindra. Nahoana? Satria io lehilahy io naka ny vadin-drainy. Azo inoana fa tsy ny reniny akory izany, fa ny vadin-drainy faharoa. Izany dia fanaovan-javatra noheverina ara-drariny tokoa ho mahamenatra. Nanamavo ny rainy io lehilahy io, satria toy ny hoe ‘nanokatra ny fitanjahany’ izy.—Levitikosy 18:8, MN; jereo Genesisy 35:22; 49:3, 4.
Nanoratra ho an’ilay kongregasiona ny apostoly ka niresaka fa mahamenatra indrindra io fanaovan-javatra io, tamin’ny filazana toy izao: “Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny jentilisa aza, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.” (I Korintiana 5:1). Tsy fahita firy io fahotana io na dia teo amin’ireo firenena mpanompo sampy tamin’izany fotoana izany aza.
Ny tantara araka ny Baiboly
“Nefa hisy angamba hanontany hoe, moa ve tsy nisy fivadian’ny mpihavana akaiky tamin’ny andron’ny Baiboly? Ohatra, moa ve Abrahama tsy nanambady ny anabaviny hafa reny?” Marina izany. Nefa amin’ny fijerena ny tantara araka ny Baiboly, dia takatsika ny antony tsy naha-toy izany azy tatỳ aoriana.
Rehefa namorona an’i Adama sy Eva tonga lafatra Andriamanitra, ny fikasany dia ny hipoiran’ny olombelona rehetra avy amin’ny lehilahy iray ihany, noho izany dia ny haha-mpihavana ny olona rehetra ara-nofo ka tsy hahaforona afa-tsy fianakaviana iray ihany (Genesisy 1:28). Nantsoin’i Adama hoe Eva ny vadiny, ka ny dikan’izany dia hoe “velona”, satria, araka ny filazan’ny Baiboly, dia tokony ho tonga “renin’ny olombelona rehetra” izy.—Genesisy 3:20.
Noho izany, raha tokony ho teraka avy amin’i Adama sy Eva ny olona rehetra, dia miharihary fa lehilahy iray, fara faharatsiny, no tsy maintsy nanambady ny anabaviny. Kaina, zanakalahin’i Adama voalohany izay nasiana fitenenana ny amin’ny fanambadiany, dia tsy isalasalana fa nanambady ny anabaviny. Nety ho nanambady ny anankiray tamin’ireo anabaviny na ny anankiray tamin’ ireo zana-drahalahiny na zanak’anabaviny Abela sy Seta, satria Adama nanan-janakalahy sy zanakavavy hafa izay niteraka koa (Genesisy 5:3, 4). Ny zaza notorontoronina dia tsy nety ho nandova toetoetra tsy faniry loatra, satria mbola nanakaiky kokoa ny fahatanterahana tsy toy ny ankehitriny ny taranak’olombelona. Kely dia kely ny “gènes” ratsy (“nihena hery” na “nahery”). Azo atao ny mahatsapa ny fahatanjahan’ireo taranak’i Adama voalohandohany, amin’ny halavan’ny andro niainany, satria ny anankiray taminy dia niaina nandritra ny 969 taona.—Genesisy 5:27.
Rehefa nitombo isa ny olombelona, dia nanjary azo natao ny fivadian’olona nanana fatoram-pianakaviana lavitra kokoa. Nefa taorian’ny safodrano, fony mbola ela velona tokoa ny olona, ireo zafikelin’i Noa izay nandray anjara tamin’ny famenoana mponina ny tany indray, dia tsy isalasalana mihitsy fa nanambady ny zanak’olo-mirahalahy na zanak’olo-mianadahy, na zanak’olo-mirahavavy tamin’izy ireo. Rehefa afaka efajato taona teo ho eo tatỳ aoriana, Abrahama dia nanam-bady ny anabaviny hafa reny, zanakavavin’ny rainy (Genesisy 20:11, 12). Raha mbola tany Egypta ny Isiraely, Amrama, rain’i Mosesy, dia nanambady ny anabavin-drainy (Eksodosy 6:20). Tsy nankasitrahana na nomelohina ny fanambadian’ireny olona ireny, satria Andriamanitra tsy mbola nanome lalàna nandrara ny karazam-panambadiana toy izany. Nefa, nandritra izany fotoana rehetra izany, ny firaisana tamin’ny vadin’ny ray mbamin’ny fijangajangana na ny fanitsakitsaham-bady dia noheverina ho fanao maha-menatra.—Genesisy 35:22; 49:3, 4; 34:2, 7.
Raha efa izany, tamin’ny 1513 talohan’ny fanisan-taona iraisana Andriamanitra dia nanome ny Lalàna ho an’ny Isiraely. Tamin’izany fotoana izany dia efa maro ny olona teto an-tany. Nanjary ratsy fitondrantena aoka izany ireo fokom-pirenena nonina tao Kanana, tany nitondran’Andriamanitra ny Isiraely ary nandika izay rehetra mendrika sy araka ny natiora izy tamin’ny alalan’izao karazam-panao mikasika ny lahy sy ny vavy tsy araka ny natiora rehetra izao, anisan’izany ny fanambadiana havana akaiky (Levitikosy 18:24, 25). Nanome lalàna ho an’ny Isiraelita mikasika ny firaisan’ny lahy sy ny vavy mpihavana akaiky Andriamanitra, satria ny vahoakany tokony hihataka tamin’ireo firenena hafa. Izany lalàna izany dia nanondrotra ny toe-pitondrantenan’ny Isiraelita ho amin’ny faritra ambony, ka izany dia nampiavaka azy tamin’ireo fokom-pirenena ratsy fitondrantena fito tao Kanana.
Tsy tokony hanana toe-piainana mikasika ny lahy sy ny vavy tsy mendrika sy maloto ny Isiraelita. Noraran’Andriamanitra indrindra ny fanambadian’ny mpihavana akaiky kokoa noho ny zanak’olo-mirahalahy na zanak’olo-mianadahy na zanak’olo-mirahavavy. Tsy vitan’ny hoe nanohana ny fahadiovana ara-pivavahan’ny Isiraelita teo anatrehan’Andriamanitra ireny lalàna ireny, fa niaro azy ireny koa tamin’ny loza avy amin’ny fandovan-toetra izay fahita matetika lavitra tsy toy ny tamin’ny lasa, satria efa tany amin’ny roa arivo taona mahery tamin’izay no nisy ny fahatanterahan’i Adama sy Eva tany am-boalohany.
Tokony ho malina ny kristiana
Amin’izao androntsika izao voamariky ny fitiavana malalaka sy ny fanao ratsy mikasika ny lahy sy ny vavy mahamenatra toy izany, raha tsy mihoatra aza noho ny an’ny mponina tany Kanana, dia tokony hitandrina ny fitondran-tenany ny kristiana. Tao anatin’ny taon-jato telo lasa, na dia ireo firenena aza dia nanjary nihevitra ny fanambadian’ny mpihavana akaiky ho zavatra tsy araka ny natiora. Tsy isalasalana fa voamarik’izy ireny fa ny fanambadiana toy izany dia nisy vokany mampidi-doza teo amin’ny lafiny mikasika ny fandovan-toetra. Etsy andaniny koa dia miharihary fa ny firaisan’ny mpihavana akaiky dia miteraka fanamavoana sy fisafotofotoana rehefa misy firesahana ny amin’ny firazanana, fandovana, ets.
Izany fihetsiky ny ankamaroan’ny fitambaran’olona izany, fara faharatsiny amin’izao androntsika ankehitriny izao, eo anoloan’ny firaisan’ny mpihavana akaiky, dia fiarovana, satria noho izy tsy tanteraka sy mpanota, ny olona rehetra dia manana fironan-dratsy. Izany fihetsika eo anoloan’ny fanambadiana izany dia misakana ny fahamoran’ny fisian’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny faritry ny fianakaviana. Nefa na dia ao aza izany fandrarana izany dia hita matetitetika ny firaisan’ny mpihavana akaiky any amin’ny faritra sasany, ka izany dia miteraka vokany manimba eo amin’ny fandovan-toetra.
Rehefa heverina amin’izany rehetra izany, dia tokony hitandrina indrindra ny kristiana mba tsy hahatsiaro fitiavana na fahamaimaizana amin’ny havana akaiky iray. Amin’ny fikasana ny hanambady, dia hoheveriny amim-pitandremana ny fahasalamana sy ny fahasambaran’ny zanaka mety hateraka amin’izany fanambadiana izany, ary indrindra ny loza miaraka amin’izay rehetra mety ho firaisana amin’ny havana akaiky. Izay tsy hiraharaha ny fiheveran’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana, na ny fieritreretan’ny tenany, dia hiseho ho tia tena sy tsy miraharaha ny zanaka mety ho teraka manan-kilema. Ambonin’izany, dia mety hiharan’ny fahafaham-baraka izy, hahita fahasahiranana ara-pitsarana ary ho ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy raha oharina amin’ny kongregasiona kristiana.
Talohan’ny nahafantarana ny fahamarinana ny olona iray dia nety ho nivady ara-dalàna tamin’ny havana akaiky. Raha nandova takaitra sasany ny zanany teraka tamin’izany fanambadiana izany, dia hahita fampaherezana izy amin’ny fanantenana fa ho sitrana ny zanany noho ny fankasitrahan’i Jehovah an’izay tsy mendrika akory, ao anatin’ny fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy Zanany (Apokalypsy 21:1-4; 22:1, 2). Etsy an-daniny koa, ny olona tsy manambady rehetra mahalala ny fiheverana kristiana ny amin’ny fanambadian’ny mpihavana akaiky ka maniry hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hanao izay tsy hanambadiana toy izany.
[Efa-joro pejy 522]
TOETRA TSY FANIRY METY HATERAKY NY “GENES” TSY NAHERY ROA
Toetoetra Famantarana hita maso
Electromélie Fahiazan’nyfaritra iray na maromaro amin’ny rantsam-batana manontolo
Albinisme (bobo) Tsy fisian’ny zavatra manome lokon’ny hoditra ny volo sy ny maso.
Idiotie amaurotique Fikorontanana eo amin’ny fifandanjan’ny saina,
miaraka amin’ny fahajambana.
Crétinisme Tsy fisiàn’ny gilandy tiroida tsara miavaka amin’ny fahasamponana ara-batana,
ny fahatongavana ho zeny sy ny hadalana
Surdité Marenina hatrany an-kibon-dreniny.
Galactosémie sy metimety avy amin’ny “enzyme”—aretina mahafotsy ny anankandriamaso (cataracte) ary
fahavotsan-tsaina.
Hyperlipidémie Fikorontanana eo amin’ny fifandanjan’ny menaka miaraka amin’ny fahantran’ny fitomboana
Microcéphalie Loha kely tsy ara-dalana
Phénylcetonurie Tsy metimety avy amin’ny “enzyme” izay mety hitarika fahavoazan-tsaina lalina.
FANAMARIHANA: Tsy avy amin’ny fanambadiana havana akaiky daholo akory ireo fahasam-ponana ireo. Mety hitranga eo amin’ny fanambadiana hafa izy ireny, nefa mahaliana kokoa tsy toy ny hita amin’ny fanambadian’ny mpihavana akaiky.
[Tabilao pejy 521]
(Jereo ny gazety)
MARIAGES INTERDITS PAR LA LOI DE MOÏSE
Parentes avec lesquelles un homme n’avait pas le droit de se marier
“D’aucune proche parente charnelle”—Lév. 18:6. (voir Lév. 18:7-18; 20:14; 19-20 et Deutéronome 27:23).
Grands-parents paternels Grands-parents maternels
Tante Oncle Tante Père Mère Tante Belle-mère
Premier mari de sa mère
Demi-soeur Soeur Frère Belle-soeur Demi-soeur HOMME
Beau-père Belle-mère
Première femme
Fille Fils Belle-fille
Petite-fille Petite-fille
Beau père Belle-mère
Deuxième femme Premier mari de sa seconde femme Belle-soeur
Belle-fille Beau-fils
Fille de sa belle-fille Fille de sa belle-fille
◻—HOMMES
○—FEMMES
●—MARIAGES INTERDITS POUR CET HOMME
—Sauf dans le cas d’un mariage selon la loi du lévirat—Deut. 25:5, 6.
—Du vivant des deux soeurs—Lév. 18:18.
—Peut-être décedé