Ny fiheverana kristiana mikasika ny fanambadiana havana akaiky
TAONA vitsivitsy lasa izay, ny tribonaly skandinavy dia nanapa-kevitra ny tsy hiditra hanaraka lehilahy iray niara-niaina toy ny mpivady tamin’ny anabaviny. Ny parlemantera iray tao amin’io tany io ihany koa dia nanambara fa nankasitrahany ny fiovan’ny lalàna mikasika ny fanambadiana havana akaiky, mba hanaovana izay haha-ara-dalàna ny tarehin-javatra toy izany. Ho azo atao ny hanonona toe-javatra karazan’izany any amin’ny tany maro.
Fa inona marina tokoa moa no atao hoe fanambadiana havana akaiky? Inona no lazain’ny Baiboly ka mety hanampy ny kristiana hanaraka fiheverana tsara mikasika an’io foto-kevitra io?
Ny teny hoe “fandriana amin’ny olon-tsy heny (inceste)” dia manondro ny firaisan’ny lahy sy vavy mpihavana akaiky. Io teny io dia avy amin’ny teny latina hoe incestus, izay ny dikany dia hoe “fitondrantena ratsy”fotsiny. Araka izany, ny teny latina dia manana heviny malalaka lavitra noho ny teny frantsay avy aminy. Mazava ho azy fa ny fitondrantena tsy mety amin’ny havana akaiky rehetra dia karazam-pitondrantena maloto, nefa kosa tsy fandriana amin’ny olon-tsy heny daholo akory ny fitondrantena ratsy rehetra. Ny heviny manokana noraisin’ny teny frantsay dia mazava amin’ny hoe ny teny incestus dia hita ao amin’ny Vulgate, ao amin’ny Levitikosy 18:17, andinin-teny iresahana ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny faritry ny havana sasanya. Fandikan-teny katolika maromaro no nanova ho frantsay ny teny latina, ka rehefa ela ny ela, dia nanjary nanana ny heviny voafetra kokoa ahalalantsika azy ankehitriny izy io, dia ny firaisan’ny lahy sy ny vavy na fanambadian’ny mpihavana akaiky.
Nefa, ho an’ireo izay mametraka ny fitokisany amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy zava-dehibe loatra ny hahafantarana hoe inona no teny latina na frantsay ampiasaina raha oharina amin’ny fahafantarana izay lazain’ny Soratra Masina mikasika an’io foto-kevitra io. Azo atao sahady ny mampahatsiahy fa ny faneken’ny Lalàna natao tamin’ny Isiraelita dia nandrara azy ireo mba tsy hanambady havany sasany (Levitikosy 18:7-18; 20:14, 19-21; Deoteronomia 27:23). Fa raha ny amin’ny kristiana, izy ireny dia tarihin’ny anton-javatra tena lehibe, dia ny faniriany hitana ny fanambadiana ho mendri-kaja ka hanalavirana ny fanaovana azy ho azo tsinina, ary izany dia amin’ny fiheverana ny fieritreretan’ny hafa, na ao anatiny na any ivelan’ny kongregasiona kristiana. — Hebreo 13:4; I Korintiana 10:32, 33; II Korintiana 4:2.
Ny nandraran’ny faneken’ny Lalàna ny firaisana sasany eo amin’ny mpihavana akaiky dia tsy isalasalana fa manome fotopoto-pitsipika mitarika. Nefa na dia izany aza, ny kristiana dia tsy eo ambanin’ny Lalàna nomena ny Isiraely ara-nofo intsony. Ny kongregasiona kristiana àry dia tsy manana zo hanandrana hampihatra an’io Lalàna io, amin’ny fanizingizinana mba hanariana amim-pitandremana fatratra ny firaisana rehetra raran’ireo lalàna mahaforona azy. — Asan’ny apostoly 15:10, 11; Romana 6:14; Galatiana 2:21.
Azo atao rahateo moa no manamarika fa ny sasany amin’ireny fandrarana ireny dia toa nomena mba hiarovana ny filaharan’ny famindrana ho amin’ny mpandova teo amin’ny Isiraelita. Toa tsy ny fihavanan’ny olona iray ray na ny maha-mpihavana tamin’ny alalan’ny fanekena ihany no hany anton-javatra nampiasaina mba hamantarana ny hoe firaisana inona avy no tsara na tsia. Araka izany, dia tsy azo natao ny nanambady anabavin-dray na rahavavin-dreny, nefa tsy nisy na inona na inona nandrara tsy hanambady ny zanak’anabavy na zana-drahalahy (Levitikosy 18:12-14). Miharihary tokoa fa ny ambaratongam-pihavanan’ny iray ray (na ny maha-mpihavana amin’ny alalan’ny fanekena raha ny amin’ny dadatoa na nenitoa amin’ny alalan’ny fanekena) dia nitovy tamin’ny toe-javatra roa. Nefa, tamin’ny voalohany, dia norarana ny fanambadiana, fa tsy toy izany kosa tamin’ny faharoa.
Ny lehilahy iray koa dia tsy afaka nanambady ny vadin’ny rahalahiny maty, fanambadiana tsy heverin’ny tany maro amin’izao andro izao ho fanambadian’ny mpihavana akaiky. Aoka homarihintsika anefa fa raha maty tsy niteraka mpandova ny lehilahy iray, dia tokony haka ny vady navelany ho vadiny ny rahalahiny ka hanome azy mpandova amin’ny anaran’ny rahalahiny. Mampiseho izany fa Jehovah dia tsy nihevitra an’ireny firaisana ireny ho tena ratsy na naloto. — Levitikosy 18:16; Deoteronomia 25:5, 6.
Tsy norarana ny fanambadian’ny zanak’olo-mpiraitampo, izay mpihavana akaiky ara-nofo anefa. Norarana ny fanambadiana ny anabavy hafa reny, nefa azon’ny zanakalahy iray natao ny nanambady ny zanakavavin’ny renikeliny tamin’ny fanambadiany voalohany, zanakavavy tsy mitovy ray aman-dreny aminy ary natsangan-drainy, raha ny marina. — Levitikosy 18:11b.
ANTON-JAVATRA TOKONY HOHEVERIN’NY KRISTIANA
Ny hoe tsy maha-eo ambany faneken’ny Lalàna ny kristiana fotsiny dia tsy milaza velively fa azony atao ny manambady mpianakavy na iza na iza, na toy inona na toy inona ambaratongam-pihavanana. Tsara ny manamarika fa, mikasika ny fanambadiana havana akaiky, ny Encyclopédie britannique (Micropaedia, anglisy, Boky V, p. 323) dia milaza mazava, rehefa avy niresaka ny amin’ny fivadian’ny mpianaka sy ny mpiraitampo fa “melohina hatraiza hatraiza ary heverina amin’ny ankapobeny ho maharikoriko ny fivadian’ny mpihavana akaiky”. Izao koa no vakintsika ao amin’ny lahatsoratra hafa iray (Boky 10, p. 479): “Ny ohatra mazava indrindra ny amin’ny fitsipika iray hatraiza hatraiza, ampiharina amin’ny fanao mahazatra ny olombelona fantatra rehetra dia ny fanamelohana ny fanambadian’ny mpihavana akaiky — ny fandrarana ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny lehilahy iray sy ny reniny, ny anabaviny, ny zanany vavy, na izay rehetra mety ho havana akaiky.”Io lahatsoratra io dia miresaka koa (pejy faha-480) ny amin’ny “fitambaran-telo”hita tsy tapaka ao amin’ireny lalàna manameloka ny fanambadiana havana akaiky ireny, dia: ny reny, ny anabavy sy ny zanakavavy.
Raha ny amin’ny Soratra grika kristiana, ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty mba hitondra “ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra”, dia toa mandray ny heviny rehetra amin’ny hoe ny firaisana eo amin’ny lahy sy ny vavy atao amin’ny reny na ny anabavin’ny tena dia noheverina ho ratsy sy tsy azo ekena tsotra izao (I Timoty 5:2). Koa satria, araka ny efa hitantsika, ireny firaisana ireny dia heverina ho maharikoriko saika amin’ny tany rehetra, ny firaisana toy izany dia tsy hamaly an’izao fepetra takin’ny Baiboly manaraka izao: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana.” — Hebreo 13:4.
Mahalana ny toe-javatra toy izany vao hita, nefa raha misy izany, dia tsy ho azo atao velively ny handray ao anatin’ny kongregasiona kristian’ny Vavolombelon’i Jehovah, olona izay ho nifanambady mpianaka na mpianadahy. Ny olona toy izany dia tsy ho afaka ny hatao batisa raha tsy manapaka ny fanambadiany aloha. Na iza na iza mpikambana ao amin’ny kongregasiona ka manao izany dia ara-drariny tokoa raha ho voaroaka tsy ho ao anatin’ny kongregasiona ka tsy ho azo raisina indray raha tsy rehefa tapaka ny fanambadiany.
MPIHAVANA TSY DIA AKAIKY LOATRA
Ahoana izao ny amin’ny havana tsy dia akaiky loatra? Koa satria tsy mihatra amin’ny kristiana intsony ny faneken’ny Lalàna, dia toa tsy misy toetra mampiavaka ampy ao amin’ny Soratra Masina mba hamelana antsika hanaraka fihetsika hentitra amin’io lafiny io. Na dia izany aza, arakaraka ny maha-an’ny mpihavana akaiky mazava ny fanambadiana iray no tokony hampisehoan’ny kongregasiona mazava fa heveriny ho tsy tsara ny fanambadiana toy izany. Tafiditra lalina eto ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izay mangataka antsika mba haneho fitiavana, satria fantatry ny tsirairay avy fa arakaraka ny maha-ambony ny fihavanan’ny olona iray ray, no mety handovan’ny zanaka takaitra (Romana 13:8-10). Ambonin’izany, dia marina fa ao an-tsain’ny olona, ny fanambadiana havana dia manjary tsy mahatafintohina kokoa rehefa mihamanalavitra ny fihavanana”. (Encyclopédie britannique, Micropaedia, anglisy, Boky V, p. 323.) Noho izany, na dia tsy mety hahavoaroaka aza ny fivadian’ny mpihavana lavitra, dia azo antoka fa hoheverin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ny ambaratongam-pihavanan’ny mpivady sy ny vokatr’izany fanambadiana izany eo amin’ny kongregasiona sy eo amin’ny olona amin’ny ankapobeny, ka izany dia hanampy azy ireo hamantatra raha azony atao ny manankina tombontsoam-panompoana amin’ireo kristiana roa ireo.
Mety hisy fihavanana koa, tsy avy amin’ny ray intsony, fa noho ny fanambadiana. Tadiavin’ny kristiana iray izay hanalavirana ny fanaovana izay hampahasosotra ny olona noho ny hevitra latsa-paka lalina ao aminy amin’io lafiny io, satria izany hampirehitra fotsiny ny fitompoan-teny fantatra. Noho izany, na dia tsy tafiditra intsony aza ny mety handovana takaitra amin’ny fanambadian’ny mpihavana tsy iray ray, dia ilaina ihany ny hitadidiana fa eo imason’ny olona, dia mety hanimba ny maha-mendri-kaja ny fanambadiana ny fatoram-pihavanana. Hitantsika anefa fa izany dia hevitra tokony hampieritreritra tsara ny kristiana (Hebreo 13:4). Sahala amin’ny apostoly isika dia tokony haniry ny hitandrin-tena mba ‘tsy hanao izay hahatafintohina’ny manodidina antsika. — I Korintiana 10:32, 33.
Inona no holazaina mikasika izany, raha ny amin’ilay toe-javatra voatantara ao amin’ny I Korintiana 5:1? Ao amin’io andinin-teny io ilay apostoly dia manisy fitenenana ny amin’ny firaisana maloto nananan’ny lehilahy iray tamin’ny vadin-drainy, azo inoana fa renikeliny. Tsy milaza ny fitantarana fa hoe fanambadiana no resahina, ary, raha ny marina, dia lazain’ilay apostoly ho “fijangajangana (pornéia) izany. Tsy voalaza raha mbola velona ny rain’io lehilahy io, na dia toa voalaza mivantana aza izany ao amin’ny II Korintiana 7:12, raha io toe-javatra io ihany koa no lazaina ao amin’ilay andinin-teny. Hita àry fa tsy nisy firesahana ny amin’ny fanambadiana eo, fa ny amin’ny firaisana maloto nananan’ny lehilahy iray tamin’ny renikeliny. Koa na dia tsy voakasika aza ny raharaha ny amin’ny fanambadiana, ny niresahan’i Paoly ny amin’ny jentilisa aza”dia mampiseho mazava fa ny fatoram-pihavanana nisy no nahatonga an’io fijangajangana io hahatafintohina indrindra. — I Korintiana 5:1.
AOKA ISIKA HAHAY HANDANJALANJA HATRANY EO AMIN’NY FIHEVERANTSIKA
Azo antoka fa ny anjara asan’ny kongregasiona kristiana dia tsy ny mitaky ny hanarahan’ny kristiana ny fiheverana tsy mitovy rehetra eo amin’izao tontolo izao raha ny amin’ny fanambadiana havana, na ny hanaovana izay hanajana ireo lalàn’i Kaisara mandrara fanambadiana sasany (lalàna izay mbola henjana kokoa noho ny faneken’ny Lalàna taloha indraindray). Tsy mitovy velively ireny lalàn’olombelona ireny sy ny filazany ny atao hoe “fandriana amin’ny olon-tsy heny”, fa miovaova aoka izany arakaraka ny tany. Any amin’ny fitambaran’olona sasany ny lehilahy iray manambady olona ao amin’ny fokom-pireneny na ny vohitra misy azy, na ny foko misy azy koa aza indraindray, dia heverina ho manana fanambadiana tsy heny. Any amin’ny toeran-kafa kosa anefa dia saika ny mifanohitra amin’izany no hita, izany hoe melohina izay tsy manambady ao anatin’ny fokony na ny fokom-pireneny (Encyclopédie de la religion et de l’éthique nataon’i Hastings, anglisy, Boky IV, p. 253). Ao amin’ny fitambaran’olona tatsinanana sasany, dia heverina ho tsy mety raha mivady ny olona mitovy anaram-pianakaviana, na toy inona na toy inona halavitry ny fihavanany (Encyclopédie britannique, Micropaedia, anglisy, Boky 5, p. 32). Ekena ara-dalàna ny fanambadian’ny zanak’olo-mpiraitampo any amin’ny tany sasany, fa tsy toy izany kosa any amin’ny tany hafa.
Na dia tsy azo ampiasaina velively ho marika ara-pitondrantena aza ireo anton-javatra ireo mba hamantarana raha hekena ao anatin’ny kongregasiona na horoahina tsy ho ao ny olona iray, dia mety hoheverina ihany izany rehefa hoe hanankina tombontsoam-panompoana amin’ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona. Izany dia hiankina be dia be amin’ny fiheveran’ny olona ho lehibe ny fanambadian’ny mpihavana, arakaraka ny hoe miteraka tena fahatafintohinana izany na anaovana resaka mampiseho tsy fankasitrahana indraindray fotsiny. — I Timoty 3:7, 10.
Raha misy olona roa nivady toy izany ary angamba aza efa niteraka ka tsy mpihavana ara-nofo akaiky dia akaiky dia toa mety ny hanitarana ho amin’ny toerany ny fotopoto-pitsipika voarakitra ao amin’ny I Korintiana 7:24. Amin’ny toe-javatra sasany, dia angamba izy ireny tsy ho afaka ny hahazo fanekena ara-dalàna ny fanambadiany ao amin’ny tany misy azy. Raha azon’izy ireo atao ny mankany amin’ny tany hafa iray hanekena izany ho ara-dalàna, dia ho zavatra tsara izany, satria amin’ny lafiny sasany izany dia hanampy amin’ny fanaovana izay haha-mendri-kaja ny fanambadiany eo imason’ny hafa. Raha tsy azo atao kosa anefa izany ka etsy andaniny koa dia mahafeno ireo fepetra takina mba hanaovana batisa ireo mpivady, dia azo atao ny manolotra azy fahafahana hanao sonia fanambarana iray anekeny tsy hivadika hatrany amin’izay samy izy. Izany fanambarana izany dia tsy tokony hoheverina ho toy ny mariky ny fankasitrahan’ny kongregasiona fa ho toy ny faneken’ny mpivady kosa ny fatorana mampiray azy ireo.
Ireo izay miahy ny amin’ny hahazoana sy hitehirizana ny fankasitrahana sy ny fitahian’Andriamanitra dia tsy isalasalana mihitsy fa hitandrin-tena amin’izay rehetra mety hampiseho tsy araka ny tena izy ny Anarany sy ny Teniny. Na dia nafahana tamin’ny fitandremana ny faneken’ny Lalàna nifanaovana tamin’ny Isiraelita aza izy ireo dia hitondra tena toy ny kristiana marina ka hanaraka izao teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izao: “Kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin’ny fitiavana.” — Galatiana 5:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hebreo nadika toy izany dia zimmah. Strong dia manome azy ny heviny hoe “volavolan-kevitra, indrindra fa volavolan-kevitra ratsy”. Izao no lazain’ny famoaboasan-kevitra nataon’i Keil sy Delitzsch: “Ara-bakiteny, dia famoronana, fikasana.” Ny Septante dia mampiasa ny teny grika hoe asebyma lazain’i Liddell sy Scott ho “fanaovan-javatra ratsy na maloto, fametavetana zava-masina”. Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mandika azy amin’ny hoe “fitondrantena ratsy”.
b Ho voamarikao fa ao amin’ny lisitra hita ao amin’ny pejy faha-1 041 amin’ilay boky hoe Aid to Bible Understanding (anglisy) io karazam-panambadiana io dia alahatra amin’ny fomba diso ho anisan’ireo fanambadiana rarana. Milaza mazava tsara ny teny ao amin’ny Levitikosy 18:11 fa ny zanakavavy resahiny dia “teraky ny rainao”, fa tsy zanakavavy natsangana. Ny tabilao hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 septambra 1975 pejy faha-521 dia tsy manamarika ara-drariny izay rehetra mety ho fandrarana fanambadian’ny zanaka nety ho nananan’ny mpivady nitokana tamin’ny fanambadiana voalohany.