FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w80 15/5 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1980
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fibebahana Izay Mitaona Indray ho Amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1982
  • Ny tena fibebahana—Ahoana no hahafantarana izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1978
  • Ekeo Foana ny Fananaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tiavo sy Amindrao Fo ny Olona Nanota
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1980
w80 15/5 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

● Moa ve ny lehilahy iray (na ny vehivavy iray) naka vadin’olon-kafa mety hahazo famelana sy horaisina indray eo anivon’ny fiangonana kristianina?

Izany dia fanao mahazatra an’ireo izay tsy miahy ny amin’ny hiainana araka ny toro lalan’ny Baiboly. Mahalana ihany anefa no ahitana toe-javatra toy izany eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, ka vao mainka maharikoriko izany zavatra izany rehefa mitranga. Tsy tokony hotsoahina avy amin’izany àry fa ny raharaha toy ireny dia tokony halamina araka ny fomba fiheveran’olombelona. Amin’io fahotana io, toy ny amin’ny hafa, alohan’ny hahafahan’ilay meloka horaisin’Andriamanitra sy ny olony, dia tokony hibebaka izy ary hampiseho vokatra mifanaraka amin’ny fibebahana.

Ny nataon’Andriamanitra tamin’ny Israelita dia mampiharihary fa indraindray izy dia namela fahotana naharikoriko sy niverimberina toy izany. (Deot. 4:30: Isaia 55:7; 57:16-18; Zak. 1:3, 4) Noresahin’i Jesosy ny amin’ny ‘fifaliana any an-danitra ny amin’ny mpanota anankiray mibebaka.’ Avy eo dia nanazava an’ohatra an’io hevitra io izy tamin’ny alalan’ny tantaran’ilay zanaka adala izay nandanilany foana ny volany tamin’ny fananana fiainana feno fanaranam-po ratsy tamin’ny vehivavy janga. Rehefa nody ny sainy, ka niverina izy ary nitady famelana ny fahotany tamin’ny lanitra sy tamin-drainy, dia namela azy tamin’ny fony rehetra ny rainy.—Lioka 15:1-7, 11-24.

Nilaza koa anefa ny Baiboly fa ny Kristianina izay manota sy tsy maneho fibebahana mihitsy dia tokony horoahina tsy ho ao amin’ny fiangonana, mba hitandroana ny fahadiovana ara-panahin’io fiangonana io. (1 Kor. 5:1-5, 11-13) Izany no nitranga tamin’ny lehilahy iray tany Korinto izay nanana fiainana maloto an-karihary. Soritan’ny Soratra Masina fa mba hahafahan’ny olona toy izany hiverina indray ao anatin’ny fiangonana, dia ilainy ny hibebaka, hiala amin’ny fitondrantenany maloto, hiverina sy hamoa voa mendrika ny fibebahana. Toa mampiseho ny zava-nitranga fa tsy ela dia niova fihetsika izy. Ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina tokoa, izay, araka ny fiheverana, dia nosoratana tsy ampy herintaona taty aoriana, ny apostoly dia nananatra ny fiangonana hamela an’ilay mpanota, ka niharihary fa nanisy fitenenana ny amin’ilay lehilahy noroahina ary tsy isalasalana fa nibebaka izy.—2 Kor. 2:5-10; Matio 3:7, 8; Asa 26:20.

Io sazy araka ny Baiboly io, ny fandroahana, dia manan-kery koa eo anivon’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Ary mifanaraka amin’io ohatra io, dia tsy misy fe-potoana kely indrindra takina alohan’ny fandraisana indray; izany dia arakaraka ny fibebahana amim-pahatsorana izay mety ho taona maro aty aoriana aza vao hiseho.

Raha ny amin’ny toe-javatra tsy fahita matetika voalaza ao amin’ilay fanontaniana, dia azo inoana tokoa fa nisy fiaraha-mamitaka sy fitaka. Ohatra, ny lehilahy iray (manambady angamba) dia raiki-pitia amin’ny vadin’olon-kafa iray. Manomboka mihaona miafina amin’izay izy roroa mba hilalao fitia sy hampanaram-po ny fahamaimaizany. Mba tsy hahalalan’ny hafa, indrindra fa ireo vadiny izany, dia tsy maintsy mampiasa lainga sy fitaka izy ireo. Aty aoriana angamba izy ireo dia manapa-kevitra ny hiara-mandositra sy hivady aorian’ny fisaraham-panambadiana tsy araka ny Baiboly. Azo inoana tokoa fa nihevitra ny ho vokatry ny nataony izy ireo satria tsapany tanteraka ny fandroahana hanaraka izany. Nefa manantena tokoa ny ho tafaverina indray izy “ao anatin’ny herintaona eo ho eo”, rehefa avy nilaza fa nibebaka izy ireo, ary dia ho voalamina araka ny fanirian’izy ireo ny zavatra rehetra. Fahadisoana lehibe anefa ny fanararaotana loatra ny famindram-pon’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao amin’ny Galatianina 6:8: “Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” Ny amin’ny hoe anamelohan’i Jehovah ny fijangajangana, izany dia miharihary amin’ny andinin-teny maro ao amin’ny Soratra Masina, ka ireo izay mamelona fanirian-dratsy dia tsara raha tsy hanadino izany.—Jereo Apokalypsy 21:8; 22:15.

Raha toa, rehefa afaka kelikely, ka tonga manatona ny anti-panahy ny voaroaka iray mba hangataka ny handraisana azy indray, dia tokony hoheverin’ireo anti-panahy ireo ny toe-javatra sy ny fihetsika asehon’io voaroaka io. Raha niresaka ny amin’ny firaisan-tsaina ao amin’ny finoana i Paoly, dia nilaza mba tsy hanaiky ho voataonan’ny “hafetsen-dratsy amin’ny famoronana hevi-diso.” (Efes. 4:13, 14) Tokony handosirana àry ny fahadisoan-kevitra amin’ny fampianarana, nefa tokony hotandremana koa mba tsy hisy eo anovin’ireo fiangonana, ny olona minia mampiasa fitaka sy fanambakana mba hahatongavana amin’ny zava-kendreny ratsy.—Jereo 2 Korintianina 11:13; Salamo 101:7; 119:118.

Ny komitin’ny anti-panahy izay mandinika fangatahana horaisina toy izany dia hieritreritra fa misy tsy fitoviana amin’ny hoe latsaka tao amin’ny fahotana tao anatin’ny fotoam-pahalemena sy ny hoe manomana mangingina ny fahotany. Aoka hotsaroantsika fa niseho ho namindra fo tamin’i Petera Andriamanitra, rehefa avy nanda an’i Jesosy intelo izy, nefa kosa, novonoiny Ananiasy sy Safira izay nikasa tao am-pony ny hampiasa fitaka.—Asa. 5:1-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara