FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/3 p. 30
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hamorona aina ve ireo manam-pahaizana?
  • Alan-tsiny ny fahalotoam-pitondrantena
  • Ny tsy fahombiazan’ireo Fiangonana any Afrika
  • Fanontaniana Roa Tokony Hodinihina
    Mifohaza!—2015
  • Mijinja Izay Nafafiny Tatsy Afrika ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristi
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ahoana no Nampisy ny Fiainana?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ahoana no Hataoko Raha Tsy Mitovy Amin’ny Ankizy Hafa Aho?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/3 p. 30

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Hamorona aina ve ireo manam-pahaizana?

Tao anatin’ireo taona faramparany, dia matetika no re ny firesahana ny amin’ny manam-pahaizana nadiva hamorona ny aina ao amin’ny laboratoara. Nefa aoka hohenointsika ny dokotera James Freisen, mpampianatra momba ny “génétique” ao amin’ny oniversite any Toronto. Hoy izy: “Tsy haintsika ny mamorona ny tenan-javatra tsotsotra indrindra. Toy ny hoe manana famantaranandro iray voasaratsaraka isika. Ananantsika ny vy miaina sy ny zavatra mahaforona azy rehetra, nefa tsy haintsika ny manambatra azy. Mazava ho azy fa azo atao ny mametraka izany ao amin’ny vatakely iray sy manontsankontsana ny rehetra. Hifampiditra angamba ny tapatapany sasany, nefa tsy famantaranandro mandeha akory no hivoaka avy amin’izany.” Arthur Zimmerman, mpampianatra hafa iray koa, dia nanampy teny toy izao: “Tsy mamorona ny fiainana velively isika. Mamolavola sela isika, nefa tsy mahay mamorona izany. Tsy hatao amin’ny andro ahavelomako izany, na amin’ny andro ahaveloman’ireo zanako, araka ny fanombanako.”

Ireo fahitan-javatra vao haingana momba ny maha-be kojakojany ny sela (cellules) dia nampitolagaga ny manam-pahaizana, nefa koa nandiso fanantenana azy. Nanao fanamarihana tokoa i Freisen fa na dia ny “virus” iray aza, ny tenan-javatra velona tsotra indrindra, dia mahavery hevitra ny manam-pahaizana. Hoy izy: “’Gènes’ eo amin’ny dimampolo monja no mahaforona ny ‘virus’, nefa ireo izay mandinika azy dia tsy mahay manakambana azy mba hanaovana azy ho zavatra miaina.”

Ny tenan-javatra velona natao tamin’ny fomba mahatalanjona toy izany dia milaza fisian’ny Mpamorona iray faran’izay hendry. Noho izany antony izany no ilazan’ny Baiboly toy izao ny amin’Andriamanitra: “Fa ao aminao no misy loharanon’aina.” — Salamo 36:9.

Alan-tsiny ny fahalotoam-pitondrantena

Rehefa misy olona na fandaminana milaza tena fa kristiana, dia zo ny hanantena ny hampianarany ny kristianisma ao amin’ny Baiboly. Nanome izao fampitandremana izao anefa i Jesosy: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:15, 16). Tao amin’ny boky iray mitondra ny lohateny hoe Ny taonjato kristiana (The Christian Century), dia antenaina ny hahita torohevitra momba ny fomba fiaina amin’ny maha-kristiana. Azo atao anefa ny namaky tao amin’io boky io, lahatsoratra iray nosoniavin’i Porter French, mpitondra fivavahana iray efa misotro ronono ao amin’ny Fiangonan’i Kristy siantista, izay nanala tsiny an-karihary ny fanaovana tokantranomaso. Toy izao no nolazain’ilay mpitondra fivavahana taloha: “Tokony hahazo fahitana mahasoa kokoa sy azo antoka kokoa ny amin’ny lahy sy vavy isika teo amin’ity tany ity.” Inona no tiany holazaina tamin’izany? Aoka havelantsika hanohy ny teniny izy: “Tokony hampahafantarintsika an’ireo zatovolahy sy zatovovavintsika fa tsy misy tokony hatahorany ny ho voaheloka na hariana raha manandrana miara-miaina izy ireo. (...) Ireo anisantsika izay notezaina tamin’ny fotoana tsy azo niheverana akory ny fanaovana tokantranomaso dia hiaiky fa ireo izay nisetra zavatra betsaka kokoa noho isika dia tonga hendry raha mbola tanora kokoa angamba.”

Nefa moa ve ny hevitra “mahasoa” kokoa sy “azo antoka” kokoa ny amin’io raharaha io tsy tokony ho ny an’ny Mpamorona? Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia manoro hevitra mba ‘handositra ny fijangajangana’. Amin-katsaram-po no amelan’Andriamanitra fotoana ho an’ny olona mba hanavaozana ny toetrany, hampifanarahana izany amin’ireo fepetra marina omeny. Izao anefa no lazain’ny Baiboly momba ireo izay mandà ny lalàny ara-pitondrantena: :”Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — Korintiana 6:18, 9, 10.

Ny tsy fahombiazan’ireo Fiangonana any Afrika

Ibrahima Baba Kaké, mpampianatra gineana momba ny tantara, dia nanazava tao amin’ny gazety pariziana mivoaka isan-kerinandro hoe Jeune Afrique ny antony mahatonga Afrikana be dia be hiala amin’ireo Fiangoan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nosoritany voalohany indrindra ny fahasosorana nateraky ny misionera tamin’ny taonjato faha-19 rehefa tonga nanaraka ny tafiky ny mpanjanatany izy ireny. Nanampy teny toy izao ilay mpampianatra: “Ny vato nisakana tamin’ny fidiran’ny kristianisma, dia ny tsy firaharahan’ireo misionera ny zavatra ninoana talohan’ny fanjanahan-tany. Tamin’ny fitafiana kapaotin’i Kristy, dia tian’izy ireo ny hanongotra ireo zava-bita ara-pahaizana afrikana. Noho izany tsy fileferana izany no nahatonga ny fitambaran’olona maro hihidy teo anoloan’ny kristianisma.” Nahatsinjo fiheverana ho amin’ny fivavahana amin’ny fanahy (esprits) teo amin’ny Afrikana maro Ibrahima Baba Kaké ka nilaza toy izao no famaranana: “Ireo fivavahana nampidirina dia tsy araka ny nantenaina, ka noho izany dia any amin’ireo andriamanitra taloha indray no itodihana.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara