Mijinja Izay Nafafiny Tatsy Afrika ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana
ILAY nofinofin’i Charles Lavigerie hanova an’i Alzeria ho “firenena kristiana” dia hita fa — nofinofy ihany. Amin’izao andro izao, dia Miozilimanina ny 99 isan-jaton’ny mponina any Alzeria, nihaosa ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana any amin’ny tapany lehibe amin’i Afrika Avaratra. Ahoana anefa ny amin’ny sisa amin’ilay kaontinanta?
“Ny Kristianisma”, hoy ny filazan’ny Dr. J. H. Kane, ao amin’ny A Concise History of the Christian World Mission, “dia nahataona olona maro kokoa tao amin’i Afrika Mainty hoditra noho ny tao amin’ny sisa amin’ny Tany Madinika rehetra mitambatra.” Kanefa, moa ve Kristiana marina ireo olona voatarika hanaraka ny finoany ireo? “Loza lehibe iray eo amin’ny fiangonana afrikana”, hoy ny fieken’ny Dr. Kane, “ny Christo-paganisme (fanakambanana ireo hevitra sy fanao kristiana amin’ny an’ny mpanompo sampy).” Ny filazany koa hoe “fiangonana afrikana” dia fametahana anarana diso. Ara-bakiteny, dia misy fiangonana afrikana an’arivony maro, samy manana ny fomba fanolorany fanompoam-pivavahana avy. Nahoana?
Famafazana voan’ny fisaratsarahana
Voafafy ny voan’ny fisaratsarahana na dia fony mbola tsy nanomboka niondrana an-tsambo ho any Afrika akory aza ny misionera. Ny London Missionary Society (LMS) dia naka mpikambana avy tamin’ny fiangonana samy hafa, ary nipoaka ny fifandirana feno hatezerana momba ny fampianarana teo amin’ireo samy misionera teny an-dalana ho any amin’ny toerana nanendrena azy. Azo antoka fa vao mainka niharatsy ny fifandirana rehefa avy niorim-ponenana izy ireo tany amin’ireo toerana nanirahana azy.
Izao no nosoratan’ny Profesora Robert Rotberg ao amin’ny bokiny hoe Christian Missionaries and the Creation of Northern Rhodesia 1880-1924: “Ireo misionera dia niady mafy teo amin’izy samy izy sy tamin’ny lehiben’izy ireo tany andafin-dranomasina, na dia nanimba ny zava-kendren’ny fitorian’izy ireo ny Filazantsara aza izany mazàna. (...) Toa nandany fotoana sy hery hanoratana ny amin’ireny adiady ireny ireo misionera, toy izay laniny teo amin’ny fitadiavana hanatanteraka ny fitaomany olona hanaraka ny finoany.”
Indraindray, ireo adiadin’ny misionera dia niteraka fiforonana misiona nifandrafy. Ireo misiona katolika sy protestanta dia nifaninana tamin-kalozana teo amin’ny fitaomana olona hanaraka ny finoany. Azo antoka fa hita taratra teo amin’ireo olony vaovao io tsy fisian’ny firaisan-tsaina io. Farany, dia nisy teratany Afrikana an-tapitrisany maro nandao ny eglizin’ny misiona ary namorona fiangonana ho an’ny tenany.
“Ireo Fiangonana Afrikana Mahaleo Tena”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Kane, mpanoratra tantara, “dia hita manerana an’i Afrika iray manontolo (...) Amin’ny fitambarany, dia misy antoko misaratsaraka eo amin’ny fito arivo eo ho eo ao amin’io fihetsiketsehana io.” Tsy ny fifaninanana teo amin’ireo misionera nanana zavatra inoana nifanohitra ihany no nahatonga izany. Ao amin’ny bokiny hoe The Missionaries, i Geoffrey Moorhouse dia nanazava fa, ny antony hafa nahatonga ny “fialan’ny mainty hoditra tamin’ny fiangonan’ny misiona”, dia “ny fahatezerana noho ny fanambonian-tena nasehon’ireo fotsy hoditra”.
Kristiana sa mpanavakava-bolon-koditra eoropeana?
Niaiky ny Dr. Kane fa “ireo misionera dia nihevi-tena ho ambony”. “Ninoany fa ny fivavahana kristiana dia tsy maintsy nampiarahina tamin’ny kolontsaina eoropeana sy ny fitarihana eoropeana”, hoy i Adrian Hastings ao amin’ny bokiny hoe African Christianity.
Filoha misionera nanana izany fomba fihevitra izany ilay Frantsay atao hoe Charles Lavigerie. Ny iray hafa dia i John Philip, mpiandraikitra ireo misionan’ny London Missionary Society tany amin’ny faritra atsimon’i Afrika. “Ny misioneranay”, hoy ny fireharehany tamin’ny 1828, “dia (...) manitatra ny tombontsoa britanika, sy ny hery fitaomana britanika, ary ny empira britanika. Na aiza na aiza ametrahan’ny misionera ny fanevany eo amin’ireo foko baribariana, dia mitsahatra ny fitsarana an-tendrony ataon’ireo foko ireo amin’ilay fitondrana mpanjana-tany; mitombo ny fiankinan’izy ireo amin’ny fanjanahan-tany noho ny famoronana zavatra ilaina namboamboarina fotsiny; (...) taozava-baventy, varotra, ary fandrosoana tampoka eo amin’ny fambolena; izay tena voataona marina eo amin’izy ireo (...) dia manjary mpiandany sady sakaizan’ny fitondram-panjakana mpanjana-tany.”
Mahagaga àry ve raha heverin’ireo fitondram-panjakana eoropeana fa fitaovana mahasoa ho an’ny fitaran’ny fanjanahan-tany ny misionera toy izany? Raha ny amin’ireo misionera, izy ireo dia nandray tsara ny fandresen’ny mpanjanaka an’i Afrika. Izao no nambaran’izy ireo tamin’ny Kaonferansan’ny Misionera Maneran-tany natao tany Édimbourg tamin’ny 1910: “Tsy ho (...) azo atao foana ny hamaritra tsipika mampisaraka ny tanjon’ny misionera sy ny tanjon’ny Fitondram-panjakana.”
Nanapaka toy ny mpanjaka tatsy Afrika
Mba hampanekena ny fahefan’izy ireo, ny misionera sasany dia niantehitra tamin’ny herin’ny tafiky ny mpanjana-tany. Indraindray, dia nisy tanàna teny amoron-tsiraka nopotehin’ny sambo nisy tafondro britanika noho ireo mponina tao tsy nety nanaiky ny fahefan’ny misionera. Tamin’ny 1898, i Dennis Kemp, misionera metodista tatsy Afrika Andrefana, dia nilaza ny “fiekeny mafy fa ny Tafika sy ny Sambo britanika dia ampiasain’Andriamanitra amin’izao andro izao mba hanatanterahana ny fikasany.”
Rehefa avy niorim-ponenana ireo misionera, indraindray, dia nilaza fa tompon’ny fahefana tsy ara-pivavahana izay an’ireo filohan’ny foko. “Ireo misionera nirahin’ny London Missionary Society”, hoy ny nosoratan’ny Profesora Rotberg, “dia matetika no nampiasa hery mba hitanana ny lalàna teokratika nananan’izy ireo. Fitaovana nankafizin’izy ireo indrindra mba hampahafantarana ny tsy fankasitrahany ny cikoti, karavasy lava iray vita tamin’ny hodi-dalomena (hippopotame) voakarakara. Tamin’io no nivelezana tsy nisy fihambahambana ireo Afrikana, saiky noho izao antony rehetra izao.” “Ny Afrikana iray voataona hanaraka ny finoana”, hoy ny fanamarihana nataon’i David Lamb ao amin’ny bokiny hoe The Africans, “dia nahatsiaro misionera anglikana iray fantatra tamin’ny anarana hoe Bwana Botri tany Ouganda, izay nidina matetika avy teny amin’ny polipitra nandritra ny fotoam-pivavahana mba hikapoka amin’ny tehina ireo diso aoriana.”
Tafintohina tamin’ny fanaovan-javatra toy izany i James Mackay, misionera iray, ka nampiditra fitarainana tany amin’ireo talen’ny London Missionary Society. “Tsy raisina ho toy ny lehilahy fotsy hoditra mitondra amin’izy ireo ny vaovao tsaran’ny fitiavan’Andriamanitra isika”, hoy ny fampitandremana nataony, “fa malaza sy atahorana kosa”.
Ireo Ady Lehibe
“Nandritra ny taonjato iray sy maherin’izany”, hoy ny filazan’ny boky hoe The Missionaries, “dia nilazana tsy an-kijanona sy tamin-kafanam-po [ireo Afrikana] fa ny fiadiana sy ireo fironana baribariana rehetra izay aterany dia sady tsy ahitam-bokatra no ratsy.” Avy eo, tamin’ny 1914, dia nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany teo amin’ireo firenena lazaina fa kristiana tany Eoropa.
“Ny misionera saiky avy amin’ny firazanana rehetra dia noresen-dahatra mba handray anjara tamin’ny Ady Lehibe”, hoy ny fanazavan’i Moorhouse. Ho fahafaham-baraka ho azy ireo, dia nampirisika ireo Afrikana voatariny ho amin’ny finoana ireo misionera mba hiandany tamin’ny ady. Nisy aza misionera sasany nitarika miaramila afrikana ho any amin’ny ady mihitsy. Ny vokatry ny ady dia voalazan’ny Profesora Stephen Neill tsara ao amin’ny bokiny hoe History of Christian Missions: “Ireo firenena eoropeana izay nidradradradra ny fihamboany ho ny hany manana zo hitantana ny Kristianisma sy ny haifomba, dia nihazakazaka an-jamba sy nifanjevo tao amin’ny ady an-trano izay tsy maintsy nahatonga azy ireo ho nihanahantra ara-bola sy tsy nanana na dia toetra tsara faran’izay kely aza.” “Ny Ady Lehibe Faharoa”, hoy ny tohin’ny tenin’i Neil, “dia nameno fotsiny izay efa notanterahan’ilay voalohany. Ireo fihamboan’ny Tandrefana ho manana fahatsaran-toetra dia hita fa sandoka; ‘ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana’ dia naharihary ho angano fotsiny. Tsy azo natao intsony ny niresaka ny amin’ny ‘Tandrefana kristiana’ ”.
Mora takatra àry raha nihafaingana ny fialan’ny ny mainty hoditra tamin’ny fiangonan’ny misiona taorian’ny Ady Lehibe Voalohany. Ahoana anefa ny amin’ireo Afrikana izay nifikitra tamin’ny fiangonan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana? Moa ve izy ireo nampianarina ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly tatỳ aoriana?
Finoana nentin-drazana afrikana
Ireo misioneran’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana dia nanameloka ireo fanao ara-pivavahana afrikana, toy ny fanatonana mpisikidy mba hampitonena ny razambeny efa maty. Tamin’izay fotoana izay ihany anefa, dia nanantitrantitra ireo misionera fa manana fanahy tsy mety maty ny olombelona rehetra. Nampirisika ny fankamasinana an’i Maria sy ireo “olo-masina” koa izy ireo. Ireo fampianarana ireo dia nanamarina ny finoan’ireo Afrikana fa mbola velona ihany ireo razambeny efa maty. Tamin’ny fankamasinana ireo sary ara-pivavahana, toy ny lakroa koa, ireo misionera dia nanome fanamarinana ny fampiasan’ny Afrikana ireo ody fiarovana amin’ny fanahy ratsy.
Nanazava toy izao ny Profesora C. G. Baëta ao amin’ny bokiny hoe Christianity in Tropical Africa: “Ho an’ny Afrikana iray, dia azo atao ny mihira amin-kafanam-po ao am-piangonana ilay hira hoe ‘Tsy manam-piarovana afa-tsy Andriamanitra aho’, sady mbola mitondra ody any amin’ny tenany any, na afaka mankany amin’ny mpisikidiny avy hatrany raha vao mivoaka ny Fiangonana, tsy misy fahatsapana hoe nandika fitsipika ny tenany.” — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 18:10-12 sy ny 1 Jaona 5:21.
Nisy misionera maro nilaza tamin’ireo Afrikana fa ny razambeny mpanompo sampy dia ampijalijalina any amin’ny helo mirehitra afo, ka ho nanjo azy ireo koa ny anjara toy izany raha tsy nanaiky ny fampianaran’ireo misionera izy ireo. Ny fampianarana ny amin’ny fampijaliana mandrakizay anefa dia mifanohitra amin’ireo filazana mora azo ao amin’ilay Baiboly izay nikelezany aina indrindra nadika tamin’ny fiteny afrikana. — Genesisy 3:19; Jeremia 19:5; Romana 6:23.
Raha ny marina, ny Baiboly dia milaza fa maty ny fanahy olombelona mpanota ary “ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4). Raha ny amin’ireo Afrikana izay tsy nanana fahafahana handre ny fahamarinan’ny Baiboly, izy ireo dia manana fanantenana ny ho tafiditra ao amin’ny “fitsanganan’ny marina sy ny meloka” ho avy. (Asan’ny Apostoly 24:15). Ny olona hatsangana amin’ny maty toy izany dia hampianarina ny fandaharana nataon’Andriamanitra ho amin’ny famonjena. Amin’izay, raha manaiky amim-pankasitrahana ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo, dia hovalian-tsoa amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa. — Salamo 37:29; Lioka 23:43, NW; Jaona 3:16.
Tsy nampianatra ireo fahamarinan’ny Baiboly mahatalanjona ireo ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, fa namitaka ireo Afrikana tamin’ny fampianaran-diso sy ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana. Azo antoka fa ny anjara asa notanan’ireo misioneran’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana tao amin’ny fandresen’ny fanjanahan-tany an’i Afrika dia tsy tohanan’ny Baiboly mihitsy. Mifanohitra amin’izany fa nilaza i Jesosy hoe ny Fanjakany dia “tsy avy amin’izao tontolo izao”, ary ireo tena mpanara-dia azy marina dia “tsy naman’izao tontolo izao” toy izany koa. (Jaona 15:19; 18:36). Ireo Kristiana voalohany dia iraka nisolo tena an’i Jesosy Kristy fa tsy an’ireo fitondram-panjakana teo amin’izao tontolo izao. — 2 Korintiana 5:20.
Noho izany, amin’ny fitambarany ny fijinjana izay nafafin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana atsy Afrika dia fijinjana tsy mahafaly, miavaka noho ny fisaratsarahana sy tsy fahatokiana ary ny “Christo-paganisme” mahatafintohina. Ny herisetra izay nanamarika ireo faritra “kristiana” maro atsy Afrika dia azo antoka fa tsy mifanaraka amin’ireo fampianaran’ilay “Andrian’ny fiadanana”. (Isaia 9:5). Ny vokatry ny asan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana tatsy Afrika dia mifanohitra tanteraka amin’ny tenin’i Jesosy ny amin’ireo tena mpanara-dia azy marina. Tao amin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy, dia nangataka i Jesosy mba “ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy”. — Jaona 17:20, 23; 1 Korintiana 1:10.
Midika ve izany fa ny asa misionera rehetra natao tatsy Afrika dia tsy nahomby avokoa? Tsy izany velively. Ny vokatra tsara dia tsara avy amin’ny tena asa misionera kristiana atsy Afrika sy manerana izao tontolo izao dia hodinihina ao amin’ireo lahatsoratra manomboka ao amin’ny pejy faha-10.
[Sary, pejy 6]
Ireo filoha misionera tamin’ny taonjato lasa, sahala amin’i John Philip, dia nino fa ny haifomba eoropeana sy ny Kristianisma dia iray ihany sady mitovy
[Sary nahazoan-dalana]
Cape Archives M450
[Sary, pejy 7]
Nampirisika ny finoana nenti-drazana afrikana ireo misioneran’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana tamin’ny fampielezana fampianarana tsy araka ny Baiboly, toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy Africana Museum, Johannesburg