Ahoana no hanapahana ny gadra aminao?
SAIKA maneran-tany di any finoanoampoana no manapaka ny fiainan’ny ankamaroan’olona. Tandrefana maro no mino fa voaron’ny kitrovin-tsoavaly na ny tongo-bitro iray, fa Afrikana betsaka kosa no misambozona ody mba hampanalavirana ireo fanahy ratsy. Ho fikendrena izany ihany koa, dia mamatotra kofehy fiarovana amin’ny hato-tanan’ny zaza vao teraka izy ireo. Arak any fiheveran’ireo foko sasantsasany, raha ohatra ka petahana tapa-taolana kelin’ny rajako lehibe io kofehy io dia ho tonga lehibe sy matanjaka ilay zaza.
Ireo olona monina akaikin’ny renirano dia mino ireo zazavavindrano izay antsoina hoe Mami Wata any amin’ny repoblikan’i Afrika afovoany. Heverina fa lava volo be mivolom-barahina izy ireny ary misarika ny olona ho eny akaikin’ny rano mba hisambotra sy handentika azy. Ny sasantsasany dia manararaotra izany finoana izany. Marina tokoa fa manolotra fanatitra amin’ilay renirano izy ireo mba hanasana ireo Mami Wata haka ny fahavalony rehefa ho avy eo amoron-drano io amin’ny manaraka.
Ny mpanao ody sy ny mpimasy no mandray anjara lehibe ao amin’ny finoanoampoana afrikana. Araka izany, ny mpanao ody ao an-tanàna dia manipy ireo nzeke (akorandriaka kely) mba hahafantarana ny ho avy. Ny mpimasy kosa etsy ankilany dia mikarakara ireo ody fitia natao hamelomana ny fitiavan’ny vady iray izay lefy. Raha latsaka eo akaikin’ny misy anao ny varatra, dia heverina fa nandeha tany amin’ny mpimasy ny olona iray niadiady taminao mba hamaliana faty. Ny sasany aza dia milaza fa ny mpimasy dia manana fahefana hanova lehilahy iray ho vehivavy, ary na dia olona iray aza ho lasa biby.
Amin’ireo olona minomino foana, ireo zava-miseho faran’izay sendrasendra aza dia manjary fambara manaitra. Araka izany, fa raha sendra nahita bibilava na tanalahy teny an-dalana ianao, dia hisy hilaza aminao hoe modia haingana raha tsy mbola nisy loza nanjo anao. Raha misy vorona miditra ao an-tranonao, dia misy olona madiva ho faty izay. Raha mivovo mihoatra noho ny fanaony ireo alika dia misy olona eo am-pialana aina izay na vao niala aina.
Amin’ireo olona nahita fianarana any Afrika toy ny any amin’ny faritra hafa ihany koa eo amin’izao tontolo izao, io karazana finoanoampoana io dia mety ho toa hevi-dravina. Nefa inona no holazaina raha ny amin’ireo olona nianatra izay misoroka amim-pitandremana ny tsy handalo eo ambany tohatra, izay manafoana ny dia tsy misy antony saika hataony ny zoma fahatelo ambin’ny folo, izay manasa olona amin’ny minitra farany satria tsy te-ho telo ambin’ny folo eo an-databatra na ireo mijery ny tombam-bintany ao amin’ny gazety? Moa ve izy ireny koa tsy voagejan’ny gadran’ny finoanoampoana?
Fa inona marina moa ny finoanoampoana? Ary avy aiza ny fahefana ampihariny eo amin’ny olombelona?
Ny tahotra ny tsy fantatra?
Ny finoanoampoana dia nofaritana toy izao manaraka izao: “Finoana na fanao avy amin’ny tsy fahalalana, ny tahotra ny tsy fantatra na ny fitokisana ny majika sy ny vintana.” Manapaka eo amin’ny olona anankiray ny finoanoampoana raha mbola mijanona ho tsy mahalala izy ka mino izany. Raha vao mahazo fahalalana tokoa ny olona minomino foana iray ary mahatakatra ny maha-hevi-dravina ny finoany dia tsy hanan-kery intsony eo aminy ny finoanoampoany. Kanefa ny Baiboly no loharanon’ny fahalalana ambony indrindra afaka manafoana ny finoanoampoana.
Nahatsapa izany i Wawa. Rehefa fantany hoe manao ahoana tokoa ny toetry ny maty dia nanjavona ny tahony. Nitsahatra tsy nanao izay nasain’ny finoanoampoana nataony izy ary tsy nijaly velively noho izany. Ankehitriny dia fantany fa ireo tahony feno finoanoampoana dia tsy misy antony.
Afrikana maro be no nanao fanandraman-javatra toy izany. Araka izany, rehefa namaky tao amin’ny Baiboly izy ireny fa namorona ny biby rehetra “araka ny karazany avy” Andriamanitra, dia takatr’izy ireny fa ireo Mami Wata — ny tapany vehivavy, ny tapany trondro — dia tsy nety hisy (Genesisy 1:20-27). Ankoatr’izany, tsy mbola nisy mihitsy mpanjono afaka nirehareha fa nahazo izany karazana zavaboary izany tamin’ny fampisehoana ny zavatra azony. Toy izany ihany koa, fa nahafantatra izy ireny fa tsy misy mihitsy mpimasy afaka hanova lehilahy iray ho leoparda na ho voay, satria izany ‘karazana’ samy hafa tanteraka. Afa-tsy izany, ny Baiboly dia milaza fa ireo biby dia “tsy manan-tsaina”. (II Petera 2:12.) Koa ahoana àry no mety hahafantaran’ny vorona na ny alika iray fa hisy ho faty? Amin’ny ahoana, etsy an-danin’izany no mety hahafahan’ny bibilava na tanalahy (na koa saka mainty any Eoropa) hitondra loza ho an’izay mahita azy? Ambonin’izany, ahoana no ahafahan’ny mpanao ody milaza ny ho avy kanefa manambara ny Baiboly fa Andriamanitra ihany no mahafantatra izany (Isaia 44:6-8)? Ny fahatakaran-javatra àry dia manaporofo fa tsy misy heriny na dia kely akory aza eo amin’ny fiainan’ny olona ireny zavatra ireny, tahaka izany koa ireo kintana sy planeta iray any amin’ny lavitrisa kilaometatra maro avy eto amin’ny tany dia tsy manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olombelona ety ambany ety izay mino ny tombam-bintany.
‘Kanefa, hoy angamba ny olona iray, nahita bibilava aho ary dia narary ny zanako lahimatoa ny afakampitson’iny!’ Marina aloha fa mety hitranga izany. Kanefa ahoana ho holazaina ny amin’ireo rehetra tsy nahita bibilava na tanalahy nefa narary ihany ny zanany? Ahoana no hiheverana, a nkoatr’izany, an’ireo nahita ireo biby ireo nefa tsy nanan-java-nanahirana teo no ho eo avy hatrany? Momba ny sampona eo amin’ny fiainan’ny olombelona dia manao izao fanamarihana izao ny Baiboly: “Ny toe-javatra miseho sy ny loza tampoka dia mahazo azy rehetra daholo.” (Mpitoriteny 9:11, Baibolin’i Crampon 1905). Marina tokoa fa indraindray dia tonga sendrasendra ny zavatra na tsy nahy. Haratra ny olona iray mandritra ny tafiodrivotra mahery satria eo amin’ny toerana ratsy izy. Ny aretina sy ny loza tampoka dia tsy voatery ho avy amin’ny teti-dratsin’ny fahavalo. Maro no eo am-pahitana izany zavatra izany ary manafa-tena amin’ny tahotra feno finoanoampoana.
Ny finoana ny majika
Na izany aza anefa dia misy endriky ny finoanoampoana hafa tsy azontsika odian-tsy fantatra. Toa misy hery tsy fantatra (na majika, raha tiana ny hilaza azy toy izany) miditra an-tsehatra indraindray, satria ireo zava-miseho dia toa tsy avy amin’ny fifanandrifian-javatra na ny kisendrasendra fotsiny. Ny Tandrefana dia mahalala fa misy zavatra hafahafa mety hitranga mandritra ny fotoana fanaovana spiritisma. Araka izany, ny zazalahy anankiray dia nitantara izay nitranga taminy raha nampiasa hazo fisaka fanaovana spiritisma. Araka izany, ny zazalahy anankiray dia nitantara izay nitranga taminy raha nampiasa hazo fisaka fanaovana “oui-ja” izy. Araka ny fanambarany dia nipetraka niaraka tamin’ireo namany nanodidina ilay hazo fisaka izy mba hijery izay hitranga raha voaongotra mafy tamin’ny sezany ary nidona tamin’ny rindrina teny amin’ny faran’ny efitra.
Tany Afrika dia zavatra hafahafa koa no notantaraina. Ohatra, misy olona milaza marina fa nahita zazavavindrano nanana volo nivolom-barahina nanofa tanana azy ireo ho tonga eo amin’ny renirano. Notantaraina koa fa nisy biby niteny izay nilaza fa olona hono fahiny. Indraindray dia toa misy olona marary satria nisy mpimasy namosavy azy. Ahoana hanazavana izany?
Zava-misy sasantsasany saro-pantarina no mitranga tokoa, ary omen’ny Baiboly antsika ny antoky. Nefa eo ihany koa dia amin’ny alalan’ny fahalalana no hahafahana manapaka ireo gadran’ny finoanoampoana. Araka ny Baiboly dia misy tokoa hery ara-panahy ratsy mitady hamitaka antsika. Na izany aza anefa dia tsy fanahin’ny maty akory izy ireny. Ambonin’izany dia azo atao ny manohitra azy ireny.
Voalohany aloha, inona moa izany? Na koa, iza moa ireny hery ara-panahy ireny? Antsoin’ny Baiboly hoe demonia izy ireny ary lazainy amintsika fa Satana no filohany. Tsia, tsy tokony hampitsiky antsika io hevitra io. Ny tenan’i Jesosy aza dia nahafantatra azy ireny tsara. Avy aiza izy ireny? Ny Baiboly dia manambara fa anjely izay manompo an’Andriamanitra izy ireny, nefa nikomy taty aoriana ka tonga fahavalony. — Matio 12:26-28; II Petera 2:4.
Milaza koa ny Baiboly fa Satana dia “mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9.) Tsy misy mahagaga àry raha maniry ny hitazona ny olona ao anatin’ny gadran’ny finoanoampoana izy. Afaka manatanteraka asa feno zava-miafina ve izy mba hamitahana azy ireny? Izany tokoa. Araka izany, amin’ny lehilahy iray ‘mpandika lalàna’, ny Baiboly dia milaza fa ny fiaviany dia “araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very”. — II Tesaloniana 2:9, 10.
Amin’izany, raha toa misy zavatra sasany hafahafa mitranga tokoa, dia tsy mety afa-tsy ho avy amin’ny herin’i Satana sy ireo demoniany. Tsy ilaina ny milaza fa Satana dia mahery lavitra noho ny olombelona na iza na iza. Na izany aza anefa dia tsy hoe tsy manana fiarovana isika, satria Andriamanitra dia mbola mahery noho Satana ary manolotra ho antsika ny fanampiany izy raha maniry ny hanaiky izany tsara isika.
Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly dia nanambara hoe: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Tahaka ireo Afrikana maro hafa, dia namaly io fanasana io i Wawa. Ireo rehetra nanaiky ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra mifandray amin’ny fitondrantenan’izy ireo dia nahatakatra fa ny finoanoampoana araka an’i Satana dia tsy manan-kery intsony eo amin’izy ireo. Nafahana tamin’ireo tahotra nananany teo aloha izy ireo.
Izany no nahatonga azy ireo hanala ireo ody teny amin’ny tendany sy ireo kofehy fiarovana teny amin’ny tanan-janany ka nandoroany izany rehetra izany. Tsy mandray anjara intsony amin’ireo fombafombam-pivavahana natao hampitony ny fanahin’ireo maty izy ireny. Tsy matahotra ihany koa ny mosavin’ireo mpimasy izy ireny. Ankoatr’izany, dia tsy manaram-po amin’ny fahalotoam-pitondrantena izy ireo, na amin’ny herisetra, na amin’ny asa ratsy hafa.
Nitondra fahoriana ve ireo izay naneho fahasahiana be toy izany? Mifanohitra amin’izany no izy! Marina tokoa fa nanao ity fampanantenana ity tamin’ireo mpianany Jesosy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32). Tsy andevon’ny ota intsony izy ireo. Andriamanitra dia miaro azy ireo amin’izay mety ho fanafihan’ny demonia, ary ny fahalalana vao azon’izy ireo dia nanala sarona ny hatsinontsinon’ireo finoanoampoany taloha. Nanapaka ny gadra tamin’izy ireo ny fahamarinana!
Mety ho azon’izay rehetra maniry handray soa amin’izany io fahafahana io. Raha maniry fatratra ny ho afaka amin’ny tahotra ianao, toa an’i Wawa ankehitriny, dia fantaro fa hahafinaritra ny Vavolombelon’i Jehovah ny hanampy anao tahaka ny nanampian’izy ireo azy.