Mandroaka ny tahotra ny fivavahana marina — Amin’ny fomba ahoana?
VAKA ireo Britanika atao hoe Edwin sy Mona Radford. Rehefa avy nanamarika tahotra entim-pinoanoam-poana maherin’ny roa arivo izy ireo dia nahatsapa ny fisian’izany koa tany Ecosse, tany India, tany Ouganda sy tany Amerika afovoany. Nanontany tena izy ireo ny amin’izay nety ho fototry ny fisehoan-javatra toy izany. Nanao izao fanamarihana marina tokoa izao ilay mpanoratra atao hoe Robertson Davies: “Toa misy fifamatorana amin’ny finoanoam-poana sy ny fitambaran-javatra ninoana taloha elan’ireo fivavahana fantatsika.” Fa inona moa izany ‘fitambaran-javatra ninoana” talohan’ny andro kristiana izany, izay niandohan’ny finoanoam-poana?
Fiandohana sy fitomboan’ny finoanoam-poana
Asehon’ny Baiboly fa ny tany Sinara (faritany eo anelanelan’i Tigra sy Eofrata ka hantsoina aty aoriana hoe Babylonia) no niandohan’ny fiheveran-diso ara-pivavahana, anisan’izany ny finoanoam-poana. Tao amin’io faritra io ny “mpihaza mahery” iray, Nimroda, no nanomboka ny fanorenana ilay tilikambon’i Babela nalaza ratsy, izay hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahan-diso. Nataon’i Jehovah Andriamanitra tsy nahomby anefa ny volavolan-kevitr’ireo mpanorina tamin’ny fanorokoroana ny fitenin’izy ireo. Nitsahatra tsikelikely ny asa ary niely patrana izy ireo (Genesisy 10:8-10; 11:2-9). Na taiza na taiza nanorenan’izy ireny fonenana anefa, dia nitovy ny zavatra ninoana nentiny, ny fiheverana sy ny anganony. Na dia izany aza, dia mbola foiben’ny fivavahan-diso ihany Babela. Rehefa nandeha ny fotoana, dia teraka sy nitombo tany ny fahaizana majika, ny fanaovana ody ratsy sy ny finoanoam-poana toy ny fanandroana. (Jereo Isaia 47:12, 13; Daniela 2:27; 4:7.) Ny amin’izany, ilay boky hoe Ireo renivohitra lehibe eo amin’izao tontolo izao (anglisy) dia nanao izao fanamarihana manaraka izao: “Ny fanandroana dia nifototra tamin’ny hevitra babyloniana roa: ny zodiaka sy ny fiheverana ho andriamanitra ireo zavatra eny amin’ny lanitra. (...) Ny Babyloniana dia nihevitra an’ireo planeta ho manan-kery toy ny noheveriny fa nananan’ireo andriamaniny avy.”
Amin’ny ahoana izany fisehoan-javatra lavitra izany no mahakasika antsika? Ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa niforona avy amin’ny fiheverana nanan-kery tany Babylona fahizay ny fandaharam-pivavahan-diso maneran-tany. Naharitra hatramin’izao androntsika izao izany ary antsoina hoe “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 17:5.) Miharihary fa niova ireny fampianarana babyloniana ireny arakaraka ny fotoana sy ny toe-javatra eo an-toerana, ka izany dia niteraka fahamaroan-karazan’ny fivavahana aoka izany araka ny hita amin’izao androntsika izao. Nefa toy ny karazan-kazo samy hafa mety hitombo eo amin’ny tany iray ihany, dia toy izany koa fa ireny fivavahana sy finoanoam-poana maro karazana tokoa sy miely aoka izany maneran-tany ireny dia avy amin’ny loharano iray ihany: Babylona. Mba hanazavana izany fisehoan-javatra izany, dia aoka hojerentsika ny hoe tamin’ny fomba ahoana no nidiran’ny anankiray amin’ireo zavatra ninoanoan’ny Babyloniana foana saika tao anatin’ny fivavahana rehetra.
Ny niandohan’ny tahotra ny maty
Nino ny Babyloniana fa hisy tapany ara-panahy amin’ny olombelona mbola ho velona ihany aorian’ny fahafatesan’ny vatana ary afaka niverina mba hanan-kery mahasoa na manimba eo amin’ny velona. Noforoniny àry ny fombafomba natao hampitonena ireo maty sy hiarovan-tena amin’ny valifatin’izy ireny. Mbola velona foana izany zavatra inoana izany any amin’ny tany maro. Atsy Afrika, ohatra, izany dia “mandray anjara tena lehibe eo amin’ny fiainana andavanandron’ny saika ny fitambaran’olona (...) rehetra. — Marika, fombafomba sy fitambaran’olona ao amin’ireo fivavahana afrikana (anglisy).
Ao amin’ireo tany ireo, dia mino izany koa aza ireo izay milaza tena fa kristiana. Mba hanazavana izany, dia niaiky toy izao i Henriette, vehivavy iray 63 taona izay afrikana ny fiaviany: “Na dia mpikambana narisika tao amin’ny Fiangonana protestanta teo an-toerana aza aho, dia natahotra ny ‘fanahin’ny’ maty. Nonina teo akaikin’ny toeram-pandevenana iray izahay ary isaky ny nanatona ny tranonay ny laharan’olona handevina, dia nofohaziko ny zanako ary nofihiniko mandra-pahalasan’ny laharana. Raha tsy izany, dia ho niditra tao an-tranoko ny ‘fanahin’ilay’ maty ka ho nahazo azy nandritra ny torimasony.”
Naharitra io finoanoam-poana io noho ny hevitra inoana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy mamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ampahafantarin’ny Tantara antsika fa ireo filozofa grika, indrindra fa Platon, dia namelabelatra ny hevitra babyloniana ny amin’ny tsy fahafatesana. Araka ny filazan’ilay Britanika atao hoe John Dunnett, mpampianatra teolojia, dia noho ny nataon’izy ireo no nahatonga “ny hevitra ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy hiely aoka izany tao amin’ny Fiangonana kristiana”. Io fampianarana babyloniana io dia nahatonga olona an-tapitrisany maro ho andevon’ny tahotra feno finoanoam-poana.
Ny fivavahana marina kosa anefa dia mandroaka izany tahotra izany. Noho ny antony inona? Satria izany tsy miankina amin’ny zavatra inoana nanam-piandohana babyloniana, fa amin’ireo fampianaran’ny Baiboly.
Ny fanahy (âme) araka ny Baiboly
Ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly dia mampianatra antsika fa ny olombelona dia tonga fanahy (âme), izany hoe olona velona (Genesisy 2:7, MN ). Noho izany, rehefa maty ny olona iray, dia fanahy (âme) iray no maty. Manamarina izany hevitra izany amin’izao teny izao Ezekiela mpaminany: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4; Romana 3:23). Noho izany dia mety maty ny fanahy ary tsy mbola velona ihany aorian’ny fahafatesana. Manantitrantitra izany ny Salamo 146:4: “Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” Noho izany antony izany no anambaran’ny profesora John Dunnett ho famaranana fa ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia “mitoetra ho fampianarana tsy araka ny Baiboly”.
Raha tsy misy fanahy tsy mety maty àry, dia tsy mety hisy ‘fanahin’ny’ maty afaka ny hampitahotra olona miaina eto an-tany. Noho izany, dia tsy marim-pototra ny tahotra feno finoanoam-poana ny maty.
Tahotra miorina amin’ny fitaka
Mahatonga ny fiainana ho sarotra ny tahotra noho ny finoanoam-poana. Nahoana? Satria tena misy fisehoan-javatra hafa dia hafa mitranga. Araka izany, indray alina, ny vehivavy iray efa zokinjokiny nonina tany Suriname dia nandre olona niantso azy tamin’ny anarany. Tsy namaly izy, nefa nisy “tanana” tsy hita maso nanomboka nikasika azy. Koa satria nanandrana nanohitra izy, dia nokendain’ny hery tsy hita maso tokoa. Angamba hihevitra toy izao ianao: ‘Raha tsy misy ny ‘fanahin’ny’ maty, iza no nampijaly an’io vehivavy io?’ Amin’izany koa, ny fahalalana ny Soratra Masina dia mahatonga ho afaka hampisava izay rehetra mety ho tahotra noho ny finoanoam-poana.
Manazava ny Baiboly fa misy hery ara-panahy ratsy antsoina hoe demonia tokoa. Ireny demonia ireny anefa dia tsy ny fanahin’ny maty, fa anjely nikomy tamin’Andriamanitra ary nanaraka an’i Satana, “izay mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9; Jakoba 2:19; Efesiana 6:12; 2 Petera 2:4.) Ahariharin’ny Baiboly fa ireo demonia dia mahita fahafinaretana amin’ny famitahana, ny fampitahorana sy ny famelezana matetika ny olombelona. Milaza ny fitantarana ao amin’ny Lioka 9:37-43 fa ny demonia iray dia nahatonga zaza iray ‘hifanintontsintona sy handoa vory’ ary nahatorovana azy aoka izany. Na dia rehefa nentina teo amin’i Jesosy aza io ankizy io, “dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy”.
Homarihina fa ny Encyclopédie de littérature biblique, théologique et ecclésiastique (anglisy) dia nilazalaza ny finoanoam-poana ho “fanompoam-pivavahana atao ho an’ny andriamanitra sandoka”. Araka izany, ny fanaovan-javatra noho ny finoanoam-poana dia mitovy amin’ny fitadiavana hihavana, angamba tsy nahy, amin’ny “andriamanitra sandoka”, na demonia! Ny fanarahana fanompoam-pivavahana voaloton’ny fahadisoan-kevitra toy izany dia fahotana lehibe atao amin’i Jehovah Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 18:10-12 ny 1 Korintiana 10:20a.
“Maneke an’Andriamanitra” — Hanao izany ve ianao?
Ho ampy herim-po ve ianao mba handosirana ireo demonia amin’ny fanariana ny finoanoam-poana? Marina fa mahery ireo demonia, nefa rehefa avy nampiseho ny apostoly Paoly fa ilaintsika ny mifidy na ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah na ny amin’ireo demonia, dia napetrany izao fanontaniana izao: “Mahery noho Izy [Jehovah] va isika?” (1 Korintiana 10:21, 22). Aoka hotadidiantsika anefa fa tsy toy izany koa Satana sy ireo demoniany! Mifanohitra lavitra amin’izany, ireo demonia dia “mangovitra” noho ny tahotra eo anatrehan’i Jehovah (Jakoba 2:19). Afaka manome anao ny fiarovany anefa ilay Andriamanitra Tsitoha raha mangataka izany aminy ianao. Manambara toy izao i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, eo ambany kokoa: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Handositra amin’izany fomba izany koa ireo tahotra mahazo anao noho ny finoanoam-poana.
Afaka manamarina izany amin’izao andro izao maneran-tany ny olona an’arivony maro niaina taloha tao anatin’ny tahotra sy nandevozin’ny fanao misy finoanoam-poana. Nandositra lavitra azy ireny ny Devoly! Tamin’ny fomba ahoana anefa? Tadidio fa fahavalon’ny finoanoam-poana ny fahalalana. Araka ny filazan’ny profesora Rudolph Brasch, izay nanokan-tena ho amin’ny fianarana ny niandohan’ny finoanoam-poana, “raharaha momba ny fampianarana ny zavatra rehetra — arakaraka ny nahitan’ny olona fianarana no tsy inoanoany foana”.
Tamin’izany fomba izany, rehefa avy nanaiky hianatra maimaimpoana ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, Henriette, voatonona ery ambony, dia nahay nanavaka haingana ny tetik’adin’ny demonia. Nilatsaka ny fatorana nahatonga azy ho andevon’ny finoanoam-poana. Sahala amin’ny olon-kafa an’arivony maro, dia azony natao ny nahatsapa ny fahamarinan’ny teny voarakitra ao amin’ny Hebreo 2:15. Ambaran’ny apostoly Paoly ao amin’io andininy io tokoa fa Jesosy dia “hanafaka izay rehetra, nandritra ny fiainany manontolo, nandevozin’ny tahotra ny fahafatesana”. (Jérusalem.) Azo antoka toy ny anovan’ny hainandro maraina ho etona ny ando be dia be mandrakotra ny ala tropikaly, ny fahazavan’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa dia afaka mampisava izay rehetra mety ho tahotra noho ny finoanoam-poana.
Amin’izao andro izao, dia be dia be amin’ireo izay ‘andevon’ny tahotra’ taloha no nanapaka ny ody fiaro niambozonany ary nanaisotra ny tadikely mpitondra fahasambarana tamin’ireo zanany. Ankehitriny izy ireo dia miray fihetseham-po amin’i Isaac, mpimasy taloha tany Afrika Atsimo, 68 taona, izay, rehefa avy nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nihiaka hoe: “Sambatra aoka izany aho ary mahatsiaro tena ho afaka satria tsy ampahorin’ny tahotra an’ireo fanahy intsony.” Marina loatra ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo”! — Jaona 8:32.
Eny, mandroaka ny tahotra ny fivavahana marina!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny Asan’ny apostoly 25:19, ny fandikan-teny sasany ao amin’ny Baiboly (toy ny an’i Grosjean sy Léturmy, Ostervald na ny an’i Maistre de Sacy) dia mandika ny teny grika hoe déisidaïmonias, izay ny dikany dia hoe “tahotra ny demonia”, amin’ny hoe “finoanoam-poana”. Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fanamarihana (anglisy).
[Sary, pejy 5]
Avy any Babylona no niely naneran-tany ireo finoanoam-poana.