FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/6 p. 28-31
  • Nahoana ianao no tokony hiaiky ny fahadisoanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana ianao no tokony hiaiky ny fahadisoanao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no manakana antsika amin’izany?
  • Vokany mampalahelo
  • Ohatra tamin’ny lasa
  • Vokatra tsara
  • Izay hanampy antsika handresy io fironana io
  • Nahoana no Miaiky Fahadisoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Hitsotra ve Aho hoe Diso?
    Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora
  • Ahoana no Hataoko Rehefa Izaho no Diso?
    Manontany ny Tanora
  • Ahoana no Tokony Hiheveranao ny Fahadisoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/6 p. 28-31

Nahoana ianao no tokony hiaiky ny fahadisoanao?

“NY hany tsy mba diso dia ireo maty.” Izany no nolazaina momba ny olombelona tsy lavorary. Afa-tsy izany, mieritrereta ange: Iza no tsy mbola nanam-pahadisoana mihitsy? Iza no tsy diso mihitsy?

Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina, dia manambara tsy misy isalasalana fa manao fahadisoana daholo isika rehetra. Izao tokoa no vakina ao: “Tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.” Ao amin’ny Baiboly, ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “manota” dia midika ara-bakiteny hoe “tsy mahatratra ny zava-kendrena”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia diso eo anatrehan’ny fitakian’Andriamanitra. — Mpitoriteny 7:20.

Kanefa, na dia mety ho diso matetika tokoa aza isika, manao fahadisoana, raha lazaina amin’ny teny fohy, manota, dia endrey fa manahirana antsika ery ny manaiky izany! Izao izay vady sy raim-pianakaviana, tsy mbola nahatratra ny tenanao nitady fanarian-dia ve ianao rehefa ho hiaiky ny fahadisoanao teo anatrehan’ny vadinao na ny zanakao? Raha ohatra ianao manao asa fiandraiketana, tsy manahirana anao mihitsy ve ny miaiky amin’ireo olom-pehezinao fa diso ianao? Raha ny marina dia zava-manahirana hitan’ny vehivavy koa io, ny ankizy, ny mpiasa ary ny olona avy amin’ny laharana hafa rehetra.

Inona no manakana antsika amin’izany?

Ny olombelona dia toa mirona ara-dalàna ho amin’ny fanamarinan-tena. Fony mbola zaza isika, dia sahirana aoka izany ireo ray aman-drenintsika nanao izay hampiaikena antsika rehefa nanao hadalana isika ka tsy maintsy niala tsiny. Rehefa lehibe isika dia mety hanaraka fihetsika mitovy amin’izany. Araka izany, ny sasany angamba dia hitady ny hanadio tena hatrany amin’ny fampiaikena tena fa tsy tena nanao ratsy akory izy ireo, amin’ny fitadiavana olon-kafa ho ilay tena diso na amin’ny fanilihana ilay fahadisoana amin’ny tarehin-javatra nitranga.

Ireo miantsoroka andraikitra dia toa sahirana kokoa miaiky ny fahadisoany. Inona no antony? Tsy isalasalana fa amin’ny tarehin-javatra maro dia heverina ho avy amin’ny fiavonavonana ny fihetsik’izy ireo. Angamba tokony miahy ny amin’izay mety hoheverin’ny hafa izy ireo? Tiany ny “hanao izay tsy hahafa-baraka”, araka ny filaza. Kanefa, eo ihany koa dia mety ho avy amin’ny fahatsiarovana ahiahy koa ny fanafenan-kevitr’izy ireo. Ny olona iray angamba dia hihevitra fa ho simba ny toerany raha miaiky fa diso izy.

Angamba misy olona miahotra miaiky ny fahadisoany, ankehitriny sy taloha, na mety ho vidin’izany amin’izy ireo. Araka izany, ny mpiasan-dalam-by anankiray dia nety ho nampitera-doza lehibe noho ny fanaovana tsirambina. Nefa raha manaiky izy fa nanao fahadisoana dia mety hamoy ny asany, eny, hiditra an-tranomaizina aza. Ny mpitsabo iray dia mety hotorina noho ny fahadisoana teo amin’ny asa. Raha miaiky ny fahadisoany izy dia mety ho lafo dia lafo aminy ny vidin’izany, ho azy sy ny fikambanam-piantohana azy.

Farany dia mety tsy hahita ireo zavatra amin’ny tena endriny ny olona anankiray. Marina tokoa fa mametraka izao fanontaniana izao ny Baiboly: “Raha ny fahatsontsana [fahadisoan-kevitra, MN], dia iza re no mahalala izany?” Ankoatr’izany, ny fontsika dia mety hamelona fihetseham-po izay hanakana antsika tsy hanaiky fa nanao fahadisoana isika. Eny, ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra (...). Iza no mahafantatra ny aminy?” — Salamo 19:12; Jeremia 17:9.

Vokany mampalahelo

Ny fijerena akaiky ireo tombontsoantsika dia mety hanosika antsika hanamarin-tena fa tsy hiaiky ny fahadisoantsika. Nefa na manao ahoana na manao ahoana fanjohian-kevitra, raha mandà ny hiaiky ny fahadisoantsika isika dia hiharan’ny vokatra mampalahelon’ny fihetsitsika. Ohatra, ny fifandraisantsika amin’ireo mpianakavintsika, ireo mpiara-miasa na mpiara-mivavaka amintsika dia mety hisy fihenjanana. Ambonin’izany, raha manao toy izany isika, dia na, hisedra mafy ny faharetan’ny hafa isika, na hamoy tsotra izao ny fanajany. Ankoatr’izany, dia hanangana, araka ny tokony ho marina, fefy izay hanakana ny fifandraisana.

Ny tena mbola loza kokoa, dia rehefa mandà ny hiaiky ny fahadisoantsika isika dia hanavesa-tena amin’ny fieritreretana tsy mandry, indrindra fa raha nisy olon-kafa voakina noho ny nataontsika. Ambonin’izany, raha miafina indray mandeha isika, dia mety hanao izany ho fahazarana. Rehefa nanda ny hiaiky ny fahadisoana kely isika, dia vetivety foana dia tsy ho afaka hiaiky lehibebe kokoa amin’izany, ka hahatonga ny fahaverezantsika izany. Noho izany, na dia amin’ny ota lehibe aza, ny fieritreretantsika dia mety ho simba, toy ny voapetaky ny vy mahamay (I Timoty 4:1, 2). Ambonin’izany, ny fitondrantenantsika dia tsy azo sorohina fa hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Mpamorona antsika.

Ohatra tamin’ny lasa

Raha ailitsika amin’ny hafa ny fahadisoana, mba tsy hiaikena ny fahadisoantsika, dia miditra amin’ny tarehin-javatra ratsy tokoa isika. Rehefa avy tsy nankato Adama, ilay lehilahy voalohany, dia nanome tsiny ‘ny vehivavy izay nomen’Andriamanitra azy’. Eva, teo andanin’izany, dia niampanga ny menarana. Na izany aza, tsy nanaiky ny fialan-tsinin’izy ireo Andriamanitra ary nitana azy roa ho tompon’andraikitra. Taty aoriana, Saoly mpanjaka dia tsy nanatanteraka tamin’ny fomba feno ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ireo Amalekita, vahoaka ratsy fanahy. Rehefa nampamoahina Saoly dia niampanga ny vahoakany. Kanefa dia tsy nanaiky ihany koa io fialan-tsiny io Andriamanitra. — Genesisy 3:12-19; I Samoela 15:15-23.

Mifanohitra amin’izany, ny Baiboly dia manome antsika koa ohatra manorina izay mampiseho fa tokony hiaiky ny fahadisoantsika isika. Aoka hotononintsika ny amin’i Joda izay tsy nitondra tena araka ny tokony ho nataony tamin’i Tamara, vinantovaviny nananotena. Rehefa niharihary fa nanana anaka taminy Tamara, dia niaiky Joda hoe: “Marina noho izaho izy.” (Genesisy 38:26). Na dia tao aza ny zavatra rehetra, dia nanana fahamendrehana niaiky ny fahadisoany izy fara faharatsiny.

Manana ny ohatr’i Davida mpanjaka koa isika. Nanandrana imbetsaka nanafina ny fahotana nataony tamin’i Batseba izy. Kanefa, teo anatrehan’ny mpaminany Natana, dia niaiky izy hoe: “Nanota tamin’i Jehovah aho.” (II Samoela 12:13). Eny, niaiky ny fahadisoany i Davida.

Vokatra tsara

Manana antony tokoa tokony hitadidiana ireny ohatra fahizay ireny isika ary hiaiky ny fahadisoantsika. Ankoatra ny zavatra hafa dia hanatsara ny fifandraisana mampifamatotra antsika amin’ny mpianakavintsika isika amin’izay. Ambonin’izany, dia hifankahazo kokoa amin’ireo lehibentsika isika, satria tsy hanararaotra ny faharetany. Zava-misy miharihary ny anambaran’ny Baiboly hoe: “Raha tezeran’ny mpanapaka hianao, aza miala amin’ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe”, eny, na dia fahotana tena lehibe aza. — Mpitoriteny 10:4.

Inona no hatao raha miantsoroka andraikitra isika? Izao: raha vonona ny hiaiky ny fahadisoantsika isika, dia hahazo ny fanajan’ireo eo ambany fahefantsika. Ambonin’izany, io fihetsika io dia hamela antsika handroso sy handresy ireo fahalementsika.

Zava-dehibe indrindra ny hitazonana fieritreretana tsara sy hamelomana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Hatramin’izao, raha nanao fahadisoana lehibe isika, dia aoka hanomboka hiaiky fa nanota. Amin’ny vavaka amin-kafanam-po, dia aoka isika hitalaho amin’ny Raintsika any an-danitra mba hamindra fo sy hamela heloka antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Salamo 103:10-14; I Jaona 2:1, 2). Aoka koa isika handray soa amin’ny fanampiana ara-panahy atolotra antsika (Jakoba 5:13-16). Izany no lalam-pahendrena, satria manambara ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” — Ohabolana 28:13.

Izay hanampy antsika handresy io fironana io

Miharihary fa mila fanampiana isika mba handresena io fironana tsy hiaiky ny fahadisoantsika io. Matetika tokoa ny fahaizana hatsikana dia hahasoa antsika, indrindra raha tsy lehibe loatra ny fahadisoantsika, raha tsy dia ratsy be loatra ny vokany. Indray andro ny vehivavy mpikarakara tokantrano tsara iray nitondra antontan-dovia dia tafintohina ary nandatsaka izany: vaky daholo ny zavatra rehetra! Nefa dia nikakakaka nihomehy izy, satria nihevitra fa tsy hitranga aminy mihitsy ny loza toy izany. Kanjo dia nitranga izany! Eny, ny fahaizana hatsikana dia hanakana antsika matetika mba tsy hihevitra ny tenantsika ho marina loatra, fihetsika izay mazàna loharanon’ny fankahalantsika ny hiaiky ny fahadisoantsika.

Ny fahitsiana sy fahaizana maka ny toeran’ny hafa dia tafiditra ihany koa. Raha toa ny sasantsasany manana zo hahafantatra fa nanao fahadisoana isika dia tokony ho vonona ny hiaiky izany isika. Ho marina indrindra izany rehefa misy olon-kafa mety ho voampanga eo amin’ny toerantsika sy hitondra faisana noho ny fahadisoantsika. Ny tenin’i Jesosy dia mihatra indrindra amin’ny tarehin-javatra toy izany: “Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.” — Lioka 6:31.

Ny fanetren-tena dia hanampy antsika koa hiaiky ny fahadisoantsika. Raha ny tena izy, ny fandavana ny hiaiky fahadisoana ve tsy manakaiky ny fihatsarambelatsihy? Nefa, na ny mpiavonavona na ny mpihatsaravelatsihy dia tsy afaka hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. — Ohabolana 21:4; Jakoba 3:17.

Ary farany, ny fifankazarana akaiky amin’i Jehovah dia hanosika antsika mihoatra noho ny zavatra rehetra hiaiky ny fahadisoantsika. Noho ny antony inona? Satria isika ho mora hamboraka aminy ny fanahiantsika sy ny fahadisoantsika rehetra amin’ny fivavahana aminy amim-panetren-tena. Noho izany, rehefa matanjaka isika noho ny fanohanany sy ny famindrampony, dia hanana “ny fiadanan’Andriamanitra” izay tsy manan-tsahala. — Filipiana 4:6, 7.

Manomboka izao, satria isika manao fahadisoana daholo, dia aoka isika hiaiky izany. Raha manana ny diso isika dia hiaiky izany amim-panetren-tena. Avy eo isika dia aoka hanao fiezahana manorina mba hihatsara, ho tombontsoantsika sy ho an’ny namantsika.

[Sary, pejy 29]

Niaiky toy izao i Davida: “Nanota tamin’i Jehovah aho.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara