Nahoana no Miaiky Fahadisoana?
IRAY tamin’ireo fifanojoana tsy mahazatra indrindra teo amin’ny tantara ara-tafika izy itỳ. Nisy solontena iray tsy nitam-piadiana nampiverin-dalana miaramila mafy fo 400 izay tapa-kevitra ny hamaly faty noho ny teny famingavingana natao. Rehefa avy nandre ny fiangavian’ny vehivavy feno fahasahiana iray monja ilay mpitarika ireo lehilahy ireo dia namela ilay anton-diany manokana.
I Davida, izay tonga mpanjakan’ny Isiraely tatỳ aoriana, io mpitarika io. Nihaino an’i Abigaila izy satria naniry hahazo sitraka tamin’Andriamanitra. Rehefa nasehon’io vehivavy io azy tamim-pahaiza-mandanjalanja fa hiafara amin’ny fandatsahan-dra ny fampiharana valifaty amin’i Nabala vadiny, dia nihiaka toy izao i Davida: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko andro-any. Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie hianao, izay niaro ahy andro-any tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra ary tsy hamaly ho an’ny tenako.” Velom-pankasitrahana i Davida noho ny nampiasan’Andriamanitra an’i Abigaila mba hisakana azy tsy hanao fahadisoana lehibe iray. — 1 Samoela 25:9-35.
Nanontany toy izao i Davida tao amin’ny salamo iray: “Ireo fahadisoana — iza no afaka manavaka azy?” (Salamo 19:12, NW ). Tahaka azy, dia mety tsy hahafantatra ireo fahadisoantsika isika raha tsy misy olona mampiseho azy ireo antsika. Amin’ny toe-javatra hafa, ireo vokany tsy mahafinaritra dia manery antsika hahatakatra fa diso isika, tsy nampiseho fahendrena na hatsaram-panahy.
Tsy antony tokony hampamoy fo
Na dia samy manao fahadisoana aza isika rehetra dia tsy antony tokony hampamoy fo izany. Nanao izao fanamarihana izao ilay diplomaty atao hoe Edward John Phelps: “Ny olona tsy manao fahadisoana mazàna dia tsy manao na inona na inona.” Ary hoy i Jakoba mpianatra kristiana: “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra.” (Jakoba 3:2). Hianatra hamindra kanefa tsy ho tafintohina na oviana na oviana ve ny zaza iray? Tsia, satria mianatra avy amin’ireo fahadisoany ny zaza ary manandrana hatrany mandra-pahatratrarany ny tsy fihilangilanana.
Mba hananana fiainana tsy mihilangilana, isika koa dia mila mianatra avy amin’ireo fahadisoantsika sy ny an’ny hafa. Koa satria ny Baiboly mitantara zavatra niseho teo amin’ny fiainan’ny olona maro izay ny toe-javatra nisy azy dia mitovy amin’ny antsika, dia afaka mahazo fanampiana isika mba hanalavirana ny fanaovana fahadisoana tahaka izay nataon’izy ireo. Inona àry no azontsika ianarana avy amin’ireo fahadisoana nataony?
Toetra tena lehibe ny fanetren-tena
Fianarana iray ny hoe tsy manameloka ireo rehetra manao fahadisoana Andriamanitra fa mitsara kosa ireo tsy manaiky hanitsy ny fahadisoany raha azo atao izany. Tsy nankato ny baikon’i Jehovah momba ny hamonoana ireo Amalekita i Saoly Mpanjakan’ny Isiraely. Rehefa nifanatrika tamin’i Samoela mpaminany i Saoly dia nanamaivana ilay raharaha aloha ary avy eo dia nanandrana nanome tsiny ny hafa. Niahy bebe kokoa ny amin’ny fietreny teo anoloan’ny olony izy, nihoatra noho ny fanitsiana ny hadisoany. Noho izany dia ‘nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka izy’. — 1 Samoela 15:20-23, 30.
Na dia nanao fahadisoana lehibe aza i Davida, ilay nandimby an’i Saoly, dia nahazo famelan-keloka izy noho ny nanekeny tamim-panetren-tena torohevitra sy fanitsiana. Nanosika an’i Davida hanaraka ny tenin’i Abigaila ny fanetren-tenany. Vonona ho amin’ny ady ny tafiny. Kanefa dia niaiky teo anatrehan’ireo i Davida fa nanao fanapahan-kevitra tsy tamim-piheverana izy. Nandritra ny fiainany, dia nanampy an’i Davida hitady famelan-keloka sy hanitsy ny diany ny fanetren-tena toy izany.
Ny fanetren-tena koa dia manosika an’ireo mpanompon’i Jehovah mba hanitsy ireo fanamarihana tsy voahevitra. Nandritra ny fihainoana iray teo anoloan’ny Synedriona, dia nanome baiko mba hanisiana tehamaina an’i Paoly ny mpisoronabe. Namaly tamin’ny feo henjana toy izao ilay apostoly: “Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy”. (Asan’ny Apostoly 23:3). Angamba noho ireo masony tsy nahita tsara, dia tsy nahalala i Paoly hoe iza ilay nitenenany mandra-panontanin’ireo teo akaikiny hoe: “Tevatevainao va ny mpisoronaben’Andriamanitra?” Tamin’izay dia niaiky ny fahadisoany avy hatrany i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: ‘Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao’ ”. (Asan’ny Apostoly 23:4, 5; Eksodosy 22:27). Eny, niaiky tamim-panetren-tena ny fahadisoany i Paoly.
Niaiky ny fahadisoany izy ireo
Mampiseho koa ny Baiboly fa nisy olona sasany nanova ny fomba fiheviny diso. Hevero, ohatra, ny amin’i Asafa mpanao salamo. Koa satria toa nambinina ireo ratsy fanahy, dia hoy izy: “Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko”. Tonga tamin’ny fisainana mazava anefa i Asafa rehefa avy tany an-tranon’i Jehovah ary nisaintsaina ny soa entin’ny fanompoam-pivavahana madio. Ary dia niaiky ny fahadisoany koa izy ao amin’ny Salamo faha-73.
I Jona koa dia namela ny fisainana diso hanamaloka ny fomba fijeriny zavatra. Rehefa avy nitory tany Ninive izy dia niahy ny amin’ny fanamarinana ny tenany fa tsy ny fitsimbinana ny mponina tao amin’ilay tanàna. Tezitra i Jona rehefa tsy nanafay ireo Ninivita i Jehovah na dia teo aza ny fibebahan’izy ireo. Nanitsy an’i Jona anefa Andriamanitra. Tonga tamin’ny fahatakarana izy fa diso ny fomba fijeriny zavatra satria milaza amim-pahatsorana ireo fahadisoany ilay boky mitondra ny anarany ao amin’ny Baiboly. — Jona 3:10–4:11.
Nihevitra tamim-pahadisoana i Joba fa i Jehovah Andriamanitra fa tsy i Satana Devoly no nahatonga ny fahoriany ary nanandrana nanaporofo izy fa tsy mendrika ny fijaliana nozakainy. Tsy fantany ny amin’ilay raharaha lehibe kokoa niadian-kevitra hoe: Hitoetra ho mahatoky eo anatrehany ve ireo mpanompon’Andriamanitra eo ambany fitsapana? (Joba 1:9-12). Rehefa avy nanampy an’i Joba hahita ny fahadisoany i Eliho, ary avy eo i Jehovah, dia niaiky toy izao izy: “Niteny aho, kanefa tsy nahatakatra (...) Izany no antony anaovako fiovan-kevitra, ary mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.” — Joba 42:3, 6, NW.
Manampy antsika hihazona fifandraisana tsara amin’Andriamanitra ny fiekentsika ny fahadisoantsika. Araka izay nasehon’ireo ohatra etsy aloha dia tsy hanameloka antsika noho ny fahadisoantsika Andriamanitra raha miaiky izany isika ary manao izay azontsika atao mba hanitsiana ny fisainana diso, ny teny tsy voahevitra na zavatra natao tsy tamim-piheverana. Ahoana no ahafahantsika mampihatra izany fahalalana izany?
Fanaovan-javatra mba hanarenana ny fahadisoantsika
Afaka manamafy ny fatoram-pianakaviana ny fiekena amim-panetren-tena ny fahadisoana iray sy ny fanaovan-javatra mba hanarenana izany. Ohatra, noho ny hasasarana na ny fahasorisorena, angamba, ny ray na ny reny iray dia mety ho somary henjana eo amin’ny fifehezana ny zanany. Ny tsy fetezana hanitsy izay fahadisoana izay dia mety hitondra vokany ratsy. Mifanaraka amin’izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” — Efesiana 6:4.
Izao no tsaroan’i Paul, tanora kristiana iray, amim-pihetseham-po: “Niala tsiny mandrakariva i Dada raha tsapany fa nanana fihetsika tafahoatra izy. Nanampy ahy hanaja azy izany.” Ny hoe ilaina na tsia ny fialan-tsiny amin’ny tarehin-javatra manokana iray dia zavatra miankina amin’ny fanapahan-kevitra manokana. Kanefa, ny fialan-tsiny dia tokony harahina ezaka amim-pahatsorana mba hanalavirana fahadisoana mitovy amin’izany amin’ny hoavy.
Ahoana raha nanao fahadisoana izay miteraka fahorian-tsaina ny lehilahy na ny vehivavy manambady iray? Hanampy mba hitanana ny fifandraisan’izy ireo feno fitiavana ny fiekena tsy miolakolaka sy ny fialan-tsiny feno fahatsorana ary ny toe-tsaina mahay mamela heloka. (Efesiana 5:33; Kolosiana 3:13). I Jesús lehilahy espaniola iray manana toetra henjankenjana ary eo amin’ny faha-50 taonany, dia tsy hoe miavonavona loatra ka tsy hiala tsiny amin’i Albina vadiny. “Manana fahazarana miala tsiny izahay rehefa manafintohina ny andaniny ilay ankilany”, hoy izy. “Izany dia manampy anay hifampizaka amim-pitiavana.”
Rehefa manao fahadisoana ny loholona iray
Hanampy koa an’ireo loholona kristiana mba hiara-miasa amim-piraisan-tsaina sy ‘hifanome voninahitra’ ny fiekena fahadisoana sy fialan-tsiny amim-pahatsorana. (Romana 12:10). Angamba tsy vonona hiaiky fahadisoana ny loholona iray noho ny tahotra sao manimba ny fahefany ao amin’ny kongregasiona izany. Kanefa ny fanandramana manamarina, na mody tsy mahalala na manamaivana fahadisoana dia azo inoana be lavitra fa hiteraka famoizany ny fatokian’ny hafa, eo amin’ny asa fiandraiketany. Ny rahalahy matotra iray izay miala tsiny amim-panetren-tena noho ny fanamarihana tsy voahevitra sasany angamba, dia mahazo ny fanajan’ny hafa.
Mahatadidy tarehin-javatra iray i Fernando, loholona any Espaina. Toy izao izany: Rehefa nitari-draharaha tao amin’ny fiaraha-mivory lehibe iray nataon’ny loholona ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray dia nanao filazana diso ny amin’ny fomba tokony hitarihana fivoriana. Rehefa nanitsy tamim-panajana feno izay vao nolazainy ny rahalahy iray dia niaiky avy hatrany ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany fa diso fiheverana izy. Hoy i Fernando nahatsiaro: “Rehefa hitako izy niaiky ny fahadisoany teo anoloan’ireo loholona rehetra ireo, dia nanohina ny foko tokoa izany. Nanaja azy bebe kokoa aho taorian’io fialan-tsiny io. Nampianatra ahy ny maha-zava-dehibe ny fiekena ireo fahadisoan’ny tenako ilay ohatra nomeny.”
Aoka ianao ho mailaka ny hiaiky fahadisoana
Ankasitrahana mazàna ny fialan-tsiny, indrindra raha atao haingana. Raha ny marina, dia arakaraka ny hiekentsika haingana ny fahadisoantsika no hahatsara zavatra kokoa. Mba hanazavana izany dia izao: Niaiky ny Papa Jean Paul II tamin’ny 31 Oktobra 1992 fa nanao zavatra “tamim-pahadisoana” ny Inquisition, 360 taona lasa izay tamin’ny fanasaziana an’i Galilée noho izy nanambara marimarina fa tsy ny tany akory no ivon’izao rehetra izao. Mety hampihena ny vidin’ilay fialan-tsiny anefa ny nampihemorana azy io ela be toy izany.
Marina tahaka izany koa ny amin’ny fifandraisana manokana. Afaka manasitrana fery nateraky ny teny na fanaoan-javatra tsy nampiseho hatsaram-panahy ny fialan-tsiny atao haingana. Nampirisika antsika tsy hangataka andro amin’ny famitranana fihavanana i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” (Matio 5:23, 24). Matetika ny famitranana fihavanana dia mitaky tsotra fotsiny fanekena fa nanao zavatra tamin’ny fomba diso isika ary mangataka famelan-keloka. Arakaraka ny hiandrasantsika ela mba hanaovana izany no hahatonga azy ho sarotra kokoa.
Sambatra satria miaiky fahadisoana
Araka ny ohatra ny amin’i Saoly sy i Davida dia misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika ny fomba hikarakarantsika ireo fahadisoantsika. Nikiry nanohitra torohevitra i Saoly, hany ka nihamaro ny fahadisoana nataony ary nahatratra ny fara tampony izany tamin’ny farany tamin’ny nahafatesany tao anatin’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. Kanefa na dia teo aza ireo fahadisoana sy fahotana nataon’i Davida, dia nibebaka ka nanaiky famaizana izy ary nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Salamo 32:3-5.) Tsy izany ve no faniriantsika?
Ny valisoa lehibe indrindran’ny fiekena sy ny fanitsiana fahadisoana na fibebahana noho ny fahotana dia ny fahafantarana fa navelan’Andriamanitra izany. “Sambatra ny olona izay (...) voasarona ny fahotany”, hoy i Davida. “Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka”. (Salamo 32:1, 2). Fahendrena toy inona tokoa àry ny miaiky fahadisoana!
[Sary, pejy 29]
Hianatra hamindra ve ny zaza iray kanefa tsy ho tafintohina na oviana na oviana?