Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Manompo tompo roa izy ireo
“Eo amin’ny fihaonan-dalana manelanelana an’Andriamanitra sy ny tafika ny “aumôniers’.” Araka ny New York Times, dia izany no nambaran’ny sivily iray tamin’ny faha-207 taona nitsingerenan’ny fikambanan’ny ‘aumôniers’ ao amin’ny tafika any Etazonia. Mazava ho azy fa ny zava-manahirana azy ireo dia ny hahafantarana hoe inona no lalana tokony hofidina, na, raha raisin any fitenenana nampiasain’ny ‘aumônier’ ao amin’ny tafika iray, dia izao: “Apetraka eo anoloan’izao tarehin-javatra izao isika: manana raharaha roa isika, ary tokony hotsaroantsika fa ilaintsika ny mihevitra azy ireo.”
Tany Vietnama, hoy ny fanazavan’ilay lahatsoratra, ny ‘aumôniers’ sasany dia “nanohana ny ady, ary nisy anankiray fara fahakeliny no nihoatra ny fitsipika mampisaraka ny olon’ny fandriampahalemana sy ny mpiady”. Ny ‘aumônier’ iray izay nandray anjara tamin’ireo ady dia nanambarana manokana toy izao: “Tsy nianiana tamin’Andriamanitra fa tsy hamono olona mihitsy aho.” Izao no teny nanampiny: “Izany no hany fomba hiarahana amin’ny andia-miaramilako. Nanao ny fisafidianako aho ary mivavaka mba ho ny tsara izany.”
Ny ‘aumônier’ hafa iray izay niasa tany Vietnama dia nanao izao fanamarihana izao: “Araka ny hitako, ny ‘aumônier’ dia tsy nanana fahasahiana mihitsy nilaza tamim-pahatsorana izay eritreretiny. Tokony hanontany tena toy izao isika: ‘Moa ve isika vonona ny hisetra loza amin’ny fampahafantarana ny tafika sy ny fitondram-panjakana amerikana fa ny ‘aumônier’ dia tokony hikarakara zava-manahirana amin’ny lafiny ara-pitondrantena sy ara-pitandremana?’” ‘Aumôniers’ maro no manontany tena mafy raha azony atao ny miaina mifanaraka amin’ny filamatra hoe Pro Deo et patria (Ho an’Andriamanitra sy ny tanindrazana).
Araka izany, raha raisina ny tenin’ny anankiray amin’izy ireo, ireo ‘aumôniers’ dia nandray ny toeran’ny “ondry manao fitafian’amboadia”. Raha ny marina, ny toe-draharaha mahasanganehana nanidian’izy ireo tena dia angamba hampahatsiahy ny mpamaky ny Baiboly sasany izao tenin’i Jesosy Kristy manaraka izao: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hohamavoiny.” — Matio 6:24.
Fahagagana sa fitaka?
Indray maraina nahafinaritra, raha namoha an’ireo varavaran’ny Eglizy lehibe Saint-Jean-de-Dieu any Grenade, any Espaina, ny pretra iray, dia nahita soritra ranomaso efatra nivolon-dra teo amin’ny tarehin’ny tsangambaton’ny Virijinin’ny Ranomaso ary mosara voapentina teny an-tanany. Niely haingana tsy nisy toy izany ilay vaovao, ary katolika nafana fo 130 000 tao an-tanàna no nirohotra ka niteraka fifanjevona goavana nanerana an’ilay tanàna.
Rehefa afaka ny herinandrom-pahatairana, dia nalefa tany Madrid ilay tsangambato mba hanaovana fandinihana ara-tsiansa. Inona no vokany? Fanginana nila ho tanteraka afa-tsy izao fanambarana fohy nataon’ny arsevekan’i Grenade izao: “Tsy misy na inona na inona mampiseho fa misy zavatra avy amin’ny hery tsy fantatra nitranga.”
Tonga teo anoloan’izao toe-draharaha mahasanganehana izao ireo manam-pahefana ara-pivavahana: Tokony hosasan’ny Eglizy ve ilay tsangambato ka haverina eo amin’ny toerany amin’ny fisetrana ny tsy fahalianan’ny mpiangona ao aminy, sa tokony tsy hoheveriny ireo fanatsoahan-kevitra ara-tsiansa ka havelany hanjaka ny angano? Toa noheverina fa tsaratsara kokoa ny nilazana fa tsy nisy na inona na inona avy amin’ny hery tsy hita tamin’izany.
Izany anefa tsy nanova firy ny fihetsiky ny mponin’i Grenade maro. Na fahagagana na tsy fahagagana, dia tonga foana ireo hanolotra voninkazo sy hanonona vavaka eo anoloan’ny lavaka nisy an’ilay tsangambato efa foana izao. Nefa moa ve ny Tenin’Andriamanitra miantoka izany karazam-pankamasinana an-jamba izany? Azo fa tsia. Mifanohitra lavitra amin’izany fa manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Mandosira ny fanompoan-tsampy.” — I Korintiana 10:14.
Fanamboarana ny Baiboly
Rudolph Gelsey, minisitra onitariana any Detroit, any Etazonia, dia nanamboatra ny sasany tamin’ireo fitantarana mahazatra ao amin’ny Baiboly. Raha inoana ny voalazan’ny bokin’i Gisley (Imagine a New Bible). Tsy namono an’i Abela akory i Kaina, nomen-dalana hijanona tao Edena Adama sy Eva, ary tamin’ny farany Davida dia nifandray tanana tamin’i Goliata.
Nahoana no misy fanovana toy izany? Moa ve ny zava-kendren’ny fivavahana tsy ny hitarihana ny olona hieritreritra amin’ny fomba manorina, handinika ny fiainana mba handaminana ireo zava-manahirana?”, hoy ny fanontanian’i Gelsey. Ohatra, heveriny fa ny fitantarana ny amin’i Kaina sy Abela dia mampianatra “fankalazana ny fifandrafian’ny mpirahalahy sy fanapahana ny tsy fifanarahana amin’ny alalan’ny herisetra”. Koa tiany ny “hanolotra modely hafa, angano hafa” amin’ny fanamboarana io karazam-pitantarana io. Mba hanamarinana ny fitarihan-keviny, dia manizingizina toy izao i Gelsey: “Raha nosoratana amin’izao andro izao ny Baiboly, dia azo antenaina tokoa fa hifidy lalana hafa [ireo] mpanoratra.”
Na ahoana na ahoana, raha toa ny Baiboly ka nosoratan’olona nanam-pikasana ny hampiseho ny fiheverany manokana, dia azo antoka fa tsy ho io boky io intsony izy, marina izany. Soa ihany ho antsika anefa fa ‘ny soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra’. Toy izany no hevitry ny apostoly Paoly izay manohy amin’izao fampitandremana izao: “Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; (...) ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.” — II Timoty 3:16; 4:3, 4.