Momba antsika ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”
“Isaorana anie “Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampiofana anay amin’ny fahorianay rehetra.”—II KORINTIANA 1:3, 4.
1, 2. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny II Korintiana 1:3-7, raha ny amin’ny fampiononana ao anatin’ny fahoriana?
JEHOVAH dia “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. Fantatry ny apostoly Paoly izany satria efa tsapany. Koa namporisika an’ireo rahalahiny kristiana izy tamin’ny filazana taminy izao teny mampahery izao:
2 “Isaorana anie Andriamanitra (...) Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra (...). Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy ho famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin’ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’izay entinay. Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.” — II Korintiana 1:3-7.
3. a) Ahoana no nahalalan’i Paoly fa Jehovah no “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”? b) Inona moa no mampionona antsika sy mamporisika antsika hiaritra fahoriana?
3 Fantatr’i Paoly tsara fa Jehovah dia “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. Ny tenany koa aza dia nampiononin’ny Rainy any an-danitra ary nandray soa tamin’ny fangoraham-pony tamim-pitiavana rehefa nijaly “noho ny fahamarinana” izy. (Jereo Matio 5:10.) Afaka nampionona ny hafa àry izy ka namporisika azy ireny hiaritra fahoriana. Tsy isalasalana mihitsy fa tamin’ny oha-pahatokiana nomeny sy ny asany mampiseho ny fitokisany an’i Jehovah, ny vavolombelona kristian’i Jehovah izay niaritra fahoriana dia fampaherezana ho an’ireo rahalahiny mpino izay amporisihiny tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra. Raha ny amin’ny fiaretana fahoriana dia tena ohatra tokoa Paoly.
Fanambarana fiaretana amim-pahatokiana
4, 5. a) Oviana moa i Paoly no nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana? b) Tamin’ny lafiny inona moa i Paoly no nitovy tamin’ireo “Apostoly ambony indrindra” tany Korinto, ary tamin’ny lafiny inona avy izy no ambony noho izy ireo?
4 Tany amin’ny 55 amin’ny fanisan-taona iraisana, Paoly dia nanoratra ny taratasiny ara-tsindrimandry faharoa ho an’ny kristiana tany Korinto. Tao amin’io tanàna io izy dia tsy maintsy niharan’ny fanoheran’ireo izay nantsoiny tamim-panarabiana hoe “Apostoly ambony indrindra”. Niaro tamin-kerim-po ny maha-apostoly azy izy, tsy noho ny tombontsoan’ny tenany, fa “ho an’Andriamanitra”, izany hoe mba hiarovana ny kongregasiona izay an’i Jehovah (II Korintiana 11:5, 12-14; 12:11; 5:12, 13). Nasehon’ilay apostoly fa raha tetezina ny firazanana dia nitovy tamin’ireo fahavalony izy, avy eo dia nohazavainy fa ambony noho izy ireo izy raha ny amin’ny asa, ny fiaretana fahoriana, ny dia natao, ny loza sy ny fahasahiranana tamin’ny naha-‘minisitr’i Kristy’. Izao no nosoratany:
5 “Mpanompon’i Kristy va izy [ireo fahavalony]? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ny fisasarana manan-tombo, amin’ny trano-maizina matetika kokoa, amin’ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ny fahafatesana matetika. Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin’ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ny lalina, nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ny ony, saika nahita loza tamin’ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ny ranomasina aho, saika nahita loza tamin’ny rahalahy sandoka aho, tamin’ny fisasarana sy ny fikelezan-aina, tamin’ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana.” — II Korintiana 11:21-27.
6. a) Aiza no ahitantsika ny fitantarana ny sasany amin’ireo zava-niseho teo amin’ny fiainana kristian’i Paoly talohan’ny nanoratany ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana? b) Inona avy no soa raisintsika amin’ny fiheverana ny fiaretany amim-pahatokiana?
6 Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly (9:3 ka hatramin’ny 20:4) ao amin’ny Baiboly dia mitantara ny sasany amin’ireo fisehoan-javatra kely teo amin’ny fiainan’i Paoly voatonona eo aloha izay nitranga teo anelanelan’ny fotoana nahatongavany ho kristiana sy ny nanoratana ny taratasy faharoa ho an’ny Korintiana. Aoka hodinihintsika izao izany fanambarana ny amin’ny fiaretana tamim-pahatokiana izany. Tsy isalasalana mihitsy fa izany dia hampahery antsika hizaka fahoriana, satria matoky fa momba antsika ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”.
‘Amin’ny fisasarana sy ny trano-maizina manan-tombo’
7. a) Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nanoratra izy hoe: “amin’ny fisasarana manan-tombo.” b) Araka ny teny nataony tamin’ireo loholona tany Efesosy, ahoana no nanatontosan’i Paoly ny fanompoany? d) Inona no nanosika azy handany hery ho an’ny vaovao tsara sy ny tombontsoan’ilay Fanjakana?
7 Amin’ny fisasarana [asa, MN] manan-tombo: Tamin’ny naha-mpitory ny “vaovao tsara” azy, Paoly dia ‘niasa nihoatra’ noho ireo fahavalony (II Korintiana 11:23, Testamenta Vaovao amin’ny teny frantsay mahazatra). Mazava ho azy fa nanomboka nitory hatramin’ny ela be kokoa noho izy ireo izy ary matetika no tany amin’ny faritany sarotra. Ohatra, tany Efesosy, foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’ilay andriamani-bavin’ny mpanompo sampy atao hoe Artemisy izay nandrahonan’ny vahoaka azy, dia nanao fiezahana lehibe i Paoly mba hanompoana ireo rahalahiny mpino, ary sarotra dia sarotra tokoa aza izany indraindray. Niteraka vokatra ara-panahy tsara anefa izany. Taty aoriana izy dia afaka nilaza tamin’ireo “loholona” tao amin’ny kongregasionan’i Efesosy hoe: “Ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-tano; ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Asa. 20:17, 20, 21, 31; 19:1-41). Araka izany àry, talohan’ny nahatongavan’ireny lehilahy ireny, loholona izao, ho kristiana, ny apostoly Paoly dia nampianatra azy ireo ny fahamarinana fototra amin’ny kristianisma tamin’ny fitoriana “isan-trano”. Ny asan’ny Tenin’i Jehovah sy ny fanahy masina teo amin’ny fon’i Paoly no nanosika azy hiasa mafy tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara sy ny fiarovana ny tombontsoan’ny Fanjakana (Isaia 61:1, 2; Romana 10:8-10). Tamin’ny asa nampiseho zotom-po, ilay apostoly dia namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny kristiana amin’izao taonjato faha-20 izao.
8. a) Nahoana moa i Paoly no afaka nilaza fa ‘matetika kokoa izy no tany an-tranomaizina’ noho ireo “Apostoly ambony indrindra”? b) Taiza moa Paoly sy Silasy no tsy isalasalana mihitsy fa nanovo fampiononana fony izy natao an-tranomaizina tany Filipy, ary inona no nataon’izy ireo taorian’ny nanafahana azy rehefa avy nisy horohorontany? d) Inona moa no fampaherezana azo tsoahina avy amin’ny fanagadrana an’i Paoly tany Filipy?
8 Amin’ny trano-maizina matetika kokoa: Clément avy any Roma, izay nanoratra tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nilaza fa imbetsaka i Paoly no natao an-tranomaizina. Talohan’ny nanoratana ny taratasy faharoa ho an’ny Korintiana, dia efa tao an-tranomaizina matetika kokoa noho ireo “Apostoly ambony indrindra” i Paoly. Ny fitantarana ao amin’ny Asa dia milaza amintsika ny anankiray monja tamin’ireny fanaovana an-tranomaizina ireny, tany Filipy, tanàna any Makedonia. Miharihary tokoa fa sambatra i Paoly sy Silasy nijaly “noho ny fahamarinana” satria tao an-tranomaizina izy dia nivavaka tamin’Andriamanitra sy nihira fiderana azy. Nanovo fampiononana izy ireo tamin’ny fandinihana ny Soratra Masina sy noho ny fananana toky fa nihaino sy namaly ny vavaka nataon’izy ireo Andriamanitra (Salamo 65:2; 119:52). Rehefa nafahana tamin’ny alalan’ny horohorontany izy ireo dia tsy nandositra avy hatrany. Tsia, “nitory ny tenin’ny Tompo [Jehovah, MN] taminy [tamin’ny mpiambina ny tranomaizina] sy tamin’izay rehetra tao an-tranony” izy ireo. Inona no vokany? Tonga kristiana ilay mpiambina ny tranomaizina sy ny ankohonany (Asa. 16:16-40). Io fitantarana io dia mamporisika ny Vavolombelon’i Jehovah atao an-tranomaizina amin’izao andro izao, mba hanaiky ny fanenjehana amim-pifaliana mampiseho fitiavam-pivavahana, hivavaka amin’Andriamanitra, hisaintsaina ny Teniny sy hiresaka ny aminy amim-pahasahiana. — Asa. 4:29-31.
Tsy kivy noho ny kapoka sy ny fandrahonan’ny fahafatesana
9. Inona moa no tiana holazaina amin’ny hoe “amin’ny kapoka be efa izay tsy izy”?
9 Amin’ny kapoka be efa izay tsy izy: Matetika tokoa i Paoly no nokapohina. Voasoratra fa matetika izy no nanakaiky ny “fahafatesana”. (Andininy faha-23.) Mety hilaza izany fa nokapohina tamin-kalozana izy indraindray, azo lazaina hoe nokapohina nila ho faty.
10. a) Oviana moa i Paoly no “saiky maty”? b) Inona moa no azo inoana fa nanohana ilay apostoly tamin’izany fotoana izany?
10 Amin’ny fahafatesana matetika [matetika no saiky maty, MN]: Tsy hoe tsy maintsy noho ny kapoka ihany no nahatonga izany. Eo aloha kely, ao amin’io taratasy io ihany, dia nilaza toy izao i Paoly: “Mitondra ny fahafatesan’i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tena izahay.” (II Korintiana 4:10, 11). Notandindomin-doza ny fiainan’ilay apostoly tany Damaskosy, tany Antiokia any Pisidia, tany Ikonioma, tany Tesalonika sy tany Beria, ary noratraina sy nilaozana satria noheverina fa efa maty mihitsy aza izy tany Lystra (Asa. 9:23-25; 13:49-51; 14:1-6, 19, 20; 17:1, 5-9, 13, 14). Raha ny marina, dia angamba nandrahona azy koa ny fahafatesana tao anatin’ny faritry ny lalao romana, satria nilaza izy fa ‘niady tamin’ny bibi-dia tany Efesosy’. (I Korintiana 15:32; jereo Asa. 19:23-41; II Korintiana 1:8-11.) Noho izy nahita loza matetika tokoa, dia tsy isalasalana fa afaka nanoratra toy izao ilay apostoly: “Misetra fahafatesana isan’andro aho.” (I Korintiana 15:31, MN). Tsy isalasana mihitsy fa ny fanahy masin’i Jehovah sy ny finoany an’ireo fampanantenan’Andriamanitra sarobidy no nanampy sy nanohana an’ilay apostoly rehefa “saiky maty” toy izany izy matetika. — II Korintiana 1:20-22.
11. Karazan-kapoka nanao ahoana moa no azon’i Paoly tamin’ny Jiosy?
11 Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy: Nilaza i Paoly eo fa indimy izy no nokapohin’ny Jiosy “noho ny fahamarinana”, angamba tao amin’ireo synagogany (andininy faha-24; Matio 10:17): Ny lalàn’i Mosesy dia nilaza sazy tamin’ny endriky ny kapoka tamin’ny hazo na tsorakazo, ka ireo mpitsara no nametra ny isan’ny kapoka, arakaraka ny fahadisoana natao. Noho ny fahamoram-panahy anefa, ny sazy dia noferana ho kapoka efapolo,, ka nahenan’ny Jiosy ho sivy amby telopolo izany mba tsy hihoarana noho ny fahadisoana, ny fetra voalazan’ny lalàna (Deoteronomia 25:1-3). Nampanaintaina tokoa io fomba fitsaboana io, nefa ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” dia nanome ho an’i Paoly ny hery ilaina mba hiaretana izany sy tsy hivadihana hatrany.
12. Karazam-pitondrana nanao ahoana moa no azo inoana fa nasian’ilay apostoly fitenenana rehefa nilaza izy hoe: “Intelo nokapohina tamin’ny hazo aho.” b) Inona no hanampy antsika hiaritra ny famelezana “noho ny fahamarinana”?
12 Intelo nokapohina tamin’ny hazo aho: Azo inoana fa izany dia fotoana telo nikapohan’ny manamboninahitra romana mafy an’i Paoly tamin’ny tsorakazo (andininy faha-25). Nokapohina tamin’ny tsorakazo ilay voa rehefa avy nesorina ny fitafiany ivelany. Araka ny lalàna, Paoly izay olom-pirenena romana dia tsy tokony ho nokapohina tamin’ny tsorakazo. Nefa, izy sy Silasy dia “nokapohina mafy dia mafy” talohan’ny nampidirana azy an-tranomaizina tany Filipy noho izy nitory ny vaovao tsara (Asa. 16:19-24, 33, 35-400. Nety ho tena nampiseho halozana tokoa izany fitondrana izany, nefa noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, dia niaritra izany tamim-pahatokiana i Paoly “noho ny fahamarinana”. Amin’izao androntsika izao, dia kristiana maro izay nandray soa tamin’ny fanohanan’Andriamanitra toy izany no tsy nivadika hatrany tamin’i Jehovah na dia tao aza izany karazam-pitondrana izany.
13. Taiza i Paoly no notoraham-bato, ary moa ve izany namarana ny fanompoany?
13 Indray maka notoraham-bato: Tany Lystra, dia nisy Jiosy nirehitra fatratra “nitora-bato an’i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy”. Miharihary tokoa fa ny fikasan’izy ireo dia ny hitora-bato azy ho faty (jereo Levitikosy 20:2; Asa. 7:58-60). “Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna.” Ny ampitson’iny ihany dia nanohy ny diany misionera izy. — Asa. 14:19-22.
Fahavakian-tsambo sy loza teny an-dranomasina
14. Firy ny fahavakian-tsambo notononin’i Paoly, ary moa ve izany nanosika azy hitsahatra tsy handeha noho ny vaovao tsara?
14 Intelo no vaky sambo: Ny bokin’ny Asan’ny apostoly dia tsy mitantara amintsika afa-tsy fahavakian-tsambo indray mandeha monja, izay nitranga taorian’ny nanoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana, fony izy nankany Roma (Asa. Toko faha-27). Talohan’izany anefa ilay apostoly dia nandeha an-dranomasina matetika, ary tsy nahalana ny fahavakian-tsambo nanaraka ny moron-tsiraka. Noho izany, na dia tsy manome antsika fanazavana mihitsy aza ny Soratra masina ny amin’ireo fahavakian-tsambo telo noresahin’i Paoly, dia miharihary fa ny loza nosetrainy rehefa nahita an’i Mediterane izy dia tsy nanosika azy hanafohy ny diany izay nahatonga azy ho afaka ny hitory ny vaovao tsara.
15. a) Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ireto teny ireto: “Indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ny lalana.” b) Ahoana no nanampian’ilay Andriamanitry ny fampiononana rehetra” an’i Paoly tao anatin’izany toe-javatra izany, ary tokony hanome antoka inona antsika izany?
15 Indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ny lalina: Miharihary fa tsy nilaza akory ilay apostoly hoe tafita velona tamin’ny fomba mahagaga izy rehefa nivahiny efatra amby roapolo ora tao amin’ny lalina amin’ny ranomasina. Nefa tamin’ny naha-vaky sambo azy, dia angamba izy tao anatin’ny loza nandritra ny ora maro ka nilomano tamim-pahasahiranana teo afovoan’ny onja na nifikitra tamin’ny sila-kazo na tamin’ny potipotik’ilay sambo vaky. Na dia teo ambony zahatra aza izy, izany tarehin-javatra nampitebiteby izany (izay tsy voatonona na aiza na aiza ao amin’ny Soratra masina) dia nitaky fikirizana sy herim-po avy amin’i Paoly talohan’ny nahafahany nahatratra ny moron-tsiraka na nisian’ny namonjy. Paoly dia ‘nitaraina tamin’i Jehovah raha ory, ka nampiala azy tamin’ny fahatereny rehetra’. (Jereo Salamo 107:23-31.) Afaka mihaino ny vavaka ataontsika koa ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”.—Jereo I Jaona 5:13-15.
Tsy hoe tsy misy na oviana na oviana ny fampiononana avy amin’Andriamanitra
16, 17. Nahoana isika no afaka milaza fa tsy hay tombanana ny fanampian’ny fanahiny masina rehefa mijaly “noho ny fahamarinana” isika?
16 Voamaritsika ny loharanom-pampiononana sasany izay nanampy an’i Paoly tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah na dia ao aza ireo fahoriana. Mendrika ny hosoritana izany, satria hanampy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao hiaritra fahoriana “noho ny fahamarinana”.
17 Ny fanampian’ny fanahy masin’i Jehovah dia tsy hay tombanana. Tokony hivavaka isika mba handraisana izany fanahy izany, hanekena ny fitarihany sy hanehoana ny vokany, indrindra fa rehefa ao anatin’ny fahoriana isika (Lioka 11:13; Salamo 143:10; Galatiana 5:22, 23). Rehefa miasa eo amin’ny fontsika ny fanahin’i Jehovah dia mahatonga antsika hahatsapa ny fitiavany, dia fanomezan-toky mampahery izay manampy antsika hiaritra fahoriana. — Romana 5:3-5; 8:35-39; II Tesaloniana 3:5.
18. Rehefa iharam-pahoriana isika satria kristiana, ahoana no mety hampiononan’ny finoana ny fampanantenana mahatalanjon’Andriamanitra antsika?
18 Ny finoana an’ireo fampanantenan’Andriamanitra sarobidy voambara ao amin’ny Soratra masina dia mitondra fampiononana ho antsika koa (Romana 15:4). Tadidio fa “naharitra ny hazo fijaliana [Jesosy Kristy] (...) mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany”. (Hebreo 12:1, 2.) Na dia “saiky maty” aza isika, dia manana ny fanantenana mahatalanjona ny fananganana ny maty sy ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra, any an-danitra na eto an-tany (Matio 10:28; Lioka 23:43, MN; Jaona 5:28, 29; 17:3; I Korintiana 15:53; II Jaona 5:28, 29; 17:3; I Korintiana 15:53; II Petera 3:13). Inona moa izay fahoriana ‘vetivety foana sy maivana’ rehefa mahatsinjo ny mandrakizay isika? — II Korintiana 4:16-18.
19. Ahoana no ampiononan’ny vavaka antsika ao anatin’ny fahoriana?
19 Ny fiadanan-tsaina sy ny hery izay omen’Andriamanitra antsika ho valin’ny vavaka ataontsika dia loharanom-pampiononana lehibe mandritra ny fahoriana (jereo Lioka 22:32; Asa. 4:23-31; Jakoba 5:16-18). Jesosy dia nanao hataka sy fitalahoana tamin’i Jehovah “Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana (...) sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra”. Jehovah tokoa dia naniraka anjely iray izay nanatanjaka an’i Jesosy tamin’ny fotoana nitsapana azy (Hebreo 5:7; Lioka 22:43). Tsy isalasalana mihitsy fa mahazo fiononana isika ao anatin’ny fahoriana rehefa mahatsapa fa-mihaino ny vavaka ataontsika Jehovah.
20. Inona moa no zava-niseho hafa teo amin’ny fiainan’i Paoly mampiseho fa nihoatra noho ireo “Apostoly ambony indrindra” tany Korinto izy, hodinihintsika manaraka?
20 Raha miezaka amim-pahatsorana hiaritra amim-pahatokiana isika amin’ny maha-vavolombelona kristian’i Jehovah, dia homba antsika ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” toy ny naha-izany azy tamin’ny apostoly Paoly. Hatreo isika dia nijery ny asa sy ny fahorian’i Paoly. Nefa ny fiarovan-tenany mba hampisehoana fa ‘minisitr’i Kristy’ tokoa izy dia mampiharihary koa fa nihoatra noho ireo “Apostoly ambony indrindra” tany Korinto izy tamin’ny dia, ny loza sy ny fahasahiranana. Inona no azontsika ianarana amin’izany zava-niseho niainan’i Paoly izany?
Tadidinao ve izany?
◻ Nahoana moa no fantatr’i Paoly fa Jehovah no “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”?
◻ Ahoana no mety hahatonga ny kristiana izay niaritra fahoriana ho fampaherezana ho an’ireo rahalahiny mba tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah?
◻ Inona moa no asa tafiditra ao amin’ireo “fisasarana” ‘nanam-tombo’ ny nanaovan’ilay apostoly azy?
◻ Inona avy no soa mety ho azo amin’ny fieritreretana ny fanaovana an-tranomaizina an’i Paoly?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy moa no itondran’i Jehovah Andriamanitra ho antsika, fampiononana izay misy foana?
[Sary, pejy 13]
Matetika i Paoly no natao an-tranomaizina, ohatra, tany Filipy niaraka tamin’i Silasy.