Afaka ‘miaritra hatramin’ny farany’ isika
“Izay miaritra amim-paharetana hatramin’ny farany no hovonjena.”—MATIO 24:13, THE EMPHATIC DIAGLOTT.
1. a) Mety ho inona moa ho an’ny tsirairay avy amintsika raisina manokana ny “farany” noresahin’i Jesosy, araka ny Matio 24:13? b) Inona moa no tena ilaina raha tiantsika ny ho voavonjy?
JESOSY KRISTY, tao amin’ny faminaniany lehibe ny amin’ny ‘fanatrehany’, dia nanonona izao teny izao izay mamelona ny Fanantenana: “Izay ho niaritra hatramin’ny farany, dia izy no hovonjena.” (Matio 24:3, 13, MN). Ho an’ny tsirairay avy amintsika raisina mitokana, “ny farany” ‘dia mety ho “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”, na ny fahafatesana, mety ho rehefa avy nosedraina mafy sy maharitra. Na ahoana na ahoana, mba hahazoana ny famonjena amin’ny farany, dia ilaina ny fiaretana amim-pahatokiana. — 1 Petera 1:8, 9.
2, 3. a) Nahoana moa no afaka matoky isika fa azo atao ny ho voavonjy na dia ao aza ny tsy fahatanterahana? b) Inona no hodinihintsika izao?
2 Namela oha-piaretana tonga lafatra i Jesosy (Hebreo 12:1-3). Nefa na dia tsy tanteraka aza isika dia afaka ny tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra na dia ao aza ny fahoriana sy fanenjehana mafy “noho ny fahamarinana”. (Matio 5:10.) Eny, noho ny fankasitrahan’i Jehovah an’izay tsy mendrika akory,dia mety hahatratra ny famonjena ho amin’ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany malala. — Jaona 3:16; 1 Jaona 2:1, 2.
3 Ny apostoly Paoly izay tsy tanteraka koa, dia nanome antsika oha-piaretana tsara izay mitarika ho amin’ny famonjena. Ny fandinihana ny fiarovan-tenany voasoratra ao amin’ny II Korintiana 11:23-27 dia nampahafantatra antsika fa tao anatin’ny asa sy ny fahoriana izy dia ‘minisitr’Andriamanitra’ “tamin’ny fomba miavaka kokoa” noho ireo “Apostoly ambony indrindra” tany Korinto. Araka ny ho hitantsika, dia nihoatra azy ireo koa izy tamin’ny naha-‘minisitr’i Kristy’ tamin’ireo dia nataony, tamin’ny loza sy tamin’izao karazam-pahasahiranana rehetra izao.
Dia nampidi-doza mba hampielezana ny vaovao tsara
4. Fandehanana inona moa no noresahin’i Paoly rehefa nilaza izy hoe:”Nandeha matetika aho.”
4 Nandeha matetika aho: Mba hanambarana ny vaovao tsara, Paoly dia nandeha matetika, matetika lavitra noho ireo mpanohitra azy tany Korinto (andininy faha-23, 26). Miharihary fa nisetra loza niarahan’izay rehetra nandeha teo amin’izao tontolo izao romana nahita izy. Lava dia lava sy faran’izay nanahirana anefa ny diany manokana. Araka izany, ny diany dia nitarika azy ho any amin’ny tanàna toa an’i Antiokia any Pisidia, Ikonioma, Lystra, Derbe, Filipy, Tesalonika, Beria, Atena sy Korinto. — Asa. 13:14 ka hatramin’ny 14:26; 16:11 ka hatramin’ny 18:17.
5. Nahoana moa no nisedra sy nampidi-doza indrindra ireo dian’i Paoly, ary ahoana no nahafahany nizaka izany dia mafy dia mafy izany?
5 Nisedra sy nampidi-doza kokoa ihany ny dian’i Paoly satria izy ‘nankahalaina noho ny anaran’i Kristy’. (Matio 10:22.) Nomen’i Jehovah azy anefa ny tanjaka sy herim-po nilaina mba hahazakana ny fandehanany nanahirana toy izany (Isaia 40:28-31). Ilay apostoly, izay minisitra narisika tokoa, dia tsy isalasalana fa ohatra tsara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao izay miaro ny tombontsoan’ilay Fanjakana. — Matio 6:33.
Fiaretana amim-pahatokiana na dia ao aza ny loza
6. “Loza tamin’ny ony” inona moa no nety ho nasian’ny apostoly Paoly fitenenana?
6 Saiky nahita loza tamin’ny ony. Koa satria azo lazaina hoe vitsy ny tetezana tamin’izany, dia tsy maintsy ho nanao vy very ny ainy matetika i Paoly tamin’ny fitana an-tongotra ony nisondrotra. Ohatra, tamin’ny dia misionera nataony voalohany, na nandroso na niverina, Paoly dia namakivaky an’i Pisidia nisy iraka nampidi-doza tokoa nivarina namakivaky ny tendrombohitra (Asa. 13:13; 14:21, 24). Ireo Vavolombelon’i Jehovah, — ary indrindra fa ireo misionera sy minisitra hafa manompo any amin’ny faritra mitokana, — dia afaka ny hahazo fampaherezana noho ny fiaretana nasehon’i Paoly tamin’ny toe-javatra niseho toy izany.
7. a) “Loza tamin’ny jiolahy” inona moa no tsy maintsy nosetrain’i Paoly? b) Ahoana moa amin’izao andro izao no azon’ny Vavolombelona iaretana fitsapana toy izany?
7 Saiky nahita loza tamin’ny jiolahy: Ny fanazavana ny amin’ny Samaritana tsara fanahy nomen’i Jesosy dia mampiseho fa tamin’ny taonjato voalohany ny mpandeha iray dia nety ‘ho azon’ny jiolahy, hendahany, hokapohiny ary hilaozany rehefa saiky maty’. (Lioka 10:25-37). Fahita tany amin’ny faritra maro novakivakin’i Paoly ny fisian’ny jiolahy. Ohatra, mba hankanesana avy eo Perga ho any Antiokia any Pisidia, any avaratra kokoa, Paoly sy Barnabasy dia namakivaky faritra be tendrombohitra iray feno jiolahy (Asa. 13:13, 14). Ireny mpanao heloka mampidi-doza ireny dia nanotrika an’ireo olona voany tao amin’ny faritra foana ary tsy nisalasala nampiasa herisetra. Nety ho notafihin’ny jiolahy toy izany i Paoly. Amin’izao androntsika izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mety horahonan’ny loza toy izany ka hila ny haneho fahamalinana. Sahala amin’i Paoly anefa, dia azon’izy ireo atao ny miaritra amim-pahatokiana sy tsy ho resin’ny tahotra, amin’ny fianteherana amin’ny fiarovan’i Jehovah. — Jereo Salamo 56:4.
8. Nahoana moa ireo mpiray firenena taminy jiosy no nankahala an’i Paoly sy nitady hamono hahafaty azy mihitsy aza?
8 Saiky nahita loza tamin’ny tompon-tany namako: Paoly dia nitory Mesia iray nohomboana tamin’ny hazo, avy eo dia natsangana tamin’ny maty, izay nolavin’ny ankamaroan’ireo mpiray tanindrazana taminy (I Korintiana 1:22-24; 2:2). Ambonin’izany, dia nampianariny fa ny olona iray dia nambara fa marina, tsy noho ny asan’ny Lalàn’i Mosesy, fa noho ny finoany an’i Jesosy Kristy (Romana 3:20; 5:18-21; 6:14). Nihevitra an’i Paoly ho mpivadi-pinoana àry ny Jiosy; nankahala azy izy ireo, nikapoka azy ary nitady hamono azy mihitsy aza (Asa. 9:23-25). Toa tezitra koa ireo iray firazanana taminy noho izy nahazo hanaraka ny kristianisma, Jentilisa, na olona avy amin’ireo firenena, izay notadiavin’ny tenan’izy ireo hatao mpanaraka ny fivavahany koa. — Matio 23:15; Asa. 17:1-10.
9. “Loza tamin’ny jentilisa” inona no nosetrain’ilay apostoly, ary moa ve izany nanosika azy hangina?
9 Saiky nahita loza tamin’ny jentilisa: Nanenjika an’i Paoly koa ny Jentilisa (Asa. 19:11-41). Raha ny marina ireo Jiosy fahavalon’ilay apostoly indraindray dia nanosika ny tsy Jiosy hamely mafy azy (Asa. 14:1-7, 19, 20). Nefa ireny loza avy amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa ireny dia tsy afaka nampangina mihitsy an’io mpitory ilay Fanjakana be herim-po io. Toy izany koa, ny vavolombelona kristian’i Jehovah dia mitory amin’izao andro izao na dia ao aza ny fanenjehan’ny iray fiaviana amin’ny sy ny hafa koa. — Asa. 17:30; jereo Salamo 59:1-4.
10. Nahoana moa i Paoly no “saiky nahita loza tao amin’ny tanàna”?
10 Saiky nahita loza tao amin’ny tanàna aho: Nenjehina tamin’ny fomba isan-karazany i Paoly tao amin’ny tanàna sahala amin’i Damaskosy, Jerosalema, Lystra sy Efesosy (Asa. 9:23-30; 14:19; 19:29-31). Tany Filipy, ireo tsy Jiosy izay nanohitra an’i Paoly sy Silasy dia nilaza fa ireo lehilahy roa dia ‘nampitabataba ny tanànany loatra’. Noho izany, dia nasian’ny vahoaka ireo mpitory ny filazantsara roa, nokapohina, ary avy eo dia nampidirina an-tranomaizina (Asa. 16:16-24). Izany anefa tsy nampiato an’ireny mpitory ilay Fanjakana ireny, toy ny tsy nahafahan’ny herisetra karazan’izany nampangina ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao.
11. Nety ho inona moa ny “loza tany an-efitra” noresahin’i Paoly?
11 Saiky nahita loza tany an-efitra aho: Tsy noferan’ilay apostoly ho amin’ireo faritra be mponina aoka izany fotsiny ny asany ary tsy lalana be mpandalo ihany no narahiny. Nitarika azy ho any amin’ny toerana vitsy mponina koa ny diany, tany amin’ny “faritra haolo” koa aza (Today’s English Version.) Tany i Paoly dia nisetra tamin-kerim-po izao karazan-doza rehetra izao: tsy fisian-tsakafo, tafiodrivotra, nety ho fahaverezan-dalana, hotafihin’ny bibi-dia na hasian’ny jiolahy.
12. “Loza tany amin’ny ranomasina” inona moa no nosetrain’i Paoly, ary moa ve izany nampiala azy tamin’ny fanompoany?
12 Saika nahita loza tany amin’ny ranomasina aho: Rehefa tsy maintsy nandeha teny an-dranomasina izy mba hampielezana ny vaovao tsara na hanampiana ireo rahalahiny mpino, dia nety ho tojo tafio-drivotra nahery izy ka ho vaky sambo mihitsy aza. Tsy navelan’i Paoly hampiala azy tamin’ny fanompoany anefa izany loza izany. Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, dia Vavolombelon’i Jehovah maro no miaritra amin-kerim-po izany loza izany koa rehefa misy dia ataony ho fanohanana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.
Tandindomin-doza noho ireo “rahalahy sandoka”
13, 14. a) Iza moa ireo “rahalahy sandoka” noresahin’i Paoly? b) Nahoana izy ireo no nampidi-doza indrindra? d) Ahoana moa no nanatanjahana ara-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiaro-tena amin’ireo “rahalahy sandoka” izay mety hitsofoka ao anatin’ireo kongregasiona?
13 Saiky nahita loza tamin’ny rahalahy sandoka aho: Ho an’i Paoly, ny loza lehibe indrindra, tsy isalasalana fa mafy indrindra, dia avy tamin’ireo “rahalahy sandoka” izay nanao zavatra nampiseho famadihana. Nanomboka tamin’i Jodasy Iskariota mpamadika, ny olona toy izany dia niseho teo amin’ireo mpianatr’i Kristy. Tamin’ny andron’i Paoly, ireo “Apostoly ambony indrindra” tany Korinto angamba dia anisan’ireny “rahalahy sandoka” ireny. Nampidi-doza indrindra ireo satria nanao izay hiheverana azy tamim-pamitahana ho sakaiza, nefa raha ny marina dia nivadika sy namitaka izy. Ireny olona ireny dia nanandrana nitady zavatra izay ho azony niampangana an’i Paoly.—II Korintiana 11:5, 12-14; jereo Daniela 6:4, 5.
14 Ny sasany tamin’ireny “rahalahy sandoka” ireny dia niasa tao amin’ireo “kongregasiona tany Galatia”. Nefa tsy resin’ireny olona ireny mihitsy i Paoly, “mba hitoeran’ny fahamarinan’ny vaovao tsara” teo amin’ireo namany mpino (Galatiana 1:1, 2; 2:4, 5, MN; jereo Joda 3, 4). Toy ny nanampiany an’i Paoly, amin’izao andro izao Jehovah dia manome ho an’ireo vavolombelony ny tanjaka ara-panahy ilaina mba haharetan’ny “fahamarinan’ny vaovao tsara” eo amin’izy ireo. Tao amin’ireo soratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, toy ny taratasy nalefa ho an’ireo mpino tany Korinto sy Galatia, izy ireo dia mahita ny fanampiana ara-panahy ilainy mba hiarovan-tena amin’ireo “rahalahy sandoka” mety hitsofoka ao amin’ireo kongregasiona.
Aoka isika hiaritra fitsapana ao amin’ny “fanompoana masina”
15. Inona moa no nasian’i Paoly fitenenana rehefa nilaza izy fa minisitr’i Kristy “amin’ny fomba miavaka kokoa” ihany “tamin’ny fisasarana sy ny fikelezan-aina”?
15 Tamin’ny fisasarana sy ny fikelezan-aina: Tanisain’i Paoly manaraka izany ireo fitsapana nahatonga azy ho “mpanompon’i Kristy” ‘nihoatra’ noho ireo mpanohitra azy (andininy faha-23, 27). Tamin’ny “fisasarana sy ny fikelezan-aina” resahiny, dia azo ampidirina indrindra ny asa mafy nataony tamin’ny tanany mba hahazoana izay nilainy teo amin’ny fanompoany (Asa. 18:1-4; I Korintiana 4:11, 12; II Tesaloniana 3;7, 8.) Izay rehetra nataony anefa dia nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Noho izany, dia tsy isalasalana fa tokony ho voafaoka ao amin’ny ‘asany sy ny fikelezany aina’ ny fiezahana lehibe nataony sy ny havizanana naterak’izany noho ireo diany nandreraka, noho ny fisetrany andro ratsy, ny fihafiana sy ny fitsapana hafa niaretany tamin’ny “fanompoana masina” nataony ho an’i Jehovah. — Romana 12:1, MN.
16. Noho ny antony inona avy moa no ‘tsy nahitan’i Paoly tory matetika’?
16 Tamin’ny tsy fahitan-tory matetika; Koa satria tsy tiany ny ho enta-mavesatra handany volan’ireo izay nitoriany ny vaovao tsara, Paoly dia niasa tamin’ny tanany “andro aman-alina”, ka izany dia azo inoana fa nahatonga azy hiari-tory nandritra ny ora maro (I Tesaloniana 2:9). Mazava ho azy fa izany rehetra izany dia nifamatotra tamin’ny asany tamin’ny naha-“mpanompon’i Kristy”. Ny ‘tsy fahitany tory’ dia tsy avy tamin’ny fanahiany ny amin’izay ilaina ara-nofo, satria Jehovah miahy ny amin’izay hananan’ny mpanompony ny zavatra tena ilaina (Matio 6:25-34). Nefa angamba izy tsy nahita tory tamin’ny alina sasany mba hivavahana na noho ny fanahiana tamim-pahatsorana ny amin’ireo rahalahiny kristiana (jereo Lioka 6:12-16; II Korintiana 11:28, 29). Indray mandeha, dia noheveriny fa nilaina ny hiresahana tamin’ny antokon-drahalahy “mandra-pahamamatonalina”, ary “ambara-pahamarain’ny andro” mihitsy aza. (Asa. 20:7-12.) Tetsy an-daniny koa, raha tsy natory izy tamin’ny alina, dia matetika noho ny fahasalamana tsy tsara, ny loza na ny fitsapana hafa niaretana teo amin’ny fanaovana ny fanompoany.
17. Oviana moa ilay apostoly no nety ho nahita “hanoanana sy hetaheta”?
17 Tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta: Niaritra ‘hanoanana sy hetaheta’ angamba i Paoly rehefa namakivaky faritra haolo na efitra mivaivay. Nety ho nahita hanoanana sy hetaheta izy satria tamin’ny vatsy fihinana dia niankina tamin’olon-kafa izy na tsy maintsy niasa tany amin’ny toerana tsy fantany. Nataon’i Jehovah foana anefa izay mbola hahaveloman’i Paoly na dia kely tokoa aza indraindray ireny vatsy ireny. Toy izany koa, “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” dia manome izay ilain’ireo manompo azy amin’izao andro izao. — Salamo 37:25; Lioka 11:2, 3.
18. Inona moa no mety ho tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe “fifadian-kanina matetika”?
18 Tamin’ny fifadian-kanina matetika: Eto (eo amin’ny andininy faha-27) angamba i Paoly dia ta-hampiseho ny tsy fitovian’ny “hanoanana sy ny hetaheta”, fihafiana tsy fidiny, sy “ny tsy fetezana hihinana [an-tsitrapo] izay rehetra mety ho sakafo [ara-bakiteny dia hoe fifadian-kanina] matetika”. Nety ho nifady hanina an-tsitrapo izy tamin’ny fotoana sasany, ohatra, mba hanokanan-tena ho amin’ny vavaka na mba hikarakarana raharaha ara-panahy lehibe indrindra (jereo Asa. 13:3; 14:23). Nefa kosa, raha tsy nanisy fitenenana afa-tsy ny amin’ny fahasahiranana izy eo, dia nolazainy fa tsy maintsy ho nifady sakafo izy nandritra ny fanompoany noho ny aretina, aretin-kibo, ohatra, na ny tsy fananana (jereo II Korintiana 6:5). Miharihary fa teo am-piaingana ho amin’ny sasany tamin’ny diany hanaovana fanompoana, dia tsapan’i Paoly fa ho kely ny rano sy sakafo na tsy ho hita. Izany anefa tsy nahasakana azy tsy hanohy hiasa ho an’ny tombontsoan’ny kristianisma. — Filipiana 4:12.
19. Tao anatin’ny toe-javatra niseho inona avy moa i Paoly no nety ho voatery niaritra ‘hatsiaka sy fitanjahana’?
19 Tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana: Ny apostoly Paoly dia niaritra koa ny hatsiaka sy ny “fitanjahana” niankina tamin’ny toe-javatra, na “tsy fahampiam-pitafiana”. (Testamenta Vaovao amin’ny teny frantsay mahazatra.) Nefa raha ‘zara raha nitafy’ izy, dia tsy noho ny hakamoana, satria niasa izy mba hahazoana izay nilainy (I Korintiana 4:11, 12; jereo Asa. 20:33, 34). Niaritra “hatsiaka sy fitanjahana’ i Paoly rehefa nenjehina ka tsy ampy fitafiana noho ny andro ratsy, tamin’ny diany na rehefa nandray anjara tamin’ny fanompoana tao anatin’ny toe-javatra sarotra izy.
‘Miaritra hatramin’ny farany’
20, 21. a) Nahoana no ho azo atao ny hilaza fa tsy vatolampy akory i Paoly? b) Inona moa no zavatra iombonan’i Paoly amin’ny Vavolombelona amin’izao andro izao?
20 Taorian’ny fijerena ny asa, ny fijaliana sy ny dian’ny apostoly Paoly, mbamin’ny loza sy ny fitsapana nosetrainy, dia mety hisy hiteny fa vatolampy izy. Kanefa sahala amintsika izy, tsy tanteraka (Romana 7:21-25). Raha ny marina, ireo mpanohitra azy tao Korinto dia nanebaka azy tamin’ny filazana hoe: “Ny epistiliny (...) dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.” (II Korintiana 10:10). Ambonin’izany, Paoly dia nanana “tsilo tamin’ny nofo”, angamba takaitra tamin’ny maso.—II Korintiana 12:7; Asa. 23:1-5; Galatiana 4:15; 6:11.
21 Toy izany koa, isika Vavolombelon’i Jehovah dia tsy tanteraka, na dia miezaka amim-pahatsorana sahala amin’i Paoly aza isika mba hahazo sitraka amin’Andriamanitra (I Korintiana 9:24-27). Raha nohamavoina ilay apostoly, dia ataon’izao tontolo izao toy izany koa isika, na dia tena miahy tokoa ny amin’ny fahasambarana ara-panahin’ny mpiara-belona amintsika aza (Matio 22:39). Sahala amin’i Paoly, dia be dia be amintsika no mijaly noho ny takaitra, nefa izany manery antsika hiantehitra bebe kokoa amin’ny herin’Andriamanitra ka, ao anatin’ny fahalementsika, dia manjary miharihary indrindra ny heriny amin’ireo izay itoriantsika. — II Korintiana 12:7-10.
22. a) Raha tsy maintsy mijaly “noho ny fahamarinana” isika, ahoana no ampiononan’i Jehovah antsika? b) Amin’ny ahoana ihany isika no ho afaka ‘hiaritra hatramin’ny farany’?
22 Tsy azo lavina fa ny hery avy any ambony no nanohana an’i Paoly, mpanompon’i Jehovah tsy tanteraka nefa nahatoky, hatreo amin’ny fahafatesany (II Korintiana 4:7; II Timoty 4:6-8). Toy izany koa fa noho ny herin’Andriamanitra ihany no hahafahantsika ‘hiaritra hatramin’ny farany’, izany hoe hatramin’ny fahataperan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny na hatreo amin’ny fahafatesantsika rehefa tsy hivadika (Salamo 29:11; Matio 10:28; 24:3, 13; Marka 13:13). Raha tsy maintsy mijaly isika “noho ny fahamarinana”, dia hahazo fampiononana lehibe noho ny fanahy masin’i Jehovah, ny fampanantenany tsy hay tombanana sy ny valin’ny vavaka ataontsika. Manome toky antsika izany fa momba antsika ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. Sahala amin’ny tamin’ny apostoly Paoly, dia mety ho “very hevitra, nefa tsy mamoy fo (...) enjehina, nefa tsy nafoy (...) potraka, nefa tsy maty” isika. (II Korintiana 4:8, 9.) Ilay Andriamanitsika dia manome antsika ny hery ilaina mba hitoriana tsy amin-tahotra ny vaovao tsara na dia ao aza ny fanenjehana sy ny fitsapana. Tsy isalasalana mihitsy fa noho ny herin’i Jehovah dia ho afaka ‘hiaritra hatramin’ny farany’ isika.
Afaka mamaly ve ianao?
◻ Inona moa no tiana holazaina amin’ny hoe ‘miaritra hatramin’ny farany’?
◻ Karazam-pandehanana inona moa no noeritreretin’i Paoly rehefa nilaza izy hoe: ”Nandeha matetika aho.”?
◻ Ahoana moa no nahatandindomin-doza an’ilay apostoly noho ny “rahalahy sandoka”, ary ahoana no anatanjahan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao tena mba hanoherana izany karazan’olona izany?
◻ Tao anatin’ny toe-javatra inona avy moa i Paoly no niaritra ‘hanohanana sy hetaheta’ ary ‘hatsiaka sy fitanjahana’?
◻ Na dia tsy tanteraka toa an’i Paoly aza isika, ahoana no azontsika ‘iaretana hatramin’ny farany’?
[Sary, pejy 18]
Tamin’ireo diany momba ny fanompoana, dia matetika i Paoly no nisetra loza noho ny jiolahy.
[Sary, pejy 19]
Nahita loza avy amin’ireo firenena i Paoly, toy ny tany Lystra.