FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/6 p. 8-9
  • Jesosy Kristy — Zazakely sa Mpanjaka manapaka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jesosy Kristy — Zazakely sa Mpanjaka manapaka?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Jesosy sy ireo mpanandro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • I Jesosy sy ireo mpanandro
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nitsidika An’i Jesosy Ireo Mpanandro
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/6 p. 8-9

Velona ny Tenin’Andriamanitra

Jesosy Kristy — Zazakely sa Mpanjaka manapaka?

MANDRITRA ny fotoan’ny Krismasy dia maro be ireo olona izay mieritreritra an’i Jesosy ho toy ny zazakely eo am-pihinanam-bilona fotsiny. Ireo “olon-kendry” dia aseho mitondra fanomezana ho an’ny zazakely vao teraka iray. Lazaina fa tamin’io fotoana io tao anatin’ny taona i Jesosy no teraka. Izany ve no lazain’ny Baiboly?

Nahoana ianao raha manokatra ny Baibolinao ka mijery izay tena lazainy marina? Vakio amim-pitandremana ny Lioka 2:1-20 sy ny Matio 2:1-16. Izao àry, tsy milaza ve ny Baiboly fa nisy mpiandry ondry tany an-tsaha nitandrina ny ondriny fony Jesosy teraka? Koa satria ny volana Desambra tany Palestina dia fotoana manorana sy mangatsiaka, dia tsy nety ho tany an-tsaha niaraka tamin’ireo andian’ondriny ireo mpiandry ondry tamin’io fotoana io.

Mariho koa, fa io fotoana io dia fotoan’ny fisoratana anarana ka nangatahana ny vahoaka mba ho any amin’ny tanànany avy mba hosoratana. Ireo mpanapaka Romana dia tsy nety ho nangataka vahoaka iray izay efa vonona ny hikomy tamin’izy ireo mba hanao izany dia izany tamin’ny andro ririnina be. Misy porofo hafa koa mampiharihary fa Jesosy dia tsy teraka tamin’ny fotoan’ny Krismasy. (Jereo ny pejy faha-10.)

Voamarikao koa ve fa fony nitondra fanomezana ho azy ireo antsoina hoe “olon-kendry”, Jesosy dia tsy zazakely teo am-pihinanam-bilona intsony? Milaza ny Baiboly fa “rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny” (Matio 2:11). Iza marina ireo “olon-kendry” ireo izay nahazo fitarihana, tsy avy tamin’ny anjely iray fa tamin’ny kintana iray? Magy izy ireo na mpanandro. Ary na dia nalaza teo amin’ny olona maro aza ny fanandroana, Andriamanitra dia nanameloka azy. — Isaia 47:12-15.

Araka ny asehon’ny fitantaran’ny Baiboly, ireo mpandinika ny kintana ireo tamin’ny voalohany dia tsy notarihin’ilay kintana ho any amin’i Jesosy tany Betlehema fa tany amin’i Heroda mpanjaka mpamono olona tany Jerosalema. Izao àry, raha ohatra ka Andriamanitra no nampiasa ilay kintana mba hitari-dalana an’ireo mpanandro, moa ve izy ho nitarika azy ireo ho any Jerosalema aloha mba hifandraisany tamin’io mpanjaka nampidi-doza io? Miharihary fa tsy izany velively!

Rehefa nitondra ireo mpanandro tany amin’i Jesosy ilay kintana tamin’ny farany, dia nandray anjara Andriamanitra ka nampitandrina ireo olona ireo tamin’ny nofy iray mba tsy hiverina tany amin’i Heroda. Tamin’izay Andriamanitra dia namonjy ny ain’i Jesosy. Ahoana no ahafantarantsika izany? Satria nony fantatr’i Heroda fa nandositra tsy nilaza valiny taminy ireo mpanandro, dia nitady ny hamono an’i Jesosy izy. Nefa Andriamanitra tamin’izay fotoana izay dia efa nanomana fandosirana ho an’i Jesosy. Ilay kintana iny àry raha ny marina dia tetika nampiasain’i Satana Devoly mba hampamonoana an’i Jesosy!

Hafetsena nampiasain’ny Devoly amin’izao andro izao koa ny fanandroana hampinoana ny olona fa Jesosy dia zazakely tsy afa-miaro tena fotsiny. Nefa tsy izany izy! Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, ny anjely Gabriela dia nilaza tamin’ny reniny toy izao ny aminy: “Hanjaka (...) izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:33) Jesosy Kristy izao dia manapaka amin’ny maha-mpanjaka manan-kery any an-danitra azy, ary raha ta-hahazo fiainana eo ambany fanapahan’ny Fanjakany isika, dia iankinan’ny aintsika ny fanekentsika izany. — Isaia 9:5, 6.

[Sary, pejy 8]

Inona no tsy marina raha araka io sary io?

[Sary, pejy 9]

Nanaraka kintana iray ireo “olon-kendry” — avy aiza izy io?

Ahoana no fiheveranao an’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara