FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/7 p. 27
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDRIAMANITRA SY KAISARA
  • KATOLIKA MIKORONTAN-TSAINA
  • ‘SAROTRA AMIN’IREO MANAM-PAHAIZANA NY MITELINA ILAY PILINA’
  • Fandoavana Amin’i Kaisara Izay An’i Kaisara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ny Vatikana Faharoa — Fitahiana sa Ozona?
    Mifohaza!—1994
  • Kaisara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Andriamanitra sy Kaisara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/7 p. 27

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

ANDRIAMANITRA SY KAISARA

Tao amin’ny Daily Times any Nigeria, ilay mpanao gazety atao hoe Andy Akporugo dia nanoratra toy izao: “Rehefa nanambara ny tenan’i Kristy hoe: ‘Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’, dia tsy afaka nihevitra izy fa handray ara-bakiteny ireo teniny ny Vavolombelon’i Jehovah.” (Matio 22:21). Tsy isalasalana fa ilay mpanao gazetintsika dia mahita fa lasa lavitra loatra ireo Vavolombelon’i Jehovah satria rehefa mifanohitra amin’ny an’Andriamanitra ny fitakian’i Kaisara, dia aleony manaraka ny an’Andriamanitra. Ao amin’ny fanaporofoan-keviny, Akporugo dia nanonona an’i Thomas d’Aquin, filozofa tamin’ny taonjato faha-13, izay nampifangaro ireo fampianaran’ny mpanompo sampy nomen’i Aristote sy ny foto-pampianarana kristiana. Nolazainy ihany koa ireo hevitra tsy kristiana an’i Platon sy ilay filozofa miozilimana atao hoe Ibn Khaldûn. Kanefa tokony hifototra amin’ny hevitry ny filozofa tsy kristiana ve mba hanazavana ireo tenin’i Jesosy?

Ireo tenin’i Jesosy voalaza eo aloha kosa aza dia tokony hotombanana araka ny fanazavan’ireo fanambarany hafa, izay milaza fa ny Fanjakany sy ny mpianany dia “tsy naman’izao [tsy anisan’izao, MN] tontolo izao”. (Jaona 17:16; 18:36.) Nampiseho koa Jesosy fa ny kristiana dia tokony ‘hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha’ (Matio 6:33). Ara-drariny àry ny anapahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hevitra ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’.​—Asan’ny apostoly 5:29.

KATOLIKA MIKORONTAN-TSAINA

Ny mpampianatra teolojia katolika anankiray dia nanao vao haingana ny famelabelarana manaraka momba ny fihaonana neken’ny papa tamin’i Yasser Arafat, prezidàn’ny Fandaminam-pahafahan’i Palestina: “Ny ankamaroan’ireo olona milaza tena ho katolika, hoy ny nosoratan’i Harry James Cargas ao amin’ny Los Angeles Times, dia diso fanantenana lalina nahita ny papa Jean-Paul II nanaiky fihaonana tamin’ny mpampihorohoro anankiray izay nanome baiko mba hamonoana ankizy tany an-tsekoliny noho ny maha-Jiosy azy ireo fotsiny (...). Nefa, raha ny tena izy, dia angamba tsy dia misy tena mahagaga izany. Rehefa nomelohina 12 taona tany an-tranomaizina isiraelianina noho izy nampiditra fitaovana sy fiadiana an-tsokosoko ho an’ireo misara-kevitra arabo any Isiraely, ny arseveka Hilarion Capucci, “vicaire-melchite” katolika any Jerosalema, dia nafahan’i Vatican izy. Ilay fifanarahana dia nampiseho mazava tsara fa i Capucci dia tsy hanao asa politika intsony amin’ny ho avy. Kanefa izany dia tsy nanakana azy tsy halain-tsary eo am-panorohana ampahibemaso an’i Arafat, hanatrika ireo fivorian’ny Fandaminam-pahafahan’i Palestina any Syria sy Liban, ary hamakivaky an’Italia amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra ho an’ny O.L.P. Araka ny hita, dia tsy mbola nanakiana azy anefa i Vatican na dia izany aza.”

Nanampy ny profesora Cargas hoe: “Isika izay katolika dia tokony ho menatra koa noho ireo kroazada, ny Fampijaliana (Inquisition), ny famoronana “ghetto” (faritra onenan’ny Jiosy) sy “pogroms” (fihetsiketsehana natao hamongorana ny Jiosy). Tsy hadino indrindra amin’izany ny fanginana lozan-tanin’ny papa Pie faha-12 raha nampiharina tany Eoropa kristiana ny politikan’i Hitler izay nikendry ny famongorana ny fikambanan’ny Jiosy maneran-tany.”

Ahoana no tokony hiheverana ireo fivavahana nitsabaka tamin’ny tsy rariny toy izany? Nanambara i Jesosy hoe: “Ny voany no hahafantaranareo azy (...); ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy.”​—Matio 7:15-20.

‘SAROTRA AMIN’IREO MANAM-PAHAIZANA NY MITELINA ILAY PILINA’

Ilay gazety Jiosy Allgemeine Jüdische Wochenzeitung, natonta tany Alemana, dia namoaka vao haingana fanadinadinana ny profesora J. Radday, izay nifototra tamin’ny “famakafakan-teny amin’ireo andalana ao amin’ny Baiboly” tamin’ny alalan’ny “ordinateur”. Ny mpandinika Baiboly sasany dia manamafy hatramin’ny ela be fa tsy Mosesy irery no mpanoratra ny Pentateuque (boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly). Kanefa io fandinihana voalahatra io dia nampiharihary fa ny bokin’ny Genesisy dia “asan’ny mpanoratra iray monja araka ny fetezan-ko azo ampoizina ho 82 tra”. Raha ny marimarina kokoa, ilay “ordinateur” dia nanambara ny fetezan-ko azo ampoizina ho 82 isan-jato. Roa amby valopolo isan-jato, hoy ny fanontanian’ny profesora Radday, betsaka ve izany sa kely?” Tao amin’ny valinteniny, dia nanao izay hanamarihana izy fa fetezan-ko azo ampoizina “faran’izay mahery” izany amin’ny maha-mpanoratra an’i Mosesy, ary izany dia miharihary amin’ny fampitahana io marika io amin’ireo vokatry ny fanadihadiana mitovy natao tamin’ireo bokin’ny mpanoratra hafa.

Kanefa dia nanambara ilay profesora hoe: “Mampalahelo ny milaza fa sarotra amin’ireo manam-pahaizana ny mitelina ilay pilina. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia manohitra izany izy ireo ary tsy misy mahagaga ny amin’izany. Marina tokoa fa sarotra amin’ny olona iray ny mamela hevitra anankiray mahazatra azy, narahiny, niara-nitombo taminy ary nampianarin’ny tenany nandritra ny am-polo taonany maro.” Eo anoloan’ny fihetsika toy izany dia takatsika ny antony nanambaran’ny apostoly Paoly fahiny hoe: “Tsy firy no olon-kendry araka ny nofo (...); fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry.” Ireo olona manetry tena dia vonona hanitsy ny fomba fiheviny, na dia hisetra ny fiampangan’ny manodidina azy ho adala aza izy ireo.​—I Korintiana 1:26, 27.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara