Fanontanian’ny mpamaky
■ Ao amin’ny Filipiana 2:9 dia izao no lazain’i Paoly momba an’i Jesosy: “Izany no (...) nanomezany (Andriamanitra) Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra.” Amin’ny heviny ahoana i Jesosy no nomena “anarana izay ambony noho ny anarana rehetra”?
Amin’ny heviny.hoe notoloran’i Jehovah toerana na fahefana ambony noho izay nomena ny zavaboary hafa rehetra izy. Ny sasany dia mety hihevitra fa ny tenan’Andriamanitra Tsitoha ihany no afaka manana “anarana ambony noho ny anarana rehetra”. Koa mety hanatsoaka hevitra izy ireo fa io andinin-teny io dia manaporofo fa mitovy amin’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy, na persona iray mihitsy aza izy ireo. Kanefa ny fandinihana akaiky ny andalan-teny dia manohana io fomba fiheverana io.
Ny teny manodidina ny Filipiana 2:9 dia mampiseho fa nandray io “anarana” io Jesosy taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Noho izany, talohan’izany fotoana izany dia tsy nanana ilay “anarana izay ambony noho ny anarana rehetra” izy. Ny nanomezana azy an’io dia nanondro fiovana teo amin’ny toerany notanany. Misy antony azo iheverena ve fa mety hiova ny toerana notanan’i Jehovah? Tsia. Avo indrindra hatrany foana izy. Ny nanomezana anarana ambony kokoa an’i Jesosy àry dia manaporofo fa tsy mitovy amin’i Jehovah izy na hoe, olona iray ihany izy ireo.
Mariho koa fa ilay anarana dia ‘nomen’i’ Jehovah an’i Jesosy. Mazava àry fa raha afaka nifidy ny hanome anarana ho an’i Jesosy Zanany Andriamanitra, ny Ray dia tsy maintsy ho lehibe kokoa, ary i Jesosy dia tsy maintsy ho eo ambany fahefany (I Korintiana 11:3). Noho izany àry, ny fanajana rehetra hatolotra an’i Jesosy noho izany tombontsoa ambony izany dia “ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”—Filipiana 2:11.
I Jesosy àry izany dia nomena anarana izay ambony noho izay nomena ny zavaboarin’Andriamanitra hafa. Kanefa mazava ho azy fa ny nanomezana azy io anarana io dia tsy nahatonga azy hitovy amin’Andriamanitra. Ampitahao amin’ny I Korintiana 15:27, izay milaza fa nampaneken’Andriamanitra ho eo ambanin’ny tongotr’i Jesosy ny zavatra rehetra, fa Izy kosa tsy nampanaiky ny tenany an’i Jesosy.
Iza io anarana ambony izay nomena azy io? Manampy antsika mba hamaly izany ny mpaminany Isaia. Raha niresaka ny amin’i Jesosy izy dia nilaza hoe: “Ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” (Isaia 9:5, 6). Io andinin-teny io dia mampiseho fa ilay “anarana” dia manondro ny fahefana ambony, toerana na—amin’ireo lafiny rehetra voambaran’Isaia ireo—izay nomena an’i Jesosy mba hahafahany manatanteraka ny sitrapon’i Jehovah.
Nasehon’i Jesosy ny fetran’ny fahefany hanapaka raha nilaza izao tamin’ireo mpianany izy: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.” (Matio 28:18.) Ny hany fanantenan’ny olombelona ny amin’ny ho avy dia miankina amin’io toerana ambony izay nomena an’i Jesosy io, ary noho izany antony izany no ampiharana aminy ilay faminanian’i Isaia. “Ny anarany no hitokian’ny jentilisa.”—Matio 12:21.
Nilaza ny apostoly Paoly fa “amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra.” (Filipiana 2:10.) Tsy fomba fiteny fotsiny akory izany. Nampitandrina i Jesosy fa maro be no hihambo ho nanao asa lehibe tamin’ny ‘anarany’, kanefa tsy hahafantatra azy ireo izy. (Matio 7:21-23.) Ny hoe ‘mandohalika’ amin’ny anaran’i Jesosy dia midika marina hoe manaiky ny toerana tanany sy manetry tena eo ambany fahefany. Ankehitriny izany dia midika hoe manetry tena eo ambaniny amin’ny maha-Mpanjaka azy, mandray anjara amin’ny asa fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ary mitoetra ho mialanalana raha ny amin’ny raharahan’ireo fanjakana eto an-tany.—Matio 24:14.
Izany dia miteraka fanoherana avy amin’ireo mpanjaka eo amin’izao tontolo izao. Izao no fampiomanan’i Jesosy: “Ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.” (Matio 24:9.) Kanefa ho an’ireo izay tena ‘mandohalika’ tokoa, ny anaran’i Jesosy dia tena manan-kery.
Nanambara toy izao ny apostoly Petera: “Tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asa. 4:12.) Talohan’izay, dia nilaza toy izao tamin’ny lehilahy iray nalemy tongotra i Petera: “Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.” Ary dia nandeha ilay lehilahy. (Asa 3:6.) Nilaza tamin’ireo mpanaraka azy i Jesosy fa tokony hivavaka ‘amin’ny anarany’ izy ireo. (Jaona 14:14.) Rehefa manonona ny anaran’i Jesosy ao amin’ny vavaka ataontsika isika, dia tsy mamerimberina fomba fiteny tsotra fotsiny. Mangataka kosa isika mba hiasan’ny fahefana ambonin’i Jesosy ho tombontsoantsika.
Amin’ny fanomezam-boninahitra sy fanajana araka ny izy an’io anaran’i Jesosy io—ny toerany ambony na ny fahefany—dia tonga anisan’ireo izay ilazana izao teny izao isika: “Haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”—Filipiana 2:11.