FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/8 p. 8-9
  • Nahoana no manao ratsy ny olona?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no manao ratsy ny olona?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Oria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fieken-keloka Nahasitrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Nanota i Davida Mpanjaka
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Fahasahiranana tao An-tranon’i Davida
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/8 p. 8-9

Velona ny Tenin’Andriamanitra

Nahoana no manao ratsy ny olona?

IO lehilahy izay miady eo am-pototry ny manda, ao amin’ny voalohan-daharana io,dia Oria. Davida, mpanjakan’ny Isiraely, dia nandefa ho an’i Joaba mpitari-tafiny, hafatra iray voasoratra toy izao: “Arosoinareo amin’ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.” — 2 Samoela 11:15.

Oria anefa dia lehilahy nahatoky sady tsara. Koa nahoana àry Davida izay nanompo an’i Jehovah tahaka azy, no ninia nampamono azy?

Ny famakiana izao andalan-teny manaraka izao, nalaina avy ao amin’ny Baiboly, dia tsy isalasalana fa hanazava amintsika ny amin’ny antony nanosika azy: “Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy sady tsy mba maka fanahy olona Izy; fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” — Jakoba 1:13-15.

Nefa angamba ianao hanontany tena hoe amin’ny ahoana izany fanambarana izany no manampy antsika hahafantatra ny antony nampamonoan’i Davida an’i Oria? Mba hahafantarana an’izany, dia aoka hojerentsika indray ny fisehoan-javatra izay nitarika an’i Davida haniry ny fahafatesany.

Indray andro, tamin’ny tsy naha-teo an’i Oria, Davida dia teo an-tampon’ny tranony. Avy teo no nahitany ny vadin’i Oria, i Batseba tsara tarehy, izay nandro. Inona no nataony? Nanohy nitazana azy izy. Tamin’ny fanaovana toy izany, dia navelany hitombo tao am-pony ny faniriana hanana firaisana ara-nofo aminy. Aoka anefa isika tsy hihevitra fa Andriamanitra no naka fanahy na nisedra azy. Tsia, Davida kosa dia voatarika sy voafitaky ny fanirian’ny tenany.

Tamin’ny farany, io fanirian-dratsy io dia nihanahery tao aminy ka nahatonga azy hampaka an’i Batsaba tao an-dapany. Tao dia nanana firaisana taminy izy. Taty aoriana, dia nanana anaka i Batseba ary Davida izay tsy afaka nanafina ny fijanjangajangan’izy ireo dia nanao izay hampamonoana an’ i Oria tany an’ady.

Marina fa ny fahotan’i Davida dia tsy nahatonga azy hamoy mandrakizay ny fankasitrahan’Andriamanitra na nitarika ho azy, fanamelohana ho faty. Davida tokoa dia nampiseho fibebahana tamim-pahatsorana, ary Jehovah dia namindra fo taminy (Salamo 51:1-14). Kanefa io tapany amin’ny fiainany io dia manampy antsika hahatakatra fa matoa ny olona manao ratsy, dia matetika satria mamelona fanirian-dratsy ao am-pony izy. Noho izany, dia tokony haka fianarana amin’ny loza nanjo an’i Davida isika, mba hanalavirana ny tarehin-javatra, ny zavatra atao sy ny fialam-boly izay manaitra “ny firehetam-po”. — Kolosiana 3:5; I Tesaloniana 4:3-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara