FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/10 p. 29-31
  • Aza mihemotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza mihemotra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Banjino hatrany ny zava-kendrena
  • Ny tsy fivadihana: toetra iray tena ilaina
  • Miaramila
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Miantehera amin’ny hery avy amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • ‘Milahatra tsara mba hiady’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • ‘Tafio ny Fiadiana Fiarovana Rehetra avy Amin’Andriamanitra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/10 p. 29-31

Aza mihemotra

MIFANATRIKA ny tafika mahery roa. Mifanandrina ireo laharana voalohany. Fihenjanana lehibe no mangeja ny miaramila tsirairay avy, satria ny rehetra miandry ny baiko hanafika. Tokony haneho tanjaka sy fahavononana izy ireo izao. Tsy fotoana tokony hatahorana amin’izay, tsy tokony hieritreritra afa-tsy ny fandresena izy ireo. Hamoizany ny ainy angamba izany, tsapany izany. Fantany anefa fa ny fihemorana amin’io fotoana isehoan-java-tsarotra io dia mety hampidi-doza ho an’ilay raharaha iandaniany. Ilain’izy ireo àry ny hitadidiana ao an-tsaina ny filamatra tohanany sy ny hanaovana amim-pahatokiana ny adidiny hatramin’ny farany.

Ampitahaina amin’ny miaramilan’i Kristy ny kristiana marina. Araka izany, dia nanoratra toy izao ho an’i Timoty ny apostoly Paoly: “Miaraha miaritra ny mafy amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy.” (II Timoty 2:3). Marina tokoa fa ny miaramila iray dia tokony hiomana hiharam-pahoriana ary ho tapa-kevitra tsara foana hanatontosa ny asa nanirahana azy. Amin’io lafiny io, dia tsy maningana akory ny miaramila kristiana. Manohana raharaha ambony indrindra sy eo amin’izao rehetra izao izy, dia ny an’Andriamanitra.

Amin’ny fomba ahoana no ahatongavana ho miaramilan’i Jesosy Kristy? Amin’ny fanekena ireo fandaharana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy io mba hahazoana famonjena, sy amin’ny fanoloran-tena tsy misy fepetra ho an’ny Avo Indrindra mandrakizay. Azo lazaina hoe manao sonia izany fanoloran-tena izany ny tena amin’ny fanatonana atao batisa amin’ny rano.

Amin’inona no anaovan’ny miaramila kristiana ny adiny? Tsy omen-dalana hampiasa fiadiana ara-bakiteny izy, araka ny nasehon’i Jesosy Kristy sy ireo apostoliny tamin’ny ohatra nomeny. Ampiasainy kosa ny sabatry ny fanahy (izany hoe ny Tenin’Andriamanitra) mba hiadiana amin’ireo hery ara-panahy ratsy eny amin’ny rivotra (Efesiana 6:12, 17). Io ady ara-panahy io dia mahatonga ho afaka hanazava ny olona, satria izany mampitandrina azy ireo amin’ny herin’ny maizina, dia hery fisehoan’ny faharatsiana mihitsy. Manaiky hilatsaka hanao izany ady ara-panahy izany ny olona iray rehefa manolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra. — Matio 5:14-16; Romana 13:12.

Mitety isan-trano ny miaramila kristiana mba hitady ireo izay mankafy ny hafatra momba ilay Fanjakana (Lioka 10:5, 6; Asan’ny apostoly 5:42). Rehefa mahita olona toy izany izy dia mitsidika azy isan-kerinandro mba hampianatra azy ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’i Jehovah. Amin’izany no anampiany azy ireo hanafa-tena amin’ny fahadisoan-kevitra ara-pivavahana (jereo Jaona 8:31, 32). Rehefa takatr’ireny olona ireny ny tena hasarobidin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia mba tonga miaramilan’i Kristy koa izy ireny.

Banjino hatrany ny zava-kendrena

Mifanohitra amin’ireo adin’izao tontolo izao izay miteraka famoizana ain’olombelona, ny ady ara-panahy dia mitovy amin’ny asa famonjena ain’olona tsy manimba na iza na iza. Noho izany antony izany, izay rehetra maniry hanohy hiady amim-pahatokiana araka ny baikon’i Jesosy Kristy dia tsy maintsy mamboly faniriana ny hamonjy aina sy hamelona fitiavana an’Andriamanitra sy ny namany.

Miharihary fa ireo fanahy ratsy dia tapa-kevitra ny hanakantsakana ny ady ara-panahy andraisan’ny kristiana anjara. Etỳ amin’ny manodidina ny tany izy ireny ary manao izay rehetra azony atao mba hampanalavirana ny olona amin’Andriamanitra (Apokalypsy 12:12). Na dia mety ho fitahiana ho an’ny olombelona aza ny fananana ara-nofo, dia mampiasa izany ho toy ny fandrika Satana sy ireo demonia. Na ny manan-karena na ny mahantra dia mety hiharam-pahavoazana noho ny fomba fiaina iray izay ahitana taratry ny fiheverana tafahoatra ny zavatra ara-nofo. Misy aza mpanompon’Andriamanitra mety hanomboka ho tia izao tontolo izao sy izay atolony amin’ny fambolena ‘filan’ny maso sy rehaka momba izao fiainana izao’. — I Jaona 2:15, 16.

Nisy olona anisan’ny kongregasiona kristiana taloha namela ny ady ara-panahy na nampihena ny fandraisany anjara tamin’izany satria nihevitra loatra ny zavatra ara-nofo. Fahavoazana re izany! Rehefa mirehitra ny ady, ny miaramila iray dia tsy afaka ny ho voatarika ho varimbariana. Ny hany zavatra ahiny dia tokony ho ny hahazo ny fandresena. Toy izany koa, noho ny ainy tandindomin-doza, ny miaramila kristiana dia tsy afaka ny hanaiky hamela ny masony hampiala azy amin’ny zava-kendrena tratrariny amin’ny fandraisana anjara amin’ny ady ara-panahy. Izany no antony nilazan’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty hoe: “Izao didy izao no omeko anao (...) araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo, amin’ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara.” (I Timoty 1:18, 19). Ho ao anatin’ny ady mihamafy kokoa hatrany ny kristiana mandra-panafoanan’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Zanany, izay rehetra manohitra ny fiandrianany. — Apokalypsy 19:11-16.

Ny tsy fivadihana: toetra iray tena ilaina

Marina tokoa fa zava-dehibe ho an’ny kristiana ny tsy hivadihana hatrany. Fa inona no mety hanampy azy amin’izany? Amin’ny ady iray atao amin’ny fiadiana mahazatra, ny miaramila iray dia tsy afaka hanantena mihitsy ny handresy raha tsy maintsy mifanandrina irery amin’ny tafika iray misy olona an’arivony maromaro. Na manao ahoana na manao ahoana herim-pony dia tsy maintsy haharesy azy io tafika io. Izany no mety hitranga amin’ny miaramila kristiana izay voatery mifanandrina amin’ny andian-demonia. Tokony hotadidiany foana fa tsy irery izy akory. Eo anilan’ireo namany, dia afaka mahazo fandresena izy noho ny fanohanan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny anjely be dia be.

Tsy afaka ny tsy hiraharaha ny fanampiana atolotry ny fandaminan’Andriamanitra antsika isika. Ny tsirairay avy dia afaka mianatra mampiasa fiadiana sy fiarovan-tena ara-panahy amin’ny fiarahana tsy tapaka amin’ny anankiray amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 47 000 (Efesiana 6:10-20). Izay rehetra hinia hifidy ny hitokana lavitra ny mpino hafa dia hitovy amin’ny miaramila izay hifanandrina irery amin’ny fahavalo an’arivony maro. Noho izany, dia manao ady ara-panahy isika amim-pahamalinana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy amin’ny fanosehana ny fakam-panahy rehetra mety hampiala antsika amin’ny asantsika kristiana.

Aza hadinoina na oviana na oviana fa miady ny kristiana mba hamonjena aina, anisan’izany ny an’ny tenany (I Timoty 4:16). Aza mihemotra àry, fa manohiza manao ady ara-panahy amin’ny fitoriana sy ny fampianarana amin-jotom-po. Amin’izany, “tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy”, dia ho afaka handresy izao tontolo izao ianao. — II Timoty 2:3, 4; Hebreo 10:38; Jaona 16:33.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara