Fanontanian’ny mpamaky
■ Sao dia mihatra fotsiny amin’ny biby novonoin’olona ilay didy ao amin’ny Baiboly mandrara ny fampiasana ny ra fa tsy amin’ny hena tsy nalatsa-dra avy amin’ny biby iray maty ho azy ny amin’ny ra avy amin’ny olombelona na biby velona iray?
Misy sasany mitana io hevitra io ary manome andininy vitsivitsy ao amin’ny Baiboly izay toa manohana ny fomba fihevitr’izy ireo. Araka izany, dia milaza izy ireo fa tsy ho ratsy ny hanaiky fampidiran-dra avy amin’ny mpanome velona iray. Ny fomba fihevitra toy izany dia mety ho toa marim-pototra, nefa ny fandinihana amim-pitandremana ireo andininy ho fanamarinana izany sy ny hafa koa mifandraika amin’io raharaha io dia mampiharihary fa Andriamanitra dia manantena avy amin’ireo mpanompony ny hifadiany ny fihinanana ra, na ny famelomana ny ainy amin’ny ra, na avy amin’ny zava-boary velona izany na maty.
Nahazo izao didy izao ireo Isiraelita: “Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin’ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitra hianao.” (Deoteronomia 14:21). Na dia tsy nalatsa-dra aza ny vatan’ny biby maty ho azy iray, dia azon’ireo Isiraelita natao na dia izany aza ny nivarotra azy tamin’ny vahiny izay tao an-tanàna. Nefa toa mifanohitra amin’io andininy io, ny Levitikosy 17:10 dia nilaza hoe: “Ary na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny eo aminareo, no mihinan-dra, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-dra, ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny izy,” Fa nahoana no misy io fahasamihafana amin’ireo andininy roa io?
Amin’ny fampisehoana ny fomba fiheviny, ny sasany dia manamafy fa ny Deoteronomia 14:21 dia namela ny vahiny hihinan-kena tsy nalatsa-dra raha avy amin’ny biby anankiray tsy novonoin’olona izany, satria amin’io tarehin-javatra io, ny olombelona dia tsy voatery hamerina amin’Andriamanitra ny ran’ilay biby (izay mampiseho ny aina). Ny Levitikosy 17:15 dia toa manohana an’io fomba fihevitra io, satria vakintsika ao fa ny tompon-tany, toy ny vahiny, izay nihinana “izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby”, dia tokony ‘hanasa ny fitafiany (...) ary haloto mandra-paharivan’ny andro’ fotsiny. Mety hisy hihevitra àry fa tsy meloka amin’ny fahadisoana lehibe raha mihinana ra, raha toa tsy novonoin’ny olona ilay biby. Ny sasany aza dia manamafy mihitsy fa tsy ho ratsy ny hampiasana ran’ny zavaboary velona iray mba hameloman-tena na hanaovana fampidiran-dra.
Kanefa moa ve ny fahasamihafana lehibe misy amin’ny Deoteronomia 14:21 sy ny Levitikosy 17:10, 15, avy amin’ny fomba nahafatesan’ilay biby? Tsia no valiny omen’ny Soratra Masina.
Ireo Isiraelita dia hahafantatra fa raha ny amin’izy ireo, dia tsy azony natao ny nihinan-kena tsy nalatsa-dra, na maty ho azy ilay biby na matin’ny biby iray. Raha mbola tany an-tendrombohitra Sinay izy ireo, dia nahazo baiko mba hanala ny fatim-biby toy izany (Eksodosy 22:30). Ny Deoteronomia 14:21 dia miandany amin’izany hevitra izany satria io andalan-teny io dia nandidy ireo Isiraelita mba hanary fatim-biby tsy nalatsa-dra toy izany, rehefa tonga any amin’ny tany nampanantenaina, sady namela azy ireo hivarotra izany amin’ny vahiny.
Aoka hodinihintsika amim-pitandremana ankehitriny ny Levitikosy 17:10. Voalaza ao fa “na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny” dia tokony hifady ny fihinanan-dra. Moa ve satria novonoin’ny olona ilay biby ary noho izany ny rany dia tsy maintsy niverina ho amin’Andriamanitra? Mba hanamafisana izany, dia ilaina ny mamaky ny eny anelanelan’andalan-tsoratra. Ankoatr’izany, raha tahiny ny tena diso tamin’ny fandikan-dalàna rehefa nikasika ny ran’ny zavaboary novonoin’ny olona ihany, amin’izay ny Deoteronomia 14:21 sy ny Eksodosy 22:21 dia tsy ho nandrara ireo Isiraelita tsy hihinana nofom-biby tsy nalatsa-dra ary tsy novonoin’ny olona. Kanefa ireo Isiraelita dia nahafantatra tsara fa tsy azony natao ny nihinana nofo toy izany. Nanambara i Ezekiela hoe: “Tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho.” — Ezekiela 4:14; jereo 44:31.
Nefa nahoana no vakina ao amin’ny Deoteronomia 14:21 fa azo natao ny nivarotra hena tsy nalatsa-dra tamin’ny ‘vahiny izay tao an-tanàna’, kanefa ny Levitikosy 17:10 dia mandra ny ‘vahiny tao an-tanàna’ tsy hihinan-dra? Na ireo mpanompon’Andriamanitra na ireo mpamakafaka ny Baiboly dia niaiky fa ny tarehin-javatra ara-pivavahana no nampisy fahasamihafana tamin’ireo vahiny tao an-tanàna ireo. Ilay boky hoe Aid to Bible Understanding (pejy faha-51) dia mampiseho fa ny hoe “vahiny ao an-tanàna” dia indraindray tsy maintsy noheverina ho olona iray nonina teo amin’ny Isiraelita nefa tsy dia proselyta akory. Toy izany no izy ao amin’ny Deoteronomia 14:21 izay anondroan’ny fitenenana hoe “vahiny ao an-tanàna” lehilahy iray izay miezaka hitandrina ireo lalàn’Andriamanitra rehetra ary angamba nanana ny fomba manokana hampiasana ireo fatin-javatra noheverina ho maloto teo amin’ireo Isiraelita tsy proselyta. Io fanazavana io dia naroson’ny mpandinika Baiboly jiosy ihany koaa.
Tsy nisy mpivavaka tamin’Andriamanitra afaka nihinan-dra àry, na avy amin’ny biby (na nofom-biby) maty ho azy na novonoin’olona. Nefa nahoana àry ny Levitikosy 17:15 no milaza fa izay nihinana hena tsy nalatsa-dra avy tamin’ny biby toy izany, maty ho azy na novonoin’ny biby anankiray, dia maloto fotsiny?
Mahita sombim-panazavana isika ao amin’ny Levitikosy 5:2 izay milaza hoe: “Na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin’ny bibi-dia tsy madio, (...) nefa tsy hitany izany ka mahaloto sy mahameloka azy izany [dia maloto sy manjary meloka ihany izy, MN].” Niaiky Andriamanitra tamin’izany fa ny Isiraelita iray dia nety hanao fahadisoana tsy nahy. Azo atao àry ny mahatakatra fa ny Levitikosy 17:15 dia nihatra rehefa natao noho ny tsy fitandremana ny fahadisoana iray. Ohatra, rehefa avy nihinana ny hena izay naroso ho azy ny Isiraelita iray ka nahafantatra fa tsy nalatsa-dra izany, dia meloka noho ny ota izy. Kanefa satria nanao izany tsy nahy izy dia azony natao izay notakin’ny Lalàna mba hahatongavana ho madio indray. Aoka homarihintsika fa raha tsy nanao izany izy dia “ho meloka”. — Levitikosy 17:16b.
Tsy zavatra tsy dia manao ahoana ny mihinan-kena tsy nalatsa-dra; izany fanao izany dia nety nahatonga fanamelohana ho faty. Tsy nisy mpivavaka tamin’i Jehovah (na Isiraelita izany na vahiny tao an-tanàna lasa proselyta) afaka nihinana an-tsitrapo hena tsy nalatsa-dra, na avy amin’ny biby maty ho azy izany na novonoin’ny biby hafa iray na olona iray (Nomery 15:30). Izany no nohamafisin’ny konsilin’ny apostoly. Raha nanoratra ho an’ireo kristiana mahaforona ny “Isiraelin’Andriamanitra”, ny Isiraelita ara-panahy, izy io dia nandrara azy ireo tsy hihinana biby nokendaina, na hena tsy nalatsa-dra avy amin’ny biby maty sendrasendra satria voakenda izany na nokendain’olona. — Galatiana 6:16; Asan’ny Apostoly 21:25.
Io konsily io dia nandidy koa ireo mpanompon’Andriamanitra ‘hifady ny ra’. Raha tsy afaka nihinana ny ra tavela tao amin’ny hena avy tamin’ny biby nokendaina ireo kristiana voahosotra ireo dia tsy afaka velively koa naka ny ran’ny zavaboary velona iray. Tsy sarotra ny mahatakatra fa ireo Isiraelita fahiny ny ireo kristiana nankatò dia tsy ho nanahaka ireo Afrikana amin’ny foko sasany izay mandentika zana-tsipika amin’ny lalan-dra lehibe eo amin’ny vozon’ireo andiam-bibiny mba hahazoana ra izay sotroin’izy ireo avy eo rehefa nampifangaroina tamin’ny ronono. Toy izany koa, ireo mpanompon’Andriamanitra dia tsy afaka hanaiky fomba fitsaboana izay hamindrana ra mba ho fikendrena ny hanalavana ny fiainana. Ireo fanao ireo dia mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra izay manameloka izay “mihinan-dra” sy amin’ny baiko izay mandidy ny kristiana ‘hifady ny ra’. — Asan’ny apostoly 15:28, 29; Levitikosy 17:10.
Na dia eo aza ireo fanerena mikendry ny hanalefahan’izy ireo ny zavatra takin’Andriamanitra, ireo tena kristiana dia miaiky fa ny aina dia fanomezana avy amin’i Jehovah tsy maintsy ampiasaina araka izay iheverany azy. Mankatò an’Andriamanitra izy ireo na hitany ho mahasoa ny vatan’izy ireo izany na tsia. Ohatra, ao amin’ny Asan’ny apostoly 15:28, 29 dia nodidiana izy ireo hifady ny fanompoan-tsampy. Noho izany, na dia rahonana ho faty aza izy satria mandà tsy handray anjara amin’ny endrika fanompoan-tsampy iray, ny mpivavaka amin’Andriamanitra dia tsy hanao anakampo hoe satria “tsinontsinona akory ny sampy”, dia tsy hety hamoy ny fiainany ankehitriny izy noho ny sary iray fotsiny (I Korintiana 8:4). Ireo Hebreo telo lahy nahatoky dia nanome ohatra raha ny amin’ny lafin’ny fankatoavana, toy ireo kristiana voalohany koa izay nanaiky ho faty tao amin’ny kianja filalaovana toy izay hametraka emboka eo amin’ny alitara iray. — Daniela 3:1-18.
Tahaka izany koa, rehefa misy zava-manahirana mipoitra mifandraika amin’ny ra, ohatra, amin’ny loza na fandidiana izay mitarika fahaverezan-dra betsaka, ny kristiana dia tsy afaka hampandefitra ny tsy fivadihany. Mankatò ilay Mpamorona ny aina izy sady manana antoka feno fa raha ohatra na dia teo aza ny fitsaboana tsara indrindra fanoloana, ka voatery hamoy ny fiainana ankehitriny izy, dia tsy tandindomin-doza ny fiainany mandrakizay. Nanambara tamin’ny mpianany Jesosy hoe: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery [manafoana, MN] ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo [Gehena, MN]. — Matio 10:28.
Marina aloha fa misy porofo ara-pitsaboana vao haingana nampiseho fa amin’ny ankapobeny ny fampidiran-dra dia tsy ilaina mba hamonjena olona iray, satria nisy mpitsabo za-draharaha nanamafy fa ny zavatra fanoloana fampiasa dia mety hanome vokatra tsara toy ny ra amin’ny ankamaroan’ny fisehoan-javatra. Azo atao koa ny manolotra ho fanaporofoan-kevitra fa ny isan’ny olona izay mety ho velona fotsiny noho ny fampidiran-dra dia azo inoana fa ambany raha ampitahaina amin’ny isan’ireo olona maty noho ny fampidiran-dra. Nefa, na ho inona na ho inona, ireo kristiana dia tapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra sy hanaja ny fomba fiheviny momba ny ra.
Noho izany, ireo tena mpivavaka amin’Andriamanitra dia tsy hihinana hena tsy nalatsa-dra, na avy amin’ny biby novonoin’olona izany na maty tamin’ny fomba hafa rehetra. Tsy hamelona ny ainy amin’ny fihinanana ra avy amin’ny zavaboary velona hafa ka izy, na olona izany na biby. Manaiky an’i Jehovah ho Mpamorona ny aina izy ireo ary tsy misalasala hankatò azy amin’ny lafiny rehetra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Aoka hotononintsika, ohatra, ny The Pentateuch and Haftorahs, nataon’i J. Hertz, izay amakiantsika hoe: “Araka ny Levitikosy 17, 15, ny Isiraelita na ‘vahiny [vahiny ao an-tanàna]’ izay mikasika na mihinana ny nofon’ny nevelah dia mandoto tena. Ao amin’ny Lev[itikosy], ny hoe ‘vahiny’, dia tokony horaisina hoe tsy Isiraelita izay nanjary proselyta, amin’ny hevitry ny teny feno, ger tsedek iray. Nefa eto [ao amin’ny Deoteronomia 14:21], ny vahiny ao an-tanànanao’ dia mifandray amin’ny fotoana izay nipetrahan’ireo Isiraelita tao amin’ny taniny ka tsy proselyta fotsiny no teo aminy fa nisy koa olona izay na dia nanary ny fanompoan-tsampy aza dia tsy nanaraka tanteraka ny fiainana sy ny fomba fanao ara-pivavahan’ireo Isiraelita.Ireo raby dia niantso io karazana vahiny tao an-tanàna io hoe ger toshav: [Deoteronomia 14:21] dia manisy fitenenana ny amin’io sokajin’olona io izay sady tsy terena na niova ho Isiraelita no tsy ‘vahiny’ [nanjary tena proselyta].” Mifanohitra amin’izany, io boky io dia manazava fa ny ‘vahiny’ ao amin’ny Levitikosy 17:15 dia “proselyta amin’ny heviny tokana, (...) raha tsy izany dia tsy ho norarana hihinana izany izy [fatin-javatra]”.
b Manana toromarika somary mitovy amin’izany isika ao amin’ny tapany hafa ao amin’ny lalàna momba ny ra: Ny lehilahy iray izay tsy nahafantatra fa nanomboka tonga fotoana ny vadiny ary nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy taminy dia naloto, nefa afaka nanaraka fombafomba sasany izy ary ho voavela heloka. Mifanohitra amin’izany, ny Isiraelita izay tsy niraharaha an-tsitrapo ny fadimbolan’ny vadiny dia tokony ho nofongorana. — Levitikosy 15:19-24; 20:18.