Ny Fitiavana Zava-mahamamo—Inona no Azon’ireo Anti-panahy Atao?
NANDRAMANY avokoa ny zava-drehetra mba tsy hisotroana betsaka. Toa tsy nisy nety anefa. Rehefa niresaka izany tamin’ireo anti-panahin’ny fiangonana izy, dia nanahy ny amin’izany izy ireo ary nanome azy torohevitra avy ao amin’ny Baiboly momba ny fahalalana onony. Nefa tsy nahomby ny fiezahan’izy ireo. Niharatsy ny zava-nanahirana azy. Zatra nisotro zavatra misy alkaola io vehivavy io.
Niteraka fanontaniana iray tena lehibe io zava-niseho io. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana ny rahalahy sy anabaviny izay manan-java-manahirana vokatry ny fisotroana?
Mazava fa ny Soratra Masina dia tsy hoe manakimpy ny masony amin’ny fimamoana. Ny mpiandraikitra indrindra no manana adidy hiahy mba tsy holeferina ao anatin’ny fiangonana kristianina ny mpimamo za-dratsy sy tsy mibebaka; izy ireny dia tokony horoahina. (1 Korintianina 5:11-13; Galatianina 5:19-21) Nefa, alohan’ny zavatra rehetra, ny anti-panahy dia tokony hatosiky ny faniriana hanampy ireo izay solafaka noho ny alkaola ka nibebaka. Inona àry no tokony hataon’ny anti-panahy iray izay hatonin’ny rahalahy na anabavy iray nimamo ka mitady fanampiana izao?
Homarihina aloha fa tsy mitovy ny hoe nanaiky hisotro tafahoatra tsy tamim-piheverana tamin’ny toe-javatra iray sy ny hoe mpimamo zatra varivariny. Hevero ny ohatr’i Noa izay nisotro divay nihoatra izay nety tamin’ny fotoana iray ka mamo (Genesisy 9:20, 21). Tsy mpisotro za-dratsy akory i Noa. Tsy ahitana fanondroana mihitsy ao amin’ny Baiboly hoe mamo indray izy.—Jereo Hebreo 11:7.
Noho izany, ny anti-panahy izay namborahana ilay fahadisoana dia tokony hanontany tena hoe: Moa ve izany fanaovan-javatra mitokana? Tapa-kevitra ve ilay olona hitandrin-tena mba tsy hiverenan’izany intsony? Moa ve izy niaiky ny fahotany avy hatrany ary nitady ny famelan’Andriamanitra? Moa ve izany fisehoan-javatra izany tsy dia nanala baraka loatra ny anaran’i Jehovah? Raha izany no miseho, dia ho ampy angamba ny hanomezan’ny anti-panahy torohevitra voamariky ny fitiavana ny amin’ny fahalalana onony, “amin’ny fahamorana”, ka hampaherezany amin’izany an’ilay olona, amin’ny fanapahan-keviny tsy hamerina ny ratsy nataony.—Galatianina 6:1.
Inona izao no hatao raha niverimberina imbetsaka na fanta-bahoaka ilay tarehin-javatra? Amin’ny toe-javatra mitovy amin’izany, ny raharaha dia tokony hokarakarain’ny komity mpitsara iray. Kanefa raha tian’ireo anti-panahy ny hanampy ilay olona, dia ilaina ny hahafantarany raha toa ilay zava-manahirana ka vokatry ny fitiavana zava-mahamamo.
Ny fitiavana zava-mahamamo
Moa ve izany mampiova zavatra? Eny, misy fahasamihafana lehibe! Araka ny ohatra naseho teo am-piandohan’ny lahatsoratra, raha tia zava-mahamamo ilay olona, dia tsy hampiova na inona na inona angamba ny famporisihana azy tsy hisotro betsaka. Nahoana? Satria ireo mpahay momba ny zava-mahamamo dia manoro hevitra ny mpisotro mba hifady tanteraka. Ary marina tokoa fa mazàna ampy fotsiny ny hanombohan’izy ireo misotro kely mba hanariany izay ho fahalalana onony.
Aoka hampiantsika fa mpisotro betsaka no handa ny zava-manahirana azy. Milaza izany fa mpimamo za-dratsy sy tsy mibebaka izy ireny? Tsy voatery ho izany. Tadidio ao an-tsaina fa matetika loatra no tsy azon’izy ireny ny zava-misy ny amin’ny toe-javatra mahazo azy. Ny toerany dia misy vokany eo aminy amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po sy ara-panahy. Izany dia zavatra tokony hoheverina avokoa. Noho izany dia tsy mora mihitsy ny hampanekena azy fa manan-java-manahirana vokatry ny alikaola izy.
Rehefa mikarakara raharaha toy izany ireo loholona dia hahita soa amin’ny fandinihana fanontaniana maromaro.
Ahoana no hahafantaranareo raha tena ny fitiavana zava-mahamamo tokoa no zava-manahirana? Angamba hirinareo ny haka hevitra ao amin’ny lahatsoratra hoe “L’alcoolisme—la réalité, les légendes”, nivoaka tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 oktobra 1982, lahatsoratra mitanisa ny fomba fisehoan’io loza io.
Manehoa fahaiza-manavaka. Matetika ny fisotroana dia atao amin’ny toerana faharoa. Tao amin’ny kongregasiona iray, ohatra, ny anabavy iray dia nanatona ireo loholona izay hanampy azy handresy fahakiviana mafy. Nefa, na teo aza ny fiezahan’izy ireo natosiky ny fikasana tsara, dia naharitra ny fahakiviana. Kanjo fantatr’ireo loholona taty aoriana fa nisotro io anabavy io. Tamin’ny fanohizany nitondra ny fanampiany, dia hitan’izy ireo fa mpisotro izy. Taorian’ny fanekeny fanampiana tamin’io lafiny io, dia nihasitrana tsara izy tamin’ny farany.
Ahoana no hanampiana ilay mpisotro hahatakatra fa manana zava-manahirana vokatry ny fisotroana izy? Halaviro ny hevitra na ny filazan-javatra ankapobeny tahaka ny hoe: “Heverinay fa misotro tafahoatra ianao.” Ny karazana fanamarihana toy izany dia vao mainka kosa hahatonga ny mpisotro hiaro tena. Mety kokoa aza ny fanambarana aminy zava-misy hentitra, amin’ny fanomezana azy antsipiriany ny amin’ny fahalalany onony sy ny vokany. Zava-dehibe ny hitorian’ny feonao ny fiahianao: “Tena raisinay am-po ny mahazo anao ka izany no antony mahalasa eritreritra anay ny aminao.”
Ny loholona iray izay afaka niala tamin’ny fandriky ny fitiavana zava-mahamamo dia manome izao famporisihana izao: “Tsapako fa ilaina ny mamantatra ny zava-manahirana mahazo an’ilay olona, na any an-trano izany na any am-piasana. Avy eo, amin’ny alalan’ny fanontaniana tarihina, dia manampy azy hahatakatra aho fa ny alikaola no mety ho tena antony marina. Tsaroako ny fisehoan-javatra iray izay nanaovana resadresaka sahalahala amin’izao:
‘Moa ve ny fisotroanao zava-mahamamo misy vokany eo amin’ny fiainam-pianakavianao?’
‘Tsia, tsy misy mihitsy.‘
‘Nifamaly tamin’ny vadinao ve ianao?’
‘Eny.’
‘Nisy fifandraisany tamin’ny fisotroana ve izany tarehin-javatra izany?’
‘Tsia.’
‘Nefa... moa ve teo am-pisotroana ianao raha nifamaly tamin’ny vadinao?’
‘Izany hoe... eh ...eny.’
“Rehefa niarahanay nidinika ny zavatra maro madinidinika niseho karazan’izany, dia afaka nanampy io lehilahy io hanaiky aho fa araka ny hita, ny zava-manahirana dia nitranga foana rehefa nisotro izy.”
Moa ve tokony hitady fanampiana ara-pitsaboana? Mety hilain’ilay mpisotro izany mba hahasitrana azy. Kanefa, ireo loholona dia tsy hoe hanoro azy endri-pitsaboana manokana—raharahany izany. Etsy andaniny, dia tsy hihevitra koa izy ireo fa ny mety ho fandavany tsy hitady ny fikarakaran’ny mpitsabo iray dia tsy hoe porofon’ny tsy fahampian’ny fibebahana. Nefa, amin’izany fotoana rehetra izany, dia ilaina ny tsy fileferana. Tokony ho tsapan’ilay mpisotro tsara ankoatra ny zavatra rehetra fa mety sy hitoetra ao anatin’ny fankasitrahan’i Jehovah izy, amin’ny maha-mpikambana ekena ao amin’ny kongregasiona kristiana.
Mety ho azo heverina ve ny fandroahana? Ny zava-manahirana dia mipetraka amin’ireto teny ireto: Inona no fihetsika raisin’ilay olona eo anoloan’ny fisotroana? Moa ve toa mihevitra ny hanohy hisotro ihany izy na teo aza ny fiezahanareo tamim-paharetana nefa tsy nilefitra mba hahatsapany tena? Amin’izay lafiny izay, dia tsara ny manamarika ny torohevitr’ilay boky hoe Alcooliques anonymes (anglisy) ho an’ireo mpampiasa nanana olona mpisotro anisan’ny mpiasany:
“Raha azonao antoka fa tsy mihevitra ny hitsahatra izy, dia tsara kokoa ny handroahana azy (...). Ny fandroahana olona toy izany dia mety hiseho ho fitahiana ho azy. Mety ho izay mihitsy ny fandonana mety ho azy.” Tahaka izany koa, fa raha ilaina ny handroahana mpisotro iray noho ny fihetsiny ary mba hitandroana ny fahadiovan’ny kongregasiona, dia izany angamba no hanome azy ny “fandonana” ilainy indrindra miaraka amin’izany.
Inona no hatao raha mino mafy ianao fa maniry marina hitsahatra tsy hisotro izy? Raha manaiky hampiana izy, dia mila fotoana sasany mba hamantarana raha manao zavatra mifanaraka amin’izany izy. Ny fanampian’ny mpitsabo dia mety hisy hilana azy. Marina anefa fa tokony ho takany fa tsy izany fotsiny akory ny valiny amin’ny zava-manahirana azy.
Hilainy, amin’ny ankapobeny, ny hanohizana hitondra fanampiana ho azy, indrindra eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tamin’ny lasa izy angamba nanaiky ho voatarika tamin’ny fisotroana zava-mahamamo mba hiatrehana ny fahakiviana lalina, ny fahatezerana, ny zava-manahirana any am-piasana sy fahasahiranana hafa. Noho izany izao, dia angamba tokony haseho azy ny fomba hiatrehana ny zava-misy amin’ny toe-tsaina hafa. Ambonin’izany, ireo fihetseham-po feno fandavana dia mety haharitra, ny fahatsapan-tena ho meloka, ohatra, ny tsy fahampian’ny fatokian-tena. Mety ho tsapany fa tsy mendrika ny hanatona an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka izy ka tsy isalasalana fa mila anao izy mba hampiverina amin’ny laoniny ny fifandraisana amin-toky amin’Andriamanitra. Amin’ny fivavahana ho azy sy miaraka aminy, amin’ny fampahatsiahivana azy hevitra mampionona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hampitony ny tahony sy hampisava ny fisalasalany ianao*.—Jakoba 5:14-16.
Ny olona iray izay tapa-tongotra dia azo inoana fa mila zavatra ianteherana mandritra ny fotoana sasany. Dia tahaka izany koa fa izay miady mba tsy hisotroana intsony dia tena hila olona koa mba hahatakatra ny mahazo azy sy hahay hihaino azy. Irinao ve ny hanampy azy?
“Ny loholona sy rahalahy maro hafa dia tonga nitsidika ahy, hoy ny fanazavan’ny kristiana iray izay niady mafy mba tsy hisotro intsony. Tsy ampy ny teniko hilazana ny hoe hatraiza no nankasitrahako ny fitiavana sy ny fahatakarana ny fihevitro izay nasehony tamiko. Soa ihany fa tamin’izany aho dia afaka indray nivavaka tamin’i Jehovah. Fanamaivanana re izany!”
“Ireo rahalahy dia nanohana ahy tamin’ny lafiny mihoatra ny iray, hoy ny nambaran’ny Vavolombelona hafa iray rehefa nampiana hanafa-tena amin’ny fisotroana zava-mahamamo izy. Nanolo-tena hipetraka teo akaikiko mihitsy izy ireo tao am-pivoriana, satria tsy sahy nankany aho. Ny rahalahy iray dia nanolotra ahy fanampiana manokana. Nitsidika ahy tamin’ny fotoana tena nilàko izany izy—na ahoana na ahoana nety ho fandaharam-potoanany. Tena velom-pankasitrahana azy aho noho ny fitiavana sy ny faharetana nasehony tamiko.”
Amin’ny toe-javatra sasany, dia hilain’izay miady mba hiala amin’ny fisotroana zava-mahamamo angamba ny firesahana amin’ny rahalahy iray nandresy zava-manahirana mitovy amin’izany. Nahoana? Satria izy io dia afaka miresaka an’izany amin’ny fahalalana tanteraka sady fantany avokoa ny fiovana tokony hoentin’ny mpisotro iray eo amin’ny fiainany. Ambonin’izany, dia asehony an’ilay miresaka aminy fa azo atao ny miala amin’ny fisotroana. Izy no porofo velona ny amin’izany. Takatra mora foana fa ny mpisotro dia ho tia kokoa ny ‘hahita’ toriteny iray toy izay ny hihaino izany.
Ary raha misy fihetsehany indray? Mety hitranga izany. Amin’izay toe-javatra izay koa, ny zava-manahirana dia mipetraka amin’ireto teny ireto: Inona no fihetsik’ilay mpisotro? Azonao antoka ve fa maniry tokoa handresy ny fironany ho amin’ny fisotroana izy? Hitany ve ny ilàna hampitomboana fiezahana raha tiany ny hahomby amin’ny fialana amin’io fironan-dratsy io? Raha izany no izy, dia mila fanohanana amim-pahatakarana ny fiheviny izy.
Araka izany, ny olona iray dia tsy horoahina avy ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra satria fotsiny hoe mpisotro izy. Raha maniry marina hiala amin’izany izy, dia tokony homena fotoana izay hanaovany izany. Ary raha mampiseho amin’ny ataony izy fa tsy tapa-kevitra ny hiala amin’ny fahazarany? Inona no atao raha fimamoana miverimberina ilay izy ka tsy misy vokany ny fanampiana natao tamim-pahaiza-mandanjalanja? Amin’izay, araka ny tenin’i Paoly ao amin’ny I Korintiana 5:11-13, dia tokony hatao ny fandroahana an’ilay olona.
Ny fanampiana ireo izay manan-java manahirana mifamatotra amin’ny alikaola dia mitaky fahaiza-manavaka betsaka, faharetana ary tsy fileferana loatra. Izany dia tsy filazana fotsiny amin’ilay rahalahy na anabavy hoe: “Aza manaiky ho voatarika ianao!”, na: “Raha tia an’i Jehovah ianao, dia hiala amin’ny fisotroana.”
Miezaha kosa hahatakatra ny toetry ny fitiavana zava-mahamamo, ny hoe inona izy io ary ny vokany eo amin’ny olona. Tadidio ao an-tsaina fa tokony handrodana ny rindrim-pandavana izay naorin’ilay mpisotro manodidina azy ianao. Tokony hitarika azy ianao hiaiky fa manan-java-manahirana vokatry ny fisotroana izy ary mila fanampiana. Mila ny fandraisanao anjara sy ny fanohananao izy. Nefa moa ve ny vokatra azo tsy manamarina ny fiezahana natao rehetra?
Ny anabavy iray, rehefa nampiana mba hanafa-tena amin’ny fisotroana zava-mahamamo, dia nanambara izao: “Ny loholona dia tean nampiseho hatsaram-po sy fahatakarana ny fihevitro, ka misaotra isan’andro an’i Jehovah aho nandefa azy ireo taty amiko. Amin’izao fotoana izao, dia fantatro ny toerako. Afaka miresaka amin’i Jehovah amin’ny fieritreretana madio aho. Manatrika ny fivoriana rehetra aho ary mahita fahafinaretana betsaka amin’izany”. Eny, tena velom-pankasitrahana an’ireo mpiandraikitra tokoa ireny olona ireny noho ny fanomezana avy amin’ny tenany sy ny fikarakarany an-tsitrapo ny andian’ondry, atosiky ny “fandavan-tena”!—I Petera 5:1, 2, Bible en français courant.
[Fanamarihana ambany pejy]
Jereo ny lahatsoratra hoe “Lela nozarina ‘hahay hampahatanjaka ny reraka’, nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 desambra 1982. Nasehon’izy io ny fomba azon’ireo loholona anampiana ireo latsaka ao amin’ny fahakiviana lalina noho ny fampitomboana fihetseham-po na fihetsika feno fandavana.
[Sary, pejy 8]
Tsy isalasalana fa ny mpisotro dia mila olona mahatakatra ny fiheviny sy mahay mihaino azy.
[Sary, pejy 10]
Ho an’ny mpisotro, dia zavatra ilaina ny fifadiana tanteraka.