Fahombiazana eo Amin’ny Ady Mafy Atao Amin’ny Alkaolisma
“Nandritra ny fiasana, teo amin’ny folo ora maraina teo ho eo, dia nanomboka nieritreritra ny hisotro aho. Tamin’ny 12 ora antoandro, dia nandeha nivoaka aho mba hisotro eran’ny vera na indroany. Tamin’ny telo tolakandro dia nangovitra ny vatako. Tsy andriko izay hiravana mba hahafahako hisotro eran’ny vera hafa koa. Matetika dia nisotro indroan’ny vera aho teny an-dalana nody. Teo amin’ny fito ora teo ho eo, dia naniry mafy hisotro indray aho. Dia nisotro aho, nianjera tsy nahatsiaro tena avy teo amin’ny seza, nandena am-pataloa, ary nandry teo amin’ny fivalanan-dranoko mandra-maraina. Alao izany ka ampitomboy in-7 andro isan-kerinandro; dia ampitomboy in-52 herinandro isan-taona; dia ampitomboy in-29 taona.”
ALKAOLIKA io lehilahy io. Tsy irery izy. An-tapitrisany maro maneran-tany no miady mafy amin’io toe-piainana mahafaty io izay “mahatafiditra ilay olona iray manontolo: ara-batana, ara-tsaina, ara-psikolojia, ary ara-panahy”, araka ny nambaran’i Dr. Vernon E. Johnson.a
Manam-pahaizana manokana maro no milaza fa tsy azo sitranina ny alkaolisma, fa azo ajanona amin’ny alalan’ny fandaharana iray natao hifadiana mandritra ny androm-piainana. Tsy fitakiana tafahoatra akory izany, satria tsy zavatra tena ilaina ho an’ny fiainana ny alkaola. Raha ny marina, ny fampiasana ny alkaola amin’ny fomba ratsy dia mitondra ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9, 10). Tsara kokoa ny miditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra tsy nahazo alkaola, toy izay hanaiky ho resin’ny faniriana mafy an’izany, ka hamoy ny fiainana mandrakizay. — Matio 5:29, 30.
Ny fanafahan-tena — sy ny fitoerana ho afaka — amin’ny fidorohana alkaola dia matetika zava-tsarotra mitondra fahakiviana. (Ampitahao amin’ny Romana 7:21-24.) Inona no afaka manampy? Aoka isika hanome torohevitra mivantana sasany. Na dia tsy misotro zavatra misy alkaola mihitsy aza ianao, dia hitondra fanazavana ho anao itỳ torohevitra itỳ ary mety hahatonga anao ho afaka hanampy namana na havana sasany izay miady mafy amin’ny alkaolisma.
Fijerena ny tenanao amim-pahamarinana
Iray amin’ireo vato misakana lehibe indrindra horesena ny fandavana ny maha-alkaolika anao. Ny fandavana ny marina dia karazana fanaovana ny tsy marina. Izany dia fanaovana ny zavatra iray ho azo ekena noho ny fikasana iray: mba hiarovana ny fahafahanao hisotro. ‘Tsy lasa lavitra be toy izany kosa aho ka’, hoy angamba ianao misaintsaina. ‘Mbola manana ny fianakaviako aho. Mbola manana ny asako aho.’ Ary ny zava-dehibe indrindra, dia mbola manana ny alkaolanao ianao.
Ny fandavana ny marina dia mety hanakana anao tsy hihaino ireo sakaizanao izay maniry hanampy anao. Voamarik’i Robert fa ny raikelim-badiny dia naka fahazarana ratsy teo amin’ny fisotroana ary nanana fihetsika nahery vaika. “Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nifanandrina taminy aho”, hoy i Robert, “nanontany azy raha nihevitra izy fa nandray anjara tamin’ny fihetsiny ny fisotroany”. Inona no vokany? “Fandavana tanteraka ny marina no hitako, narahin’ny fitenenana toy ny hoe: ‘Tsy manana porofo ianao’, sy ny hoe: ‘Tsy fantatrao hoe manao ahoana aho.’ ”
Raha manatona anao ny mpikambana ao amin’ny fianakavianao na namana izay manahy ny amin’ny fisotroanao, dia diniho amin’ny fomba lalina sy amim-pahamarinana ny tenanao. (Ohabolana 8:33). Moa ve ianao afaka miaina tsy misy alkaola mandritra ny herinandro iray manontolo, mandritra ny volana iray manontolo, na mandritra ny volana maromaro? Raha tsia, nahoana? Aza manao sahala amin’ilay lehilahy izay mamita-tena amin’ny fanjohian-kevitra diso. Hoy i Jakoba: “Toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny.” — Jakoba 1:22-25.
Na dia aorian’ny fanombohan’ny fahasitranana aza, dia mbola mila mitandrina ny amin’ny fandavana ny marina ihany ianao. Manazava toy izao ilay boky hoe Willpower’s Not Enough: “Ilay olona vao nifady dia mety hino amim-pahadisoana hoe satria izy afaka nijanona tsy nisotro alkaola nandritra ny fotoana kelikely — angamba vao sambany izany — dia sitrana izy izao.” Izany dia fisainana maha-za-dratsy tonga amin’ny fara tampony, ary dingana voalohany ho amin’ny fahalavoana indray izy io. Raha ta hanohitra ny fandavana ny marina toy izany ianao, dia aza miady irery.
Mandraisa fanampiana
Noho ny fahatakarany fa tsy afaka miady irery amin’ny alkaolisma ny tenany, dia nitady fanampian’ireo manam-pahaizana ny lehilahy iray azontsika antsoina hoe Leo. Taorian’ny vanim-potoana nanaovana fitsaboana lalina, dia teo an-dalam-pahasitranana izy. Nihevitra i Leo fa tsy tokony hohamaivanina ny fanampian’ny manam-pahaizana.b Raha misy eo an-toerana ny fanampiana toy izany, dia afaka manapa-kevitra ny hanararaotra izany ianao.
Tokony ho takatrao anefa fa zavatra bebe kokoa noho ny fifadiana fotsiny no ilaina amin’ny fahasitranana. Ankoatra ny alkaolisma, dia azo inoana fa misy zava-manahirana lalindalina kokoa izay ilainao atrehina. Ny tsy firaharahana izany dia mety hampidi-doza. Nanoratra toy izao ny Dr. Charlotte Davis Kasl: “Nisy olona nadinadiniko, izay notsaboina tamin’ny fidorohana zavatra mahaza-dratsy hatramin’ny inefatra ambin’ny folo satria tsy nokarakaraina ilay zava-nanahirana fototry ny fidorohana sy ny fahazaran-dratsy ary ny fanaovana tsirambina.”
Hitan’i Dennis fa marina izany. “Ny tenako dia alkaolika efa niala, izay mbola nanan-java-nanahirana maro be ihany”, hoy ny nosoratany. “Tsy ampy ny nitsahatra tsy nisotro. Voatery nijery ny fiainako tamin’ny lasa aho, nandinika ireo fianarana teo amin’ny fahazazako, nahatakatra ny fomba fiantraikan’izany tamiko, ary nanao fiovana sasany teo amin’ny fihetsiko.”
Toy izany koa, fa voatery nandinika lalina ny tao anatiny i Leo mba handrosoana ho amin’ny fahasitranana. “Olona faran’izay saro-piaro sy nahery setra aho”, hoy izy. “Mbetika aho nihevi-tena ho tsinontsinona, ary mbetika aho nihevi-tena ho zavatra.” Nampiharin’i Leo ilay torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Efesiana 4:22 hoe: “Hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny”. Eny, nampihatra fitaomana mahery teo amin’ny toetra maha-ianao anao ‘ny fitondrantenanao fahiny’. Toy ny anarahan’ny platira ny lasitra iray, dia toy izany koa fa ny ampahan’ny toetra maha-ianao anao dia novolavolain’ny fiainanao tamin’ny lasa. Rehefa esorina ny fitondran-tena ratsy iray, dia inona no tavela? Toetra maha-izy ny olona iray izay angamba voavolavola efa an-taonany maro. Noho izany, ny fahasitranana dia tsy maintsy mahatafiditra fanovana ilay toetra taloha izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanao taloha.
Manorena fifandraisana amin’Andriamanitra
Nitaky fampitomboana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra koa ny fahasitranan’i Leo. “Nanova tanteraka ny fihetsiko sy ny fitondran-tenako ary ny fomba fijeriko zavatra, ny fianarana niantehitra tamin’i Jehovah”, hoy izy.
Mety anefa ny hitandremana. Rehefa mety ho fifandraisana — na amin’olombelona izany, na amin’Andriamanitra — dia mitaky tsy fanafenana na inona na inona sy fanaovana ny marina ary fatokiana. Ireo toetra ireo indrindra anefa no simbain’ny alkaolisma tsikelikely. Azo ambolena izy ireo, saingy mila fotoana izany.
Amin’ny maha-alkaolika anao, dia mety tsy ho fantatrao izany hoe manana fifandraisana akaiky izany. Angamba ianao mbola tsy nanana izany mihitsy. Koa manàna àry faharetana. Aza irotorotoana io dingana io amin’ny fanantenana fa ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia hipoitra tampoka toy ny vokatra tonga ho azy avy amin’ny fifadiana alkaola. Miezaha mahafantatra tsara an’Andriamanitra sy ny toetrany. Aoka ianao hisaintsaina tsy tapaka, angamba amin’ny famakiana amim-pitandremana ireo salamo ao amin’ny Baiboly izay milaza fihetseham-po lalina feno fankasitrahana an’i Jehovah sy ny lalany.c
“Hery mihoatra noho ny mahazatra”
Ny fifandraisana feno toky amin’Andriamanitra dia afaka manana fitaomana mahery eo aminao. Hanohana ny fiezahanao ho sitrana i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Salamo 51:10-12; 145:14.) Afaka manatona azy amin’ny vavaka feno hafanam-po ianao amin’ny fotoana rehetra, amin’ny fatokiana fa hanome anao “hery mihoatra noho ny mahazatra” izy. — 2 Korintiana 4:7, NW; Filipiana 4:6, 7.
Mahafantatra tsaratsara kokoa ny maha-ianao anao noho ny olon-kafa na iza na iza ny Mpamorona. (Salamo 103:14). Ireo mpanolo-tsaina olombelona, izay miankina amin’ny fahendren’olombelona, dia afaka manampy; kanefa, vao mainka afaka manampy anao be lavitra amin’io ady io ilay Mpamorona ny olombelona! (Isaia 41:10; 48:17, 18). Nanome fanohanana feno fitiavana ao anatin’ny kongregasiona kristiana izy.
Fandaharam-panohanana
Afaka ny ho loharanom-panampiana lehibe ireo loholona matotra ara-panahy ao amin’ny kongregasiona kristiana. Vitsy amin’izy ireo no hihambo ho manam-pahaizana eo amin’ny lafiny fitsaboana na eo amin’ny lafiny aretin-tsaina. Mahafantatra sy matoky ny Tenin’Andriamanitra sy ny fotopoto-pitsipiny anefa izy ireo. Afaka miseho “ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ary ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana”. (Isaia 32:2). Hararaoty amin’ny fomba feno ny fanampian’izy ireo.d
Mazava ho azy fa tsy hiaro anao amin’ny vokatry ny nataonao akory izany loholona kristiana izany, mbamin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny fianakaviana sy sakaiza. Manazava toy izao ilay boky hoe Coming Off Drink: “Foto-javatra tena lehibe eo amin’ny fitsaboana ny alkaolika ny mampifanandrina azy amin’ny vokatra manimban’ny fahazaran-dratsy, sy ny fanaovana izay handraisany ny andraikiny noho ny fitondran-tenany manokana.” Koa ho tsara fanahy izy ireo saingy tsy hiolakolaka, hampahery anao izy ireo hiatrika ny zava-misy sy hifikitra amin’izay fitsaboana sy fomba fitondran-tena ilaina mba handresena ilay ady ataonao amin’ny alkaola.
Andraikitrao ny fahasitranana
Na dia mandray soa avy amin’ny fanohanan’ny hafa aza ianao, dia ilainao ny mahafantatra fa tsy misy olona na fanahy afaka manery ny fahasitrananao. Tompon-tsafidy amin’izay ataonao ianao. Andraikitrao amin’ny farany ny fahasitrananao. (Ampitahao amin’ny Genesisy 4:7; Deoteronomia 30:19, 20; Filipiana 2:12.) Ekeo izany andraikitra izany, ary hitahy anao i Jehovah. Omena toky isika ao amin’ny 1 Korintiana 10:13 fa: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” Noho izany dia manàna fiononana — afaka mahomby ianao eo amin’ny ady mafy atao amin’ny alkaolisma.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia hiresaka ny amin’ny alkaolika ho toy ny lehilahy aza izahay, ny fotopoto-pitsipika eto dia mihatra koa amin’ny vehivavy alkaolika.
b Misy foibem-pitsaboana sy hopitaly maro, ary fandaharam-panasitranana hafa maro izay afaka manome fanampiana. Ny Tilikambo Fiambenana dia tsy manohana fomba fitsaboana manokana na inona na inona. Tsy maintsy atao ny fitandremana mba tsy hahatonga ny tena ho tafiditra amin’ny fanaovan-javatra izay hampilefitra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina. Eo amin’ny famakafakana farany anefa, dia ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra ho an’ny tenany ny amin’ny karazana fitsaboana ilaina.
c Misy ohatra sasany ao amin’ny Salamo 8, 9, 18, 19, 24, 51, 55, 63, 66, 73, 77, 84, 86, 90, 103, 130, 135, 139, 145.
d Misy torolalana mahasoa ho an’ireo loholona hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1983, pejy faha-8-11.
[Efajoro, pejy 24]
Angamba ianao mizaka ny fahasimbana sy ny fahoriana ateraky ny alkaolisma. Raha izany no izy, dia aoka ianao tsy ho very fanantenana. Misy fanampiana azo raisina.
[Efajoro, pejy 26]
RAHA LAVO INDRAY IANAO
“Toy ny fanazaran-tena ho amin’izay tokony hatao raha sendra hain-trano ny fiomanana ho amin’ny fahalavoana indray”, hoy ilay boky hoe Willpower’s Not Enough. “Izany akory tsy midika hoe manantena ny hisian’ny hain-trano ianao, fa miomana kosa ianao mba hanao zavatra mifanaraka amin’izany raha sanatria mitranga izany.” Raha lavo indray ianao dia:
◻ Mivavaha amin’i Jehovah. Aoka ianao hahazo antoka fa mahatakatra ny zava-manahirana anao izy ary maniry ny hanampy. — Salamo 103:14; Isaia 41:10.
◻ Aboraho amina loholona kristiana izany, amin’ny fanapahana mialoha hoe iza no hatoninao raha sanatria ka mipoitra ny ilana izany. Aoka ianao hilaza ny marina mikasika izay nitranga, ary henoy amim-pitandremana ny torohevitra araka ny Soratra Masina omeny.
◻ Mitandrema tena amin’ny famoizam-po. Ny fankahalan-tena dia tsy manao afa-tsy mampanakaiky anao kokoa amin’ny fahalavoana tanteraka, koa apetraho amin’ny toerana tena tokony hisy azy ny fahadisoanao. Ny faharesena amin’ny fanafihana iray dia tsy midika hoe resy amin’ilay ady ianao. Rehefa mianjera ny mpanao hazakazaka lavitra ezaka iray, dia tsy mandeha miverina any amin’ny tsipika fiaingana indray akory izy; miarina izy ary dia manohy ilay hazakazaka. Manaova sahala amin’izany eo amin’ny fahasitrananao. Mbola eo amin’ny lalana ianao. Tsy foana akory ireo herinandro, na volana, na taona maro nifadianao alkaola tamin’ny lasa.
[Sary, pejy 24, 25]
Tohero ny fandavana ny marina amin’ny fandinihana amin’ny fomba lalina sy amim-pahamarinana ny tenanao