Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Samy hafa ve ireo fiadiana noklehera?
Tsy ela izay, ny New York Times dia nanokana pejy ho an’ny famoaboasan-kevitra nataon’ireo mpahay siansa, mpanoratra tantara ary mpanao raharaha ambony isan-karazany ny amin’ny toerana tanana manohitra ny fiadiana noklehera tao amin’ny Fifampidinihan’ireo eveka katolika any Amerika. Ilay fizisiana noklehera atao hoe Harold Agnew, talen’ny trano fiasana siantifika any Los Alamos teo aloha dia nanoratra izao manaraka izao: “Ny saika nahakenda ahy, dia ny famakiana teny nalaina tao amin’ny fiarovan’ny Akademia paontifikalin’ny siansa, any Vatican. Nilaza izany hoe: ‘Ny fiadiana noklehera dia samy hafa tokoa amin’ny fiadiana mahazatra. Tsy azo atao ny mihevitra azy ireny ho toy ny fiadiana azo ekena.’” Raha namerina ny zavatra tamin’ny toerany i Agnew dia nanampy hoe:
“Ho niriko ny hilazan’ireo Fiangonana hoe: “Hadalana be ny ady (...). Tsy tokony hampiasa hery hianareo mba handaminana ireo tsy fifanarahanareo.’ Heveriko fa mpihatsaravelatsihy izy ireo noho izy ireo toa mihevitra fa ny ady iray mahazatra dia azo ekena, fa ny ady noklehera kosa dia tsy toy izany.” Raha nanandrana nanazava ny fihetsika manohitra ny ady noklehera fatra-piely izy dia nanambara ihany hoe: “Ireo fiangonana ary koa ny vola, ireo fananana ara-nofo ary fananana hafan’ireo mandray fanapahan-kevitra dia tsy ho voaro raha mipoaka ny ady noklehera iray.” Na koa, satria ireo fiadiana noklehera mampanatrika ireo filoha ara-pivavahana ireo amin’ny fandravan’ny ady, izay tsy nahakasika afa-tsy ireo zatovolahy tamin’ny lasa, ny klerjy dia tsy manameloka amim-pihatsarambelatsihy afa-tsy io karazana fiadiana io.
Nanala sarona ny fihatsarambelatsihy toy izany teo amin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny Jesosy Kristy tamin’ireto: “Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.”—Matio 23:4.
Tarazo maharitry ny gripa espaniola
Mety ho eo am-piaretana ny do-miverin’ny poizin’ny otrikaretin‘ny gripa espaniôla ianao, dia ilay gripa izay nitarika ny fahafatesan’ny olona 20 tapitrisa nanerana izao tontolo izao teo amin’ny faran’ny Ady Lehibe voalohany. Araka ny filazan’ny dokotera Reimert Ravenholt, mpandinika areti-mifindra ao amin’ny Foibe amerikana momba ny fanaraha-maso ny aretina, ny fandinihana momba ny fahasalamana natao tamin’ny ambaratonga maneran-tany dia manondro fa ny gripa espaniôla no mety ho ao ivohon’ny fitomboana maherin’ny “aretina mitatra isan-karazany” taorian’ny ady.
“Ny fielezan’ny aretina [gripa espaniôla] dia tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’ny fitomboan’ny aretin-tsain’ny fahaketrahana, ny fikorontanan-tsaina [schizophrénies] ary ireo fiandoham-pahadalana, izay nahatonga fihoaran’ny isan’ny olona any amin’ny hopitaly fitsaboana aretin-tsaina nandritra ireo taona 20, 30 sy 40, ary nihena taty aoriana”, hoy ny ampian’ny lahatsoratra ao amin’ny Medical World News izay mitantara ireo fanatsoahan-kevitry ny dokotera Ravenholt. Izy io dia nanambara koa fa aretim-po maro mahazo ireo olona be taona ankehitriny angamba no avy amin’ny fahavoazana nentin’ny gripa espaniôla tao amin’ny ozatra mifehy ny fiasan’ny fo. Mety ho avy aminy koa ny faharerahana noho ny fahanterana, ny homamiadana amin’ny havokavoka sy ny vavony, ary koa ireo aretina amin’ny vavony sy ny tsinay.
Ny filazana toy izany dia manampy lanja ny fahasambarana ao amin’ny boky ara-paminanian’ny Apokalypsy izay milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra (miaraka amin’i Jesosy Kristy nahazo satroboninahitra mitaingina soavaly fotsy) dia nandray ny fahefana tamin’ny 1914, tamin’ny fotoana izay nivoahan’ny mpitaingina “soavaly mena”, sarin’ny ady iraisam-pirenena ihany koa. Nisy soavaly iray hafa koa, “soavaly hatsatra”, nitondra ny “Fahafatesana”, izay mamely indrindra amin’ny ‘loza mahafaty, MN’. Araka izany, ny gripa espaniôla dia nifaoka ny tany tamin’ny 1918 tamin’ny fiharihariana ho nandringana kokoa ihany tamin’ny farany fa tsy araka izay niheverana azy teo am-piandohana.—Apokalypsy 6:1-8; Lioka 21:7-11.
Ny “Taonan’ny Baiboly”
Ny prezidà Ronald Reagan dia nanambara vao haingana ny 1983 ho “Taonan’ny Baiboly” ho an’i Etazonia rehefa avy nanao sonia ny fanapahan-kevitra neken’ireo antokon’ny solombavambahoaka roa tao amin’ny Kongresy. Io fanapahan-kevitra io dia niaiky ny amin’ny “ilàna eo amin’ny firenena hianarana sy hampiharana ireo fampianaran’ny Soratra Masina”. “Afaka ny ho tapa-kevitra hihevitra, hianatra sy hampihatra ny hafatra lehibe indrindra voasoratra hatrizay, dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly masina, ve isika, hoy ny fanontanian’i Ronald Reagan. Hita ao amin’ireo pejiny ny valiny amin’ireo zava-manahirana rehetra mety ho hitan’ny olombelona.”
Araka izany, ny prezidà Reagan dia toy ny namerina ireto tenin’i Paoly, mpanoratra ao amin’ny Baiboly ireto: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, (...) mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (II Timoty 3:16, 17). Kanefa ny fanapahan-kevitry ny Kongresy nangataka ny hampiasana ny Baiboly mba “hahatonga antsika ho matanjaka amin’ny maha-Firenena sy vahoaka dia kely dia kely ny mety hahafahanay mahita fahombiazana. Ny Baiboly mihitsy aza no manondro fa ny Fanjakan’Andriamanitra tokana ihany no afaka hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny taranak’olombelona. Ny zava-kendren’ny hafatry ny Soratra Masina dia tsy ny hahatonga hatanjaka ‘Firenena iray na vahoaka’ fotsiny, fa ny hampiray ny vahoaka rehetra avy amin’ny firenena rehetra ao ambany fahefan’ilay Fanjakana.—Isaia 2:2-4.